FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Jona p. 8
  • Ahoana no Ampiasana An’ireo Hevitra Azo Resahina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ampiasana An’ireo Hevitra Azo Resahina?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra Azo Resahina
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Ahoana no Ampiasana ny Hevitra Azo Resahina?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Ahoana no Azo Ampiasana ny Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Hevitra Azo Resahina
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Jona p. 8

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana An’ireo Hevitra Azo Resahina?

Nanomboka tamin’ny Janoary 2018, dia misy an’ilay hoe “Hevitra Azo Resahina” eo amin’ny pejy voalohany amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Ahoana no azontsika ampiasana azy ireny?

Anabavy iray manana anjara amin’ny fampiofanana, mandritra ny fivoriana andavanandro.

Rehefa mandray anjara amin’ny fampiofanana: Tokony hampiasainao ilay fanontaniana sy andinin-teny ary ilay fanontaniana horesahina amin’ny manaraka. Tsy midika anefa izany hoe mila atao mitovy tanteraka amin’ilay video ny zavatra lazainao. Azonao ovana, ohatra, ny fampidiran-dresaka ampiasainao, na ny fomba anazavanao an’ilay hevitra. Azonao ovana koa ny zava-mitranga amin’ilay anjara. Raha fitoriana isan-trano, ohatra, no tao amin’ilay video, dia azonao atao fitoriana tsy ara-potoana ny anjaranao. Afaka manolotra boky na zavatra hafa avy ao amin’ny Fitaovana Fampianarana koa ianao, na dia tsy misy toromarika momba an’izany aza amin’ilay anjara.

Ilay anabavy teo aloha ihany mitory isan-trano, ary mamaky andinin-teny amin’ny vehivavy iray.

Rehefa manompo: Natao hanampiana antsika hahita zavatra holazaina ilay hoe “Hevitra Azo Resahina.” Raha liana ilay olona ka mbola tiany hotohizina ilay resaka, dia azonao ampiasaina ny hevitra ao amin’ilay hoe “Fiverenana Mitsidika.” Azonao ovana kely ilay hevitra azo resahina. Afaka miresaka hevitra hafa mihitsy koa anefa ianao. Mety hoe ny hevitra azo resahina tamin’ny volana lasa, ohatra, no mahaliana kokoa ny olona, na andinin-teny hafa mihitsy. Azonao atao koa ny miresaka an’izay zava-nitranga na vaovao mahaliana ny olona. Mety hiovaova àry ny fomba ampiasanao an’ireo hevitra azo resahina. Na inona na inona anefa ataonao, dia ‘ataovy noho ny vaovao tsara’ izany, ‘mba hitorianao azy io amin’ny hafa.’—1Ko 9:22, 23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara