FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • od toko 9 p. 87-104
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
  • Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FITORIANA ISAN-TRANO
  • FITADIAVANA AN’IREO MENDRIKA
  • FIVERENANA MITSIDIKA
  • FAMPIANARANA BAIBOLY
  • TARIHO HO AO AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH NY OLONA LIANA
  • FAMPIASANA BOKY ARA-BAIBOLY
  • FITORIANA TSY ARA-POTOANA
  • FARITANY
  • MIARA-MIASA MBA HITORIANA AMIN’NY OLONA SAMY HAFA FITENY
  • FIARAHANA MITORY
  • Fitoriana Amin’ireo Miteny Vahiny
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fitoriana Amin’ny Faritany Misy Olona Mampiasa Fiteny Samy Hafa
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mitadiava Olona Alohan’ny Hitoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Handray Soa Ianao Raha Manana ny Faritaninao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
od toko 9 p. 87-104

TOKO 9

Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara

TENA nazoto nitory ny vaovao tsara i Jesosy, ka modely ho an’ny mpanara-dia azy. Izy mihitsy no nanatona ny olona ka niresaka tamin’izy ireo sy nampianatra azy, na tany an-trano izany na teny an-kalamanjana. (Mat. 9:35; 13:36; Lioka 8:1) Niresaka tamin’ny olona mitokana izy indraindray, nampianatra ny mpianany, na niresaka tamin’ny olona an’arivony. (Mar. 4:10-13; 6:35-44; Jaona 3:2-21) Nampahery sy nanome fanantenana ny olona izy, isaky ny afaka nanao izany. (Lioka 4:16-19) Mbola nitory foana izy, na dia rehefa nila niala sasatra sy nisakafo kely aza. (Mar. 6:30-34; Jaona 4:4-34) Rehefa mamaky ny fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy isika, dia lasa te hanahaka azy, toy ny nataon’ireo apostoly.​—Mat. 4:19, 20; Lioka 5:27, 28; Jaona 1:43-45.

2 Maro ny fomba azontsika andraisana anjara amin’ilay asa natombok’i Jesosy Kristy, efa ho 2 000 taona lasa izay. Andeha hodinihintsika izany.

FITORIANA ISAN-TRANO

3 Fantatsika Vavolombelon’i Jehovah fa zava-dehibe ny mitory ny vaovao tsara isan-trano. Mitory isan-trano foana isika, ka lasa izany no ahafantaran’ny olona antsika. Nahitana vokatra tsara io fomba fitory io ka voaporofo hoe io no fomba tsara indrindra ahafahana mitory amin’ny olona an-tapitrisany, ao anatin’ny fotoana fohy. (Mat. 11:19; 24:14) Rehefa mitory isan-trano isika dia mampiseho hoe tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika.​—Mat. 22:34-40.

4 Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny no namorona ny fitoriana isan-trano. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly fa nampianatra ny olona tany an-tranony izy. Hoy izy tamin’ireo mpiandraikitra tany Efesosy: “Nanomboka tamin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritanin’i Azia ..., [dia] tsy nisalasala aho nilaza taminareo an’izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ... isan-trano.” Nilaza koa i Paoly fa ‘nanome fanazavana feno tamin’ny Jiosy sy tamin’ny Grika izy hoe ilaina ny mibebaka sy miverina amin’Andriamanitra ary mino an’i Jesosy Tompontsika.’ Nanao izany ampahibemaso koa izy, ankoatra ny fitoriana isan-trano. (Asa. 20:18, 20, 21) Nampirisika ny olona hanompo sampy ny mpanjaka romanina tamin’izany, ary maro no lasa ‘natahotra an’ireo andriamanitra.’ Tena nila nitady an’Andriamanitra haingana àry ny olona, dia “Ilay Andriamanitra nanao an’izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy”, sy Ilay ‘nilaza amin’ny olombelona rehetra, na aiza na aiza, fa tokony hibebaka izy ireo.’​—Asa. 17:22-31.

5 Vao mainka isika izao tena mila mitory ny vaovao tsara, satria manatona haingana ny faran’ity tontolo ratsy ity. Izany no mahatonga antsika hiezaka bebe kokoa hitory isan-trano. Voaporofo mantsy fa tsy misy fomba tsara kokoa noho io, mba hitadiavana ny olona mangetaheta ny fahamarinana. Nahomby izy io tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly, ary mbola mahomby ankehitriny.​—Mar. 13:10.

6 Mazoto mitory isan-trano ve ianao? Ho faly i Jehovah raha manao izany ianao. (Ezek. 9:11; Asa. 20:35) Mety tsy ho mora aminao koa anefa ny mitory isan-trano. Mety hanana kilema ara-batana ianao, na be olona tsy mandray ny faritany itorianao. Mety ho voararan’ny fanjakana mihitsy aza ny mitory. Mety ho saro-kenatra koa ianao na tsy sahy manombo-dresaka amin’ny olona tsy fantatrao, ka matahotra isaky ny handeha hitory isan-trano. Aza kivy anefa. (Eks. 4:10-12) Tsy ianao irery no toy izany.

7 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20) Vao mainka mahatonga antsika hazoto hanao mpianatra izany fampanantenana izany. Hitantsika hoe marina ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:13 hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” Hararaoty tsara àry ny fandaharana rehetra ataon’ny fiangonana mba hanampiana anao hitory isan-trano. Mahazo fampaherezana sy fanampiana ianao, rehefa miara-manompo amin’ny mpitory hafa. Mivavaha amin’i Jehovah mba handresenao an’ireo zava-tsarotra mety ho hitanao rehefa mitory isan-trano. Mila miezaka mafy koa anefa ianao manao ny andraikitrao.​—1 Jaona 5:14.

8 Ho afaka hanazava ny ‘anton’ny fanantenanao’ ianao, rehefa mitory ny vaovao tsara. (1 Pet. 3:15) Vao mainka ho hitanao hoe tsy mitovy ireo manana fanantenana momba ilay Fanjakana sy ireo tsy manana an’izany. (Isaia 65:13, 14) Ho faly koa ianao satria fantatrao hoe nanaraka ny tenin’i Jesosy ianao, ka ‘navelanao hamirapiratra ny hazavanao.’ Mety ho afaka hanampy olon-kafa hahafantatra an’i Jehovah sy ilay fahamarinana hahazoana fiainana mandrakizay koa aza ianao.​—Mat. 5:16; Jaona 17:3; 1 Tim. 4:16.

9 Misy fandaharana atao mba hitoriana isan-trano amin’ny faran’ny herinandro sy rehefa andavanandro. Misy fiangonana manao fitoriana rehefa takariva. Betsaka mantsy ny olona tsy tratra an-trano mandritra ny andro, ary mety ho vonona handray vahiny kokoa ny olona amin’ny takariva noho ny amin’ny maraina.

FITADIAVANA AN’IREO MENDRIKA

10 Nasain’i Jesosy ‘nitady izay mendrika’ ny mpianany. (Mat. 10:11) Tsy isan-trano ihany no nitadiavany an’ireo olona tso-po. Nitory foana izy isaky ny afaka nanao izany. (Lioka 8:1; Jaona 4:7-15) Nitory tany amin’ny toerana samihafa koa ny apostoly.​—Asa. 17:17; 28:16, 23, 30, 31.

Ataontsika tanjona ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona tsirairay

11 Ataontsika tanjona koa ankehitriny ny hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona tsirairay. Tokony hanao toa an’i Jesosy sy ny apostoly àry isika rehefa mampianatra ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy, sady tokony haharaka ny fiovana eo amin’ny faritany sy ny fiainan’ny olona. (1 Kor. 7:31) Misy mpitory, ohatra, mahita vokatra rehefa mitory eny amin’ny faritany be toeram-piasana. Mahita fahombiazana koa ny mpitory any amin’ny tany maro rehefa mitory eny an-dalana, eny amin’ny zaridainam-panjakana, parking, na eny amin’izay toerana ahitana olona. Manisy latabatra na tabilao fampirantiana azo afindrafindra ao amin’ny faritaniny ny fiangonana sasany, mba hitoriana amin’ny olona. Mety hanao fandaharana manokana koa ny biraon’ny sampana, mba hitoriana eny amin’ny toerana be olona any an-tanàn-dehibe. Hasainy handray anjara amin’izany ny olona avy amin’ny fiangonana samihafa. Mety handre ny vaovao tsara ihany àry ny olona sasany, na dia tsy tratra ao an-trano aza.

12 Rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona isika ka mahita olona liana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia afaka manolotra boky na gazety mifanaraka amin’izay ilainy. Azonao atao avy eo ny manome azy ny mombamomba anao sy mifanao fotoana aminy mba hitsidihana azy, na manoro ny tranonkala jw.org. Azo omena azy koa ny adiresin’ny toerana akaiky indrindra misy ny fivorian’ny fiangonana. Mety ho lasa tianao ny mitory eny amin’ny toerana be olona, sady fomba iray azonao anitarana ny fanompoanao izany.

13 Tsy ny fitoriana ny vaovao tsara ihany anefa no asa asaina ataon’ny Kristianina ankehitriny. Tsy maintsy miverimberina any amin’ny olona liana ianao, raha tianao handray ny fahamarinana sy ho lasa Kristianina matotra izy.

FIVERENANA MITSIDIKA

14 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: ‘Ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Nilaza koa izy hoe: ‘Mandehana àry, ampianaro ny olona any amin’ny firenena rehetra mba ho lasa mpanara-dia ahy, sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.’ (Mat. 28:19, 20) Anisan’ny fanompoana mahafaly ny manao fiverenana mitsidika. Raha liana mantsy ilay olona tamin’izy nitorianao, dia azo inoana hoe ho faly izy rehefa mahita anao indray. Raha miresaka fanazavana hafa avy ao amin’ny Baiboly ianao amin’izay, dia mety hitombo ny finoany an’Andriamanitra sady ho takany hoe mila mifandray aminy izy. (Mat. 5:3) Mety ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly ianao, raha manomana tsara sy miverina mitsidika azy amin’ny fotoana mety aminy. Izany foana no tokony ho tanjonao rehefa miverina mitsidika. Tsy mamboly ny voan’ny fahamarinana fotsiny mantsy isika, fa manondraka koa.​—1 Kor. 3:6.

15 Sarotra amin’ny mpitory sasany ny manao fiverenana mitsidika, ary mety ho anisan’izany ianao. Efa lasa tena mahay mitory angamba ianao sady mety ho tianao ny manao izany. Mety hatahotra hiverina hitsidika olona iray anefa ianao. Hatoky tena kokoa ianao raha manomana tsara. Ampiharo ireo soso-kevitra resahina mandritra ny fivoriana andavanandro. Azonao atao koa ny manasa mpitory za-draharaha mba hiaraka aminao.

FAMPIANARANA BAIBOLY

16 Nahita lehilahy iray namaky ny Tenin’Andriamanitra i Filipo, mpitory ny vaovao tsara, ka nanontany hoe: “Azonao tsara ve izay vakinao?” Hoy ilay lehilahy: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” Milaza ny Baiboly, ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-8, fa nampiasa ny andinin-teny novakin’ilay lehilahy i Filipo mba ‘hitoriana taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy.’ (Asa. 8:26-36) Tsy fantatsika hoe naharitra adiny firy i Filipo no niresaka tamin’ilay lehilahy. Nazava tsara taminy anefa ny vaovao tsara, ka lasa mpino izy ary nangataka ny hatao batisa. Lasa mpianatr’i Jesosy Kristy io lehilahy io.

17 Maro amin’ny olona hitantsika no mbola tsy mahay Baiboly, ka tsy maintsy mitsidika azy imbetsaka isika mba hanampiana azy. Angamba isika tsy maintsy mampianatra azy zavatra maro ao anatin’ny fotoana lavalava vao hanam-pinoana sy hahafeno fepetra hatao batisa izy. Mety ho herinandro maromaro izany, na amam-bolana, na mandritra ny herintaona, na maherin’izany mihitsy aza. Ilaina àry ny manam-paharetana sy be fitiavana, rehefa manampy olona ho lasa mpanara-dia an’i Kristy. Handray soa ianao raha manao izany, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asa. 20:35.

18 Tokony hampiasa boky fampianarana Baiboly ianao rehefa mampianatra. Araho ny toromarika omena amin’ny fivoriana andavanandro ary miaraha amin’ireo mpampianatra za-draharaha eo anivon’ny fiangonana. Ho vitanao, amin’izay, ny hitarika fampianarana Baiboly mandroso, ka hanampy olona ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy.

19 Raha tsy mahay manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly ianao, dia miresaha amin’ny anti-panahy na amin’izay Vavolombelona mahay manao an’izany. Misy soso-kevitra mety hanampy anao koa ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, ary atao fampisehoana amin’io fivoriana io izy ireny matetika. Resaho amin’i Jehovah ny fanirianao ary miantehera aminy. (1 Jaona 3:22) Ataovy tanjona àry ny hitarika fampianarana Baiboly hafa ankoatra izay efa tarihinao ao an-tranonao. Hahita fifaliana bebe kokoa amin’ny fanompoana ianao, raha mitarika fampianarana Baiboly.

TARIHO HO AO AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH NY OLONA LIANA

20 Lasa anisan’ny fiangonana ny olona iray, rehefa ampiantsika hahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. Handroso sy hihamatotra izy, raha ampiantsika hahafantatra ny fandaminan’i Jehovah. Tokony hampianarina hiara-miasa amin’izy io koa izy. Natao ho amin’izany indrindra ny video sasany sy ny bokikely Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? Mety hanampy koa ny fanazavana sasany ao amin’ny toko faha-4 amin’ity boky ity.

21 Vao manomboka mianatra ny olona iray, dia efa ampahafantaro azy fa mampiasa fandaminana iray i Jehovah mba hamitana ny asa fitoriana eran-tany. Resaho aminy fa sarobidy ireo boky ara-baiboly avoakantsika. Hazavao aminy koa fa olona nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy miasa an-tsitrapo no mamokatra sy mizara azy ireny eran-tany. Ento mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana izy, ary hazavao aminy ny fomba itarihana ny fivoriana. Ampifankahalalao amin’ny mpiara-manompo izy rehefa ao am-pivoriana, na eny amin’ny fivoriambe. Aleo izy mihitsy no hahita hoe tena mifankatia ny vahoakan’i Jehovah, ary izany no amantarana ny tena Kristianina. (Jaona 13:35) Vao mainka ho akaiky an’i Jehovah ilay olona liana, rehefa mahafantatra kokoa ny fandaminany.

FAMPIASANA BOKY ARA-BAIBOLY

22 Nazoto nitory ny Tenin’Andriamanitra ny Kristianina voalohany. Nadikan’izy ireo tanana ny Soratra Masina, mba hampiasainy manokana sy hianarana eo anivon’ny fiangonana. Nampirisihiny koa ny hafa mba hamaky ny Tenin’Andriamanitra, satria ao no misy ny fahamarinana. Vitsy ireny Soratra Masina nadika tanana ireny, ka tena sarobidy tamin’izy ireo. (Kol. 4:16; 2 Tim. 2:15; 3:14-17; 4:13; 1 Pet. 1:1) Mampiasa fanontam-pirinty maoderina kosa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny mba hanontana Baiboly sy fitaovana fianarana Baiboly an-jatony tapitrisa, toy ny taratasy mivalona, bokikely, boky, ary gazety. Misy amin’ny fiteny an-jatony izy ireny.

23 Ampiasao ireo fitaovana fianarana Baiboly avoakan’ny fandaminan’i Jehovah, rehefa mitory ny vaovao tsara ianao. Azo antoka fa tena nahasoa anao ny namaky sy nianatra an’ireny boky sy gazety navoakan’ny fandaminana ireny, ka lasa tianao hozaraina amin’ny olona izy ireny.​—Heb. 13:15, 16.

24 Mihamaro izao ny olona tia mikaroka fanazavana ao amin’ny Internet. Anisan’ny fitaovana tena mandaitra itoriantsika ny vaovao tsara àry ilay tranonkalantsika hoe jw.org, ankoatra ny boky sy gazety. Misy amin’ny fiteny an-jatony izao ny lahatsoratra ara-baiboly na zavatra noraisim-peo ao amin’ny tranonkalantsika, ka afaka mamaky na mihaino izany avy ao amin’ny ordinatera ny olona eran-tany. Afaka mamantatra ny zavatra inoantsika ao amin’ny jw.org ny olona, na any an-tranony aza, raha tsy sahy miresaka amintsika mivantana izy, na tsy dia afaka mihaona amintsika.

25 Ampahafantarintsika ny olona foana àry ilay tranonkalantsika jw.org isaky ny afaka manao izany isika. Mety hametraka fanontaniana momba ny finoantsika, ohatra, ny olona itoriantsika. Azontsika valiana eo no ho eo izany raha toa isika mampiasa fitaovana entin-tanana, toy ny telefaonina na tablette. Mety ho sendra olona mampiasa fiteny hafa koa isika eny am-pitoriana, anisan’izany ny tenin’ny tanana. Azontsika aseho azy ny tranonkalantsika mba hahitany boky sy Baiboly amin’ny fiteniny. Maro koa ny mpitory mampiasa ny video-ntsika ao amin’ny Internet mba hanombohana fampianarana Baiboly.

FITORIANA TSY ARA-POTOANA

26 Hoy i Jesosy tamin’ireo nihaino azy: ‘Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Avelao hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny hazavanareo, mba ho hitany ny asa tsara ataonareo, ka hanome voninahitra an’ilay Rainareo any an-danitra izy.’ (Mat. 5:14-16) Nasehon’ny mpianany teo amin’ny fiainany fa nanahaka ny toetran’i Jehovah izy ireo sady nanaraka ny fitsipiny. Nahavita an’izany izy ireo rehefa nanahaka an’i Jesosy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao.” Modely ho an’ny Kristianina i Jesosy, satria navelany hamirapiratra ilay “fahazavana manome fiainana”, mba hahasoa an’izay rehetra nihaino azy.​—Jaona 8:12.

27 Nanome modely ho antsika koa ny apostoly Paoly. (1 Kor. 4:16; 11:1) Nitory tamin’izay olona sendra azy teny an-tsena, ohatra, izy isan’andro, tamin’izy tany Atena. (Asa. 17:17) Nanahaka azy ny Kristianina tany Filipy, ka nilaza tamin’izy ireo izy hoe ‘mamirapiratra hoatran’ny hazavana eo amin’izao tontolo izao’ izy ireo “eo anivon’ny taranaka maditra sy ratsy fanahy.” (Fil. 2:15) Afaka mampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana koa isika ankehitriny, amin’ny zavatra lazaintsika sy ataontsika. Manao an’izany isika rehefa manararaotra ny fotoana rehetra ahafahantsika miresaka ny vaovao tsara amin’ny olona. Marina fa mety ho voamariky ny olona hoe hafa noho ny olon-drehetra isika satria manao ny marina foana. Ho fantany anefa hoe nahoana isika no toy izany, raha resahintsika aminy ny vaovao tsara.

28 Maro ny Vavolombelon’i Jehovah mitory amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminy, amin’ny olona ao anaty fitateram-bahoaka, na amin’ny olona mihaona aminy isan’andro. Mety ho afaka hiresaka amin’ny olona iray fiara amintsika koa isika, rehefa manao dia lavitra. Tokony hataontsika foana izay hahafahana mitory amin’ny olona iresahantsika, na dia mety hoe resaka tsotra fotsiny aza ilay izy amin’ny voalohany. Tokony ho vonona foana àry isika mba ho afaka hitory isaky ny mahita hirika hanaovana an’izany.

29 Lasa te hitory ny vaovao tsara foana isika, rehefa ataontsika an-tsaina hoe midera ny Mpamorona sy manome voninahitra ny anarany isika raha manao izany. Mety ho afaka hanampy olona tso-po hahafantatra an’i Jehovah koa isika. Hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika izy ireo amin’izay, sady hanantena hiaina mandrakizay rehefa mino an’i Jesosy Kristy. Sarobidy amin’i Jehovah izany fanompoana masina ataontsika izany.​—Heb. 12:28; Apok. 7:9, 10.

FARITANY

30 Tian’i Jehovah hotorina maneran-tany ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, na any an-tanàn-dehibe izany na any ambanivohitra. Omen’ny biraon’ny sampana faritany daholo àry ny fiangonana rehetra sy ny mpitory any amin’ny toerana mitokana. (1 Kor. 14:40) Mitovy amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany izany. (2 Kor. 10:13; Gal. 2:9) Mandroso be ny asan’ilay Fanjakana amin’izao andro farany izao. Vao mainka ho betsaka ny olona handre ny vaovao tsara raha voalamina tsara ny fiasana ny faritany.

31 Ny mpiandraikitra ny fanompoana no manara-maso ny fiasana ny faritany itorian’ny fiangonana. Mety hisy mpikarakara fiangonana iray tendrena hanome faritany ny andia-mpitory, na izay mpitory mila faritany. Misy karazany roa ny faritany: Ny faritany iasan’ny andia-mpitory sy ny faritany iasan’ny mpitory manokana. Mety homena faritany hiasany manokana ny mpitory, raha lehibe ny faritany. Raha kely kosa ilay izy, dia ny mpiandraikitra ny andia-mpitory no omena faritany iasan’ny andia-mpitory.

32 Afaka mitory amin’ny faritaniny manokana ny mpitory manana faritany, rehefa tsy misy fivoriana alohan’ny fanompoana alamin’ny fiangonana, na rehefa tsy afaka mamonjy an’izany izy noho ny antony tsy azony anoarana. Mahazo faritany eny akaikin’ny toeram-piasany, ohatra, ny mpitory sasany, ka afaka mitory mandritra ny fiatoana na aorian’ny ora fiasana. Misy fianakaviana mahazo faritany eny akaikin’ny tranony, ary mitory rehefa takariva. Afaka mampiasa tsara ny fotoana natokany hitoriana ny mpitory, rehefa mahazo faritany mety tsara toy izany. Azony atao koa anefa ny manasa mpitory maromaro mba hitory amin’ilay faritaniny, ohatra hoe rehefa avy manatrika fivoriana alohan’ny fanompoana. Afaka mangataka faritany amin’ny mpikarakara faritany ianao, raha te hahazo ho anao manokana.

33 Anjaran’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory na ilay mpitory nomena faritany ny miezaka mamita tsara ny trano tsirairay. Tokony hifanaraka amin’ny lalàna eo an-toerana momba ny fiarovana fanazavana ny fomba iasana ny faritany. Tokony hiezaka hamita ny faritaniny ao anatin’ny efa-bolana izay nomena faritany, na mpitory izany na mpiandraikitra ny andia-mpitory. Tokony hilazana ny mpikarakara ny faritany rehefa vita ilay faritany. Azon’ilay mpitory na mpiandraikitra ny andia-mpitory tazonina sy iasana indray ilay faritany, nefa azony averina any amin’ilay mpikarakara ny faritany koa, arakaraka ny zava-misy.

34 Ho voasa tsara ny faritany raha mahay miara-miasa ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. Tsy hifanitsaka koa ny faritany iasana amin’izay, ka tsy ho tezitra amintsika ny olona eny amin’ny faritany. Miahy ny rahalahintsika sy ny olona itoriana àry isika, raha miara-miasa tsara.

MIARA-MIASA MBA HITORIANA AMIN’NY OLONA SAMY HAFA FITENY

35 Mila mianatra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ary ilay Fanjakana ny olona rehetra. (Apok. 14:6, 7) Tiantsika hampiana àry ny olona mampiasa fiteny hafa, mba hanana toetra tsara sy hiantso ny anaran’i Jehovah ka ho voavonjy. (Rom. 10:12, 13; Kol. 3:10, 11) Inona ny olana sasany atrehin’ny mpitory, rehefa mitory amin’ny faritany misy olona mampiasa fiteny samihafa izy ireo? Inona no azon’izy ireo atao, mba ho betsaka araka izay azo atao ny olona handre ny vaovao tsara amin’ny fiteniny?​—Rom. 10:14.

36 Ahoana no hizarana ny faritanin’ny fiangonana maromaro, raha tsy mitovy ny fiteny ampiasainy? Izay olona mitovy fiteny aminy ihany no itorian’ny fiangonana ao amin’ny faritra iray. Mety ho faritra iray ihany àry no hiasan’ny fiangonana maromaro samy hafa fiteny. Tokony hiezaka hitory amin’izay olona mitovy fiteny aminy ao amin’ilay faritra ny mpitory ao amin’ny fiangonana tsirairay. Toy izany koa no atao rehefa misy ezaka manokana fizarana fanasana. Afaka mitory amin’ny olona rehetra anefa ireo rahalahy sy anabavy rehefa mitory ampahibemaso na tsy ara-potoana, sady afaka mametraka boky na gazety amin’ny fiteny rehetra.

37 Tsy vitan’ny fiangonana amin’ny fiteny iray indraindray ny mitory tsy tapaka any amin’ny faritany lavitra be. Raha izany no mitranga, dia mila mifanaraka ny mpiandraikitra ny fanompoana ao amin’ireo fiangonana miasa an’ilay faritany hoe ahoana no hiasan’izy ireo azy io. Ho afaka handre ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana ny olon-drehetra amin’izay sady tsy ho voasa indroa ilay faritany.​—Ohab. 15:22.

38 Ahoana raha sendra olona tsy mitovy fiteny amintsika isika, rehefa mitory isan-trano? Tsy tokony hieritreritra isika hoe mbola hitory aminy ihany ny mpitory mitovy fiteny aminy amin’ny manaraka. Misy mpitory mianatra fomba fitory tsotsotra amin’ny fiteny hafa, satria be olona mampiasa an’ilay fiteny ao amin’ny faritanin’ny fiangonany. Azo aseho an’ilay olona ny tranonkalantsika jw.org, ary atoro azy hoe ahoana no atao raha te hamaky na haka lahatsoratra amin’ny fiteniny avy ao izy. Azo atao koa anefa ny manome azy boky na gazety amin’ny fiteniny.

39 Ahoana indray raha tena liana ilay olona? Miezaha mitady olona afaka manampy azy amin’ny fiteny hainy. Raha misy fivoriana amin’ny fiteniny koa eny akaiky eny, dia atoroy azy izany. Ary ahoana raha olona mampiasa ny fiteniny mihitsy no tiany hampianatra azy? Raha izany, dia atoroy azy ny famenoana an’ilay fangatahana hianatra Baiboly ao amin’ny jw.org. Ny biraon’ny sampana avy eo no hitady hoe iza no mpitory na antoko-mpitory na fiangonana afaka manampy an’ilay olona sady tsy lavitra ny toerana misy azy.

40 Tokony hitsidika an’io olona io foana isika, raha tsy hoe efa milaza amintsika angaha izy fa efa manampy azy ny olona iray mahay ny fiteniny. Mety hilaza anefa ny biraon’ny sampana hoe tsy mahita mpitory mahay ny fitenin’ilay olona izy. Tokony hanao izay azontsika atao isika amin’izay, mba hanampiana an’ilay olona. Azontsika ampianarina Baiboly izy, raha azo atao, ary boky amin’ny fiteniny no ampiasaina. Mety mba hisy ho takany ihany ny zavatra ampianarin’ny Baiboly, raha ampiasaintsika tsara ny sary ao amin’ilay boky ary asaintsika mamaky an’ireo andinin-teny voatonona izy. Mety ho azo angatahina handika teny ny havany, raha afaka manao izany.

41 Tokony hasaintsika hivory izy, na dia mety tsy ho azony daholo aza ny zavatra resahina any. Manampy azy hanatona ny fandaminan’Andriamanitra mantsy isika amin’izay. Raha misy Baiboly amin’ny fiteniny, dia azo atao ny manampy azy hitady an’izay andinin-teny vakina. Mety ho efa hampahery sy hanampy azy handroso, na dia ny mifanerasera amin’ireo mpiara-manompo eo anivon’ny fiangonana fotsiny aza.

42 Antoko-mpitory santatra: Mpitory vitsivitsy mitory amin’ny fiteny hafa ankoatra an’ilay fiteny ampiasain’ny fiangonana no mahaforona azy io, na dia tsy misy anti-panahy na mpikarakara fiangonana afaka mitarika fivoriana isan-kerinandro aza amin’ilay fiteny. Mety heken’ny biraon’ny sampana hoe hasiana antoko-mpitory santatra ao amin’ny fiangonana iray raha feno ireto fepetra manaraka ireto:

  1. 1) Misy olona be dia be mampiasa fiteny iray hafa ankoatra an’ilay fiteny ampiasain’ny fiangonana, ao amin’ilay faritra.

  2. 2) Misy mpitory vitsivitsy, fara fahakeliny, mahay an’ilay fiteny na vonona hianatra an’ilay izy.

  3. 3) Vonona handamina ny fitoriana amin’ilay fiteny ny anti-panahy rehetra ao amin’ilay fiangonana.

Raha tian’ny anti-panahy rehetra hasiana antoko-mpitory santatra ao amin’ny fiangonany, dia hiresaka amin’ny mpiandraikitra ny faritra aloha izy ireo. Mety hahalala fiangonana hafa efa miezaka mitory amin’ny olona mampiasa an’ilay fiteny mantsy izy. Mety ho afaka hanome fanazavana tena ilaina koa izy mba hahitana hoe iza ny fiangonana tena mety hasiana an’ilay antoko-mpitory santatra. Rehefa tapaka ny hevitra hoe iza ilay fiangonana, dia hanoratra any amin’ny biraon’ny sampana ny anti-panahy ao amin’io fiangonana io ary hangataka hoe hasiana antoko-mpitory santatra ao aminy.

43 Antoko-mpitory: Mety heken’ny biraon’ny sampana hoe hasiana antoko-mpitory ao amin’ny fiangonana iray raha feno ireto fepetra manaraka ireto:

  1. 1) Misy olona liana be dia be mampiasa an’ilay fiteny, ka antenaina ny hisian’ny fitomboana.

  2. 2) Misy mpitory vitsivitsy, fara fahakeliny, mahay an’ilay fiteny na efa mianatra an’ilay izy.

  3. 3) Misy anti-panahy na mpikarakara fiangonana mahay afaka mikarakara an’ilay antoko-mpitory sady afaka mitarika fivoriana iray isan-kerinandro, fara fahakeliny, na ampahany iray amin’ny fivoriana, ohatra hoe lahateny ho an’ny besinimaro na Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

Rehefa feno ireo fepetra ireo, dia handefa taratasy misy ny tsipiriany rehetra any amin’ny biraon’ny sampana ny anti-panahy rehetra, ary hangataka hoe ny fiangonan’izy ireo no ho mpiahy an’ilay antoko-mpitory. Ilay anti-panahy na mpikarakara fiangonana mikarakara an’io antoko-mpitory io no ho “mpiandraikitra ny antoko-mpitory” na “mpikarakara ny antoko-mpitory.”

44 Rehefa miforona ilay antoko-mpitory, dia ny anti-panahy rehetra ao amin’ilay fiangonana mpiahy no hanapa-kevitra hoe efa tokony hanao ampahany hafa amin’ny fivoriana amin’izay ve ilay antoko-mpitory sa tsia, ary impiry isam-bolana ilay izy no hatao. Afaka mandamina fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ilay fiteny koa ilay antoko-mpitory. Ireo anti-panahy ao amin’ilay fiangonana mpiahy no miandraikitra an’ilay antoko-mpitory. Hahay handanjalanja tsara ny anti-panahy rehefa manome tari-dalana ho an’ilay antoko-mpitory, ary hiezaka hikarakara izay ilain’izy io. Hiara-miasa amin’io antoko-mpitory io ny mpiandraikitra ny faritra, rehefa mitsidika an’ilay fiangonana mpiahy. Handefa tatitra any amin’ny biraon’ny sampana izy avy eo, ary hilaza hoe manao ahoana ny fandrosoan’ilay antoko-mpitory ary inona no zavatra tena ilainy. Mety ho lasa fiangonana izy io, rehefa mandeha ny fotoana. Ho faly i Jehovah, raha mampihatra ny tari-dalany ny rehetra.​—1 Kor. 1:10; 3:5, 6.

FIARAHANA MITORY

45 Adidin’ny Kristianina efa nanokan-tena ny mitory ny vaovao tsara, ary maro ny fomba azo anaovana an’izany. Tsara anefa raha tsy mandeha irery ianao, fa misy olon-kafa miara-mitory aminao. (Lioka 10:1) Izany no mahatonga ny fiangonana handamina fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny andavanandro sy rehefa faran’ny herinandro. Azo atao koa izany amin’ny andro fety, satria maro ny mpitory tsy miasa amin’io. Ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana no mandamina ny fivoriana alohan’ny fanompoana mandritra ny andro sy amin’ny takariva. Iezahana atao amin’ny fotoana sy ny toerana mety amin’ny ankamaroan’ny mpitory ilay fivoriana.

46 Fotoana ahafahana ‘mifampahery’ ny fiarahana mitory. (Rom. 1:12) Afaka miara-manompo amin’ny mpitory za-draharaha ny mpitory vaovao, ka lasa mahazo fampiofanana. Tsara kokoa raha mpitory roa na mihoatra no miara-miasa any amin’ny faritra sasany, mba hisorohana olana. Na mieritreritra ny hanompo irery aza ianao, dia tsara foana ny manatrika ny fivoriana alohan’ny fanompoana, satria mampahery ny rehetra izany. Efa manampy anao hatoky tena, na dia ny mahafantatra fotsiny aza hoe misy mpitory hafa koa mitory ao amin’ilay faritany. Tsy voatery hanatrika ny fivoriana alohan’ny fanompoana rehetra alamin’ny fiangonana ny mpisava lalana sy ny mpitory hafa, indrindra raha misy isan’andro izany. Azo inoana anefa hoe azony atrehina ny sasany amin’izy ireny.

47 Enga anie isika rehetra ka hanahaka an’i Jesosy sy ny apostoliny! Afaka matoky isika fa hitahy antsika i Jehovah, rehefa miezaka isika mandray anjara feno amin’ilay asa mamonjy aina, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.​—Lioka 9:57-62.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara