Ry Tanora, Miezaha Hahazo Andraikitra
1. Rahoviana ny rahalahy tanora no tokony hampihatra ny 1 Timoty 3:1?
1 Hoy ny 1 Timoty 3:1: “Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.” Mampirisika ny rahalahy hiezaka hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana io andinin-teny io. Tsy voatery hoe efa lehibe anefa ianao vao afaka manao izany. Tena tsara aza raha dieny mbola tanora ianao dia efa miezaka hahazo andraikitra. Hahazo fampiofanana ianao amin’izay, ary ho afaka hampiseho hoe mendrika ny hotendrena ho mpanampy amin’ny fanompoana rehefa lehibe kokoa. (1 Tim. 3:10) Raha rahalahy tanora vita batisa àry ianao, inona no azonao atao mba hahazoana andraikitra?
2. Inona no azonao atao mba hahatonga anao hahafoy tena, ary ahoana no ampisehoanao an’izany?
2 Mahafoy tena: Tadidio fa miezaka hahazo asa tsara ianao, fa tsy mitady toerana. Ataovy tianao mihitsy àry ny manampy an’ireo rahalahy sy anabavy. Hahavita an’izany ianao raha misaintsaina ny ohatra tsara nomen’i Jesosy. (Mat. 20:28; Jaona 4:6, 7; 13:4, 5) Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anao ho tia miahy ny hafa. (1 Kor. 10:24) Mety ho afaka hanampy ny be taona na ny kilemaina eo anivon’ny fiangonana ve ianao? Manolo-tena ve ianao rehefa misy asa hatao hikojakojana ny Efitrano Fanjakana, ohatra hoe manapaka bozaka na manosotra savoka? Vonona hisolo toerana amin’ny anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ve ianao? Ho faly ianao raha manao zavatra mba hanampiana ny hafa.—Asa. 20:35.
3. Inona no azonao atao raha te ho matotra ara-panahy ianao, ary nahoana izany no tena zava-dehibe?
3 Matotra ara-panahy: Fahamatorana ara-panahy no tena ilain’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana, fa tsy fahaizana na talenta. Miezaka manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jehovah sy Jesosy ny olona matotra ara-panahy. (1 Kor. 2:15, 16) Manana “vokatry ny fanahy” izy. (Gal. 5:22, 23) Mazoto mitory izy ka manao loha laharana an’ilay Fanjakana. (Mat. 6:33) Hanana ny toetran’ny olona matotra ara-panahy ianao raha zatra mianatra samirery. Tokony hamaky Baiboly isan’andro, ohatra, ianao, hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! rehetra, ary hanomana sy hanatrika ny fivoriana. (Sal. 1:1, 2; Heb. 10:24, 25) Nampirisihin’i Paoly handroso ara-panahy i Timoty tamin’izy mbola tanora. Hoy i Paoly taminy: ‘Tandremo tsara foana ny fampianaranao.’ (1 Tim. 4:15, 16) Ataovy tsara àry ny anjaranao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Manomàna aloha vao mandeha manompo, ary mazotoa manompo tsy tapaka. Miezaha hanana tanjona, ohatra hoe hanao mpisava lalana, na hanompo any amin’ny Betela, na hanatrika ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo, ary ezaho tratrarina izany avy eo. Ho afaka handositra “ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” ianao, raha matotra ara-panahy.—2 Tim. 2:22.
4. Hazavao hoe nahoana no tena ilaina ny ho mendri-pitokisana sy azo ianteherana.
4 Azo ianteherana sy mendri-pitokisana: “Tsara laza” ireo rahalahy nasaina nizara sakafo ho an’ny Kristianina sahirana tamin’ny taonjato voalohany. Nalaza ho azo ianteherana sy mendri-pitokisana izy ireo, ka tsy nanahy ny apostoly hoe tsy ho vitan’ireo rahalahy ireo ny zavatra nampanaovina azy. Afaka nifantoka tamin’ny zava-dehibe hafa àry ny apostoly. (Asa. 6:1-4) Tanteraho tsara araka izay vitanao àry ny andraikitra omena anao eo anivon’ny fiangonana. Tahafo i Noa. Nanaraka tsara ny toromarika nomena azy izy, rehefa nasaina nanamboatra sambofiara. (Gen. 6:22) Matotra ara-panahy ny olona mendri-pitokisana ary sarobidy amin’i Jehovah.—1 Kor. 4:2; jereo ilay efajoro hoe “Mahasoa ny Fampiofanana.”
5. Nahoana no tokony hiezaka hahazo andraikitra ny rahalahy tanora?
5 Manangona olona haingana i Jehovah izao, araka ny nolazain’ny Baiboly mialoha. (Isaia 60:22) Olona 250 000 eo ho eo no atao batisa isan-taona. Maro be àry no lasa manompo an’i Jehovah, ka ilaina ny rahalahy matotra ara-panahy afaka mikarakara fiangonana. Vao mainka be dia be mihitsy izao ny zavatra tokony hatao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (1 Kor. 15:58) Maniry asa tena tsara àry ianao, raha rahalahy tanora ka miezaka hahazo andraikitra.
[Teny notsongaina, pejy 2]
Maro be no lasa manompo an’i Jehovah, ka ilaina ny rahalahy matotra ara-panahy afaka mikarakara fiangonana
[Efajoro, pejy 3]
Mahasoa ny Fampiofanana
Nisy mpiandraikitra ny faritra iray nipetraka teo anoloan’ny sehatra, taorian’ny fivoriana, mba hampahery mpitory iray. Nisy rahalahy tanora iray nijoro teo akaiky teo, ka nanontanian’ilay mpiandraikitra raha hiresaka aminy no antony iandrasany. Nilaza ilay rahalahy fa notendren’ny anti-panahy hamafa an’ilay sehatra izy isaky ny avy mivory. Efa hody ny ray aman-dreniny tamin’izay nefa tsy nety nandeha izy raha tsy vitany ilay zavatra nanendrena azy. Niala teo àry ilay mpiandraikitra ny faritra. Hoy izy: “Tia mampiofana rahalahy tanora ny anti-panahin’io fiangonana io, ka manome andraikitra azy ireo. Nanolotra rahalahy tanora ho mpanampy amin’ny fanompoana foana àry ny anti-panahy, tamin’izaho nitsidika ny fiangonan’izy ireo.” Hita amin’izany fa mandray soa ny rahalahy tanora mahafeno fepetra, rehefa ampiofanin’ny anti-panahy sy omeny andraikitra.