Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 9-11
“Lasa Mpitory Nafana Fo Nefa Nanenjika Be Taloha”
“Nandry Feizay ny Fiangonana”
EFA akaiky an’i Damaskosy ireo lehilahy nikasa hanao ratsy tao, ary hita hoe vinitra. Tian’izy ireo havoaka avy ao an-tranony ireo mpianatr’i Jesosy, ka hofatorany sy hataony afa-baraka ary hoentiny any Jerosalema, mba hofaizin’ny Fitsarana Avo.
Azo lazaina hoe efa nandatsa-dra i Saoly, mpitarika an’ireo lehilahy ireo. Vao tsy ela izay, dia faly erỳ izy nijery ny nitoraham-bato an’i Stefana. Olona nafana fo toa an’i Saoly no namono an’io mpianatr’i Jesosy tia fivavahana io. (Asa. 7:57–8:1) Mbola tsy ampy an’i Saoly ny nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tao Jerosalema, ka nataony izay hitaran’ny afom-panenjehana. Tiany hofoanana tanteraka ilay sekta mampidi-doza atao hoe “Ny Lalana.”—Asa. 9:1, 2.
Faly ve Ianao fa Mamolavola Anao i Jehovah?
Tsy mijery ivelany i Jehovah rehefa mandinika antsika olombelona. Mandinika ny fo kosa izy, ka mahita ny tena maha izy antsika. (Vakio ny 1 Samoela 16:7b.) Niharihary izany tamin’izy namorona ny fiangonana kristianina. Notaominy hanatona azy sy ny Zanany ny olona maro noheverin’ny sasany hoe tsy misy ilana azy. (Jaona 6:44) Anisan’izany ilay Fariseo atao hoe Saoly. “Mpanevateva an’Andriamanitra” izy, “sady mpanenjika no mpanambany olona.” (1 Tim. 1:13) Tsy tanimanga tsy misy ilana azy anefa izy tamin’i Jehovah, ilay “mpandinika ny fo.” (Ohab. 17:3) Hitany hoe mbola azo volavolaina izy, ka mety ho lasa “fanaka voafidy” mba hitory “any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely.” (Asa. 9:15) Nisy olon-kafa koa hitan’i Jehovah hoe azo volavolaina mba ‘hanaovana zavatra hohajaina.’ Mamo lava sy mpijangajanga ary mpangalatra ny sasany tamin’izy ireny taloha. (Rom. 9:21; 1 Kor. 6:9-11) Nihanatanjaka anefa ny finoany rehefa nahalala tsara ny Soratra Masina izy, ka navelany hamolavola azy i Jehovah.
“Nandry Feizay ny Fiangonana”
Gaga sy taitra ary tezitra ny vahoaka rehefa nanomboka nitory momba an’i Jesosy tany amin’ny synagoga i Saoly. Hoy izy ireo: “Ka tsy io ve ilay fatra-panenjika an’ireo niantso izany anarana izany tany Jerosalema e?” (Asa. 9:21) Nohazavain’i Saoly ny antony nampiova ny fiheverany an’i Jesosy, ka “nanome porofo tsara lahatra izy fa i Jesosy no Kristy.” (Asa. 9:22) Tsy ny rehetra anefa no hiaiky, na eo aza ny porofo tsara lahatra. Tsy izany no hahatonga ny olona hampandefitra ny hambom-pony na hiala amin’ny finoana nahazatra azy. Tsy kivy anefa i Saoly.
Andao Hikaroka Harena Miafina
“Nandry Feizay ny Fiangonana”
Rehefa nampiato ny dian’i Saoly ho any Damaskosy i Jesosy, dia tsy niteny hoe: “Nahoana no manenjika ny mpianatro ianao?” Hoy kosa izy: “Nahoana no manenjika ahy ianao?” (Asa. 9:4) Toy ny hoe i Jesosy mihitsy no iharan’ny fitsapana mahazo ny mpanara-dia azy.—Mat. 25:34-40, 45.
Mijaly ve ianao noho ny finoanao an’i Kristy? Matokia fa tsapan’i Jehovah sy Jesosy ny manjo anao. (Mat. 10:22, 28-31) Tsy voatery hanaisotra ny fitsapana i Jehovah ankehitriny. Tsarovy fa hitan’i Jesosy ny nataon’i Saoly tamin’ny namonoana an’i Stefana. Hitany koa ny nataon’i Saoly tao Jerosalema. Notaritaritiny hivoaka ny trano mantsy ireo mpianatra tsy nivadika tao. (Asa. 8:3) Tsy nisakana an’izany anefa i Jesosy. Na izany aza, dia nampiasa an’i Kristy i Jehovah ka nanome hery an’i Stefana sy ny mpianatra hafa mba tsy hivadihan’izy ireo.
nwtsty: Fanazavana As 10:6
Simona mpanao hoditra: Mikarakara hodi-biby ny mpanao hoditra. Nalonany tao anaty ranon-tsokay aloha ilay izy, mba hanalana an’izay volo na tavin-kena na nofo mbola niraikitra taminy. Nohosorany ranona hodi-kazo ilay izy avy eo, mba halefaka tsara ka ho azo anamboarana zavatra vita amin’ny hoditra. Nanamaimbo tanàna ny fanaovana hoditra sady nilana rano be dia be. Mety ho izany no nahatonga an’i Simona hipetraka teny amoron-dranomasina, angamba tany ivelan’ny tanànan’i Jopa. Maloto ny olona mikasika fatim-biby, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 5:2; 11:39) Jiosy maro àry no tsy te hivahiny tany amin’ny mpanao hoditra, sady nihevitra azy ireny ho olona ambany. Milaza aza ny Talmoda jiosy fa mbola ambany noho ny asan’ny mpandraoka taim-biby ny asan’ny mpanao hoditra. Tsy nanavakavaka hoatr’izany anefa i Petera, ka tsy nampaninona azy ny nivahiny tao an-tranon’i Simona. Nanampy an’i Petera io toe-tsainy io, rehefa nisy asa nanendrena azy tatỳ aoriana. Nasaina nankany an-tranon’ny lehilahy iray hafa firenena mantsy izy. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa nopetahan’ny olona anarana hoe byrseos i Simona. Io mantsy ilay teny grika nadika hoe “mpanao hoditra.”
Famakiana Baiboly
10-16 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 12-14
“Nampian’i Barnabasy sy Paoly ho Lasa Kristianina ny Olona Tany An-tany Lavitra”
“Feno Fifaliana sy Fanahy Masina”
Nahoana anefa ny fanahy masina no nilaza mivantana hoe i Barnabasy sy Saoly no atokana “hanao ilay asa”? (Asa. 13:2) Tsy mamaly izany ny Baiboly. Fantatsika kosa fa ny fanahy masina no nahatonga azy roa lahy ho voafidy. Tsy voalaza hoe nanohitra an’ilay fanapahan-kevitra ny mpaminany sy ny mpampianatra tao Antiokia. Tena nankasitrahan’izy ireo kosa ilay fanendrena. Eritrereto izay tsapan’i Barnabasy sy Saoly rehefa “nifady hanina sy nivavaka [ireo rahalahy] ka nametra-tanana tamin’izy roa lahy, ary nandefa azy”, fa tsy nialona. (Asa. 13:3) Tokony hanohana an’ireo nahazo fanendrena koa isika. Anisan’izy ireo ny mpiandraikitra voatendry eo anivon’ny fiangonana. Tsy tokony hialona azy ireny isika, fa “hanaja fatratra azy ireny amim-pitiavana, noho izay ataony.”—1 Tes. 5:13.
‘Nitory Tamim-pahasahiana Araka ny Fahefana Nomen’i Jehovah’
Nijanona tao Ikonioma aloha i Paoly sy Barnabasy. Anisan’ny tanàna lehibe tao amin’ilay faritany romanina atao hoe Galatia i Ikonioma, ary tsy niala tamin’ny kolontsaina grika ny mponina tao. Nisy Jiosy maro tao, ary nisy hafa firenena maro be nanaraka ny Fivavahana Jiosy. Niditra tao amin’ny synagoga toy ny fanaony i Paoly sy Barnabasy, ary nanomboka nitory. (Asa. 13:5, 14) ‘Nandaha-teny izy roa lahy, hany ka maro be no tonga mpino, na Jiosy na Grika.’—Asa. 14:1.
Aza Mivadika na Misy “Fahoriana Maro” Aza
Nankany Derbe i Paoly sy Barnabasy taorian’izay. “Niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia izy ireo avy eo, ary nanatanjaka an’ireo mpianatra sy nampahery azy mba tsy hialany amin’ny finoana, ka nanao hoe: ‘Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’” (Asa. 14:21, 22) Mety ho hafahafa ihany izany, satria toa mahakivy fa tsy mampahery ny hoe handia “fahoriana maro.” Nahoana àry no hoe “nanatanjaka an’ireo mpianatra” i Paoly sy Barnabasy, rehefa nilaza fa vao mainka hiampy ny fahorian’ireo mpianatra?
Diniho tsara ange ny tenin’i Paoly e! Tsy niteny fotsiny izy hoe: “Tsy maintsy miaritra fahoriana maro isika.” Hoy kosa izy: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Nanatanjaka ny mpianatra àry i Paoly rehefa nanasongadina fa handray valisoa ireo tsy mivadika. Tsy nofinofy fotsiny io valisoa io. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Mat. 10:22.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly
12:21-23; 14:14-18. Faly nandray ny voninahitra tokony ho an’Andriamanitra i Heroda. Nanda avy hatrany kosa i Paoly sy Barnabasy, rehefa nomen’ny olona dera sy voninahitra tsy mendrika ho azy. Tsy tokony haniry hahazo voninahitra avy amin’ny zava-bitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika.
nwtsty: Fanazavana As 13:9
Saoly, izay atao koa hoe Paoly: Paoly indray no niantsoana an’i Saoly nanomboka teo. Hebreo i Paoly, fa vao teraka izy dia efa nanana zom-pirenena romanina. (As 22:27, 28; Fi 3:5) Mety hoe mbola kely àry izy dia efa nanana anarana anankiroa: Ilay anarana hebreo hoe Saoly sy ilay anarana romanina hoe Paoly. Betsaka ny Jiosy nanana anarana roa tamin’izany, indrindra fa ireo nipetraka tany an-tany hafa. (As 12:12; 13:1) Nanana anarana romanina na grika koa ny sasany tamin’ny havan’i Paoly. (Ro 16:7, 21) Nasaina nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa firenena i Paoly, satria “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy. (Ro 11:13) Ilay anarana romanina no nampiasain’i Paoly tamin’izany. Mety ho nieritreritra izy hoe ho vonona hihaino azy ny olona, raha io anarana io no ampiasainy. (As 9:15; Ga 2:7, 8) Misy mieritreritra hoe mba hanomezana voninahitra an’i Sergio Paolo fotsiny no nampiasany an’ilay anarana hoe Paoly. Tsy mitombina anefa izany, satria mbola nantsoina hoe Paoly izy taorian’ny nialany tany Sipra. Misy koa milaza hoe naleon’i Paoly tsy nampiasa an’ilay anarana hebreo hoe Saoly, satria misy teny grika mitovitovy fanonona amin’izy io. Ilazana olona (na biby) mirehareha mantsy ilay teny grika, ary hita amin’ny fandehany izany.
Paoly: Avy amin’ny teny grika hoe Paolô (lat. Paulus, midika hoe “Kely”). Im-198 izy io no ampiasaina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny malagasy, mba hilazana ny apostoly Paoly. Indroa kosa izy io no ampiasaina mba hilazana an’i Sergio Paolo, governoram-paritr’i Sipra.—As 13:7.
Famakiana Baiboly
17-23 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 15-16
“Fanapahan-kevitra Niorina Tamin’ny Tenin’Andriamanitra”
‘Nifanditra Be’ Izy Ireo
Hoy ihany i Lioka: “Nifanditra sy niady hevitra be tamin’izy ireo [olona avy any Jodia] i Paoly sy Barnabasy. Koa notendren’izy ireo [anti-panahy] izy roa lahy mbamin’ny sasany taminy, mba hiakatra ho any amin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema, hitondra ilay adihevitra.” (Asa. 15:2) Samy niziriziry tamin’ny heviny ny andaniny sy ny ankilany matoa “nifanditra sy niady hevitra”, ary tsy voalamin’ny fiangonana tao Antiokia izany. Nahay nitandro ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina ilay fiangonana ka nitondra an’ilay adihevitra tany amin’ny “apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema”, izany hoe tany amin’ny filan-kevi-pitantanana. Inona no azo ianarana avy amin’ny anti-panahin’i Antiokia?
Zava-dehibe Amin’ny Tena Kristianina ny Tenin’Andriamanitra
Ny Amosa 9:11, 12 no nahafahana nandamina ilay olana. Voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:16, 17 ireo andininy ireo, ary milaza hoe: “Hiverina aho ka hanorina indray ny trano rantsankazon’i Davida izay efa nirodana. Ary haoriko indray ny sisa tsy rava taminy ka hatsangako, mba hitady mafy an’i Jehovah ny olona sisa, miaraka amin’ireo avy amin’ny firenena rehetra, izany hoe ireo olona antsoina amin’ny anarako, hoy i Jehovah.”
Mety hisy hiteny anefa hoe: ‘Milaza ve io andininy io fa tsy voatery forana ny Kristianina hafa firenena?’ Marina fa tsy voalaza mivantana eo izany. Azo inoana anefa fa izany mihitsy no nahazoan’ireo Kristianina jiosy azy io. Nahoana? Iza tokoa moa ireo “olona sisa” amin’ny Israely voaresaka amin’io andininy io, ary iza ireo olona “avy amin’ny firenena rehetra”? Rehefa noforana ny olona hafa firenena, dia noeritreretin’ireo Kristianina jiosy hoe toy ny Israelita rahalahiny ihany. (Eks. 12:48, 49) Manamarina izany ny Estera 8:17, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nosoratan’i Bagster. Voalaza ao hoe: “Maro ny olona hafa firenena noforana, ka lasa Jiosy.” Noho izany, “ny olona sisa” amin’ny Israely, dia ireo Jiosy sy olona hafa firenena voafora. Ny olona “avy amin’ny firenena rehetra”, dia ireo hafa firenena tsy voafora. Voalaza ao amin’ilay Asan’ny Apostoly fa ‘hiaraka’ izy ireo, ka ho lasa vahoaka iray hantsoina amin’ny anaran’Andriamanitra. Midika izany fa tsy voatery hoforana ny hafa firenena te ho lasa Kristianina.
“Nanatanjaka ny Fiangonana” Izy Ireo
Niara-niasa nandritra ny taona maro i Paoly sy Timoty. Mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo ka nampanaovin’ny filan-kevi-pitantanana asa maro samihafa. Hoy ny Baiboly: “Nandeha nitety tanàna izy ireo ka nampita an’ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hotandreman’ny olona.” (Asa. 16:4) Tena nankatò ny tari-dalan’ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema ny fiangonana. Inona no vokatr’izany? “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”—Asa. 16:5.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Miambena Foana toa An’ireo Apostoly
Inona no ianarantsika avy amin’io fitantarana io? Mariho fa efa niainga ho any Azia i Paoly, vao nanao zavatra ny fanahy masina. Efa nanakaiky an’i Bitynia i Paoly, vao nanome toromarika azy i Jesosy. Ary efa tonga tao Troasy i Paoly, vao nitarika azy ho any Makedonia i Jesosy. Mety hanao toy izany amintsika koa i Jesosy, Lohan’ny fiangonana. (Kol. 1:18) Eritrereto, ohatra, hoe te hirotsaka ho mpisava lalana, na hanitatra faritany ianao. Mety tsy hampiasa ny fanahy masina anefa i Jesosy mba hitarihana anao, raha tsy efa tena manao zavatra ianao mba hanatratrarana ny tanjonao. Nahoana? Diniho izao: Rehefa mandeha ihany ny fiara vao azon’ny mpamily entina miankavia na miankavanana. Toy izany koa rehefa mikasa hanitatra fanompoana isika. Mety tsy hitarika antsika i Jesosy, raha tsy efa manao zavatra isika ka miezaka hanatratra ny tanjontsika.
nwtsty: Fanazavana As 16:37
Romanina izahay: Izany hoe olom-pirenena romanina. Olom-pirenena romanina i Paoly, ary hoatr’izany koa angamba i Silasy. Nanan-jo hotsaraina teny amin’ny fitsarana ny Romanina, araka ny lalàn’izy ireo. Tsy azo nosazina teny imasom-bahoaka izy, raha tsy efa nilaza ny mpitsara hoe meloka izy. Nisy tombontsoa sy zo nananan’ny olom-pirenena romanina, na taiza na taiza toerana nalehany tao amin’ny Fanjakana Romanina. Ny lalàna romanina no nifehy azy, fa tsy ny lalàna tany amin’ilay faritra nandehanany. Azony natao ihany ny nanaiky hotsarain’ny mpitsara teo an-toerana. Mbola nanan-jo hotsaraina tany amin’ny fitsarana romanina koa anefa izy. Raha voaheloka ho faty izy, dia nanan-jo hampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny mpanjaka. Nitory nanerana ny Fanjakana Romanina i Paoly. Intelo izy no nampiasa ny zom-pirenena romanina nananany. Teto izy no nampiasa azy io voalohany. Nilaza izy hoe tsy nanaja ny zony ireo tompon’andraiki-panjakana tao Filipy, rehefa nikapoka azy.—Miresaka an’ireo fotoana roa hafa nampiasany azy io ny As 22:25; 25:11.
Famakiana Baiboly
24-30 DESAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 17-18
“Tahafo ny Apostoly Paoly Rehefa Mitory sy Mampianatra”
nwtsty: Fanazavana As 17:2, 3
niezaka nandresy lahatra: Tsy nilaza an’ilay vaovao tsara fotsiny i Paoly. Nanazava sy nanome porofo niorina tamin’ny Soratra Masina koa izy, izany hoe avy tao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy hoe namaky an’izay voasoratra tao fotsiny izy, fa nampisaintsaina koa ary nampifanaraka ny fanazavany tamin’ny olona nitoriany. Midika hoe “mifampiresaka” na “miara-midinika” ilay matoanteny grika hoe dialegômai. Ahitana an’io teny grika io koa ao amin’ny As 17:17; 18:4, 19; 19:8, 9; 20:7, 9.
noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra: Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “mametraka eo akaikin’ny.” Angamba i Paoly nampitaha ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy tamin’ireo faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Hebreo. Noporofoiny tamin’izany hoe tanteraka tamin’i Jesosy daholo ireny faminaniana ireny.
nwtsty: Fanazavana As 17:17
tsena: Tany avaratrandrefan’ilay havoana atao hoe Acropole no nisy ny tsenan’i Atena (grika: agôra), ary 5 ha teo ho eo ny velarany. Tsy toerana fivarotana sy fividianana zavatra fotsiny io tsena io. Tao no foiben’ny raharaham-barotra, ny raharaham-panjakana, ary ny resaka kolontsaina. Tian’ireo manam-pahaizana tany Atena koa ny nankao amin’io toerana io mba hiady hevitra.
nwtsty: Fanazavana As 17:22, 23
Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra: Avy amin’ny teny grika hoe Agnôstôiteôi. Anisan’ireo soratra tamin’ny alitara iray tany Atena izy io. Natahotra an’ireo andriamanitra ny Atenianina, ka nanorina tempoly sy alitara maro be. Na ny Laza, Fahamaotinana, Hery, Fandresen-dahatra, na Fangorahana aza nataony andriamanitra ary nanaovany alitara. Nanorina alitara misy soratra hoe “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” izy ireo. Natahotra angamba izy ireo sao nisy andriamanitra hadinony ka tsy ho faly aminy. Hita avy amin’izany fa niaiky ireo Atenianina ireo hoe misy Andriamanitra mbola tsy fantany mihitsy. Io alitara io no nataon’i Paoly fampidiran-dresaka rehefa niresaka momba an’ilay tena Andriamanitra izy. Mbola tsy fantatr’izy ireo mihitsy mantsy izy io tamin’izay.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly
18:18—Inona no voady nataon’i Paoly? Misy manam-pahaizana milaza fa nanao voady ho Nazirita izy. (Nom. 6:1-21) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe inona ilay voady nataony. Tsy lazain’ny Soratra Masina raha voady nataony talohan’ny niovany ho Kristianina izy io na tsia. Tsy resahiny koa na vao nanomboka na efa ho vita ilay voady. Na ahoana na ahoana, dia tsy fahotana ny fanaovana voady toy izany.
nwtsty: Fanazavana As 18:21
raha sitrapon’i Jehovah: Hita avy amin’io fa tokony hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra foana ny olona iray, rehefa misy zavatra ataony na tiany hatao. Nitadidy an’izany toro lalana izany foana ny apostoly Paoly. (1Ko 4:19; 16:7; He 6:3) Nampirisika ny olona hiteny hoatr’izao koa i Jakoba mpianatra: “Raha sitrapon’i Jehovah ka velona izahay, dia hanao izao na izao.” (Jk 4:15) Tsy tokony hotenitenenina fahatany anefa ilay hoe “raha sitrapon’i Jehovah.” Raha miteny an’izany ny olona iray, dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah izy. Tsy voatery hatao henon’ny hafa izy io, fa azo atao any am-po.—Jereo koa As 21:14 sy sgd Fiz. 2.
Famakiana Baiboly
31 DESAMBRA–6 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 19-20
“Tandremo ny Tenanareo sy ny Ondry Rehetra”
“Andraso ny Andian’ondrin’Andriamanitra”
Nilaza i Petera hoe “andian’ondrin’Andriamanitra.” Tena mila manaiky àry ny anti-panahy fa an’i Jehovah sy Jesosy Kristy ny andian’ondry asaina andrasan’izy ireo. Mbola hatao ampamoaka ny amin’ny fomba ikarakarany ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo. Aoka hatao hoe miangavy anao ny namanao akaiky mba hiandry ny zanany satria tsy ho eo izy. Tsy hikarakara tsara an’ireo ankizy sy hanome sakafo azy ireo ve ianao? Raha misy marary amin’izy ireo, tsy hanao zavatra ve ianao mba hitsaboana azy? Toy izany koa no tokony hataon’ny anti-panahy, rehefa ‘miandry ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.’ (Asa. 20:28) Tokony hotadidin’izy ireo fa novidina tamin’ny ra sarobidin’i Kristy Jesosy ny ondry tsirairay. Mbola hatao ampamoaka koa izy ireo, ka tsy maintsy miezaka manome sakafo sy miaro ary mikarakara ny andian’ondry.
‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahy
Miasa mafy ny anti-panahy. Tsy matory izy ireo indraindray fa mivavaka ho an’ny andian’ondry na manome fanampiana ho azy ireo. (2 Kor. 11:27, 28) Faly anefa izy ireo manatanteraka tsara ny andraikiny, toy ny nataon’i Paoly. Hoy izy tamin’ireo Korintianina: “Ho faly tokoa aho hanome izay rehetra ananako sy hanao sorona tanteraka ny fiainako ho anareo.” (2 Kor. 12:15) Tian’i Paoly ireo mpiray finoana taminy, ka nandany ny heriny izy mba hampaherezana azy ireo. (Vakio ny 2 Korintianina 2:4; Fil. 2:17; 1 Tes. 2:8) Tsy mahagaga àry raha tena tia an’i Paoly ireo mpiray finoana taminy ireo!—Asa. 20:31-38.
“Afaka Amin’ny Ran’ny Olona Rehetra Aho”
Nisy olona nanararaotra ny ondry, tatỳ aoriana. Tsy toa azy ireny mihitsy anefa i Paoly, fa namelon-tena mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny fiangonana. Tsy nitady tombony tamin’izay nataony ho an’ny mpiray finoana taminy izy. Nampirisihin’i Paoly hahafoy tena ireo anti-panahin’i Efesosy. Nilaza izy fa ‘tsy maintsy manampy an’ireo mila ampiana’ izy ireo, ary ‘tsy maintsy mahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo manao hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”’—Asa. 20:35.
Andao Hikaroka Harena Miafina
‘Niroborobo Sady Nahery’ ny Tenin’i Jehovah, na teo aza ny Fanoherana
Nandaha-teny tao amin’io sekoly io i Paoly isan’andro, angamba tamin’ny 11 ora maraina tany ho any ka hatramin’ny 4 ora tolakandro teo ho eo. (Asa. 19:9) Nangingina tamin’io fotoana io, satria nahamay be ny andro, ka niato kely tamin’ny asa ny olona maro mba hisakafo sy haka aina. Henjana ny fandaharam-potoanan’i Paoly, kanefa raha nanaraka izany foana izy nandritra ny roa taona, dia ho nampianatra nandritra ny 3000 ora mahery. Izany koa no nahatonga ny tenin’i Jehovah hiroborobo sy hahery foana. Olona nazoto i Paoly, ary hainy ny nanovaova ny fandaharam-potoanany mba hifanaraka tamin’izay nety tamin’ny olona nitoriany. Inona no vokany? “Nandre ny tenin’ny Tompo daholo ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia, na Jiosy na Grika.” (Asa. 19:10) Nitory tamin’ny fomba feno tokoa i Paoly!
‘Niroborobo Sady Nahery’ ny Tenin’i Jehovah, na teo aza ny Fanoherana
Tena afa-baraka ireo zanak’i Skeva. Inona no vokatr’izany? Olona maro no lasa natahotra an’Andriamanitra, ka tonga mpino ary tsy nifandray tamin’ny herin’ny maizina intsony. Vonton’ny herin’ny maizina ny kolontsain’ny Efesianina. Fanao ny nampiasa ody, na nilaza ozona famosaviana, na niteniteny na nihirahira mba hiasan’ny herin’ny maizina. Matetika ireny teny na hira ireny no efa voarakitra an-tsoratra. Efesianina maro no nanapa-kevitra hitondra ny bokiny momba ny herin’ny maizina, ka nandoro izany ampahibemaso. Am-polony tapitrisa ariary anefa ny vidin’izany, amin’ny vola ankehitriny. Hoy i Lioka: “Koa niroborobo be àry ny tenin’i Jehovah, sady tena nahery.” (Asa. 19:17-20) Porofo tsy azo lavina izany fa resin’ny fahamarinana ny lainga sy ny herin’ny demonia! Ohatra tsara ho antsika ireo olona tsy nivadika ireo. Vonton’ny herin’ny maizina koa ny tontolo misy antsika. Raha hitantsika fa manana zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina isika, dia tokony hanahaka ny Efesianina ka hanary izany tsy misy hataka andro! Halaviro ireny fanao maharikoriko ireny, na inona na inona mety hafointsika noho izany.
Famakiana Baiboly