Raiso ny Fanahin’Andriamanitra fa Aza Mandray ny Fanahin’izao Tontolo Izao
“Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy.”—1 KOR. 2:12.
1, 2. a) Inona no ady ataon’ny tena Kristianina? Hazavao. b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?
MISY ady ataontsika Kristianina. Mahery sy fetsy ny fahavalontsika, ary zatra ady. Manana fiadiana iray tena mandaitra izy, ary voany amin’izy io ny ankamaroan’ny olona. Aza mieritreritra anefa hoe tsy maintsy ho resiny ianao, na hoe tsy afa-manoatra. (Isaia 41:10) Manana fiarovana mantsy isika, ary mahatohitra ny fiadiana rehetra izy io.
2 Ady ara-panahy no ataontsika. I Satana Devoly no fahavalontsika, ary “ny fanahin’izao tontolo izao” no fiadiana tena ampiasainy. (1 Kor. 2:12) Ny fanahin’Andriamanitra kosa no fiarovana lehibe indrindra amin’ny fanafihan’i Satana. Mila mangataka azy io isika ary maneho ny vokatry ny fanahy, raha te ho tafavoaka velona amin’io ady io sy hifandray akaiky foana amin’Andriamanitra. (Gal. 5:22, 23) Inona àry no atao hoe fanahin’izao tontolo izao? Ahoana no nahatonga azy io hiely be? Ahoana no hamantarana raha tarihin’ny fanahin’izao tontolo izao isika? Inona no nataon’i Jesosy mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra sy hanoherana ny fanahin’izao tontolo izao, ary ahoana no hanahafantsika azy?
Nahoana no miely be ny fanahin’izao tontolo izao?
3. Inona no atao hoe fanahin’izao tontolo izao?
3 Avy amin’i Satana, izay “mpitondra an’izao tontolo izao”, ny fanahin’izao tontolo izao. Manohitra ny fanahy masin’Andriamanitra io fanahy io. (Jaona 12:31; 14:30; 1 Jaona 5:19) Toe-tsaina manjaka eto amin’izao tontolo izao izy io, ary mandrisika ny olona hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany.
4, 5. Ahoana no nampiely be ny toe-tsaina avy amin’i Satana?
4 Ahoana no nampiely be an’io toe-tsaina avy amin’i Satana io? Nanomboka niely izy io rehefa namitaka an’i Eva i Satana. Nandresy lahatra an’i Eva izy hoe ho tsara kokoa ny fiainany, raha manao izay tiany izy fa tsy mankatò an’Andriamanitra. (Gen. 3:13) Lainga anefa izany. (Jaona 8:44) Nampiasa an’i Eva i Satana avy eo mba hitarihana an’i Adama hivadika tamin’i Jehovah. Tsy nety ny safidy nataon’i Adama, ka lasa mpanota ny olombelona ary mora manahaka ny toe-tsain’i Satana, izay tsy tia mankatò.—Vakio ny Efesianina 2:1-3.
5 Nitaona anjely maro be koa i Satana talohan’ny Safodrano, ary lasa demonia izy ireo. (Apok. 12:3, 4) Nieritreritra ireo anjely ireo hoe ho tsara kokoa ny fiainany, raha mandao ny toerana nanendrena azy tany an-danitra izy, ka midina etỳ an-tany, ary manome fahafaham-po ny fanirian-dratsiny. (Joda 6) Tsy mitafy nofo intsony izao ireo demonia ireo, ary miaraka amin’i Satana “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” (Apok. 12:9) Mampalahelo anefa fa tsy takatry ny ankamaroan’ny olona hoe tena miasa ny demonia.—2 Kor. 4:4.
Voatariky ny fanahin’izao tontolo izao ve ianao?
6. Ahoana no hahatonga ny fanahin’izao tontolo izao hanan-kery eo amintsika?
6 Mahafantatra ny tetika ampiasain’i Satana ny tena Kristianina, fa tsy mba toy ny ankamaroan’ny olona. (2 Kor. 2:11) Fantatsika koa fa tsy manan-kery eo amintsika ny fanahin’izao tontolo izao, raha tsy isika mihitsy no mamela azy io hanan-kery eo amintsika. Misy fanontaniana efatra àry hodinihintsika izao, mba hanampy anao hahita hoe tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ianao, sa tarihin’ny fanahin’izao tontolo izao.
7. Ahoana no ataon’i Satana, mba hahatonga antsika ho tafasaraka amin’i Jehovah?
7 Karazan’olona manao ahoana aho, raha dinihina ny fialam-boliko? (Vakio ny Jakoba 3:14-18.) Fantatr’i Satana fa halan’i Jehovah ny olona tia herisetra, ka ataony izay hahatonga antsika ho tia herisetra, amin’izay isika tafasaraka amin’Andriamanitra. (Sal. 11:5) Ampiasainy ny boky, filma, hira, ary lalao video. Misy fitondran-tena mamoafady na habibiana ny lalao video sasany, ka ilay olona milalao no toy ny hoe manao an’ilay izy. Faly i Satana rehefa hitany fa efa manomboka tia ny zava-dratsy aeliny ny fontsika, na dia mbola tia ny tsara aza isika.—Sal. 97:10.
8, 9. Inona avy ny fanontaniana tokony hosaintsainintsika momba ny fialam-boly?
8 Manao ahoana kosa ny olona mandray ny fanahin’Andriamanitra? Madio izy ireo, tia fihavanana, ary be famindram-po. Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Mampirisika ahy hanana toetra tsara ve ny fialam-boly fidiko?’ “Tsy mihatsaravelatsihy” ny fahendrena avy any ambony. Tsy manao toy ny mpitari-bato vilam-bava ny olona tarihin’ny fanahin’Andriamanitra, ka hoe mampirisika ny olona hadio fitondran-tena sy ho tia fihavanana, nefa avy eo faly mijery habibiana sy fitondran-tena maloto ao an-tranony.
9 Mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah. Tsy toy izany i Satana. Fiankohofana indray mandeha eo anatrehany fotsiny, dia efa mahafaly azy. Izany no notadiaviny hataon’i Jesosy. (Lioka 4:7, 8) Ilaina àry ny manontany tena hoe: ‘Manampy ahy hanompo an’Andriamanitra irery ihany ve ny fialam-boly fidiko? Lasa sarotra kokoa amiko sa mora kokoa amiko ny manohitra ny fanahin’izao tontolo izao, noho ny fialam-boly ataoko? Misy tokony hahitsiko ve amin’ny manaraka?’
10, 11. a) Mampirisika ny olona hanao inona ny fanahin’izao tontolo izao? b) Mampirisika antsika hanana toe-tsaina manao ahoana ny Tenin’Andriamanitra?
10 Ahoana no fiheverako ny vola aman-karena? (Vakio ny Lioka 18:24-30.) Mandrisika ny olona hanome fahafaham-po “ny fanirian’ny maso” ny fanahin’izao tontolo izao, ka mampirisika azy ireo ho tia vola aman-karena. (1 Jaona 2:16) Tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena ny olona maro, vokatr’izany. (1 Tim. 6:9, 10) Ataon’io fanahy io izay hieritreretantsika hoe tsy hanana ahiahy isika, raha manam-be. (Ohab. 18:11) Raha ny vola anefa no lasa tiantsika kokoa noho Andriamanitra, dia ho resin’i Satana isika. Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Lasa variana mikatsaka harena sy fahafinaretana ve aho?’
11 Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra, mba hahay handanjalanja eo amin’ny resaka vola, ary hiasa mafy mba hamelomana ny tenantsika sy ny ankohonantsika. (1 Tim. 5:8) Manampy ny olona ny fanahin’Andriamanitra mba halala-tanana toa an’i Jehovah. Fantatra ho mpanome fa tsy mpandray ny olona tarihin’io fanahy io. Ny olona no zava-dehibe kokoa aminy fa tsy ny fananana, ary faly mizara izay ananany izy rehefa afaka manome. (Ohab. 3:27, 28) Tsy avelany ho lasa zava-dehibe noho ny fanompoana an’Andriamanitra mihitsy ny fitadiavam-bola.
12, 13. Inona no voka-tsoa azo avy amin’ny fanahin’Andriamanitra?
12 Manao ahoana ny fifandraisako amin’ny hafa? (Vakio ny Kolosianina 3:8-10, 13.) Mampirisika ny olona hanao ny asan’ny nofo ny fanahin’izao tontolo izao. (Gal. 5:19-21) Rehefa misy olana no tena ahitana hoe ny fanahin’Andriamanitra sa ny fanahin’izao tontolo izao no mitarika antsika. Hita izany, ohatra, rehefa misy rahalahy na anabavy tsy miraharaha antsika, na manafintohina antsika, na manota amintsika mihitsy aza. Hita koa izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny mpianakavintsika. Ilaina àry ny mandini-tena. Saintsaino hoe: ‘Tao anatin’ny enim-bolana lasa, nanjary nitovy kokoa amin’ny toetran’i Kristy ve ny toetrako, sa aho lasa niverina amin’ny fomba fiteniko sy ny fanaoko taloha rehefa mifandray amin’ny hafa?’
13 Afaka manampy antsika ny fanahin’Andriamanitra mba ‘hanaisotra ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy’, ary hitafy “ny toetra vaovao.” Hanampy antsika ho be fitiavana sy ho tsara fanahy kokoa izany. Ho vonona hamela heloka tanteraka isika, na dia toa manana antony ara-drariny hitarainana aza. Tsy hitana “lolompo” koa isika, na hitroatra noho ny “fahatezerana” na ny “fahavinirana”, rehefa misy zavatra heverintsika ho tsy rariny. Tsy ‘hilelalela’ na ‘hanevateva’ isika, fa hiezaka “hangoraka” kosa.—Efes. 4:31, 32.
14. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny Tenin’Andriamanitra?
14 Tiako sy hajaiko ve ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena? (Vakio ny Ohabolana 3:5, 6.) Mampirisika ny olona tsy hankatò ny Tenin’Andriamanitra ny fanahin’izao tontolo izao. Tsy te hahalala izay lazain’ny Baiboly ny olona tarihin’io fanahy io, rehefa hitany hoe manahirana azy ny zavatra voalaza ao. Aleony manaraka ny fomba fihevitra sy ny fomba amam-panaon’ny olombelona. (2 Tim. 4:3, 4) Misy indray mandà ny Baiboly manontolo mihitsy. Tsy mino izy ireo hoe marina sy azo ampiharina amin’ny androntsika izy io, ka lasa mihevi-tena ho hendry izy ireo. Hamaivanin’izy ireo ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanitsakitsaham-bady sy ny fisaraham-panambadiana, ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Lazain’izy ireo hoe ‘tsara ny ratsy ary ratsy ny tsara.’ (Isaia 5:20) Ary ahoana ny aminao? Lasa voatarik’io fanahy io koa ve ianao? Rehefa manana olana ianao, moa ve ianao miantehitra amin’ny fahendren’olombelona, anisan’izany ny hevitrao manokana? Sa ianao miezaka manaraka ny torohevitry ny Baiboly?
15. Inona no tokony hianteherantsika?
15 Mahatonga antsika hanaja ny Baiboly ny fanahin’Andriamanitra. Toy ny mpanao salamo isika, ka mihevitra fa jiro ho an’ny tongotsika ny Tenin’Andriamanitra, sady fahazavana ho an’ny lalantsika. (Sal. 119:105) Tsy miantehitra amin’ny fahendrentsika isika, fa miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanampy antsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy mianatra manaja ny Baiboly fotsiny isika, fa mianatra ho tia ny lalàn’Andriamanitra koa.—Sal. 119:97.
Manahafa an’i Jesosy
16. Inona no ilaina mba hananana “ny sain’i Kristy”?
16 Mila miezaka hanana “ny sain’i Kristy” isika, raha te handray ny fanahin’Andriamanitra. (1 Kor. 2:16) Mba hananantsika ‘toe-tsaina mitovy amin’ny nananan’i Kristy Jesosy’ anefa, dia mila mahafantatra ny fomba fisainany sy ny fanaovany zavatra isika, ary manahaka azy. (Rom. 15:5; 1 Pet. 2:21) Andeha isika handinika fomba sasany azontsika anahafana azy.
17, 18. a) Inona no ianarantsika momba ny vavaka, rehefa mandinika ny ohatra navelan’i Jesosy? b) Nahoana isika no tsy tokony hitsahatra hangataka?
17 Mivavaha mba hahazo ny fanahin’Andriamanitra. Nivavaka i Jesosy rehefa tsapany hoe nila ny fanahy masina izy, mba hiatrehana fitsapana. (Lioka 22:40, 41) Mila mangataka fanahy masina koa isika ary manao izany amim-pinoana. Omen’i Jehovah fanahy masina be dia be sy maimaim-poana izay rehetra manao izany. (Lioka 11:13) Hoy i Jesosy: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo. Fa izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.”—Mat. 7:7, 8.
18 Aza mora kivy, rehefa mangataka ny fanampian’i Jehovah sy ny fanahiny. Mbola mila mivavaka matetika kokoa sy maharitra kokoa angamba isika. Tsy tonga dia mamaly vavaka i Jehovah indraindray, fa avelany aloha isika hampiseho raha tena zava-dehibe amintsika ny zavatra angatahintsika, ary raha tena manam-pinoana isika.a
19. Inona foana no nataon’i Jesosy, ary nahoana isika no tokony hanahaka azy?
19 Mankatoava tanteraka an’i Jehovah. Nanao izay nampifaly ny Rainy foana i Jesosy. Tsy nitovy hevitra tamin-drainy izy indray mandeha, momba izay tokony hatao, kanefa tsy nisalasala izy nilaza hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Mila manontany tena àry ianao hoe: ‘Mankatò an’Andriamanitra ve aho, na dia rehefa sarotra aza izany?’ Iankinan’ny aina ny fankatoavana. Tokony hankatò azy isika, satria izy no namorona antsika sy nanome aina antsika, ary mamelona antsika. (Sal. 95:6, 7) Tsy misy na inona na inona azontsika atao, ka hoe mahasolo ny fankatoavana. Tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika, raha tsy mankatò.
20. Inona no nifantohan’i Jesosy, ary ahoana no azontsika anahafana azy?
20 Fantaro tsara ny Baiboly. Nanonona Soratra Masina i Jesosy, mba hanoherana ny fitsapana nataon’i Satana. (Lioka 4:1-13) Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra koa izy, rehefa niady hevitra tamin’ireo mpitondra fivavahana. (Mat. 15:3-6) Niezaka nahatakatra sy nanatanteraka ny lalàn’Andriamanitra i Jesosy, ary nifantoka tamin’izany. (Mat. 5:17) Tokony hiezaka foana koa isika hameno ny saintsika amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria manatanjaka finoana izy io. (Fil. 4:8, 9) Marina fa mety ho sarotra ny hahita fotoana hianarana samirery na hanaovana fianaram-pianakaviana. Tsy mety anefa raha miandry fotoana malalaka fotsiny isika mba hianarana. Mila manokana fotoana mihitsy isika.—Efes. 5:15-17.
21. Inona no fotoana azontsika hararaotina mba hanampy antsika hahalala kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy hampihatra azy io?
21 Nanamboatra ny fotoam-pivoriana ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” mba hahitantsika fotoana hianarana samirery sy hanaovana fianaram-pianakaviana isan-kerinandro. (Mat. 24:45) Manararaotra tsara izany ve ianao? Afaka mifidy loha hevitra iray, ohatra, ianao ary mandinika izay nampianarin’i Jesosy momba ilay izy. Hanampy anao hanana ny sain’i Kristy izany. Mety hahita fanazavana mahaliana ianao, raha mampiasa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azonao ampiasaina koa ireo lahatsoratra 12 mitondra ny lohateny hoe “Inona no Nampianarin’i Jesosy Antsika...”, nivoaka tamin’ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro, nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2010. Natao hanampiana antsika handalina ny Tenin’Andriamanitra sy hahafantatra zavatra isan-karazany koa ny lahatsoratra hoe “Ahoana no Havalinao?”, nivoaka tao amin’ny Mifohaza! nanomboka tamin’ny 2006. Nahoana raha mampiasa lahatsoratra toy ireny tsindraindray, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?
Afaka mandresy an’izao tontolo izao isika
22, 23. Inona no tsy maintsy ataontsika, mba handresena an’izao tontolo izao?
22 Tsy maintsy manohitra ny fanahin’izao tontolo izao isika, mba hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra. Tsy mora anefa izany, ka mila miady mafy isika. (Joda 3) Afaka mandresy anefa isika! Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:33.
23 Afaka mandresy an’izao tontolo izao koa isika, raha manohitra ny fanahin’izao tontolo izao sy manao izay rehetra azo atao mba handraisana ny fanahin’Andriamanitra. Tsy hisy hahavita “hanohitra” antsika, “raha momba antsika Andriamanitra.” (Rom. 8:31) Inona no soa ho azontsika raha mandray ny fanahin’Andriamanitra isika, ka manaraka ny tari-dalany ao amin’ny Baiboly? Ho afa-po isika, hilamin-tsaina, ho sambatra, ary azo antoka fa hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao, izay efa tsy ho ela intsony.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny pejy 170-173 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Tadidinao Ve?
• Nahoana no miely be ny fanahin’izao tontolo izao?
• Inona avy ireo fanontaniana efatra tokony hosaintsainintsika?
• Inona ireo zavatra telo nataon’i Jesosy, ka tokony hataontsika koa, raha te handray ny fanahin’Andriamanitra isika?
[Sary, pejy 8]
Ahoana no nahatonga ny anjely sasany ho lasa demonia?
[Sary, pejy 10]
Mampiasa ny fanahin’izao tontolo izao i Satana mba hifehezana ny olona. Azontsika atao anefa ny miala eo ambany fifehezan’io fanahy io