FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwbr18 Aogositra p. 1-5
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
  • Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2018
  • Lohatenikely
  • 6-12 AOGOSITRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 17-18
  • “Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao”
  • Lioka 17:11-14
  • nwtsty: Fanazavana Lk 17:12, 14
  • Lioka 17:15, 16
  • Lioka 17:17, 18
  • w08 1/8 14 § 8-9
  • Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Lioka 17:7-10
  • nwtsty: Fanazavana Lk 17:10
  • Lioka 18:8
  • nwtsty: Fanazavana Lk 18:8
  • Famakiana Baiboly
  • Lioka 18:24-43
  • 13-19 AOGOSITRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 19-20
  • “Fanoharana Momba ny Farantsa Folo”
  • Lioka 19:12, 13
  • jy 232 § 2-4
  • Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo
  • Lioka 19:16-19
  • jy 232 § 7
  • Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo
  • Lioka 19:20-24
  • jy 233 § 1
  • Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Lioka 19:43
  • nwtsty: Fanazavana Lk 19:43
  • Lioka 20:38
  • nwtsty: Fanazavana Lk 20:38
  • Famakiana Baiboly
  • Lioka 19:11-27
  • 20-26 AOGOSITRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 21-22
  • “Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”
  • Lioka 21:25
  • kr 226 § 9
  • Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana
  • Lioka 21:26
  • Lioka 21:27, 28
  • w16.01 10 § 17
  • “Aoka Haharitra ny Fitiavanareo ny Rahalahy”
  • w15 15/7 17 § 13
  • “Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Lioka 21:33
  • nwtsty: Fanazavana Lk 21:33
  • Lioka 22:28-30
  • w14 15/10 16 § 15-16
  • “Ho Fanjaka-mpisorona” Ianareo
  • Famakiana Baiboly
  • Lioka 22:35-53
  • 27 AOGOSITRA–2 SEPTAMBRA
  • HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 23-24
  • “Tokony ho Vonona Hamela Heloka Isika”
  • Lioka 23:34
  • cl 297 § 16
  • “Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”
  • Lioka 23:43
  • g 2/08 11 § 5-6
  • Mamela ny Fahotana Lehibe ve Andriamanitra?
  • Lioka 24:34
  • cl 297-298 § 17-18
  • “Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”
  • Andao Hikaroka Harena Miafina
  • Lioka 23:31
  • nwtsty: Fanazavana Lk 23:31
  • Lioka 23:33
  • nwtsty: Sary
  • Fantsika eo Amin’ny Taolan’ny Voditongotra
  • Famakiana Baiboly
  • Lioka 23:1-16
Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana—2018
mwbr18 Aogositra p. 1-5

Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana

6-12 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 17-18

“Asehoy hoe Mahay Mankasitraka Ianao”

Lioka 17:11-14

nwtsty: Fanazavana Lk 17:12, 14

boka folo lahy: Tia niaraka maromaro ny boka, fahiny. Niara-nonina koa izy ireo, ka afaka nifanampy. (2Mp 7:3-5) Tsy maintsy nitoka-monina ny boka, araka ny Lalàna. Rehefa nankeo amin’ny toerana nisy olona izy ireny, dia tsy maintsy niantsoantso hoe: “Maloto e! Maloto e!” (Le 13:45, 46) Tsy nanatona an’i Jesosy ireo boka folo lahy, fa nitsangana teny lavitra teny, satria izany no notakin’ny Lalàna.

mandehana miseho any amin’ny mpisorona: Teo ambany Lalàn’i Mosesy i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany, ka nekeny hoe mbola ny taranak’i Arona no nanana zo hanao ny asan’ny mpisorona. Izany no nahatonga azy haniraka an’ireo boka ho any amin’ny mpisorona. (Mt 8:4; Mr 1:44) Milaza ny Lalàn’i Mosesy fa tokony hojeren’ny mpisorona raha sitrana ilay boka na tsia. Raha sitrana tokoa izy, dia nila nankany amin’ny tempoly ary nanolotra vorona roa madio sady velona, rantsankazo sedera, kofehy mena midorehitra ary hysopa.—Le 14:2-32.

Lioka 17:15, 16

Lioka 17:17, 18

w08 1/8 14 § 8-9

Nahoana Isika no Tokony Hahay Hankasitraka?

Tsy niraharaha ve i Jesosy, rehefa tsy nahay nankasitraka ireo sivy hafa? Izao no tohin’ilay fitantarana: “Koa hoy i Jesosy: ‘Tsy efa voadio avokoa moa izy folo? Fa aiza ny sivy? Dia tsy nisy niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ihany ve?’”—Lioka 17:17, 18.

Tsy ratsy fanahy ireo sivy hafa. Nilaza ampahibemaso ny finoany an’i Jesosy izy ireo. Nankatò ny toromarika nomeny koa izy ireo, anisan’izany ny fankanesana any Jerosalema mba hiseho amin’ny mpisorona. Tsy isalasalana fa tena nankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jesosy izy ireo. Tsy nolazainy anefa izany. Nandiso fanantenana an’i Kristy izany. Ahoana ny amintsika? Rehefa misy manao soa amintsika, moa ve isika mailaka ny hisaotra, ka handefa taratasy milaza izany, raha azo atao?

Andao Hikaroka Harena Miafina

Lioka 17:7-10

nwtsty: Fanazavana Lk 17:10

tsy mahasoa: A.b.t.: “Tsy misy ilana azy, tsy misy dikany.” Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’io fanoharana io? Tsy hoe tokony hihevitra ny tenany ho tsy misy dikany na tsy misy ilana azy akory ireo mpanompo, izany hoe ny mpianany. Ny tiana holazaina amin’ilay hoe “tsy mahasoa” eto, dia hoe manetry tena ka tsy manantena hoe hoderaina be. Toy ny milaza ireo mpanompo hoe “mpanompo ihany izahay ka tsy mendrika hanehoana fiheverana manokana”, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana sasany.

Lioka 18:8

nwtsty: Fanazavana Lk 18:8

finoana toy izany: Na “io karazana finoana io.” A.b.t.: “Ilay finoana.” Hita avy amin’ilay mpanoritra grika nadika hoe “toy izany” fa tsy finoana amin’ny ankapobeny fotsiny no tian’i Jesosy horesahina eo, fa karazana finoana iray manokana. Nanana an’izany finoana izany ilay mpitondratena tao amin’ilay fanoharana. (Lk 18:1-8) Matoky ny olona manana an’io finoana io hoe tena mamaly vavaka Andriamanitra sady hanao izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny. Tsy novalian’i Jesosy ilay fanontaniana. Angamba ny mpianany tiany hisaintsaina hoe mba hoatran’ny ahoana ny finoan’izy ireo. Tena nety tsara ilay fanoharana momba ny vavaka sy ny finoana, satria hiatrika fitsapana ireo mpianatra ireo, araka ny zavatra noresahin’i Jesosy tsy ela talohan’izay.—Lk 17:22-37.

Famakiana Baiboly

Lioka 18:24-43

13-19 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 19-20

“Fanoharana Momba ny Farantsa Folo”

Lioka 19:12, 13

jy 232 § 2-4

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

Hoy i Jesosy: “Nisy andriandahy nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.” (Lioka 19:12) Maharitra ela ny dia toy izany. Mazava hoe i Jesosy ilay “andriandahy.” Nankany “an-tany lavitra” izy, izany hoe any an-danitra. Any ny Rainy no hanome azy fahefana hanjaka.

Niantso ny mpanompony folo ilay “andriandahy” talohan’ny hiaingany. Nanome azy ireo farantsa volafotsy iray avy izy, ary niteny hoe: “Manaova raharaham-barotra mandra-pahatongako.” (Lioka 19:13) Sarobidy be ny farantsa volafotsy, satria mikarama telo volana mahery ny mpamboly iray vao mahazo farantsa volafotsy iray.

Nety ho fantatry ny mpianatra fa toa an’ireo mpanompo folo tao amin’ilay fanoharana izy ireo. Efa nampitovin’i Jesosy tamin’ny mpijinja mantsy izy ireo. (Matio 9:35-38) Mazava ho azy fa tsy naniraka azy ireo hijinja ara-bakiteny izy. Tiany hitady mpianatra mba hahazo toerana ao amin’ilay Fanjakana kosa izy ireo. Mampiasa an’izay ananany mba hampitomboana ny isan’ireo handova an’ilay Fanjakana ireo mpianatra.

Lioka 19:16-19

jy 232 § 7

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

Inona no vokany rehefa takatr’ireo mpianatra fa toy ireo mpanompo nampiasa tsara ny fananany mba hanaovana mpianatra maro kokoa izy ireo? Afaka matoky izy ireo fa ho faly i Jesosy, ary hamaly soa azy ireo noho ny fahazotoany. Mazava ho azy fa tsy mitovy ny zavatra iainan’ny mpianatr’i Jesosy rehetra sy izay azony atao ary ny fahaizany. Miezaka foana mba hanao mpianatra anefa izy ireo, ary mankasitraka sy mitahy azy ireo i Jesosy, izay efa nahazo “fahefana hanjaka.”—Matio 28:19, 20.

Lioka 19:20-24

jy 233 § 1

Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo

Namoy izay nananany ilay mpanompo, satria tsy nampitombo ny harena tao amin’ny fanjakan’ny tompony. Takatr’ireo apostoly fa hanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Angamba hitan’izy ireo avy tamin’ny teniny momba an’io mpanompo io fa raha tsy mazoto izy ireo, dia tsy hanana toerana ao amin’ilay Fanjakana.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Lioka 19:43

nwtsty: Fanazavana Lk 19:43

fefy hazo maranitra: Avy amin’ny teny grika hoe karaks. Eo amin’io andininy io ihany no ampiasana azy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. “Hazo marani-doha amefena toerana iray” izy io, na koa “fefy hazo ataon’ny miaramila mba hiarovana ny tobiny.” Tanteraka tamin’ny taona 70 ny tenin’i Jesosy, rehefa nanao fefy hazo maranitra manodidina an’i Jerosalema ny miaramila romanina, notarihin’i Titus. Nisy antony telo nahatonga an’i Titus hanao azy io. Voalohany, tsy tiany handositra ny Jiosy. Faharoa, tiany hitolo-batana izy ireo. Ary fahatelo, ataony izay hahatonga azy ireo tsy ho ampy sakafo ka hilavo lefona amin’ny farany. Notapahin’ny miaramila daholo ny hazo teny ambanivohitr’i Jerosalema, mba hanaovana an’ilay fefy manodidina an’io tanàna io.

Lioka 20:38

nwtsty: Fanazavana Lk 20:38

satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo: Na “satria velona daholo izy rehetra ireo eo imasony.” Resahin’ny Baiboly fa na velona aza ny olona iray nefa tafasaraka amin’Andriamanitra, dia toy ny hoe maty no fahitany azy. (Ef 2:1; 1Ti 5:6) Na efa maty kosa aza ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, dia toy ny hoe velona izy ireny amin’i Jehovah, satria azo antoka hoe tsy maintsy hatsangany.—Ro 4:16, 17.

Famakiana Baiboly

Lioka 19:11-27

20-26 AOGOSITRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 21-22

“Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”

Lioka 21:25

kr 226 § 9

Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana

Hisy zavatra hafahafa eny amin’ny lanitra. Hoy i Jesosy: “Ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana.” Azo oharina amin’ny masoandro sy volana ary kintana ny mpitondra fivavahana, satria any ny olona no mitady hazavana na tari-dalana. Tsy hangataka tari-dalana any intsony anefa izy ireo, ka ho toy ny hoe lasa maizina ny mpitondra fivavahana. Mety ho zavatra hafahafa eny amin’ny lanitra mihitsy koa anefa no tian’i Jesosy holazaina. (Isaia 13:9-11; Joela 2:1, 30, 31) Hanao ahoana ny olona rehefa mahita izany? “Ho ory” izy ireo satria “ho very hevitra.” (Lioka 21:25; Zef. 1:17) “Ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga” ny fahavalon’ilay Fanjakana, hatramin’ny “mpanjaka” ka hatramin’ny “mpanompo.” Hikoropaka hitady toerana hiafenana izy ireo fa tsy hahita, satria tsy maintsy hiharan’ny fahatezeran’ilay Mpanjakantsika.—Lioka 21:26; 23:30; Apok. 6:15-17.

Lioka 21:26

Lioka 21:27, 28

w16.01 10 § 17

“Aoka Haharitra ny Fitiavanareo ny Rahalahy”

Miezaha ho “be herim-po.” (Vakio ny Hebreo 13:6.) Raha matoky an’i Jehovah isika, dia ho be herim-po, na inona na inona olana mahazo antsika. Tsy ho mora kivy isika amin’izay ka ho afaka hampiseho hoe tia ny rahalahintsika, ary hahavita hampahery sy hampionona azy. (1 Tes. 5:14, 15) Hahavita hijoro sy hitraka koa isika amin’ny fahoriana lehibe, na dia io aza no fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantara. Fantatsika mantsy fa efa akaiky ny fanafahana antsika.—Lioka 21:25-28.

w15 15/7 17 § 13

“Efa Manakaiky ny Fanafahana Anareo”

Inona no hataon’ny osy rehefa fantany hoe ho ‘ringana mandrakizay’ izy? “Hikapo-tratra sy hitomany” izy ireo. (Mat. 24:30) Ary ireo rahalahin’i Kristy sy ny ondry hafa tsy mivadika? Hanaraka an’ity tenin’i Jesosy ity izy ireo: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mijoroa ka mitrakà fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.” (Lioka 21:28) Tsy hatahotra izy ireo satria hatoky tanteraka fa hanafaka azy i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Lioka 21:33

nwtsty: Fanazavana Lk 21:33

Ny lanitra sy ny tany ho levona: Resahin’ny andinin-teny hafa hoe haharitra mandrakizay ny lanitra sy ny tany. (Ge 9:16; Sl 104:5; Mpto 1:4) Tsy te hilaza àry i Jesosy hoe tena ho levona ny lanitra sy ny tany. Nampitombo fomba filaza fotsiny izy, mba hanasongadinana hoe tsy maintsy ho tanteraka foana ny teniny, na inona na inona mitranga, na atao hoe ho levona aza ny lanitra sy ny tany. (Ampitahao amin’ny Mt 5:18.) Mety ho lanitra sy tany an’ohatra koa anefa no tiany holazaina. Antsoina hoe “lanitra taloha sy ny tany taloha” izy ireo ao amin’ny Ap 21:1.

ny teniko tsy mba ho levona mihitsy: Mpamaritra matoanteny roa, izay samy midika hoe “tsy”, no nampiarahina tamin’ilay matoanteny grika ampiasaina eo. Hita avy amin’izany hoe tena tsy hitranga mihitsy ilay zavatra lazaina eo. Tsy maintsy ho tanteraka àry ny tenin’i Jesosy.

Lioka 22:28-30

w14 15/10 16 § 15-16

“Ho Fanjaka-mpisorona” Ianareo

Nanao fifanekena tamin’ny mpianany tsy nivadika i Jesosy, rehefa avy nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany. Antsoina hoe fifanekena ny amin’ilay Fanjakana izy io matetika. (Vakio ny Lioka 22:28-30.) Tsy mitovy amin’ireo fifanekena hafa izy io. I Jehovah mantsy no nanao an’ireo fifanekena ireo tamin’ny olon-kafa. I Jesosy kosa no nanao ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana tamin’ireo mpanara-dia azy voahosotra. Nilaza izy tamin’izay hoe “toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko.” Angamba izy te hiresaka an’ilay fifanekena nataon’i Jehovah taminy hoe ho ‘mpisorona mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka’ izy.—Heb. 5:5, 6.

‘Nifikitra tamin’i Jesosy tao anatin’ireo fitsapana nahazo azy’ ny apostoly 11 tsy nivadika. Nanome toky azy ireo ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana fa hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra izy ireo, ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mba ho mpanjaka sy mpisorona. Tsy izy 11 ihany anefa no hahazo izany tombontsoa izany. Niseho tamin’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana i Jesosy, ary niteny hoe: “Izay mandresy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako, tahaka ny nandreseko ka niarahako nipetraka tamin’ny Raiko teo amin’ny seza fiandrianany.” (Apok. 3:21) Atao amin’ireo Kristianina voahosotra 144 000 àry ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana. (Apok. 5:9, 10; 7:4) Io fifanekena io no antoka fa hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra izy ireo. Rehefa ampakarin’ny mpanjaka iray ho vadiny ny vehivavy iray, dia mety ho lasa mpiara-manjaka aminy. Toy izany ireo voahosotra. Antsoin’ny Soratra Masina hoe ampakarin’i Kristy izy ireo, na “virjiny madio” fofombadin’i Kristy.—Apok. 19:7, 8; 21:9; 2 Kor. 11:2.

Famakiana Baiboly

Lioka 22:35-53

27 AOGOSITRA–2 SEPTAMBRA

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 23-24

“Tokony ho Vonona Hamela Heloka Isika”

Lioka 23:34

cl 297 § 16

“Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”

Naneho fitiavana toa an-dRainy tamin’ny fomba lehibe hafa koa i Jesosy, satria ‘namela heloka.’ (Salamo 86:5) Nisongadina izany na dia teo amin’ny hazo fijaliana aza izy. Nahamenatra ny fomba nahafatesany, satria nofantsihina ny tanany sy ny tongony. Inona anefa no nolazainy? Niantso an’i Jehovah mba hanafay an’ireo mpamono azy ve izy? Tsy izany mihitsy, fa ireto kosa no anisan’ny teniny farany: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”—Lioka 23:34.

Lioka 23:43

g 2/08 11 § 5-6

Mamela ny Fahotana Lehibe ve Andriamanitra?

Tsy ny ota natao ihany no jeren’i Jehovah, fa ny toe-tsain’ilay nanota koa. (Isaia 1:16-19) Diniho kely ange ny zava-nitranga tamin’ireo jiolahy roa nofantsihana teo anilan’i Jesosy e! Miharihary fa samy nahavita heloka lehibe izy roa lahy, matoa ny iray nilaza hoe: “Rariny isika raha melohina, satria mendrika handray ny valin’asantsika, fa izy [Jesosy] kosa, tsy mba nanao zavatra tsy nety.” Hita amin’io tenin’ilay jiolahy io, fa nahalala zavatra sasany momba an’i Jesosy izy, ka mety ho izany no nahatonga azy hiova. Nitalaho tamin’i Jesosy toy izao mantsy izy, avy eo: “Tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Ahoana no navalin’i Kristy an’izany fitalahoana avy amin’ny fo izany? Hoy izy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”—Lioka 23:41-43.

Eritrereto ange ireo tenin’i Jesosy talohan’ny nahafatesany ireo e! Mbola namindrany fo ny lehilahy iray niaiky fa mendrika ny ho faty. Mampahery tokoa izany! Mahazo matoky àry isika fa hangoraka an’izay rehetra tena mibebaka i Jesosy Kristy sy Jehovah Rainy, na inona na inona fahotana vitan’ilay olona.—Romanina 4:7.

Lioka 24:34

cl 297-298 § 17-18

“Hahalala ny Fitiavan’i Kristy”

Mampihetsi-po kokoa angamba ny famelan’i Jesosy ny heloky ny apostoly Petera. Tena tia an’i Jesosy i Petera. Hoy izy tamin’i Jesosy, tamin’ilay alina farany, izany hoe ny 14 Nisana: “Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-trano-maizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza.” Intelo anefa i Petera no nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesosy akory, ora vitsivitsy taorian’io! Izao no lazain’ny Baiboly, rehefa nanda an’i Jesosy fanintelony i Petera: “Ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera.” Tsy zakany ny fahotany, ka “nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.” Maty ny harivan’io i Jesosy, ka mety ho nanontany tena i Petera hoe: ‘Namela ny heloko ve ny Tompo?’—Lioka 22:33, 61, 62.

Tsy niandry ela i Petera mba hahalalana izany. Natsangana ny marainan’ny 16 Nisana i Jesosy, ary toa tamin’io andro io ihany izy dia niseho tamin’i Petera irery. (Lioka 24:34; 1 Korintiana 15:4-8) Nahoana i Jesosy no niahy manokana an’ilay apostoly nanda mafy azy? Mety ho te hanome toky an’i Petera nibebaka izy fa mbola tia azy sy nihevitra azy ho sarobidy ihany. Mihoatra noho izany anefa no nataon’i Jesosy.

Andao Hikaroka Harena Miafina

Lioka 23:31

nwtsty: Fanazavana Lk 23:31

amin’izao hazo mbola mando izao ... rehefa maina ny hazo: Ny firenena jiosy no tian’i Jesosy horesahina eo. Toy ny hazo efa ho faty nefa mbola misy mandomando kely izy io, satria mbola teo i Jesosy sy ny Jiosy sasany nino azy. Novonoina ho faty anefa i Jesosy avy eo, ary ireo Jiosy tsy nivadika indray lasa anisan’ny Israely ara-panahy rehefa voahosotry ny fanahy. (Ro 2:28, 29; Ga 6:16) Tafasaraka tanteraka tamin’Andriamanitra ny firenen’Israely tamin’izay, ka toy ny hazo maty efa maina.—Mt 21:43.

Lioka 23:33

nwtsty: Sary

Fantsika eo Amin’ny Taolan’ny Voditongotra

Nahitana taolana voditongotra iray nofantsihana tamin’ny fantsika vy 11,5 santimetatra, tao amin’ny fasana tany avaratratsinanan’i Jerosalema, tamin’ny 1968. Efa tamin’ny andron’ny Romanina ilay izy, ary mitovitovy amin’io hita amin’ny sary io. (Jereo mwb17.12 5) Mety ho nampiasaina fahiny àry ny fantsika, mba hampiraikitra ny olona eo amin’ny hazo rehefa hovonoina izy. Mety ho hoatran’io ny fantsika nampiasain’ny miaramila romanina, mba hamantsihana an’i Jesosy Kristy. Tao anaty vata vato no nahitana an’ilay taolana. Nataon’ny olona fahiny tao amin’izy ireny ireo taolam-paty efa maina. Midika izany fa mety ho nalevina ihany ny olona nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo.

Famakiana Baiboly

Lioka 23:1-16

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara