FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 26 p. 66-p. 67 feh. 7
  • “Voavela ny Helokao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Voavela ny Helokao”
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nody tany Kapernaomy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Tafaverina tany Kapernaomy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Hamela ny Heloko ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Andriamanitra “Vonona Hamela Heloka” Izy
    Manatòna An’i Jehovah
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 26 p. 66-p. 67 feh. 7
Lehilahy malemy nampidirina avy eo amin’ny tafo mba ho eo amin’i Jesosy

TOKO 26

“Voavela ny Helokao”

MATIO 9:1-8 MARKA 2:1-12 LIOKA 5:17-26

  • NAMELA NY HELOKY NY LEHILAHY MALEMY IRAY I JESOSY ARY NANASITRANA AZY

Nandre ny momba an’i Jesosy izao ny olona tany amin’ny faritra maro. Olona maro avy any amin’ny faritra mitokana no tonga hihaino ny fampianarany sy hijery ny fahagagana ataony. Niverina tao Kapernaomy i Jesosy rehefa afaka andro vitsivitsy, satria tao no toerana nandaminany ny fanompoany. Vetivety dia ren’ny olona fa tonga tao amin’io tanàna eo amoron’ny Ranomasin’i Galilia io izy. Maro àry no tonga tao amin’ny trano nisy azy. Fariseo sy mpampianatra Lalàna ny sasany ary avy any amin’ny faritra rehetra tany Galilia sy Jodia, anisan’izany i Jerosalema.

“Maro be ny olona tafangona tao, ka tsy nisy toerana intsony na teo akaikin’ny varavarana aza. Dia nanomboka nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona izy.” (Marka 2:2) Nisy zavatra tena niavaka taorian’izay. Hita amin’izy io fa manana hery hanesorana an’izay mahatonga ny fijaliana i Jesosy sady afaka manasitrana an’izay rehetra tiany hositranina.

Nisy lehilahy efatra tonga nitondra lehilahy malemy teo ambony fandriana, raha mbola nampianatra tao amin’ilay efitra feno olona i Jesosy. Tian’izy ireo hositranin’i Jesosy ilay namany. Tsy afaka “nitondra azy teo amin’i Jesosy” anefa izy ireo, satria feno olona ilay trano. (Marka 2:4) Angamba izy ireo kivy be. Nianika tany amin’ny tafo àry izy ireo, noloahany ny tafo, ary nampidininy teo ny fandriana nisy an’ilay lehilahy.

Tezitra ve i Jesosy satria voahelingelina? Tsia. Nampiaiky azy ny finoan’izy ireo ary hoy izy tamin’ilay lehilahy malemy: “Voavela ny helokao.” (Matio 9:2) Tena afaka mamela heloka ve anefa i Jesosy? Tsy nanaiky an’izany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ka nieritreritra hoe: “Nahoana ilehio no miteny toy izany? Manevateva an’Andriamanitra izy. Fa iza no afaka mamela heloka afa-tsy Andriamanitra ihany?”—Marka 2:7.

Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo ka hoy izy: “Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo? Inona no mora kokoa: Ny milaza amin’ilay malemy hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny milaza hoe: ‘Mitsangàna ka batao ny fandriananao ary mandehana?’ ” (Marka 2:8, 9) Afaka namela ny helok’ilay lehilahy tokoa i Jesosy, noho ilay sorona mbola hataony.

Nasehon’i Jesosy tamin’ny vahoaka sy ireo nanakiana azy avy eo fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany izy. Hoy izy tamin’ilay lehilahy malemy: “Mitsangàna, batao ny fandriananao, ary modia any an-tranonao.” Tonga dia nitsangana ilay lehilahy ary lasa nivoaka nitondra ny fandrianany, teo imason’ny olona rehetra. Gaga ny olona ka nidera an’Andriamanitra sady niteny hoe: “Mbola tsy nahita ny toy izao mihitsy isika.”—Marka 2:11, 12.

Mariho fa nampifandraisin’i Jesosy ny fahotana sy ny aretina, ary ny famelan-keloka sy ny fahasalamana. Milaza ny Baiboly fa nanota i Adama razambentsika ary nandova ny vokatry ny fahotana isika rehetra, ka marary sy maty. Hamela ny helok’izay rehetra tia sy manompo an’Andriamanitra anefa i Jesosy, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy aretina intsony aorian’izay.—Romanina 5:12, 18, 19.

  • Inona no nahatonga an’i Jesosy hanasitrana an’ilay lehilahy malemy tany Kapernaomy?

  • Ahoana no nahatongavan’ilay lehilahy teo amin’i Jesosy?

  • Inona no ifandraisan’ny ota sy ny aretina, araka io tantara io? Manantena inona isika noho izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara