FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • th lesona 11 p. 14
  • Miezaha Hafana Fo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hafana Fo
  • Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha Hanohina ny Fo
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Miezaha Hafana Fo Rehefa Mampianatra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Miezaha ho Tsara Fanahy sy Hangoraka
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
  • Miresaha Zavatra Mahaliana sy Mahasoa
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Hijery Hafa
Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
th lesona 11 p. 14

LESONA 11

Miezaha Hafana Fo

Andinin-teny

Romanina 12:11

AHOANA IZANY? Miezaha hafana fo rehefa miteny, dia hazoto hampihatra an’izay lazainao ny olona.

INONA AVY NO TOKONY HATAONAO?

  • Saintsaino tsara ilay izy mba hanohina ny fonao. Rehefa manomana an’izay horesahinao ianao, dia eritrereto hoe nahoana ilay izy no tena ilaina. Miezaha koa hanomana tsara, dia hafana fo ianao rehefa manazava hevitra.

  • Eritrereto ny soa ho azon’ny olona amin’ilay izy. Saintsaino hoe nahoana no tena mahasoa azy ilay zavatra hovakinao na hampianarinao. Diniho avy eo hoe inona no azonao atao mba hazava tsara aminy izany.

  • Aza atao mampatoritory ny anjaranao. Miezaha hafana fo rehefa miteny. Ataovy hita amin’ny endrikao sy ny fihetsikao koa izay any am-ponao. Aza amboamboarina be anefa ny fihetsika sy ny endrika.

    Torohevitra kely

    Aza atao mitovy foana ny fihetsikao. Mety ho izany indray mantsy no hifantohan’ny olona. Ataovy mifanaraka amin’izay lazainao kosa ilay izy. Vao mainka ianao tokony hafana fo rehefa hanazava hevi-dehibe na hampirisika ny olona hampihatra torohevitra. Tandremo anefa sao mafana fo loatra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny faran’ny lahateninao. Mety ho leo mihaino anao mantsy ny olona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara