Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
2-8 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 6-7
“Miezaha Halala-tanana”
nwtsty: Fanazavana Lk 6:37
Mamelà ny hafa, dia mba havela koa ianareo: Na hoe “afaho madiodio foana ny hafa, dia mba hafahana madiodio koa ianareo.” Midika ara-bakiteny hoe “mamela handeha” na “manafaka (ohatra hoe andevo na gadra)” ilay teny grika nadika hoe “mamela heloka.” Ampifanoherina amin’ny teny hoe mitsara sy manameloka izy eto, ka midika hoe mamela fahadisoana na dia mendrika ny hosazina aza ilay olona nanao ny tsy mety.
Manaova Soa Hatrany
Hoy i Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Matio: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.” (Matio 7:1) Hoy koa izy ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka: “Aza mitsara intsony dia tsy hotsaraina mihitsy ianareo. Ary aza manameloka intsony dia mba tsy homelohina ianareo. Afaho madiodio foana ny hafa, dia mba hafahana madiodio koa ianareo.” (Lioka 6:37) Nitsara ny hafa tsy nisy indrafo ny Fariseo tamin’ny taonjato voalohany, ary niorina tamin’ny lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina ny fitsarany. Tsy tokony “hitsara [ny hafa] intsony” ireo nihaino an’i Jesosy, izay efa nanao toy ny nataon’ireo Fariseo. Tokony ‘hanafaka madiodio’ ny hafa kosa izy ireo, izany hoe hamela ny fahadisoany. Nanoro hevitra antsika mba hamela heloka tanteraka koa ny apostoly Paoly, araka ny efa hitantsika teo aloha.
Handrisika ny olon-kafa ho tia mamela heloka ny mpianatr’i Jesosy, raha mamela heloka. Hoy i Jesosy: “Araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.” (Matio 7:2) Hijinja izay afafintsika isika, izany hoe hoentina araka izay fomba itondrantsika ny hafa.—Gal. 6:7.
nwtsty: Fanazavana Lk 6:38
Aoka ianareo ho zatra manome: Na “manomeza foana.” Ilazana asa mitohy ilay matoanteny grika ampiasaina ao amin’io andininy io.
eo am-pofoanareo: Midika ara-bakiteny hoe “eo an-tratranareo” ilay teny grika ao amin’io andininy io. Eto kosa izy io manondro ny akanjo ivelany, izay miforitra eo amin’ny valahana. Ataon’ny mpivarotra sasany ao amin’io miforitra io ny zavatra vidin’ny olona, ka mety ho izay no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘hararaka eo am-pofoana.’
Andao Hikaroka Harena Miafina
Inona no Atao Raha Te Hifandray Amin’Andriamanitra?
Matetika i Jesosy no nanokana fotoana maharitra mba hivavahana. (Jaona 17:1-26) Talohan’ny hifidianany an’ireo apostoliny 12, ohatra, dia “nankany an-tendrombohitra izy mba hivavaka, ary nandritra ny alina manontolo izy no nivavaka tamin’Andriamanitra.” (Lioka 6:12) Manahaka ny modely nomen’i Jesosy ny olona araka ny fanahy, na dia tsy voatery hivavaka mandritra ny alina manontolo aza. Mivavaka maharitra kokoa izy ireo rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Mitady ny tari-dalan’ny fanahy masina izy ireo rehefa misy safidy ataony, mba hahatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
nwtsty: Fanazavana Lk 7:35
zanany rehetra: Na “ny vokany.” Oharina amin’ny olona manan-janaka ny fahendrena eto. Miresaka an’io koa ny Mt 11:19, ary lazaina ao hoe ‘manao zavatra’ ny fahendrena. Hita avy tamin’ny zavatra nataon’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy hoe diso ny fiampangana azy ireo. Izany porofo izany ilay antsoina hoe zanaky ny fahendrena na zavatra ataon’ny fahendrena. Hoatran’ny te hilaza i Jesosy hoe: ‘Jereo ny asa tsara ataon’ilay olona sy ny fitondran-tenany, dia ho hitanareo fa diso ny fiampangana azy.’
Famakiana Baiboly
9-15 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 8-9
“Inona no Tsy Maintsy Ataontsika mba Hanarahana ny Dian’i Jesosy?”
it “Akany”
Hoy ny mpanora-dalàna iray tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.” Hoy anefa izy: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Mt 8:19, 20; Lk 9:57, 58) Nila nahafoy fiainana mampiadana àry io lehilahy io ka tsy maintsy natoky tanteraka an’i Jehovah, raha te ho mpianatr’i Jesosy. Mifanaraka amin’izany ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy ny mpianany hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio”, sy ny teniny hoe: “Koa tsy afaka ny ho mpianatro tokoa izay tsy mahafoy ny fananany rehetra.”—Mt 6:11; Lk 14:33.
nwtsty: Fanazavana Lk 9:59, 60
handevina ny raiko: Tsy hoe vao nodimandry akory ny rain’ilay lehilahy, ka hoe nangataka tamin’i Jesosy izy mba handeha hikarakara ny fandevenana azy. Tsy ho niresaka tamin’i Jesosy teo mantsy izy raha izay. Tsy maintsy nalevina haingana ny olona nodimandry, tany Israely fahiny. Ny andro nahafatesan’ilay olona ihany no nandevenana azy, tamin’ny ankapobeny. Mety ho narary na efa osa àry ny rain’ilay lehilahy, fa mbola tsy maty. Tsy maintsy hoe mbola nisy fianakaviana afaka nikarakara azy koa ilay zokiolona, matoa nasain’i Jesosy nandao azy ilay lehilahy. (Mr 7:9-13) Toa te hilaza ilay lehilahy teo hoe: ‘Mbola tsy afaka manara-dia anao aho raha mbola velona ny dadako. Andraso rehefa maty izy.’ Nanitsy azy i Jesosy teo, satria nanana tombontsoa hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra izy, nefa tsy nanararaotra an’izany.—Lk 9:60, 62.
Avelao ny maty handevina ny maty eo aminy: Mbola tsy maty ny rain’ilay lehilahy, fa mety hoe narary na efa osa, araka ny fanazavana ny Lk 9:59. Te hilaza i Jesosy hoe: ‘Aleo izay maty ara-panahy handevina ny maty ao aminy.’ Tsy tokony hisalasala hanara-dia an’i Jesosy àry ilay lehilahy. Mbola afaka nikarakara an’ilay rainy mantsy ny havany mandra-pahafatin’izy io. Tsy ho anisan’ireo maty ara-panahy ilay lehilahy raha nanara-dia an’i Jesosy, fa ho anisan’ireo hahazo fiainana mandrakizay. Hita tamin’ny valin-tenin’i Jesosy fa mila manao loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra isika ary mitory azy io hatraiza hatraiza, raha tsy te ho faty ara-panahy.
nwtsty: Sary
Miasa Tany Amin’ny Angadinomby
Matetika ny olona no miasa tany amin’ny angadinomby, rehefa tapitra ny vanin-taona mafana. Efa milatsaka mantsy ny orana amin’iny, ka lasa mora asaina ny tany. (sgd Fiz. 19) Hoatran’ny ahoana ny angadinomby tamin’izany? Mety ho hazo marani-doha (metaly angamba ny tendrony) nafatotra tamin’ny vatan-kazo ilay izy, ary iny no notaritin’ny biby iray na maromaro. Afafy ny voa rehefa voasa ny tany. Matetika no ampiasaina amin’ny fanoharana ilay hoe miasa tany, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Mpts 14:18; Is 2:4; Je 4:3; Mi 4:3) Nanao fanoharana momba ny fambolena koa i Jesosy matetika, rehefa te hampita lesona lehibe. Niresaka momba ny mpiasa tany mitana angadinomby, ohatra, izy mba hilazana fa tsy tokony ho varimbariana ny mpianany. (Lk 9:62) Tsy hahitsy ny soritra eo amin’ny tanimboly, raha varimbariana ny mpiasa. Raha variana amin-javatra hafa koa ny mpianatr’i Kristy, izany hoe tsy manao ny fanompoany intsony, dia tsy mendrika ny hahazo ny Fanjakan’Andriamanitra izy.
Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo
Hampiantsika tsipiriany kely ilay fanoharan’i Jesosy, mba hazava tsara. Alao sary an-tsaina hoe miasa tany amin’ny angadinomby ny olona iray. Rehefa niasa teo anefa izy, dia nanomboka nieritreritra hoe: ‘Raha mba izao aho no tany an-trano, dia afaka miaraka amin’ny fianakaviako sy ny namako. Afaka misakafo, mihaino mozika, mifalifaly, ary tsy main’ny hainandro.’ Notohiziny ihany ny asany, kanefa noeritreretiny foana ilay izy, ka lasa nitombo ny faniriany hody any an-trano. Lasa tsy nifantoka intsony izy noho izany, ka nanjary nitodika ‘tany aoriana.’ Mbola betsaka ny asa tokony hatao amin’ilay tany, alohan’ny fotoam-pambolena. Tsy nifantoka intsony anefa izy, ka tsy vitany tsara ny asany. Tsy faly àry ny mpampiasa azy, satria tsy nanao tsara an’ilay asa hatramin’ny farany izy.
Toa an’io mpiasa tany io ny Kristianina sasany ankehitriny. Hoatran’ny hoe salama ara-panahy izy ireo, nefa misy zavatra atahorana hanimba azy ao am-pony ao. Aoka hatao hoe tena mazoto mivory sy manompo ny rahalahy iray. Misy zavatra sasany mahafinaritra azy koa anefa amin’ny fomba fiainan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tena tiany ilay izy, ka izany foana no eritreretiny. Mbola manompo izy mandritra ny taona maro, nefa mitombo foana ilay faniriana ao am-pony ao, ka lasa mitodika “any aoriana” izy. Mbola be ny asa tokony hatao eo amin’ny fanompoana, kanefa tsy “mitana mafy ny tenin’ny fiainana” izy, ka lasa tsy vitany tsara intsony ny fanompoany. (Fil. 2:16) Tsy faly i Jehovah, ilay “Tompon’ny vokatra”, satria tsy nanao tsara an’ilay asa hatramin’ny farany izy.—Lioka 10:2.
Mazava ny lesona raisintsika. Tena tsara ny hoe mivory sy manompo tsy tapaka. Tsy ampy anefa izany raha te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika. (2 Tan. 25:1, 2, 27) Raha mbola tia ny zavatra “any aoriana” isika, izany hoe ny zavatra sasany eto amin’ity tontolo ity, dia mety ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Lioka 17:32) Raha ‘mankahala ny ratsy sy mifikitra amin’ny tsara’ ihany isika, vao ho “mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Rom. 12:9; Lioka 9:62) Marina fa mety hahasoa na hahafinaritra ny zavatra sasany eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Tsy tokony hisy amin’izy ireny anefa havelantsika hanakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.—2 Kor. 11:14; vakio ny Filipianina 3:13, 14.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 8:3
hikarakarana an’i Jesosy sy ny mpianany: Na “hanohanana azy ireo (hanomezana azy ireo izay ilainy).” Mety hidika hoe mikarakara izay ilain’ny hafa, izany hoe mividy, mahandro, mandroso sakafo, sns, ilay teny grika hoe diakôneô. Izany no hevitr’ilay izy ao amin’ny Lk 10:40 (“hanao raharaha”), 12:37 (“hikarakara”); 17:8 (“rosoy hanina”); As 6:2 (“hizara sakafo”). Azo ilazana fanampiana isan-karazany koa izy io. Eto indray ilay hoe diakôneô dia ilazana ny zavatra nataon’ireo vehivavy voaresaka ao amin’ny andininy 2 sy 3, mba hanohanana an’i Jesosy sy ny mpianany. Amin’izay izy ireo afaka mamita ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy. Nanome voninahitra an’i Jehovah ireo vehivavy ireo rehefa nanao an’izany, ka nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly ny tantarany mba ho hitan’ny taranaka fara mandimby. (Oh 19:17; He 6:10) Misy vehivavy maro koa resahin’ny Mt 27:55 sy Mr 15:41 hoe nikarakara an’i Jesosy, ary io teny grika io ihany no ampiasainy.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Lioka
9:49, 50—Nahoana i Jesosy no tsy nisakana ny lehilahy iray tsy hamoaka demonia na dia tsy niaraka taminy aza izy io? Satria mbola tsy nitsangana ny fiangonana kristianina, tamin’izany. Tsy voatery ho niaraka tamin’i Jesosy àry ny olona iray vao ho azo lazaina hoe nino azy ka ho afaka hamoaka demonia.—Marka 9:38-40.
Famakiana Baiboly
16-22 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 10-11
“Fanoharana Momba An’ilay Samaritanina Tsara Fanahy”
nwtsty: Video
Lalana avy any Jerosalema Mankany Jeriko
Mitovitovy amin’ilay lalana (1) aseho amin’io video io ny lalana fahiny avy tany Jerosalema nankany Jeriko, izay namakivaky ny Tany Efitr’i Jodia. Nahatratra 20 km mahery io lalana io ary fidinana be sady niolakolaka. Nangingina koa ilay izy. Be jiolahy àry teny ka nasiana toby miaramila mba hiarovana ny mpandeha. Tany amin’ny sisin’ny Tany Efitr’i Jodia no nisy an’ilay tanànan’i Jeriko naorin’ny Romanina (2). Nisy tanànan’i Jeriko tranainy kokoa 2 km niala avy teo (3).
“Tsy Nisy Nolazainy Taminy, Afa-tsy Tamin’ny Fanoharana”
Ny fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy no faharoa. Izao no nanombohan’i Jesosy azy: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.” (Lioka 10:30) Tsara homarihina fa niresaka ilay lalana “avy tany Jerosalema hankany Jeriko” i Jesosy, mba hanasongadinana ny heviny. Tany Jodia, tsy lavitra an’i Jerosalema, izy tamin’ny fotoana nilazany io fanoharana io. Azo inoana àry fa fantatry ny mpihaino azy io lalana nampidi-doza io, indrindra fa ho an’ny olona nandeha irery. Nangingina sy niolakolaka mantsy izy io, ka nisy toerana maro fieren’ny jiolahy.
Tsara homarihina koa ny antony hafa iray nahatonga an’i Jesosy hiresaka ilay lalana “nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko.” Araka ilay fanoharana, dia nisy mpisorona sy Levita koa nandeha tamin’io lalana io, saingy tsy nijanona nanampy ilay naratra izy ireo. (Lioka 10:31, 32) Nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona, ary nanampy azy ny Levita. Maro ny mpisorona sy Levita nipetraka tany Jeriko rehefa tsy niasa tao amin’ny tempoly, satria 23 kilaometatra monja avy teo Jerosalema no nisy an’i Jeriko. Azo antoka àry fa nandalo tamin’io lalana io izy ireo. Mariho koa fa “avy tany Jerosalema” ilay mpisorona sy ilay Levita, izany hoe nanalavitra ny tempoly. Tsy nisy afaka nanala tsiny ny tsy firaikan’izy ireo àry ka hilaza hoe: ‘Tsy nikasika ilay lehilahy naratra izy ireo satria toy ny maty ny fahitana azy. Raha nikasika faty mantsy izy ireo dia tsy ho afaka hanompo tao amin’ny tempoly nandritra ny fotoana kelikely.’ (Levitikosy 21:1; Nomery 19:11, 16) Moa ve tsy mazava fa zavatra fantatry ny mpihaino azy tsara no noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany?
nwtsty: Fanazavana Lk 10:33, 34
ny Samaritanina anankiray: Nanambany an’ireo Samaritanina ny Jiosy ary tsy nifandray tamin’izy ireo mihitsy. (Jn 4:9) Nisy Jiosy sasany aza nampiasa an’ilay teny hoe “Samaritanina” rehefa te hanevateva na hanaratsy olona. (Jn 8:48) Resahin’ny Mishna fa nisy mpitondra fivavahana jiosy nilaza hoe: “Hoatran’ny olona mihinana henan-kisoa [biby maloto tamin’ny Jiosy] ny olona mihinana mofo nomen’ny Samaritanina.” (Shebith 8:10) Tsy nino izay nolazain’ny Samaritanina iray nijoro ho vavolombelona ny Jiosy, sady tsy nanaiky hampiany. Fantatr’i Jesosy hoe tena tsy tia Samaritanina ny Jiosy. Nampita lesona lehibe àry izy tao amin’io fanoharana io, izay antsoina matetika hoe fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy.
nofeheziny ny ratrany sady nasiany menaka sy divay: Niresaka tsipiriany tamin’ilay fanoharan’i Jesosy i Lioka. Anisan’izany ny fomba nampiasain’ny olona fahiny mba hitsaboana fery. Efa fampiasan’ny fianakaviana tamin’izany ny menaka sy ny divay. Mampitony ny fanaintainana ny menaka, fa ny divay kosa mamono mikraoba. Resahin’i Lioka koa hoe nofehezina ilay ratra, mba tsy hiitatra.
tranombahiny: Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “toerana andraisana ny rehetra.” Afaka nialokaloka tao amin’ireny toerana ireny ireo mpanao dia lavitra sy ny bibiny. Nanome an’izay nilain’izy ireo ilay tompon’ny tranombahiny, sady afaka nikarakara an’izay olona na biby najanona tao, raha nomena vola.
Hita fa Mpiara-belona Tsara Fanahy ny Samaritana Iray
Asehon’ilay fanoharan’i Jesosy fa ny olona iray tena mahitsy dia tsy vitan’ny hoe mankatò ny lalàn’Andriamanitra fotsiny, fa manahaka ny toetrany koa. (Efesiana 5:1). Milaza amintsika, ohatra, ny Baiboly fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 10:34). Manahaka an’Andriamanitra ve isika amin’io lafiny io? Asehon’ilay fanoharana mampientanentana nataon’i Jesosy fa tokony handresy ireo sakana ara-pirenena sy ara-kolontsaina ary ara-pivavahana ny fitiavantsika namana. Eny tokoa, ny Kristianina dia didiana mba “hanao soa amin’ny olona rehetra”—tsy amin’ny olona mitovy saranga na firazanana na firenena aminy ihany, na hoe amin’ny mpiray finoana aminy ihany.—Galatiana 6:10, izahay no manao sora-mandry.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 10:18
Hitako fa efa nazera toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana: Zavatra mbola hitranga amin’ny hoavy no noresahin’i Jesosy teo, nefa hoatran’ny hoe efa tanteraka sahady ilay izy taminy. Resahin’ny Ap 12:7-9 hoe nisy ady tany an-danitra, ary niforona ny Fanjakan’ny Mesia rehefa nazera tetỳ an-tany i Satana. Nasongadin’i Jesosy teo fa tsy maintsy ho resy i Satana sy ny demoniany amin’io ady io. Olombelona tsy lavorary 70 aza mantsy nahavita namoaka demonia, noho ny hery avy tamin’Andriamanitra.—Lk 10:17.
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Lioka
10:18—Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny tamin’ny mpianany 70 izy hoe: “Hitako fa efa nazera sahady toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana”? Tsy nilaza i Jesosy hoe efa noroahina avy tany an-danitra i Satana. Tsy nitranga mantsy izany raha tsy taoriana kelin’ny nandraisan’i Kristy ny fahefan’ny Mpanjaka tany an-danitra, tamin’ny 1914. (Apok. 12:1-10) Toy ny efa nitranga no nilazan’i Jesosy ilay zavatra ho avy, angamba mba hanamafisana fa tsy maintsy ho tanteraka ilay izy.
nwtsty: Fanazavana Lk 11:5-9
Mba ampisambory mofo telo aho, ry sakaiza: Tena tia mandray vahiny ny olona tany Israely sy ny firenena manodidina azy, araka ny hitantsika amin’io fanoharana io. Na tonga tampoka tamin’ny misasakalina aza ny vahiny (satria nety ho azon-tsampona teny an-dalana), dia noheverin’ny tompon-trano ho adidiny ny nanome sakafo azy. Ary raha tsy nanana haroso izy, dia tsy nampaninona azy mihitsy ny namoha ny mpiray tanàna taminy mba hisambotra mofo, na dia efa alina be aza.
Aza helingelenina intsony aho: Tsy nazoto hitsangana hanome mofo ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana. Tsy hoe ratsy fanahy akory izy, fa efa natory izy tamin’izay. Efitra lehibe iray monja mantsy ny tranon’ny olona tamin’izany, indrindra raha nahantra izy. Nety ho taitra àry ny vady aman-janany raha nitsangana izy.
fikirizany sy ny fahasahiany: Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “tsy misy henatra.” Eto kosa izy midika hoe fikirizana sy fahasahiana. Tsy menatra mihitsy ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ka tsy nisalasala namerimberina nangataka an’izay nilainy. Tian’i Jesosy hanao hoatr’izany koa ny mpianany rehefa mivavaka.—Lk 11:9, 10.
Famakiana Baiboly
23-29 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 12-13
“Sarobidy Noho ny Fody Maro Ianareo”
nwtsty: Fanazavana Lk 12:6
fody: Ilazana vorona kely, indrindra fa ny fody, ilay teny grika hoe strotiôn. Ny fody no mora indrindra tamin’ny vorona fihinana.
nwtsty: Fanazavana Lk 12:7
na ny volon-dohanareo aza voaisa daholo: Voalaza fa miisa 100 000 mahery ny volon-dohantsika. Hita hoe tena tia sy mikarakara ny mpanara-dia an’i Kristy tsirairay i Jehovah, matoa fantany na dia ny zavatra madinika toy izany aza.
Tsy Misy “Hahasaraka Antsika Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Voalohany, milaza mivantana ny Baiboly fa hitan’i Jehovah ny zava-tsarobidy ao amin’ny mpanompony tsirairay. Hoy i Jesosy: “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29-31) Andeha hodinihintsika ny dikan’ireo teny ireo ho an’ireo nihaino an’i Jesosy tamin’izany.
Inona tokoa no antony nividianana tsintsina? Satria io no vorona mora indrindra azo nohanina tamin’izany. Mariho fa tsintsina roa no azon’ny vola madinika kely iray. Nilaza anefa i Jesosy tatỳ aoriana fa hahazo tsintsina dimy, fa tsy efatra, izay olona vonona handany vola madinika roa. Toy ny tsy nisy vidiny ilay vorona fahadimy. Tsy nisy vidiny tamin’ny olona angamba izy io, nefa ahoana no fiheveran’ilay Mpamorona azy io? Hoy i Jesosy: “Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray [na ilay fanampiny] akory aza.” (Lioka 12:6, 7) Manomboka azontsika izao ny tenin’i Jesosy. Raha sarobidy amin’i Jehovah toy izany ny vorona kely, tsy vao mainka sarobidy lavitra noho izany ve ny olona? Nohazavain’i Jesosy fa mahalala ny tsipiriany rehetra momba antsika i Jehovah. Voaisany hatramin’ny volon-dohantsika aza!
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 13:24
Miezaha mafy dia mafy: Na “miadia mafy foana.” Hita amin’ilay tenin’i Jesosy fa mila manao zavatra amin’ny fo manontolo isika raha te hiditra amin’ilay varavarana tery. Misy Baiboly hafa mandika azy io hoe “mikeleza aina.” Mifandray ilay matoanteny grika hoe agônizômai sy ilay anarana amin’ny teny grika hoe agôn, ary samy ilazana fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Ampiasaina an’ohatra io anarana io ao amin’ny He 12:1, ary ilazana ny ‘hazakazaka’ ataon’ny Kristianina mba hahazoana fiainana. Ilazana ady amin’ny ankapobeny koa izy io. (Fi 1:30; Kl 2:1; 1Ti 6:12; 2Ti 4:7) Nadika hoe “mandray anjara amin’ny fifaninanana” (1Ko 9:25) sy ‘mikely aina’ (Kl 1:29; 4:12; 1Ti 4:10) ary ‘miady’ (1Ti 6:12) ilay matoanteny grika ao amin’ny Lk 13:24. Amin’ny resaka fifaninanana ara-panatanjahan-tena no ampiasana an’ilay teny hoe “miezaha mafy dia mafy.” Misy milaza àry hoe tian’i Jesosy hiezaka mafy toy ny mpanao fanatanjahan-tena ny Kristianina. Manao izay fara heriny mantsy izy ireny mba hahazoana ny loka.
nwtsty: Fanazavana Lk 13:33
tsy azo: Na “tsy azo inoana (tsy mitombina).” Tsy nilaza mivantana ny Baiboly hoe ao Jerosalema ny Mesia no ho faty. Ny Da 9:24-26 no mety ho nahatonga ny olona hieritreritra an’izany. Raha nieritreritra ny hamono mpaminany koa ny Jiosy dia tsy maintsy ho tao amin’io tanàna io izy ireo no nanao an’izany. Raha mpaminany aza tao no novonoina, mainka moa fa ny Mesia. Tao Jerosalema mantsy ireo olona 71 anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy no nivory, ka tao no notsaraina izay nampangaina ho mpaminany sandoka. Mety ho nieritreritra koa i Jesosy, tamin’izy nilaza an’ireo teny ao amin’ny Lk 13:33, hoe efa tao Jerosalema foana ny olona no nanao fanatitra ho an’Andriamanitra, ary tao no novonoina ny zanak’ondrin’ny Paska. Tanteraka tokoa ny tenin’i Jesosy tatỳ aoriana. Notsaraina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo tao Jerosalema izy ary nomelohina ho faty. Tao Jerosalema, tany ivelan’ny manda, ilay “zanak’ondrin’ny Paska” no maty.—1Ko 5:7.
Famakiana Baiboly
30 JOLAY–5 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 14-16
“Fanoharana Momba An’ilay Zanaka Adala”
nwtsty: Fanazavana Lk 15:11-16
Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy: Misy zavatra sasany tsy itovizan’io fanoharana io amin’ireo fanoharana hafa nataon’i Jesosy. Izy io, ohatra, no anisan’ny lava indrindra. Zavatra tsy mananaina matetika no noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany, ohatra hoe voa na tany. Indraindray koa izy niresaka momba ny fifandraisan’ny tompo sy ny mpanompo. (Mt 13:18-30; 25:14-30; Lk 19:12-27) Hafa mihitsy anefa io fanoharana io. Ray anankiray tena tia an’ireo zanany mantsy no noresahiny tao. Tsy manana ray tsara fanahy sy be fitiavana hoatr’izany angamba ny ankamaroan’ny olona maheno an’io fanoharana io. Asehon’izy io fa tena tia sy mangoraka an’ireo zanany eto an-tany ilay Raintsika any an-danitra. Tiany daholo na ireo mifikitra aminy, na ireo niala taminy nefa niverina indray.
ilay zandriny: Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa mahazo anjaran’olon-droa amin’ny lova ny lahimatoa. (De 21:17) Raha ilay zokiny ao amin’io fanoharana io àry no lahimatoa, dia antsasaky ny azy izany ny an’ilay zandriny.
nandanilany foana: Midika ara-bakiteny hoe ‘mampiely’ na ‘manaparitaka’ ilay teny grika nampiasaina eto. (Lk 1:51; As 5:37) Olona tsy mieritreritra tsara fa mandanilany ny fananany no dikan’ilay izy eto.
filibana: Azo adika koa hoe “manao ny danin’ny kibo” na “manaram-po” ny hoe ‘miliba.’ Misy teny grika mitovy hevitra amin’izany ao amin’ny Ef 5:18; Tit 1:6; 1Pe 4:4. Misy Baiboly mandika azy io hoe “fiveloman-dratsy.”
hiandry kisoa: Asa ambany sady maharikoriko tamin’ny Jiosy izany. Milaza mantsy ny Lalàna fa biby maloto ny kisoa.—Le 11:7, 8.
hanin-kisoa: Efa nitotongana be ny fiainan’ilay tovolahy, ka tsy nampaninona azy na dia ny nihinana hanin-kisoa aza.—Jereo fanazavana hiandry kisoa eo ambony.
nwtsty: Fanazavana Lk 15:17-24
taminao: Na “teo imasonao.” Midika ara-bakiteny hoe “eo anatrehan’ny” na “eo imason’ny” ilay teny grika hoe enôpiôn. Izany koa no dikan’izy io ao amin’ny 1Sa 20:1, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Izao no tenin’i Davida tamin’i Jonatana ao amin’io andininy io: “Inona no fahotana vitako teo anatrehan’ny rainao?”
olona karamainao: Rehefa nody ilay tovolahy, dia nangataka tamin’ny rainy izy mba horaisiny toy ny olona karamaina, fa tsy toy ny zanaka. Matetika ny mpikarama no nasaina niasa iray andro monja, fa tsy noheverina ho anisan’ny ankohonana hoatran’ny mpanompo.—Mt 20:1, 2, 8.
nanoroka azy tamim-pitiavana: Mahery kokoa noho ny fileô ilay teny grika nadika hoe ‘nanoroka tamim-pitiavana.’ Adika hoe ‘manoroka’ indraindray ny hoe fileô (Mt 26:48; Mr 14:44; Lk 22:47), fa matetika no adika hoe “tia” (Jn 5:20; 16:27) na ‘tsy foy’ (Jn 11:3). Hita hoe tena te handray an’ilay zanany indray ilay ray, matoa nanoroka azy tamim-pitiavana.
hantsoina hoe zanakao: Misy sora-tanana tranainy manampy an’izao eo amin’ny andininy 21: “Ataovy toy ny iray amin’ireo olona karamainao aho.” Mieritreritra ny manam-pahaizana sasany fa nampiana an’io fehezan-teny io ilay andininy, mba hifanaraka amin’ny andininy 19. Ny sora-tanana taloha sy azo antoka kokoa anefa tsy misy an’io fehezanteny io. Izay no mahatonga ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny anglisy tsy ahitana azy io intsony ao amin’ny Lk 15:21.
akanjo lava ... peratra ... kapa: Tsy akanjo lava tsotra fotsiny ilay izy, fa ny tsara indrindra. Voaravaka peta-kofehy angamba izy io, ary natokana ho an’ny vahiny manan-kaja. Hita hoe tian’ilay rainy ilay zanany sady nomeny haja sy voninahitra, matoa nasainy nampanaovina peratra. Tsy nomena kapa na peratra ny mpanompo tamin’ny ankapobeny. Nasehon’ilay ray àry fa nekeny ho anisan’ny fianakaviany indray ilay zanany rehefa nampanaoviny an’ireo.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Lk 14:26
mankahala: Manana heviny samihafa io teny io ao amin’ny Baiboly. Azo ilazana olona tsy tia maizina izy io, satria manana lolompo ka lasa te hanisy ratsy. Mety hidika koa izy io hoe tena tsy tia olona na zavatra iray, ka tsy te hifandray aminy mihitsy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ilazana fitiavana latsa-danja koa izy io. Resahina ao amin’ny Ge 29:31, ohatra, fa ‘nankahala’ an’i Lea i Jakoba, izany hoe tiany ihany i Lea fa i Rahely no tiany kokoa. (De 21:15) Izany koa no dikany ao amin’ireo asa soratra jiosy hafa. Tsy hoe “tsy tia maizina” àry no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe tokony ‘hankahala’ ny havany na ny tenany ny olona iray. Tsy mifanaraka amin’ny andinin-teny hafa mantsy izany. (Ampitahao amin’ny Mr 12:29-31; Ef 5:28, 29, 33.) “Fitiavana latsa-danja” àry no dikan’ilay hoe ‘fankahalana’ ao amin’ny Lk 14:26.
Tadiavo Ilay Tena Harena
Vakio ny Lioka 16:10-13. Fitadiavana tombony fotsiny no nahatonga an’ilay mpanompo tao amin’ilay fanoharana hiezaka hinamana tamin’ny olona. Nilaza anefa i Jesosy hoe tsy tokony ho izany no antony hahatonga antsika hiezaka hahazo namana any an-danitra. Asehon’ny andinin-teny aorian’ilay fanoharana fa izay ataontsika amin’ny “harena tsy marina” ananantsika no ahitana raha mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah isika na tsia. Te hilaza àry i Jesosy hoe ny fomba ampiasantsika ny harena azontsika no ahitana raha “mendri-pitokisana” isika. Ahoana izany?
Mendri-pitokisana isika raha manome vola hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. (Mat. 24:14) Nanao boatin-drakitra ny ankizivavikely iray any Inde, ary nanangona vola madinika tao foana. Tsy nividy kilalao mihitsy aza izy. Rehefa feno ilay boaty, dia nataony fanomezana ho an’ny asa fitoriana ny vola tao. Ny rahalahy iray any Inde indray mpamboly voaniho. Fantany fa tsy maintsy mividy voaniho ry zareo ao amin’ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho an’ny teny malayalam. Nanatitra voaniho be dia be tany àry izy indray mandeha. Nieritreritra mantsy izy hoe tsara kokoa raha voaniho no tonga dia omeny fa tsy vola. “Malina” tokoa izy. Manatitra sakafo ho an’ny fianakavian’ny Betela any Gresy koa ny mpiara-manompo any. Manome menaka oliva sy fromazy foana, ohatra, izy ireo.
Famakiana Baiboly