-
Tsy Nanaiky Lembenana Mihitsy IzahayDiarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
-
-
INDONEZIA
Tsy Nanaiky Lembenana Mihitsy Izahay
Daniel Lokollo
TERAKA 1965
BATISA 1986
TANTARANY Mpisava lalana manokana izy ary tsy nivadika na teo aza ny fanenjehana.
NITARIKA fivoriana tany Maumere, any amin’ny Nosy Flores, aho tamin’ny 14 Aprily 1989. Nanao bemidina tao amin’ilay trano nivorianay ny manam-pahefana, ary nosamborina ny efatra taminay.
Nogadraina izahay ary noteren’ny mpiambina fonja hiarahaba saina. Tsy nanaiky izahay ka nokapohiny sy nodakadakany, ary nataony nijajirika teo amin’ny masoandro migaingaina nandritra ny dimy andro. Nangovitry ny hatsiaka izahay rehefa alina satria natory teo ambony gorodona simenitra. Ny efitra amin’io tery kely, izahay naloto sady reraka, ary ny ratranay nanaintaina. Imbetsaka ny mpiambina no nanery anay hiarahaba saina. Nilaza anefa izahay hoe: ‘Tsy hanao an’izany izahay mandra-pahafatinay.’ Nahatsapa hoatran’ireo Kristianina fahiny izahay hoe tombontsoa ny “mijaly noho ny fahamarinana.”—1 Pet. 3:14.
-
-
Avotra Izahay fa NankatòDiarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
-
-
INDONEZIA
Avotra Izahay fa Nankatò
Blasius da Gomes
TERAKA 1963
BATISA 1995
TANTARANY Anti-panahy be fitiavana izy, ary nikarakara ny andian’ondry rehefa nisy ady ara-pivavahana tany Ambon, any amin’ny Nosy Maluku.
NITOMBO ny disadisa teo amin’ny Kristianina sy ny Silamo, ka raikitra ny ady ny 19 Janoary 1999. Teo amin’ny telo kilaometatra avy teo amin’ny tranoko no nitrangan’izany. Nahatsiravina ilay izy.a
Napetrako tany amin’ny toerana azo antoka aloha ny fianakaviako, dia nantsoiko an-telefaonina ny mpitory hafa mba hahalalako hoe manao ahoana izy ireo. Nampirisihiko izy ireo mba ho tony sy hanalavitra ny faritra mampidi-doza. Nitsidika ny andian’ondry ny anti-panahy taorian’izay mba hampahery azy ireo. Nilazanay koa izy ireo hoe tokony ho vitsivitsy no miara-mivory.
Nasain’ny biraon’ny sampana nafindra izay mpitory nipetraka tany amin’ny faritra nampidi-doza. Nampitainay tamin’ny fianakaviana maro io toromarika io. Tsy nety nifindra anefa ny rahalahy iray ka matin’ny vahoaka romotra. Nieren-doza kosa izay rehetra nanaraka an’ilay toromarika.
a Nitatra eran’ny faritr’i Maluku io ady io ary naharitra roa taona mahery. Olona an’aliny no voatery nitsoa-ponenana.
-