FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Iza no Tokony Hinoanao?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Iza no Tokony Hinoanao?

      “Mazava ho azy fa ny trano rehetra dia samy nisy nanao azy, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.”—HEBREO 3:4.

      MITOMBINA ve aminao io teny ao amin’ny Baiboly io? Tokony ho 2 000 taona lasa izay no nanoratana azy io. Nandroso be anefa ny siansa nanomboka tamin’izay. Mbola misy mihevitra ihany àry ve ankehitriny, fa tsy maintsy misy Andriamanitra, ary izy no namolavola sy namorona ny zava-drehetra, rehefa jerena ny firafitr’izy ireny?

      Maro no mihevitra toy izany, na dia any amin’ny tany be olona mahay momba ny siansa aza. Ny 80 isan-jaton’ny olona any Etazonia, ohatra, no “mino hoe Andriamanitra no namorona izao rehetra izao.” Izany no hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy) tany an-toerana, tamin’ny 2005. Ny olona tsy dia nahita fianarana ihany ve no mino an’izany? Tsia, satria misy koa mpahay siansa mino an’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, ilay gazety anglisy momba ny siansa, atao hoe Natiora, tamin’ny 1997, fa nisy fanadihadiana natao tamin’ny fizisianina sy mpahay matematika ary manam-pahaizana momba ny zavamananaina. Hita fa efa ho ny 40 isan-jaton’izy ireo no mino hoe misy Andriamanitra, ary mihaino vavaka sy mamaly izany.

      Tsy manaiky mihitsy anefa ny mpahay siansa sasany fa misy Andriamanitra. Vao haingana, dia nilaza ny Dr. Herbert Hauptman, anisan’ny nahazo loka Nobel, fa tsy mifanaraka amin’ny siansa marina ny finoana hoe misy hery ambony noho ny an’ny olombelona, indrindra fa ny hoe misy Andriamanitra. “Tsy mahasoa ny olombelona ny finoana an’izany”, hoy izy. Na ny mpahay siansa mino an’Andriamanitra aza dia tsy mazoto hampianatra fa nisy namorona ny zavamaniry sy ny biby, rehefa jerena ny firafitr’izy ireo. Nahoana? Nilaza antony iray i Douglas Erwin, manam-pahaizana momba ny taolam-biby fahiny, avy amin’ny Fikambanana Smithson. Hoy izy: “Ianarana amin’ny siansa, fa tsy misy ny fahagagana.”

      Ary ahoana ny hevitrao? Hino befahatany fotsiny izay lazaina aminao ve ianao? Sa kosa ianao hitady porofo hanamarinana raha nisy namorona tokoa izao rehetra izao na tsia? Hiresaka momba ireo zavatra hitan’ny mpahay siansa vao haingana, ireo lahatsoratra manaraka. Rehefa mamaky azy ireo ianao, dia manontania tena hoe: ‘Mitombina tokoa ve fa nisy namorona izao rehetra izao?’

      [Teny notsongaina, pejy 3]

      Ianao mihitsy no mitadiava porofo

      [Efajoro, pejy 3]

      Mpanohana ny Famoronana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

      Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa marina ny tantara momba ny famoronana, ao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly. Tsy anisan’ilay antokon’olona atao hoe mpanohana ny famoronana anefa izy ireo. Nahoana? Voalohany, mino ny maro amin’ireo mpanohana ny famoronana fa noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy, izao rehetra izao, tokony ho 10 000 taona lasa izay. Anisan’izany ny tany sy ny zavamananaina rehetra eo aminy. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly.a Faharoa, manaiky foto-pinoana maro tsy hita ao amin’ny Baiboly, ny mpanohana ny famoronana. Avy ao amin’ny Baiboly irery kosa anefa ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.

      Ankoatra izany, dia mitovy ihany amin’ny olona any amin’ny tany sasany, ny “mpanohana ny famoronana” sy ilay antokon’olona atao hoe Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra. Mafana fo amin’ny politika anefa io antokon’olona io. Ataony izay handresena lahatra ny mpanao politika sy ny mpitsara ary ny mpanabe, mba hanaiky lalàna sy fampianarana mitovy amin’ny an’ireo mpanohana ny famoronana.

      Tsy manao politika kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Eken’izy ireo fa manan-jo hamoaka lalàna sy hanao izay hanarahan’ny olona izany, ny fanjakana. (Romanina 13:1-7) Ankatoavin’izy ireo tanteraka anefa ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy anisan’izao tontolo izao” ny Kristianina. (Jaona 17:14-16) Ampahafantariny amin’ny olona itoriany fa mahasoa ny mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy manohana ny antokon’olona Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra anefa izy ireo. Miezaka mamoaka lalàna hanerena ny olona hankatò ny fitsipiky ny Baiboly mantsy, io antokon’olona io.—Jaona 18:36.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy faha-18 hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?”

  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?

      “Anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy; ary makà saina amin’ny tany, dia hampianatra anao izy, ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.”—JOBA 12:7, 8.

      NIANA-JAVATRA betsaka avy tamin’ny zavamaniry sy ny biby ny mpahay siansa sy ny injeniera, tato ho ato. Mandinika akaiky ny firafitry ny zavaboary isan-karazany izy ireo, ary maka tahaka azy ireny mba hamoronana zava-baovao, na hanatsarana ny zava-bitan’ny fitaovana sasany. Andeha isika hijery zavaboary vitsivitsy. Rehefa mamaky momba azy ireo ianao, dia manontania tena hoe: ‘Iza no tena mendri-piderana noho ny firafitr’izy ireny?’

      Inona no azo ianarana avy amin’ny vombon’ny trozona?

      Inona no azon’ny mpanao fiaramanidina ianarana avy amin’ny trozona misy trafo? Zavatra maro tokoa. Roa ambin’ny folo metatra ny halavan’io trozona io, ary 30 taonina eo ho eo ny lanjany rehefa lehibe izy. Mitovy amin’ny lanjan’ny kamiao feno entana izany. Somary henjana ny vatan’ilay trozona, ary manana vombo lehibe miendrika elatra izy. Patsa isan-karazany na trondro no sakafony. Tena kinga izy ao anaty rano. Rehefa mahatazana patsa na trondro, ohatra, izy eny amboniny, dia mihodinkodina miakatra eny izy sady mitsoka rivotra manodidina azy ireo. Feno balaonina kely be dia be manodidina ireo trondro noho ilay rivotra, ka toy ny hoe voafefy ao anaty faribolana izy ireo. Iray metatra sy sasany monja ny savaivon’ilay faribolana. Arapak’ilay trozona haingana avy eo ireo sakafo voangony ireo.

      Ity no tena nahavariana ny mpikaroka: Ahoana no ahavitan’io biby io mihodinkodina mba hanao izany faribolana kely dia kely izany, nefa henjana be ny vatany? Hitan’izy ireo fa ny bikan’ny vombony no manampy azy. Tsy malama toy ny elatry ny fiaramanidina ny eo aloha amin’ny vombony, fa misy kinifinifiny sy zavatra mivohitra mitandahatra.

      Rehefa milomano ilay trozona, dia manampy azy hiakatra haingana sy hahatohitra kokoa ny rano, ireo zavatra mivohitra ireo. Nahoana? Hazavain’ny gazety Tantaran’ny Zavaboary (anglisy), fa mizarazara tsara eny anelanelan’izy ireo ny rano sady mivily. Afaka mitsoriaka àry ilay trozona, na dia rehefa miakatra mahitsy be aza. Raha malamalama kosa ny eo aloha amin’ilay vombony, dia tsy ho afaka hihodinkodina sady hiakatra toy izany izy. Hitambolimbolina be mantsy ny rano, ka ho sahirana izy rehefa miakatra.

      Inona no soa mety ho azo avy amin’izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany? Raha hampitovina amin’ny vombon’io trozona io ny elatry ny fiaramanidina, dia azo inoana fa ho vitsy kokoa ny fitaovana ilaina hapetraka ao aminy, mba hanovaovana ny fandehan’ny rivotra. Ho azo antoka kokoa sy ho mora kojakojaina kokoa ny elatra toy izany. Mino ilay manam-pahaizana momba ny fiasan’ny vatana, atao hoe John Long, fa tsy ho ela dia “mety hisy zavatra mivohitra toy ny hita eo amin’ny vombon’ny trozona misy trafo, eo amin’ny elatry ny fiaramanidina lehibe rehetra.”

      Alaina tahaka ny elatry ny varevaka (voron-dranomasina)

      Marina fa efa nalaina tahaka avy amin’ny elatry ny vorona, ny elatry ny fiaramanidina. Nohatsarain’ny injeniera anefa izany tato ho ato. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy): ‘Nisy fiaramanidina modely vaovao namboarin’ny mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Floride. Mahay mijanona eny amin’ny habakabaka sady mahay midina sy miakatra haingana toy ny varevaka izy io, ary tsy mila mpanamory fa baikoina avy lavitra. Antsasa-metatra mahery ny halavany.’

      Rehefa eny amin’ny habakabaka ny varevaka, dia ampakariny ny elany roa ary ataony somary miforitra ny eo afovoany, ka izany no ahavitany fihetsika mahavariana. Natao mora miforitra toy izany koa ny elatr’ilay fiaramanidina, hoy ihany ilay gazety etsy aloha. ‘Vy maromaro baikoin’ny maotera kely iray no manetsika ireo elatra.’ Tena ary fomba ny elatr’ilay fiaramanidina kely, ka mahavita mijanona eny anelanelan’ireny trano avo be ireny izy io, ary mahay midina sy miakatra haingana. Tsy andrin’ny tafika amerikanina izay hahavitana fiaramanidina tena mora entina toy izany, mba hitadiavana fitaovam-piadiana simika na misy otrikaretina, any an-tanàn-dehibe.

      Ny tongotry ny katsatsaka

      Miana-javatra maro avy amin’ny biby an-tanety koa ny olona. Mahay mandady amin’ny rindrina sy mijanona eny amin’ny valindrihana, ohatra, ilay androngo kely atao hoe katsatsaka na antsiantsy. Efa tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly no nalaza io biby io, noho izany fahaizany mahavariana izany. (Ohabolana 30:28) Nahoana no tsy mianjera mihitsy ny katsatsaka rehefa mandeha eny amin’ny valindrihana, na dia eo aza ny sinton’ny tany?

      Feno volo madinika kely ao amin’ny faladiany, ka izany no mahatonga azy ho afaka hifikitra na dia amin-javatra malama be toy ny fitaratra aza. Tsy mamoaka dity akory ny faladiany. Misy hery kely dia kely atao hoe herin’i van der Waals kosa, manampy ny faladiany hiraikitra amin’ny rindrina na amin-javatra hafa. Mora resin’ny sinton’ny tany io hery io, ka izany no mahatonga ny olona tsy ho afaka hianika rindrina amin’ny tanany fotsiny. Tsy milatsaka kosa anefa ny katsatsaka, satria vao mainka mampitombo an’io hery io ireo volo madinika kely an’arivony mameno ny faladiany. Izy koa moa maivana rahateo.

      Inona no soa mety ho azo avy amin’izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany? Mety ho azo alaina tahaka ireo volo amin’ny tongotry ny katsatsaka, mba hanamboarana zavatra mitovy amin’ilay hidin-javatra mifampiraikitra, atao hoe Velcro. Nalaina tahaka tamin’ny zavaboary koa izy io.a Resahin’ny gazety Toe-karena (anglisy) fa nisy mpikaroka nilaza hoe tena mety hahasoa amin’ny fitsaboana, ny ‘lamba famonosana ratra nalaina tahaka avy amin’ireo volo ireo.’ Indrindra moa rehefa “tsy afaka mampiasa lamba na zavatra madity hafa famonosana ratra ny dokotera.”

      Iza no mendrika hoderaina?

      Manamboatra milina manana tongotra valo afaka mandehandeha toy ny maingoka koa izao ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso (NASA). Efa nahavita karazana traktera manan-tongotra enina toy ny bibikely goavam-be koa, ny injeniera any Failandy. Mahay mandingana zavatra avo be izy io. Ny mpikaroka hafa kosa mieritreritra ny hamorona ravin-damba misy varavarankely bitika, izay afaka misokatra sy mikatona toy ny voan’ny hazo kesika. Misy koa mpanao fiarakodia manamboatra fiara nalaina tahaka avy amina karazana trondro misosa haingana rehefa milomano. Efa eo am-pandinihana ny antony mahatonga ny karazana akorandriaka sasany tsy ho mora vaky koa izao ny mpikaroka hafa, mba hanamboarana akanjo tsy laitram-bala maharo kokoa sy maivana kokoa.

      Nahita hevitra tsara an’arivony ny mpikaroka, noho ny fandinihany ny firafitry ny zavaboary. Ataon’izy ireo lisitra àry izany, ary tahiriziny ao anaty ordinatera. Afaka mijery ao ny mpahay siansa rehefa “sahiran-tsaina amin’ny zavatra amboariny, ka mitady vahaolana”, hoy ihany ny gazety Toe-karena. Antsoina hoe “zon’ny zavaboary” ny hevitra ao amin’io lisitra io. Toy ny hoe olona na orinasa nahita hevi-baovao na namorona fitaovana vaovao mantsy ny zavaboary, ka manana zo ara-dalàna ho tompon’izany. Nilaza àry ny gazety Toe-karena, fa tena mety ny niantsoan’ny mpikaroka an’ireo hevitra mahavariana azo avy amin’ny zavaboary ireo hoe “zon’ny zavaboary.”

      Avy taiza ireny hevitra mahavariana rehetra azo avy amin’ny zavaboary ireny? Maro ny mpikaroka milaza fa ny evolisiona no nampisy ny zavaboary. Ny atao hoe evolisiona dia fiovana miandalana teo amin’ny zavatra tsy mananaina nandritra ny an-tapitrisany taona, ka nahatonga azy ho zavamananaina. Tsy mitovy hevitra amin’izany kosa ny mpikaroka hafa. Hoy ilay manam-pahaizana momba ny zavamiaina bitika, atao hoe Michael Behe, tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 2005: ‘Tsy maintsy manaiky isika fa nisy nanao ny trano vaovao iray, rehefa tsy mahita porofo hanoherana izany isika. Toy izany koa fa tsy maintsy manaiky isika hoe nisy nanao izao rehetra izao, satria maro ny porofo ahitana fa noeritreretina tsara mialoha ny fomba namoronana azy io, ary tsy misy porofo azo anoherana izany.’ Hoy àry i Behe: “Raha efa miharihary fa nisy namorona ny zavatra iray, dia tsy tokony hodian-tsy hita izany.”

      Marina aloha fa mendri-piderana ny injeniera mamorona elatra fiaramanidina tsara kokoa sy azo antoka kokoa. Toy izany koa ny olona mamorona lamba na zavatra hafa azo amonosana ratra isan-karazany, na ravin-damba mety kokoa amin’izay ilana azy, na fiara tsara kokoa. Azo lazaina hoe mpangalatra anefa izay maka tahaka ny zavatra noforonin’olon-kafa, nefa tsy manome voninahitra an’ilay olona, na tsy manaiky fa misy izy.

      Maka tahaka izay zavatra hitany eo amin’ny zavaboary ny mpikaroka tena mahay, rehefa sahirana amin’ny zavatra amboariny. Milaza anefa ny sasany amin’izy ireo hoe tsy nisy mpamorona tena mahira-tsaina nanao ny zavaboary, fa ny evolisiona no nampisy azy. Eken’ny sainao ve izany fampianarana izany? Raha ireny zavatra nalain-tahaka avy tamin’ny zavaboary ireny aza nila manam-pahaizana be vao nahavita azy, mainka moa fa ny zavaboary? Iza no tokony homem-boninahitra kokoa: ny mpamoron-javatra faran’izay mahay, sa ny olona miezaka maka tahaka ny zava-bitany?

      Fanatsoahan-kevitra mety

      Maro ny olona nandinika tsara raha nisy namorona tokoa izao rehetra izao na tsia, ka nanjary niray hevitra tamin’ny mpanao salamo. Hoy izy: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24) Mitovy hevitra amin’izany koa i Paoly, mpanoratra Baiboly. Hoy izy: ‘Fa ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’—Romanina 1:19, 20.

      Milaza anefa ny olona tso-po maro manaja ny Baiboly sy mino an’Andriamanitra, fa mety ho Andriamanitra no nanao ny evolisiona, mba hamoronana izao rehetra izao mahatalanjona. Izany ve no ampianarin’ny Baiboly?

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Nalaina tahaka avy tamina karazana tsipolitra ny Velcro.

      [Teny notsongaina, pejy 5]

      Avy taiza ireny hevitra mahavariana rehetra azo avy amin’ny zavaboary ireny?

      [Teny notsongaina, pejy 6]

      Iza no manan-jo hoderaina noho ny firafitry ny zavaboary?

      [Efajoro/​Sary, pejy 7]

      Raha ny zavatra nalain-tahaka avy tamin’ny zavaboary aza nila manam-pahaizana be vao nahavita azy, mainka moa fa ny zavaboary?

      Nalaina tahaka avy tamin’ny elatry ny varevaka ity fiaramanidina tena mora entina ity

      Manandrana maka tahaka ny tongotry ny katsatsaka ny mpikaroka. Tsy mety maloto na mamela diany mantsy izy io, mahavita mifikitra amin-javatra rehetra ankoatra ny “Téflon” (zavatra simika tsy mampiraikitra), ary mora miraikitra sy mora miala

      Fiara mandeha haingana. Ilay trondro eo ambony no nalaina tahaka

      [Sary nahazoan-dalana]

      Fiaramanidina: Kristen Bartlett/University of Florida; tongotra katsatsaka: Breck P. Kent; trondro sy fiara: Mercedes-Benz USA

      [Efajoro/​Sary, pejy 8]

      MANANA FAHENDRENA VOAJANAHARY

      Manana ‘fahendrena’ voajanahary ny biby maro, ka mahita ny lalana tokony halehany. (Ohabolana 30:24, 25) Diniho, ohatra, ireto biby roa ireto.

      ◼ Nahoana no tsy diso lalana ny vitsika? Ahoana no ahitan’ny vitsika ny lalana mody rehefa avy mitady sakafo izy? Hitan’ny mpikaroka tany Royaume-Uni fa mamela zavatra simika misy fofona eny amin’ny lalany, ny vitsika sasany. Tsy izay ihany fa manamboatra lalana mora hitany koa izy. Resahin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao, ohatra, fa rehefa manamboatra lalana ny vitsika mavo, dia ataony misampana roa ilay izy, ka fohy kokoa ny iray. Inona no tena mampiavaka an’ilay lalana? Rehefa hody ilay vitsika, ka tonga eo amin’ilay sampanan-dalana, dia manaraka ho azy an’ilay lalana fohy kokoa izy, ary tsy maintsy tonga any an-tranony iny lalana iny. “Manamora ny fivezivezen’ny vitsika amin’ireo lalana maro be mifampidimpiditra, ny fomba nizarany an’ireo lalana”, hoy ihany ilay gazety, “indrindra raha mandroso ny vitsika sasany fa ny hafa kosa miverina. Tsy vizana koa izy ireo, satria tsy diso lalana.”

      ◼ Manana tondroavaratra ve ny vorona? Mahalala tsara ny toerana tokony halehany ny vorona maro mpifindra monina, na lavitra toy inona aza izany, ary na tsara na ratsy ny andro. Nahoana? Hitan’ny mpikaroka fa toy ny hoe misy tondroavaratra ao anatiny, ka fantany ny avaratra. Resahin’ny gazety Siansa (anglisy) anefa fa tsy tena manondro ny avaratra ny tondroavaratra, any amin’ny toerana sasany. Nahoana àry ny vorona mpifindra monina no tsy diso lalana? Toa mijery ny masoandro mody izy ireo isan-kariva, ka ahitsiny hifanaraka tsara amin’izany ilay tondroavaratra ao anatiny. Resahin’ny gazety Siansa koa anefa fa miovaova ny toerana ilentehan’ny masoandro, arakaraka ny tany sy ny fizaran-taona. Mihevitra àry ny mpikaroka fa tsy maintsy misy fomba voajanahary ahalalan’ny vorona ny fizaran-taona.

      Iza no nampianatra ny vitsika hahay hizara lalana? Iza no nanome tondroavaratra ny vorona, sy atidoha ahalalany ny fizaran-taona? Vokatry ny evolisiona fotsiny ve izany? Sa nisy Mpamorona mahira-tsaina nanao azy?

      [[Sary nahazoan-dalana]]

      © E.J.H. Robinson 2004

  • Tamin’ny Alalan’ny Evolisiona Tokoa Ve?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Tamin’ny Alalan’ny Evolisiona Tokoa Ve?

      “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”—APOKALYPSY 4:11.

      I CHARLES DARWIN no nanao izay hampahalaza ny fampianarana momba ny evolisiona. Tsy ela taorian’izany, dia nitady fomba hampifanarahana an’io fampianarana io sy ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra, ny fivavahana maro.

      Toa mino ankehitriny ny ankamaroan’ireo fivavahana lehibe ao amin’ny Kristianisma Anarana, fa tsy maintsy ho tamin’ny alalan’ny evolisiona no namoronan’Andriamanitra ny zavamananaina. Mampianatra, ohatra, ny sasany fa nataon’Andriamanitra hiova tsikelikely izao rehetra izao. Niova ho zavamananaina, hono, ny zavatra tsy mananaina, ary lasa olombelona tamin’ny farany. Milaza koa izy ireo fa natombok’Andriamanitra fotsiny izany, ary tsy niditra an-tsehatra intsony izy avy eo. Ny hafa indray mihevitra fa noforonin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny evolisiona aloha ny ankamaroan’ny zavamaniry sy biby, ary niditra an-tsehatra ihany izy indraindray mba hitohizan’izany.

      Afaka miaraka ve ireo fampianarana ireo?

      Tena mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ve ny fampianarana momba ny evolisiona? Raha marina ny evolisiona, dia tsy tena nisy ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba ny namoronana an’i Adama, ilay lehilahy voalohany, fa natao hampianarana momba ny fitondran-tena fotsiny. (Genesisy 1:26, 27; 2:18-24) Izany ve no fahitan’i Jesosy an’io tantara io? Hoy mantsy izy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay nahary azy, dia nahary azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Matio 19:4-6.

      Niresaka an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy toko faha-2 i Jesosy teo. Raha efa fantany fa tsy tena nisy ny fanambadian’i Adama sy Eva, moa ve mbola hiresaka azy io ihany izy mba hanohanana ny fampianarany momba ny fahamasinan’ny fanambadiana? Tsia. Niresaka an’io tantara io kosa i Jesosy satria fantany fa tena nisy izy io.—Jaona 17:17.

      Nino an’io tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy io koa ny mpianatr’i Jesosy. Tanisaina ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, ohatra, ny razamben’i Jesosy rehetra hatrany amin’i Adama. (Lioka 3:23-38) Raha tsy tena nisy i Adama, iza amin’ireo olona tanisaina ao amin’ireo andinin-teny ireo kosa àry no tena nisy? Azo itokisana ve ilay tenin’i Jesosy hoe izy no Mesia taranak’i Davida, raha tsy tena nisy akory ilay olona farany tanisaina ao amin’ireo andinin-teny ireo? (Matio 1:1) Nilaza i Lioka, izay anisan’ny nanoratra ny Filazantsara, fa ‘efa nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra, eny, nofotorany tsara tsy misy diso.’ Hita àry fa nino an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy i Lioka.—Lioka 1:3.

      Nino an’io tantara io koa ny apostoly Paoly matoa nino an’i Jesosy. Hoy izy: “Koa satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” (1 Korintianina 15:21, 22) I Adama no razamben’ny olombelona rehetra, ary avy taminy no ‘nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana.’ Raha tsy marina izany, nahoana i Jesosy no tsy maintsy maty mba hanafoanana ny vokatry ny fahotana nolovantsika avy tamin’i Adama?—Romanina 5:12; 6:23.

      Hanjary ho sarotra amin’ny Kristianina ny hino ireo fampianarana fototra avy ao amin’ny Baiboly, raha tsy mino an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy izy. Tsy afaka miaraka mantsy ny fampianarana momba ny evolisiona sy ny fampianaran’i Kristy. Hampahalemy finoana fotsiny ny fanandramana hanao izany. Mora “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao”, ny olona malemy finoana.—Efesianina 4:14.

      Finoana mafy orina

      Nokianin’ny olona ny Baiboly, nandritra ny taonjato maro. Voaporofo foana anefa fa marina izay voasoratra ao. Hita imbetsaka fa azo itokisana ny tantara ao anatiny, sy izay lazainy momba ny fahasalamana ary ny siansa. Mandaitra sy tsy tontan’ny ela ny toroheviny momba ny fifandraisana amin’olona. Tsy misy hafa amin’ny ahitra kosa anefa ny fampianaran’olombelona. Mitsiry ny ahitra, nefa malazo rehefa mandeha ny fotoana. Ny Tenin’Andriamanitra kosa “haharitra mandrakizay.”—Isaia 40:8.

      Tsy fampianarana ara-tsiansa fotsiny ny evolisiona, fa lasa fampianarana eken’ny olona maro koa. Nanjary nalaza àry izy io rehefa nandeha ny fotoana. Etsy an-danin’izany, dia nihaniova io fampianaran’i Darwin io tato ho ato. Mihamaro mantsy ny porofo mampiseho fa nisy namorona izao rehetra izao, ka nisy ezaka natao mba hanamarinana izany. Ampirisihinay koa ianao mba hanao izany. Hanampy anao ny famakiana ireo lahatsoratra hafa ato amin’ity gazety ity. Afaka mamaky an’ireo boky etsy ambany sy ilay ao amin’ny pejy faha-32 koa ianao.

      Azo inoana fa hatoky kokoa ny tantara ao amin’ny Baiboly ianao aorian’izay. Vao mainka koa ianao hino fa ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy. (Hebreo 11:1) Mety ho voatosika hidera an’i Jehovah koa ianao, satria izy no “nanao ny lanitra sy ny tany.”—Salamo 146:6.

      BOKY HAFA METY HAHALIANA ANAO

      Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra Misy porofo maromaro ao amin’io bokikely io fa marina ny Baiboly

      Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? Miresaka porofo hafa fa misy Andriamanitra. Resahina ao koa hoe nahoana no avelany hisy fijaliana be dia be toy izao, nefa miahy antsika izy

      Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Resahina ao amin’ny toko faha-3 ny hoe Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

      [Teny notsongaina, pejy 10]

      Nino an’ilay tantara momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy i Jesosy. Diso ve izy?

      [Efajoro, pejy 9]

      Inona no Atao hoe Evolisiona?

      Anisan’ny famaritana an’io teny io ny hoe “fiovana miandalana ho amin-javatra hafa.” Misy dikany maromaro koa anefa ny teny hoe “evolisiona.” Midika, ohatra, izy io hoe fiovana goavana eo amin’ny zavatra tsy mananaina, anisan’izany ny fiovan’izao rehetra izao. Midika koa izy io hoe fiovana kely eo amin’ny zavamananaina, izany hoe fiovana eo amin’ny zavamaniry na biby, mba hahavelona azy tsara eo amin’ny fonenany. Matetika anefa io teny io no ampiasaina mba hilazana an’ilay fampianarana hoe ny fiainana dia niandoha avy tamin-javatra tsy mananaina, izay niova ho sela afaka mihamaro. Niova miandalana ireo sela ireo ka lasa zavaboary be kojakojany hatrany, ary ny olombelona no mahira-tsaina indrindra amin’izy rehetra. Io famaritana farany io no tiana holazaina amin’ilay hoe “evolisiona”, na fiovana miandalana eo amin’ny zavaboary, ato amin’ity lahatsoratra ity.

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

      Sarin’ny any ambony tsy taka-maso: J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA

  • Fanadinadinana Mpahay Simia
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Fanadinadinana Mpahay Simia

      MPAMPIANATRA ao amin’ny Oniversiten’i Lehigh, any Etazonia, i Michael Behe, sady mpikaroka momba ny zavatra simika ao amin’ny zavamananaina. Tamin’ny 1996 izy no namoaka ilay bokiny hoe Ilay Zava-miafina Tsy Fantatr’i Darwin: Manohitra ny Evolisiona ny Porofo Ara-tsimia (anglisy). Niresaka an’io bokin’i Behe io ny Mifohaza! (frantsay) 8 Mey 1997, tao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ahoana no Niandohan’ny Fiainana? Kisendrasendra ve sa Nisy Namorona?” Niezaka nanohitra ny porofo naroson’i Behe ireo mpahay siansa mino ny evolisiona na fiovana miandalana, tao anatin’izay folo taona nivoahan’io boky io izay. Nilaza ny mpanao tsikera fa navelan’i Behe hanan-kery teo amin’ny fanapahan-keviny mifandray amin’ny asany ny finoany, satria Katolika izy. Ny hafa indray nilaza fa mifanipaka amin’ny siansa ny fanazavany. Niresaka tamin’ny Profesora Behe àry ny Mifohaza!, mba hahafantarana hoe nahoana ny heviny no niteraka adihevitra be toy izany.

      MIFOHAZA!: ARAKA NY HEVITRAO, NAHOANA NY FIRAFITRY NY ZAVAMIAINA NO MANAPOROFO FA MISY NY MPAMORONA?

      PROFESORA BEHE: Raha vao mahita fitaovana be pitsiny sy mahavita asa sarotra isika, dia manatsoaka hevitra avy hatrany hoe nisy namorona izy ireny. Diniho, ohatra, ireo milina fampiasantsika, toy ny fanapahana bozaka, fiara, ary na dia ny zavatra tsotra kokoa toy ny tontam-boalavo aza. Tena tiako ny mampiasa an’io ohatra farany io. Miaiky ianao fa nisy namorona ilay izy, satria hitanao fa misy tapany samy hafa nakambana ao amin’ilay fitaovana, mba hahafahany hahazo voalavo.

      Mandroso ny siansa ankehitriny, ka nanjary fantatra ny fomba fiasan’ireo zavatra bitika indrindra (na molekiola) ao anatin’ny sela, mba hahatonga azy io ho velona foana. Gaga izahay fa hitan’ny mpahay siansa hoe misy molekiola be pitsiny, miasa ao anatin’ireny sela ireny. ‘Mpitatitra’ zavatra ao anatin’ny sela, ohatra, no asan’ny molekiola sasany. Misy molekiola hafa koa ‘mpanondro’ ny lalan’ireo mpitatitra, na tokony hiankavanana izy ireo na hiankavia. Manana molekiola misy “maotera” manosika azy avy ao aoriana koa ny sela sasany. Ireny no manosika ireo sela mba hisosa eo ambonin’ny tsiranoka. Raha vao mahita zavatra be pitsiny toy izany amin’ny toe-javatra hafa ny olona, dia manatsoaka hevitra avy hatrany hoe nisy namorona izy ireny. Tsy misy fomba hafa ankoatra an’izay azo anazavana ny fisian’ireo molekiola be pitsiny ireo, na dia eo aza ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona. Voaporofo foana hatramin’izay fa nisy namorona ny zavatra be pitsiny. Rariny àry raha mihevitra izahay, fa nisy namorona koa ireny molekiola ireny, ary tena nahay ilay nanao azy.

      MIFOHAZA!: ARAKA NY HEVITRAO, NAHOANA NY ANKAMAROAN’IREO MPIARA-MIASA AMINAO NO TSY MIOMBON-KEVITRA AMINAO MOMBA NY FISIAN’NY MPAMORONA?

      PROFESORA BEHE: Tsy miombon-kevitra amiko tokoa ny mpahay siansa maro, satria takany fa ny filazana hoe misy ny Mpamorona, dia midika hoe misy hery iray ambony noho ny natiora. Tsy te hino an’izany anefa izy ireo. Eken’ny besinimaro fa natao hanatsoaka hevitra mifanaraka amin’izay asehon’ny porofo ny mpahay siansa, na inona na inona vokany. Kanosa, amiko, ny olona iray raha tsy manatsoaka hevitra mifanaraka amin’izay tena asehon’ny porofo, satria fotsiny hoe tsy heken’ny antokon’olona sasany ny fanatsoahan-keviny.

      MIFOHAZA!: INONA NO HAVALINAO NY MPANAO TSIKERA, IZAY MILAZA FA TSY MAMPIRISIKA NY OLONA HANITA-PAHALALANA, NY FIEKENA FA MISY NY MPAMORONA?

      PROFESORA BEHE: Tsy vokatry ny tsy fahalalana ny fiekena fa misy ny Mpamorona. Tsy avy amin’ny zavatra tsy fantatray mantsy ilay fanatsoahan-kevitra, fa avy amin’ny zavatra tena fantatray kosa. Toa tsy be pitsiny no fahitana ny firafitry ny vatana, 150 taona lasa izay, tamin’ny fotoana namoahan’i Darwin ny bokiny hoe Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy). Noheverin’ny mpahay siansa ho zavatra tsotra kely ny sela tamin’izany fotoana izany, ka hoe mety ho nipoitra tampoka avy tamin’ny fota-dranomasina fotsiny. Hitan’izy ireo anefa taorian’izay, fa tena be pitsiny lavitra ny sela, raha oharina amin’ireo milina amin’izao taonjato faha-21 izao. Manaporofo ny fisian’ny Mpamorona izany, ary misy antony matoa izy namorona azy ireny.

      MIFOHAZA!: SAO DIA MBA MANANA POROFO KOSA NY MPAHAY SIANSA, HAMPISEHOANA FA AVY AMIN’NY EVOLISIONA IRENY SELA BE PITSINY VOALAZANAO TEO IRENY?

      PROFESORA BEHE: Efa folo taona izay no nivoahan’ilay bokiko. Efa nandefa antso maika koa ny fikambanana ara-tsiansa maro, toy ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa sy ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fampandrosoana ny Siansa. Nampirisika ny mpikambana ao aminy izy ireny, mba hanaporofo fa tsy marina ilay hevitra hoe mampiharihary ny fisian’ny Mpamorona, ny firafitry ny vatantsika. Raha mikaroka ao amin’ireo boky ara-tsiansa anefa ianao, dia hahita fa tsy nisy olona tena nanao andrana ara-tsiansa, mba hanaporofoana fa niova miandalana ny molekiola ao amin’ny sela.

      MIFOHAZA!: MISY OLONA MILAZA FA TSY TENA MAHAFA-PO NY FOMBA NAMOLAVOLANA NY ZAVATRA SASANY EO AMIN’NY ZAVAMANIRY NA TAOVA SASANY AO AMIN’NY BIBY. INONA NO HAVALINAO AN’IRENY OLONA IRENY?

      PROFESORA BEHE: Ny tsy fahafantarantsika ny antony hisian’ny zavatra sasany ao amin’ny zavamiaina iray, dia tsy midika fa tsy manana anjara asa lehibe ilay izy. Nisy taova sasany, ohatra, nolazaina fa tsy misy asany. Ireny taova ireny teo aloha no noraisina ho porofo, fa tsy tena mahafa-po ny fomba namolavolana ny vatan’ny olombelona sy ny zavamiaina hafa. Noheverina ho taova tsy ilaina, ohatra, ny kambontsinay sy ny kambontenda, ka nahazatra ny nanala azy. Hita indray anefa tatỳ aoriana fa manana anjara asa ao amin’ny hery fanefitra, ireny taova ireny.

      Ny lafiny iray hafa tsara hotadidina koa dia izao: Misy zavatra sasany eo amin’ny zavamananaina, toa miseho tsy nahy. Raha misy pempo anefa eo amin’ny fiarako na vaky ny pne, dia tsy midika izany hoe tsy nisy namorona ilay fiara, na ilay pne. Ny fisian’ny zavatra miseho tsy nahy eo amin’ny zavamiaina koa, dia tsy manaporofo fa kisendrasendra no nampisy an’ireo sela be pitsiny. Tsy mitombina izany.

      [Teny notsongaina, pejy 12]

      “Kanosa, amiko, ny olona iray raha tsy manatsoaka hevitra mifanaraka amin’izay tena asehon’ny porofo, satria fotsiny hoe tsy heken’ny antokon’olona sasany ny fanatsoahan-keviny”

  • Tena Marina ve ny Evolisiona?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Tena Marina ve ny Evolisiona?

      “TENA marina fa misy ny evolisiona, toy ny maha marina ny hoe manome hafanana ny masoandro”, hoy ny Profesora Richard Dawkins, manam-pahaizana malaza momba ny evolisiona. Marina fa manome hafanana ny masoandro, araka ny fikarohana sy fandinihana natao. Hita koa ve anefa fa marina ny fampianarana momba ny evolisiona, ka tsy azo lavina?

      Misy zavatra mila hazavaina alohan’ny hamaliantsika izany. Hitan’ny mpahay siansa maro fa miova kely ny taranaky ny zavamananaina iray, rehefa mandeha ny fotoana. Nantsoin’i Charles Darwin hoe “taranaka mihamiova” izy ireny. Iaraha-mahita tokoa izany fiovana izany, ary efa nohamarinina tamin’ny alalan’ny fanandramana. Nahita hevitra avy tamin’izy ireny mihitsy aza ny mpamboly sy mpiompy.a Tena misy fiovana àry eo amin’ny zavamananaina. Antsoin’ny mpahay siansa hoe “evolisiona bitika” anefa ireny fiovana kely ireny, ary entin’izy ireo anaporofoana fa misy koa ny atao hoe “evolisiona goavana.” Tsy inona izany fa ny fiovan’ny zavamananaina iray ho karazany hafa tanteraka. Mbola tsy nisy nahita an’io fiovana goavana io anefa.

      Hita àry fa zavatra mbola tsy voaporofon’ny mpahay siansa mihitsy no nampianarin’i Darwin. Hoy izy ao amin’ilay bokiny malaza hoe Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina: “Tsy noforonina tsirairay ny zavamananaina rehetra, araka ny hevitro. Taranaky ny zavamananaina vitsivitsy kosa izy ireo.” Voalaza fa tsy be kojakojany ireny “zavamananaina vitsivitsy” tany am-boalohany ireny. Niova miandalana anefa, hono, izy ireny nandritra ny fotoana lava be, ka nanome ireo karazan-javamananaina an-tapitrisany hitantsika eto an-tany. “Kely dia kely” hatrany ny “fiovana” nitranga. Nitambatambatra anefa izany, araka ny ampianarin’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona, ary nanome fiovana goavana, ka ny trondro lasa biby iray tarika amin’ny sahona, ary ny rajako lasa olona. Antsoina hoe evolisiona goavana izany lazaina fa fiovana lehibe izany. Maro no mihevitra fa mitombina io famaritana faharoa io. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha miova kely hatrany ny karazan-javamaniry na biby iray, nahoana moa no tsy hiova be rehefa ela ny ela?’b

      Ireto no porofo entin’ny olona hanamarinana ny evolisiona goavana:

      1. Ilaina ny fiovan’ny fototarazo, mba hampisy karazan-javamaniry na biby vaovao.c

      2. Izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra no manome karazany vaovao.

      3. Hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny fa nisy ny evolisiona goavana.

      Tena misy porofo marim-pototra ve fa marina io evolisiona goavana io, ka tokony hinoana?

      Mety hampisy karazana vaovao ve ny fiovan’ny fototarazo?

      Hita ao amin’ny fototarazo ny tsipiriany maro momba ny zavamaniry na biby iray, ka anisan’izany ny fomba fiasany. Zavatra ao anatin’ny vihin’ny sela tsirairay ny fototarazo.d Hitan’ny mpikaroka fa mety hampisy fiovana eo amin’ny taranaky ny zavamaniry na biby iray, ny fiovan’ny fototarazony. Tamin’ny 1946, dia hoy i Hermann Muller, anisan’ny nahazo Loka Nobel, sy tompo-marika tamin’ny fikarohana momba ny fiovan’ny fototarazo: ‘Nahavita nanova ny fototarazon’ny biby sy zavamaniry ny olona, ka nanatsara azy ireny. Tena kely ny fiovana niseho nefa nitambatambatra, ka lasa betsaka. Toy izany koa no mitranga amin’ny evolisiona, saingy lehibe kokoa. Ary izay biby na zavamaniry tsara indrindra ihany no velona eo amin’ny toerana iray.’

      Milaza àry ireo mampianatra momba ny evolisiona goavana, fa tsy vitan’ny hoe mety hampisy karazany vaovao eo amin’ny zavamaniry sy biby iray ny fiovan’ny fototarazo, fa mety hampisy zavamaniry sy biby hafa tanteraka mihitsy. Misy fomba azo anaporofoana izany ve? Andeha hojerentsika ny vokatry ny fikarohana natao nandritra ny 100 taona teo ho eo, momba ny fototarazo.

      Nino ny mpahay siansa, taloha kelin’ny 1940, fa vao mainka hihatsara ny karazan-javamaniry ho azo, raha ny olombelona mihitsy no manova ilay fototarazo, fa tsy ilay zavamaniry. “Faly be ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny zavamananaina sy ny fototarazo, ary indrindra ny mpamboly sy mpiompy.” Izany no tenin’i Wolf-Ekkehard Lönnig, mpahay siansa avy amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena any Alemaina. Nahoana ny mpikaroka no faly be toy izany? Hoy ihany i Lönnig, izay nandinika ny fiovana ao amin’ny fototarazon’ny zavamaniry, nandritra ny 28 taona teo ho eo: “Nino izy ireo fa tonga ny fotoana hanatsarana ny fomba fambolena sy fiompiana. Nihevitra izy ireo fa hahazo zavamaniry na biby vaovao sy tsara kokoa, raha izy ireo mihitsy no manova ny fototarazo, ka mifidy izay fiovana tsara.”e

      Nanomboka nanao fikarohana àry ny mpikaroka tany Etazonia sy Azia ary Eoropa. Nomena vola be izy ireo ho fanohanana izany, ary nampiasa fomba noheverina fa hanafaingana ny evolisiona koa. Naharitra 40 taona mahery ilay fikarohana. Inona no vokany? Hoy ny mpikaroka iray atao hoe Peter von Sengbusch: “Hita fa tena tsy nahomby ny ezaka natao mba hamokarana karazan-javamaniry na biby tsara kokoa, nefa vola be mihitsy no lany.” Hoy i Lönnig: ‘Tsy nahomby ny mpahay siansa eran-tany. Nanomboka tamin’ny 1980 àry, dia tsy nisy intsony ilay fanantenana sy hafaliana be. Natsahatra ny fanovana ny fototarazo, tany amin’ny tany mandroso, na dia nanaovana fikarohana manokana mihitsy aza taloha. Tsy tsara ny fiovana hita tamin’ny ankamaroan’ireo zavamaniry na biby azo. Maty kosa izy ireo na tsy matanjaka noho ny karazany voajanahary.’f

      Zato taona eo ho eo izao no nanao fikarohana momba ny fiovan’ny fototarazo ny mpahay siansa. Niezaka nanova ny fototarazon’ny biby na zavamaniry koa izy ireo nandritra ny 70 taona, mba hahazoana karazany vaovao. Nisy zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ny fanazavana voangony hatramin’izay. Izao, ohatra, no tenin’i Lönnig, rehefa avy nandinika ny porofo rehetra izy: ‘Tsy mahatonga ny [karazan-javamaniry na biby iray] ho hafa tanteraka ny fiovan’ny fototarazony. Manamarina izany ny fanandramana sy fikarohana natao nandritra ny taonjato faha-20, ary ny porofo hafa. Rehefa nojerena àry ireo fiovana miverimberina eo amin’ny karazan-javamaniry na biby, dia hita fa efa misy fetrany ny fiovana mitranga amin’izy ireo, na ovana aza ny fototarazony. Tsy misy afaka mihoatra an’izany fetra izany.’

      Eritrereto ny dikan’izany zavatra hitan’ny mpahay siansa izany. Nanao izay hampisy fiovana tsara ao amin’ny fototarazo ny mpahay siansa, mba hamoronana karazan-javamaniry na biby vaovao. Tsy nahomby anefa izy ireo. Raha ny manam-pahaizana be toy ireny aza tsy mahomby, mainka moa fa ny fisehoan-javatra tsy manan-tsaina toy ny evolisiona? Hita tamin’ny fikarohana natao, fa tsy manova ny karazan-javamaniry na biby iray ho karazany hafa tanteraka, ny fiovan’ny fototarazony. Tena nisy àry ve ny evolisiona goavana?

      Manome karazany vaovao ve ny zavamaniry na biby matanjaka indrindra?

      Nino i Darwin fa izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra ihany no tavela eo amin’ny toerana iray, fa ho faty kosa ireo osaosa, amin’ny farany. Niely eran-tany sy lasa samy nanana ny fonenany ny karazan-javamaniry sy biby sasany, araka ny ampianarin’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona. Izay nanana fototarazo tsara ka lasa natanjaka indrindra sisa no velona. Nihaniova, hono, izy ireo avy eo, ka lasa karazany hafa tanteraka.

      Noresahina teo aloha hoe hita tsara tamin’ny fikarohana natao, fa tsy mampisy karazan-javamaniry na biby vaovao tanteraka ny fiovan’ny fototarazo. Ahoana anefa no anaporofoan’ny manam-pahaizana, fa manome karazana vaovao izay zavamaniry na biby nanana fototarazo tsara, ka lasa natanjaka indrindra? Hoy ny bokikely navoakan’ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa (NAS) tamin’ny 1999: ‘Hita tany amin’ireo Nosy Galápagos fa miova miandalana tokoa ny karazan-javamaniry na biby, ka lasa karazany vaovao. Manaporofo izany ireo karazana fody 13 nodinihin’i Darwin tany an-toerana. Antsoina hoe fodin’i Darwin izy ireo ankehitriny.’

      Nandinika an’ireo vorona ireo àry ny mpikaroka maromaro notarihin’i Peter sy Rosemary Grant, teo anelanelan’ny taona 1970 sy 1980. Nisy hain-tany tany an-toerana nandritra ny herintaona. Hitan’izy ireo fa ireo fody bebe vava no tsy mora maty tamin’ilay hain-tany, raha noharina tamin’ireo kelikely vava. Voalaza fa tena nilaina izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany. Anisan’ny fomba voalohany anavahana an’ireo karazana fody 13 ireo mantsy, ny habe sy ny bikan’ny vavany. Hoy ihany ilay bokikely: “Nilaza i Peter sy Rosemary fa ao anatin’ny 200 taona eo ho eo monja, dia mety hisy karazana fody vaovao hipoitra ao amin’ireo nosy ireo, raha misy hain-tany isaky ny 10 taona eo ho eo.”

      Nisy zava-nitranga tsy nolazain’ilay bokikely anefa. Mahamenatra izy io nefa tena lehibe. Ny fody kelikely vava indray no betsaka tao amin’ireo nosy ireo, taona vitsivitsy taorian’ilay hain-tany. Nanoratra tao amin’ny gazety Natiora àry i Peter Grant sy ny mpianatra iray atao hoe Lisle Gibbs, tamin’ny 1987, mba hilaza izay hitany. Hoy izy ireo: “Ny fody kelikely vava indray no tsy mora maty, fa tsy ireo bebe vava.” Nilaza koa i Grant tamin’ny 1991, fa isaky ny miova ny toetrandro, dia “miovaova ny habetsahan’ireo vorona, ka ny vorona bebe vava no betsaka indraindray, ary ireo kelikely vava kosa amin’ny fotoana hafa.” Hitan’ny mpikaroka koa fa nivady ny sasany tamin’ireo lazaina fa “karazany” samy hafa ireo, ary tsy mora maty noho izy ireo ny zanany. Nilaza àry i Peter sy Rosemary Grant hoe raha mbola mivady foana ireo vorona ireo, dia mety ho lasa “karazany” tokana ao anatin’ny 200 taona.

      Hoy i George Williams, manam-pahaizana momba ny evolisiona, tamin’ny 1966: “Mampalahelo fa ampianarin’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona hoe miova ho hafa, izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra. Tsy hoe miova ho hafa anefa izy ireo, fa manao izay hahavelona azy tsara eo amin’ny toerana misy azy fotsiny.” Nilaza ilay mpampianatra momba ny evolisiona, atao hoe Jeffrey Schwartz, tamin’ny 1999, fa raha marina ny tenin’i Williams, dia “tsy lasa hafa tanteraka” akory ilay karazan-javamaniry na biby, fa miezaka ny hiaina mifanaraka amin’izay fiovana manodidina azy fotsiny.

      Tsy lasa karazany “hafa tanteraka” àry ny fodin’i Darwin. Mbola fody ihany izy ireo. Mivady koa izy ireo, ka tsy azo antoka na marina na tsia ny fomba amaritan’ny manam-pahaizana momba ny evolisiona ny atao hoe karazana. Hita koa fa tsy milaza ny zava-misy marina na dia ny akademia malaza momba ny siansa aza, rehefa te hanohana ny fampianarany.

      Hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny ve fa nisy ny evolisiona goavana?

      Toa te hilaza koa ilay bokikelin’ny NAS hoe hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny, fa nisy ny evolisiona goavana. Hoy mantsy io bokikely io: “Nisy karazam-biby be dia be teo anelanelan’ny trondro sy ny biby iray tarika amin’ny sahona, ny biby iray tarika amin’ny sahona sy ny biby mandady, ny biby mandady sy ny biby mampinono, ary tao amin’ny fianakaviamben’ny rajako ka hatratỳ amin’ny olona. Sarotra àry matetika ny mamaritra hoe oviana marina no niova ho karazany vaovao ny karazany iray.”

      Somary manaitra ny tenin’io bokikely io. Nahoana? Nilaza mantsy ny gazety Vaovaom-pirenena Momba ny Tany (anglisy), tamin’ny 2004, fa toy ny hoe “filma entina anaporofoana ny evolisiona”, ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny. “Isaky ny sary 1 000 nalaina hanaovana ilay filma anefa, dia tsy nilaina ny 999.” Ampy anaporofoana ny evolisiona ve ilay “sary” iray tavela? Inona marina no hita rehefa jerena ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny? Niaiky i Niles Eldredge, manam-pahaizana momba ny evolisiona sady mpanohana mafana fo azy io, fa “zara raha niova na tsy niova mihitsy ny ankamaroan’ny karazam-biby na zavamaniry”, nandritra ny fotoana lava be.

      Sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny tsy tambo isaina no efa nofongarin’ny mpahay siansa eran-tany sy notahiriziny. Tokony ho 200 tapitrisa ny lehibe amin’izany, ary an’arivony tapitrisa ny kely. Maro ny mpikaroka miaiky hoe hita avy amin’ireny porofo tsy tambo isaina ireny, fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny biby ary zara raha niova. Nisy karazany maro maty tampoka koa. Hoy i Jonathan Wells, manam-pahaizana momba ny zavamananaina, rehefa avy nandinika ny porofo asehon’ireny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny ireny: “Rehefa dinihina ireo zavamananaina nosokajina ho fianakaviambe sy foko ary tarika, dia hita fa tsy marina ny hoe avy tamin’ny zavamananaina vitsivitsy ny zavamananaina rehetra, ary nihaniova noho ny zava-nitranga nanodidina azy. Tsy marina koa io fampianarana io, rehefa jerena ny firafitry ny sela sy ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny.”

      Tena marina sa tsia ny evolisiona?

      Nahoana ny manam-pahaizana malaza maro momba ny evolisiona goavana no manizingizina fa marina izy io? Manaiky fampianarana tsy mitombina ny mpahay siansa maro, hoy i Richard Lewontin, manam-pahaizana malaza momba ny evolisiona, rehefa avy nanakiana ny zavatra sasany nolazain’i Richard Dawkins izy. “Tsy sahy mandà izay zavatra nampianarina antsika voalohany mantsy isika”, hoy ihany i Lewontin. ‘Nampianarina isika hoe tsy nisy hery ambony noho ny an’ny olombelona namorona izao rehetra izao sy ny zavamananaina rehetra.’ Maro mihitsy aza ny mpahay siansa tsy manaiky handinika raha misy Mpamorona tena mahira-tsaina nanao izao rehetra izao na tsia. Nilaza mantsy i Lewontin hoe “ianarana amin’ny siansa fa tsy misy Andriamanitra.”

      Hoy koa i Rodney Stark, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, tao amin’ny gazety Amerikanina Siantifika (anglisy): “Naverimberina nandritra ny 200 taona fa tsy tokony hanaiky hotaomin’ny fivavahana ianao, raha te ho mpahay siansa.” Nilaza koa izy fa “tsy sahy miresaka momba an’Andriamanitra ny olona mpivavaka”, any amin’ny oniversite mpanao fikarohana, ary ‘ny olona tsy mpivavaka kosa mihataka amin’ny mpivavaka. Omena tombontsoa maro izay olona ambony [eo amin’ny sehatry ny siansa], ka tsy mpivavaka.’

      Zavatra telo no indray ekenao, raha mino ianao fa marina ny fampianarana momba ny evolisiona goavana. Voalohany, ekenao fa tsy hiova hevitra mihitsy ny mpahay siansa tsy mino an’Andriamanitra, na inona na inona porofo ara-tsiansa hitany. Faharoa, ekenao fa ny zavamananaina be kojakojany rehetra, dia avy tamin’ny zavamananaina nanana fototarazo tsara, ka nahavita niaina tsara teo amin’ny toerana nisy azy. Hita tamin’ny fikarohana naharitra 100 taona anefa, fa tsy miova ho hafa tanteraka ny karazan-javamaniry na biby iray, na dia misy fiovana aza amin’ny fototarazony. Manaporofo izany koa ny fandinihana natao tamin’ny fiovana an’arivony tapitrisa. Fahatelo, ekenao fa avy tamin’ny zavamananaina tokana ny zavamananaina rehetra. Hitan’ny mpahay siansa tsara avy amin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny anefa fa nipoitra tampoka ny ankamaroan’ny karazan-javamaniry na biby rehetra, ary tsy niova miandalana ho karazany hafa, na dia nandritra ny fotoana ela be aza. Tena marina àry ve sa tsia ny fampianarana momba ny evolisiona goavana?

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Misy mpiompy alika mifidy ny alika hampivadiana, mba hahazoana alika fohy tongotra kokoa na lava volo kokoa noho ny teo alohany. Lasa tsy miasa tsara intsony anefa matetika ny fototarazon’ilay alika vaovao. Tsy mitombo tsara, ohatra, ny taola-malemin’ilay karazana alika atao hoe teckel, ka izany no mahatonga azy ho fohy kely.

      b Voambolan’ny mpahay siansa ilay hoe “karazana” ampiasaina matetika ato amin’ity lahatsoratra ity. Tsara homarihina anefa fa tsy mitovy amin’ilay teny hoe “karazana” ao amin’ny Genesisy izy io. Tsy miova ho karazany vaovao, araka ny fiheveran’ny mpahay siansa azy, ny taranaky ny zavamaniry na biby iray. Mbola iny karazana iny ihany ilay izy, fa manana ny mampiavaka azy fotsiny. Izany no tian’ny Genesisy holazaina amin’ny hoe “karazana.”

      c Jereo ilay efajoro hoe “Ahoana no Nanasokajiana ny Zavamananaina?”

      d Hita tamin’ny fikarohana, fa tsy miankina amin’ny vihin’ny sela fotsiny ny endriky ny zavamananaina iray, fa amin’ilay ranoka ao anatiny sy ny fonony koa.

      e Hevitr’i Lönnig samirery no ato amin’ity lahatsoratra ity, fa tsy avy amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena.

      f Hitan’ny mpikaroka imbetsaka fa nihena hatrany ny fiovana vaovao, ary ny teo aloha ihany no niverina. Nantsoin’i Lönnig hoe “fiovana miverimberina” izany. Tetsy an-danin’izany, dia latsaka ny 1 isan-jato monja tamin’ireo zavamaniry nisy fiovana, no mba azo nalaina nanaovana fikarohana fanampiny. Ary latsaka ny 1 isan-jato monja tamin’ireo no azo namidy. Vao mainka ratsy ny fiovana teo amin’ny biby, ka natsahatra ny fanovana ny fototarazon’izy ireo.

      [Teny notsongaina, pejy 15]

      ‘Tsy mampiova ny [karazan-javamaniry na biby iray] ho hafa tanteraka ny fiovan’ny fototarazony’

      [Teny notsongaina, pejy 16]

      Hita avy amin’ny fodin’i Darwin fa afaka miaina mifanaraka amin’izay fiovana manodidina azy, ny karazan-javamaniry na biby iray

      [Teny notsongaina, pejy 17]

      Hitan’ny mpahay siansa avy amin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny, fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny biby ary zara raha niova

      [Tabilao, pejy 14]

      (Jereo ny gazety)

      AHOANA NO NANASOKAJIANA NY ZAVAMANANAINA?

      Nalahatry ny mpahay siansa ho sokajy maromaro ny zavamananaina. Manomboka amin’ny karazana, izay sokajy kely indrindra izany, ary miafara amin’ny fianakaviambe, izay sokajy lehibe indrindra.g Jereo, ohatra, ny fomba nanasokajiana ny olona sy ny lalitra mpihinam-boankazo. (Anarana nomen’ny mpahay siansa ireo anarana amin’ny teny vahiny eo ambany.)

      OLOMBELONA LALITRA

      Karazana sapiens melanogaster

      Sampana Homo Drosophile

      Fianakaviana Hominidés Drosophilidés

      Sokajy Primates Diptère

      Tarika Biby mampinono Bibikely

      Foko Chordates Arthropodes

      Fianakaviambe Biby Biby

      [Fanamarihana ambany pejy]

      g Fanamarihana: Milaza ny Genesisy toko 1, fa hanome taranaka “samy araka ny karazany avy” ny zavamaniry sy biby. (Genesisy 1:12, 21, 24, 25) Tsy voambolana ara-tsiansa anefa io teny hoe ‘karazana’ ao amin’ny Baiboly io, ka tsy mitovy amin’ilay teny hoe “karazana” fampiasan’ny mpahay siansa.

      [Sary nahazoan-dalana]

      Tabilao nalaina tao amin’ilay boky nosoratan’i Jonathan Wells hoe Marina ve ny Fampianarana Momba ny Evolisiona? Nahoana no Diso ny Ankamaroan’ny Zavatra Ampianarintsika Momba ny Evolisiona? (anglisy)

      [Sary, pejy 15]

      Lasa kilemaina fotsiny ilay lalitra mpihinam-boankazo (eo ambony) fa tsy niova ho biby hafa, na dia novana aza ny fototarazony

      [Sary nahazoan-dalana]

      © Dr. Jeremy Burgess/Photo Researchers, Inc.

      [Sary, pejy 15]

      Hita imbetsaka tamin’ny fanandramana hanova ny fototarazon’ny zavamaniry, fa nihena hatrany ny fiovana vaovao teo amin’izy ireo, ary ny teo aloha ihany no niverina

      (Lasa lehibe fotsiny ny felan’ilay zavamaniry, araka ny hita eto)

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

      From a Photograph by Mrs. J. M. Cameron/ U.S. National Archives photo

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

      Lohana fody: © Dr. Jeremy Burgess/ Photo Researchers, Inc.

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

      Dinôzôro: © Pat Canova/Index Stock Imagery; taolam-biby fahiny: GOH CHAI HIN/AFP/Getty Images

  • Ny Antony Inoanay fa Misy ny Mpamorona
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Ny Antony Inoanay fa Misy ny Mpamorona

      Miaiky ny manam-pahaizana maro amin’ny sehatra samihafa, fa nisy namorona ny zavaboary ary tena mahay ilay nanao azy. Mihevitra izy ireo fa tsy mitombina ny finoana hoe kisendrasendra no nampisy ireo zavamananaina be pitsiny eto an-tany. Izany no mahatonga ny mpahay siansa sy mpikaroka maro hino, fa nisy namorona izao rehetra izao.

      Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’izy ireny. Miaiky izy ireo fa ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly no nahary izao rehetra izao. Nahoana? Nanadinadina ny sasany amin’izy ireo ny mpanoratra ny Mifohaza! Mety hahaliana anao ny zavatra nolazainy.a

      ‘Be Tsipiriany Tsy Takatry ny Saina’

      ◼ WOLF-EKKEHARD LÖNNIG

      Nanao fikarohana momba ny fiovan’ny fototarazob ao anatin’ny zavamaniry aho, nandritra ireo 28 taona lasa. Nandritra ny 21 taona tamin’ireo aho, dia niasa tao amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena any Cologne, Alemaina. Efa ho 30 taona izay no naha anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy.

      Hitako tamin’ny fikarohana nataoko momba ny fototarazo sy ny firafitry ny vatana ary ny fomba fiasany, fa be tsipiriany ny zavamananaina ary tsy takatry ny saina izy ireny matetika. Vao mainka izany naharesy lahatra ahy fa tsy maintsy ho nisy manam-pahaizana namorona ny zavamananaina, na dia ny bitika indrindra aminy aza.

      Hain’ny mpahay siansa tsara fa be pitsiny ny zavamananaina. Lazaina anefa mazàna fa vokatry ny evolisiona, na fiovana miandalana ireny zava-mahatalanjona ireny. Misy koa mandroso hevitra hanoherana ny fitantarana momba ny famoronana ao amin’ny Baiboly. Araka ny fahitako azy anefa, dia hita fa diso ireny hevitra ireny, rehefa ampitahaina amin’ny porofo ara-tsiansa. Namakafaka ireny hevitra ireny aho nandritra ny taona maro. Nandinika tsara ny zavamananaina sy ireo lalàna mifehy an’izao rehetra izao aho, ary hitako fa mirindra tanteraka ireo lalàna ireo mba hisian’ny fiainana eto an-tany. Izany no naharesy lahatra ahy fa misy ny Mpamorona.

      “Nisy Namorona ny Zava-drehetra Hitako”

      ◼ BYRON MEADOWS

      Mipetraka eto Etazonia aho, ary miasa ao amin’ny NASA. Ao amin’ny sampan-draharaha momba ny tara-pahazavana manokana atao hoe lazera aho no miasa. Amin’izao fotoana izao aho, dia mandray anjara amin’ny famoronana teknika vaovao, ahafahana manara-maso tsara kokoa ny toetrandro eran-tany sy ny fisehoan-javatra eny amin’ny planeta hafa. Anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kilmarnock, any Virginie aho.

      Mampiasa ny lalàna fizika aho matetika amin’ny fikarohana ataoko. Mamantatra ny antony sy ny fomba itrangan’ny zavatra sasany aho. Mahita porofo mazava aho amin’ny asako, fa nisy namorona ny zava-drehetra hitako. Mino aho fa mifanaraka tsara amin’ny siansa ny anekena fa Andriamanitra no nampisy ny zavaboary rehetra. Tsy miovaova mihitsy ny lalàna mifehy ny natiora, ka voatery miaiky aho fa nisy namorona sy nandamina izy ireny.

      Koa raha miharihary àry fa misy ny Mpamorona, nahoana ny mpahay siansa maro no mino ny evolisiona? Mety ho nanatsoaka hevitra avy hatrany ve izy ireo, na dia mbola tsy nahita porofo aza? Fahita ny toy izany eo amin’ny mpahay siansa. Tsy voatery hahatonga anao hanatsoaka hevitra marina anefa ny fandinihanao zavatra iray, na dia toa mampiaiky aza ilay izy. Ny olona mikaroka momba ny lazera, ohatra, dia mety hanizingizina fa karazana onja, toy ny onjam-peo, ny hazavana. Toy izay mantsy ny endrika isehoan’izy io matetika. Ampahany amin’ny zava-misy fotsiny anefa izany, satria misy porofo hafa mampiseho fa miendrika poti-javatra kely be dia be mitambatra koa ny hazavana. Tsy mijery afa-tsy ny ampahan’ny porofo misy koa, ny olona manizingizina fa marina ny evolisiona. Efa manana ny heviny izy, ary misy fiantraikany eo amin’ny fomba fijeriny ny zava-misy izany.

      Gaga mihitsy aho hoe misy manaiky fa marina ny evolisiona. Ireo lazaina ho “manam-pahaizana” momba azy io aza anefa tsy mitovy hevitra akory ny amin’ny fomba nitrangan’ilay izy. Eritrereto, ohatra, hoe misy manam-pahaizana momba ny kajy milaza fa mira 4 ny 2 ampiana 2. Ny hafa kosa milaza fa mira 3 ilay izy, na 6. Hekenao ho marina ve ny siansa momba ny kajy, raha tsy mitovy hevitra toy izany ny manam-pahaizana momba azy io? Ny zavatra azo porofoina sy anaovana fanandramana ary azo averina atao ihany no eken’ny siansa. Noho izany, dia tsy mifanaraka amin’izy io ny filazana fa avy amin’ny zavatra iray, izay niova miandalana, ny karazana zavamananaina rehetra.

      “Tsy Misy Mihitsy Zavatra Mipoitra avy Amin’ny Tsy Misy”

      ◼ KENNETH TANAKA

      Mpikaroka momba ny tany aho, ary miasa ao amin’ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany, any Flagstaff, Arizona. Efa ho 30 taona izao no nandraisako anjara tamin’ny fikarohana momba izay ao anatin’ny tany sy ny planeta hafa. Nanoratra lahatsoratra momba ny fikarohana nataoko aho, ary nanamboatra sarin’ny planeta Mars. Maro tamin’izy ireny no nivoaka tamin’ny gazety ara-tsiansa ofisialy. Vavolombelon’i Jehovah koa aho, ary manokana 70 ora isam-bolana mba hampirisihana ny olona hamaky Baiboly.

      Nampianarina hino ny evolisiona aho, nefa tsy neken’ny saiko hoe tongatonga ho azy ilay hery faran’izay lehibe nampisy izao rehetra izao. Tsy maintsy ho avy amin’ny Mpamorona iray matanjaka io hery io. Tsy misy mihitsy zavatra mipoitra avy amin’ny tsy misy. Hitako tao amin’ny Baiboly koa ny porofo mafonja, izay manamarina fa nisy namorona izao rehetra izao. Miresaka zavatra maro mifanaraka amin’ny fahalalana ara-tsiansa ananako izy io. Anisan’izany ilay hoe boribory ny tany ary mihantona “amin’ny tsy misy.” (Joba 26:7; Isaia 40:22, Fandikan-teny Katolika) Voasoratra tao amin’ny Baiboly izany, ela be talohan’ny nahafahan’ny olombelona nanaporofo izany.

      Diniho koa ny fomba nanaovana antsika. Manana vavahadin-tsaina maromaro isika, manana ny maha izy antsika, afaka misaina sy mifandray amin’ny hafa, ary manana fihetseham-po. Ary ny tena mampiavaka antsika dia isika afaka mahatsiaro ho tiana sy mankasitraka an’izany ary maneho fitiavana koa. Tsy voazava amin’ny alalan’ny evolisiona ny antony ananan’ny olona ireo toetra mahafinaritra ireo.

      Eritrereto izao: ‘Tena azo itokisana ve ireo loharanom-panazavana manohana ny evolisiona?’ Na ny fanazavana ao amin’ny boky nosoratan’ny manam-pahaizana momba ny tany aza, dia tsy feno sy saro-takarina ary misafotofoto. Tsy vitan’ireo mpanohana ny evolisiona ny manaporofo ny fomba heveriny ho nisehoan’izy io, amin’ny alalan’ny teknika fampiasan’ny mpahay siansa any amin’ny laboratoara. Ary na tsara aza mazàna ny teknika ampiasain’ny mpahay siansa, dia matetika izy ireo no mitady tombony ho an’ny tenany, ary misy akony eo amin’ny fomba anazavany ny vokatry ny fikarohany izany. Fantatra koa fa misy mpahay siansa mandroso ny heviny manokana, rehefa tsy ahitam-bokany ny fikarohana ataony, na ahitana zavatra mifanipaka. Ny asany sy ny fitandrovany ny hajan’ny tenany no zava-dehibe aminy.

      Amin’ny maha mpahay siansa sy mpianatra ny Baiboly ahy, dia miezaka aho hahafantatra tsara ny tena marina, izay mifanaraka amin’ny fandinihana atao sy ireo zavatra efa voaporofo. Ny finoana ny fisian’ny Mpamorona no mitombina indrindra, raha ny fahitako azy.

      “Miharihary fa Namboarina Tamim-pitandremana ny Sela”

      ◼ PAULA KINCHELOE

      Efa aman-taonany izao no nanaovako fikarohana momba ny sela sy ny molekiola ary ny zavamiaina bitika. Miasa ao amin’ny Oniversite Emory any Atlanta, Etazonia, aho izao. Mampianatra Baiboly an-tsitrapo an’ireo olona miteny rosianina koa aho.

      Nandalina ny momba ny sela sy ny zavatra ao anatiny aho nandritra ny efa-taona, tamin’izaho nianatra momba izay ao anatin’ny zavamananaina. Noho izany, dia nitombo ny fahalalako momba izay ao anatin’ny sela (ADN, ARN, proteinina), sy ny fomba ahazoany hery avy amin’ny sakafo. Nitolagaga aho nahita fa be pitsiny izany rehetra izany, sady mirindra tsara sy tsy misy diso. Niaiky volana aho nahita ny hamaroan’ny zavatra nianaran’ny olombelona momba ny sela, nefa vao mainka aho talanjona mieritreritra ny habetsahan’ny zavatra mbola mila ianarana. Miharihary fa namboarina tamim-pitandremana ny sela, ary izany no anisan’ny antony inoako fa misy Andriamanitra.

      Nianarako tao amin’ny Baiboly fa i Jehovah Andriamanitra io Mpamorona io. Miaiky aho fa sady Mpamorona tena mahay izy, no Ray tsara fanahy sy be fitiavana, izay miahy ahy. Manazava ny antony iainantsika ny Baiboly, ary mampanantena hoavy sambatra.

      Rehefa ampianarina momba ny evolisiona ny ankizy any am-pianarana, dia mety hisalasala hoe inona no tokony hinoany. Mety hampikorontan-tsaina ilay izy. Mety hitsapa ny finoany izany, raha mino an’Andriamanitra izy. Afaka miatrika izany fitsapana izany anefa izy ireo, raha mandinika ireo zavaboary mahatalanjona maro, sady miezaka hampitombo hatrany ny fahalalany momba ny Mpamorona sy ny toetrany. Nanao izany aho, ary nanatsoaka hevitra fa marina ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana, sady tsy mifanohitra amin’ny tena siansa.

      “Lalàna Tsotra Sady Mahazendana”

      ◼ ENRIQUE LEMUS

      Vavolombelon’i Jehovah aho ary mpitory manontolo andro. Manam-pahaizana momba ny lalàna matematika ampifandraisina amin’ny fizika aho, ary miasa ao amin’ny Oniversitem-panjakan’i Meksika. Hitan’ny mpahay siansa fa ny kintana ao anatin’ny vondron-kintana sasany, dia mitambatra eo ampovoany, ary miparitaka tsikelikely. Heverina fa ny hery misintona sy ny hafanana no anton’izany. Manao fikarohana hanazavana izany aho amin’izao fotoana izao. Nandinika ny tsipiriany saro-takarina momba ny fiasan’ny ADN koa aho.

      Be pitsiny loatra ny zavamananaina, ka tsy azo inoana hoe kisendrasendra no nampisy azy. Manaporofo izany, ohatra, ny fanazavana be dia be ao anatin’ny molekiola-na ADN. Ary rehefa ampiharina ny lalàna matematika, dia hita fa na ny krômôzôma iray monja (izay mirakitra ny ADN) aza, dia tsy azo inoana hoe tongatonga ho azy! Amiko dia hadalana ny hiheverana fa vokatry ny hery tsy manan-tsaina no nampisy ny krômôzôma iray sy ireo zavamananaina rehetra misy tsipiriany maro mahatalanjona.

      Ankoatra izany, dia nandinika ireo zavaboary be pitsiny aho, na ny bitika indrindra aminy izany, na ny fihetsehan’ireo vahindanitra goavana eny amin’ny habakabaka. Tena talanjona aho mieritreritra ireo lalàna tsotra sady mahazendana, izay mibaiko ny fihetsehan’izy ireny. Ny vokatr’ireo lalàna ireo dia mampiseho fa tsy vitan’ny hoe tapi-pahaizana amin’ny matematika ilay namorona azy, fa mpanao sary hoso-doko faran’izay mahay koa.

      Gaga ny olona matetika rehefa ilazako hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Variana izy ireo indraindray hoe ahoana no nahatonga ahy hino an’Andriamanitra. Rariny izy ireo raha gaga, satria ny ankamaroan’ny fivavahana dia tsy mampirisika ny mpiangona ao aminy, mba hangataka porofon’ny zavatra ampianarina azy, na hamakafaka ny zavatra inoany. Ny Baiboly kosa anefa mampirisika antsika hampiasa ny ‘saintsika.’ (Ohabolana 3:21) Ny fomba mahatalanjona nanaovana ny zavaboary sy ireo porofo ao amin’ny Baiboly, no mandresy lahatra ahy fa tena misy Andriamanitra sady mihaino ny vavaka ataontsika.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Tsy voatery hitovy amin’ny an’ny mpampiasa azy, ny hevitr’ireo manam-pahaizana ato amin’ity lahatsoratra ity.

      b Hazavaina ao amin’ny pejy faha-14 ny dikan’ny hoe fototarazo.

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

      Planeta Mars: Courtesy USGS Astrogeology Research Program, http://astrogeology.usgs.gov

  • Mahavariana ny Endriky ny Zavamaniry
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Mahavariana ny Endriky ny Zavamaniry

      EFA mba voamarikao ve fa maro ny zavamaniry ahitana endrika miolikolika? Miendrika toy izany, ohatra, ny filahatr’ireo masomason’ny hoditry ny mananasy. Raha miisa 8 ny masomasony eo amin’ny andalana mihodina miankavia, dia mety hiisa 5 na 13 kosa ny eo amin’ny miankavanana. (Jereo ny sary 1.) Hahita endrika miolikolika koa ianao, rehefa mijery ny voan’ny tanamasoandro. Mety hahitana andalana miolikolika 55 eo, ary mifanapaka amin’ny andalana 89. Mety hihoatra an’izany koa anefa ny isan’izy ireo. Mety hahita endrika miolikolika koa ianao na dia eo amin’ny soflera aza. Hanjary hahafinaritra kokoa anao ny mankeny amin’ny fivarotam-boankazo sy legioma ary voninkazo, rehefa manomboka mahamarika ireo endrika miolikolika ireo ianao. Nahoana ny zavamaniry no manana endrika toy izany? Misy dikany ve ny isan’ireny andalana miolikolika ireny?

      Ny fomba fanirin’ny zavamaniry

      Misy faritra na toerana ipoiran’ny tsimoka, eo amin’ny zavamaniry maro. Mety ho taho na ravina na felana no hitsimoka eo. Tsy mifanandrify ny tsimoka rehefa mipoitra, fa somary mifampihataka, hany ka mahavita zoro ny elanelan’izy ireo.a (Jereo ny sary 2.) Manome endrika miolikolika ny felana vaovao eo amin’ny ankamaroan’ny voninkazo, noho izy ireny manaraka zoro hafakely rehefa mitsiry. Firy ny refin’io zoro io?

      Alao sary an-tsaina hoe hanamboatra voninkazo ianao. Tianao raha mifanakaiky tsara ny felany fa tsy mielanelana, sady manome endrika miolikolika. Izao angamba no hanaovanao azy: Hanao faribolana ianao ary hizara azy io ho dimy avy eo afovoany, mba hahazoana tsipika dimy na koa zoro dimy mirefy 72 degre avy. Hifidy tsipika iray ianao ary hanisy felana iray eo ambonin’izy io, miainga avy eo afovoan’ilay faribolana. Apetrakao ny felana manaraka, isaky ny avy manisa zoro roa mifanesy (144 degre), manaraka ny fihodinan’ny famantaranandro. Tsy ho feno mihitsy ny toerana rehetra, na dia hotohizinao foana aza izany. Nahoana? Hilahatra manaraka ny tsirairay amin’ireo felana dimy voalohany fotsiny ireo felana napetraka atỳ aoriana, ka hielanelana ihany ny felan’ilay voninkazo. (Jereo ny sary 3.) Na hozaraintsika firy ilay faribolana, na hozaraintsika firy, dia hilahatra foana ireo felam-boninkazo fa tsy hifanety. Ny zoro mety indrindra àry, dia ny zoro mirefy 137,5 degre, aseho eo amin’ny sary faharoa. Rehefa io ihany no ampiasaina vao tsy hielanelana ny felam-boninkazo. (Jereo ny sary 5.) Inona no tena mampiavaka an’io zoro io?

      Io zoro io no mety indrindra, satria raha mielanelana 137,5 degre ny felana tsirairay, dia tsy hahita bangabanga mihitsy ianao. Tsy hisy mihitsy ny felana roa milahatra. (Jereo ny sary 4.) Hanome endrika miolikolika ireo felam-boninkazo amin’ny farany.

      Nahavariana ny zavatra hita, rehefa naseho tamin’ny ordinatera io endrika io. Rehefa marina tsara foana ihany ny refin’ilay zoro, vao azo ilay endrika miolikolika. Tsy hita tsara kosa izy io, raha vao nisy diso kely ilay refy.—Jereo ny sary 5.

      Firy ny isan’ny felam-boninkazo?

      Ity misy zavatra tena mahaliana. Azo kajina ny isan’ireo andalana miolikolika eo amin’ny voninkazo, rehefa arahina ny fomba fikajiana nampianarin’i Leonardo Fibonacci, Italianina mpahay matematika. Avy amin’io fomba fikajiana io no nahazoana an’ilay antsoina hoe laharan’isan’i Fibonacci. Tamin’ny taonjato faha-13 izy no nampahafantatra azy io voalohany. Ireto ilay laharan’isa: 1, 1, 2, 3, 5, 8, 13, 21, 34, 55 sy ny sisa. Ahoana no nahitana azy ireo? Ampifanampiana ny isa roa mifanesy aorian’ny isa 1. Toy izao izany: 0 + 1 = 1; 1 + 1 = 2; 1 + 2 = 3; 2 + 3 = 5; 3 + 5 = 8; 5 + 8 = 13; 8 + 13 = 21; 13 + 21 = 34; 21 + 34 = 55, sy ny sisa.

      Matetika no tafiditra ao amin’ny laharan’isan’i Fibonacci, ny isan’ny felana ao amin’ny voninkazo maro, izay manana endrika miolikolika. Misy felany 5 mazàna ny benjan-drano, 8 ny an’ny kôsimôsy, 13, 21, 34, 55 na 89 ny an’ny marigirity, arakaraka ny karazany. (Jereo ny sary 6.) Misy zavatra mifanaraka amin’ny laharan’isan’i Fibonacci koa, eo amin’ny endriky ny voankazo sy legioma. Ahitana fizarana dimy, ohatra, ny akondro sasany rehefa tapahina.

      ‘Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika’

      Mahafinaritra ny maso ny endrika miolikolika, ary efa hatry ny ela ny mpanao hoso-doko no nampiseho azy ireny. Nahoana ny zavamaniry no mahavita manaraka an’ilay zoro mety indrindra, amin’ny fomba tsy misy diso na dia kely aza? Maro no milaza fa anisan’ny manaporofo ny fisian’ny Mpamorona izany.

      Vao mainka mahafinaritra antsika ny zavaboary, rehefa mandinika ny endrik’izy ireny isika. Tsikaritsika avy amin’izy ireny fa tian’ilay Mpamorona hankafy ny fiainana isika. Hoy ny Baiboly momba an’ilay Mpamorona antsika: ‘Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ny fotoany avy.’—Mpitoriteny 3:11.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Miavaka ny tanamasoandro, satria avy eny amin’ny sisiny no manomboka ny endrika miolikolika eo aminy, fa tsy avy eo afovoany. Izany no izy satria ny felany ihany no lasa voa.

      [Kisary, pejy 24, 25]

      Sary 1

      (Jereo ny gazety)

      Sary 2

      (Jereo ny gazety)

      Sary 3

      (Jereo ny gazety)

      Sary 4

      (Jereo ny gazety)

      Sary 5

      (Jereo ny gazety)

      Sary 6

      (Jereo ny gazety)

      [Sary, pejy 24]

      Faritra ipoiran’ny tsimoka, jerena amin’ny mikraoskaopy

      [Sary nahazoan-dalana]

      R. Rutishauser, University of Zurich, Switzerland

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

      Voninkazo fotsy: Thomas G. Barnes @ USDA-NRCS PLANTS Database

  • Zava-dehibe ve Izay Inoanao?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Zava-dehibe ve Izay Inoanao?

      MISY antony iainantsika ve araka ny hevitrao? Raha marina izay fantatsika ankehitriny momba ny evolisiona (na fiovana miandalana), dia “tsy tena misy antony iainantsika”, hoy ny gazety Amerikanina Siantifika.

      Eritrereto ny dikan’izany. Raha tsy tena misy ny antony iainana, dia velona mba hanao zavatra tsara vitsivitsy fotsiny ianao, ary hampita amin’ny taranakao ny toetra holovainy. Tsy hisy intsony mandrakizay ianao rehefa maty. Kisendrasendra fotsiny koa ny nanananao atidoha misaina sy mandinika ary mieritreritra ny antony iainana.

      Tsy izay ihany, fa maro amin’ireo mino ny evolisiona no milaza hoe tsy misy Andriamanitra, na tsy miraharaha ny olona izy. Raha marina izany dia hiankina amin’izay ataon’ny mpanao politika sy ny manam-pahaizana ary ny mpitondra fivavahana ny hoavintsika. Hitohy foana àry ny korontana sy ny ady ary ny kolikoly manimba ny fiaraha-monina, rehefa jerena ny zava-bitan’izy ireo tamin’ny lasa. Raha marina tokoa ny fampianarana momba ny evolisiona, dia manana antony marim-pototra hanarahana an’ity fitenin’ny olona tsy manam-panantenana ity isika: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”—1 Korintianina 15:32.

      Avy amin’ny fampianarana momba ny evolisiona ireo hevitra ireo. Matokia fa tsy mino an’izany rehetra izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Baiboly kosa no marina amin’izy ireo. (Jaona 17:17) Mino izao lazain’ny Baiboly momba ny nampisy antsika izao àry izy ireo: “Ao amin[’Andriamanitra] no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Tena zava-dehibe ny dikan’ireo teny ireo.

      Tena misy antony iainantsika àry. Manana fikasana feno fitiavana ho an’izay rehetra mifidy hanao ny sitrapony, ny Mpamorona antsika. (Mpitoriteny 12:13) Anisan’izany fikasany izany ny fampanantenana fiainana tsy hisy korontana sy ady ary kolikoly intsony. Hofoanany hatramin’ny fahafatesana mihitsy koa aza. (Isaia 2:4; 25:6-8) Ny fianarana momba an’Andriamanitra sy ny fanaovana ny sitrapony ihany no tena mampisy dikany ny fiainana. Afaka manamarina izany ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany eran-tany!—Jaona 17:3.

      Tena zava-dehibe àry izay inoanao, satria miankina amin’izany ny fahasambaranao dieny izao sy amin’ny hoavy. Mihamaro ny porofo fa nisy nanao izao rehetra izao. Moa ve ianao hino fampianarana iray manohitra izany, nefa tsy afaka manaporofo izany akory? Sa ianao hanaiky ny voalazan’ny Baiboly hoe nisy Mpamolavola tena mahay nanao ny tany sy nampisy ny fiainana? Tsy iza izany fa i Jehovah, ilay Andriamanitra “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Anao àry ny safidy.

  • Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Ny Fiheveran’ny Baiboly

      Diso ve ny Genesisy Rehefa Jerena ny Siansa?

      MARO no milaza fa diso ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana, rehefa jerena ny siansa. Raha ny marina anefa, dia ny mpahay siansa sy ilay antokon’olona atao hoe Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra, no tsy mitovy hevitra. Milaza mantsy ny sasany amin’ireny antokon’olona milaza tena ho Kristianina ireny, fa noforonina tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy, izao rehetra izao, ary 10 000 taona lasa teo ho eo izay no nitrangan’izany.

      Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Raha milaza an’izany mantsy izy io, dia tena tsy ho azo itokisana intsony, rehefa jerena ny zavatra maro hitan’ny mpahay siansa tato anatin’ny 100 taona. Rehefa dinihina tsara anefa izay voalazan’ny Baiboly, dia tena mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa sy voaporofon’izy ireo fa marina. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hiombon-kevitra amin’ireo Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra sy ny olona maro mpanohana ny famoronana. Andeha hojerentsika izay tena ampianarin’ny Baiboly.

      Oviana ilay hoe “tamin’ny voalohany”?

      Manomboka amin’izao teny tsotra nefa mafonja izao, ny fitantaran’ny Genesisy: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Milaza ny manam-pahaizana fa izany dia tsy anisan’ny zava-nitranga tao anatin’ireo andro famoronana enina tantaraina manomboka eo amin’ny andininy faha-3. Tena ilaintsika ny mahatakatra izany. Asehon’ny Genesisy 1:1, fa efa nisy talohan’ny nanombohan’ireo andro famoronana enina ny lanitra sy ny tany, ary tsy fantatra hoe naharitra hafiriana.

      Tombanan’ny mpikaroka momba ny tany, fa tokony ho 4 000 tapitrisa taona izay no nisian’ny tany. Mety ho efa 15 000 tapitrisa taona koa no nisian’ny kintana sy ny planeta hafa, araka ny kajy nataon’ny astronoma. Diso àry ve ny Genesisy 1:1, rehefa jerena ny zavatra hitan’ny mpahay siansa, na ny zavatra mbola mety ho hitan’izy ireo? Tsia. Tsy milaza ny Baiboly hoe firy taona izay no nisian’ny “lanitra sy ny tany.” Tsy afaka manaporofo àry ny mpahay siansa fa diso ny Baiboly.

      Naharitra hafiriana ny andro famoronana tsirairay?

      Naharitra hafiriana ny andro famoronana tsirairay? Tena 24 ora ve? Rehefa jerena tokoa ny tenin’i Mosesy, izay nanoratra ny Genesisy, dia nalaina tahaka avy tamin’ilay andro taorian’ny andro famoronana enina ny Sabata isan-kerinandro. Misy milaza àry fa tsy maintsy ho 24 ora ny halavan’ny andro famoronana tsirairay. (Eksodosy 20:11) Marina ve izany rehefa jerena ny Genesisy?

      Tsy izany mihitsy. Mety hidika halavam-potoana samihafa mantsy ilay teny hebreo nadika hoe “andro”, fa tsy 24 ora fotsiny. Nantsoin’i Mosesy hoe andro iray, ohatra, ireo andro famoronana enina, rehefa namintina ny tantaran’ny famoronana izy. (Genesisy 2:4) Ankoatra izany, dia ‘nataon’Andriamanitra hoe “andro”, ny mazava; ary nataony hoe “alina” ny maizina’, tamin’ny andro voalohany. (Genesisy 1:5) Tsy 24 ora no atao hoe “andro” ao amin’io andininy io, fa ampahany kely monja. Tsy mety àry ny manatsoaka hevitra hoe naharitra 24 ora ny andro famoronana tsirairay, satria tsy ahitana an’izany ao amin’ny Soratra Masina.

      Naharitra hafiriana àry ny andro famoronana tsirairay? Naharitra ela be izany, rehefa jerena ny Genesisy toko 1 sy 2.

      Nisy tsikelikely ny zavaboary

      Zavatra telo no tokony hotadidina, mba hampilamina ny adihevitra mahakasika an’ilay tantara momba ny famoronana. Voalohany, tamin’ny teny hebreo no nanoratan’i Mosesy an’ilay fitantarana. Faharoa, toy ny hoe efa teto an-tany izy tamin’izany. Fahatelo, efa nisy talohan’ny nanombohan’ireo “andro” na fotoana famoronana enina, ny lanitra sy ny tany. Nahoana no ilaina ny mitadidy izany?

      Rehefa dinihina akaiky izay voalazan’ny Genesisy, dia hita fa mbola nitohy tamin’ny andro nanaraka na taorian’izay, ireo zava-nitranga nanomboka tamin’ny “andro” iray. Mbola tsy nanomboka, ohatra, ny “andro” voalohany dia efa nisy ny masoandro. Efa nandefa hazavana izy io, saingy mbola tsy tonga tetỳ an-tany izany satria mety ho mbola voasakan’ny rahona matevina. (Joba 38:9) Nihanisava anefa ilay rahona matevina nandritra ny “andro” voalohany, ka nanjary nisy hazavana nanjavozavo tafiditra tao anatin’ny atmosfera.a

      Azo inoana fa nihanazava hatrany ny atmosfera, tamin’ny “andro” faharoa, ka nanjary niavaka tsara ilay rahona matevina teo ambony sy ny ranomasimbe teo ambany. Vao mainka nihanazava ny atmosfera, tamin’ny “andro” fahefatra, ka nanjary hita teny “amin’ny habakabaky ny lanitra” ny masoandro sy ny volana. (Genesisy 1:14-16) Raha efa nisy olona àry teto an-tany, dia azo inoana fa nanomboka nahita ny masoandro sy ny volana izy. Nitranga tsikelikely izany rehetra izany.

      Tantarain’ny Genesisy koa fa nanomboka nisy ny biby manana elatra, tamin’ny “andro” fahadimy, raha mbola nihanazava hatrany ny atmosfera. Anisan’izany ny bibikely sy ny biby manana elatra toy ny an’ny ramanavy. Rehefa jerena anefa ny teny hebreo tany am-boalohany nandikana ny Baiboly, dia mbola ‘namorona ny bibidia rehetra sy ny voro-manidina rehetra’ Andriamanitra, tamin’ny “andro” fahenina.—Genesisy 2:19.

      Hita avy amin’ny teny ampiasain’ny Baiboly àry, fa mety ho nitranga miandalana fa tsy tao anatin’ny fotoana fohy, ny fisehoan-javatra lehibe sasany, isaky ny “andro” famoronana tsirairay. Mety ho nitohy tamin’ireo “andro” nanaraka mihitsy aza izany.

      Samy araka ny karazany avy

      Nisy tsikelikely àry ny zavamaniry sy ny biby. Midika ve izany fa tamin’ny alalan’ny evolisionab no namoronan’Andriamanitra ireo karazan-javamananaina maro be? Tsia. Milaza mazava ilay fitantarana, fa Andriamanitra mihitsy no namorona ny ‘karazana’ zavamaniry sy biby rehetra. (Genesisy 1:11, 12, 20-25) Moa ve ireny ‘karazana’ zavamaniry sy biby tany am-boalohany ireny, efa natao hiova arakaraka ny fiovana eo amin’ny toerana misy azy? Inona avy no tafiditra amin’ilay hoe ‘karazana’? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly. Lazainy kosa fa ‘betsaka, samy araka ny karazany avy’ ny zavamananaina. (Genesisy 1:21) Midika izany fa kely ihany ny fiovana mety hitranga amin’ny ‘karazana’ zavamaniry na biby iray. Hita tamin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny ary ny fikarohana natao, fa niova kely fotsiny ireo zavamaniry sy biby tany am-boalohany, tao anatin’ny fotoana lava be.

      Tsy mitovy àry ny zavatra lazain’ny Genesisy sy ny sasany amin’ireo Mpitana ny Foto-pinoana Nahazatra. Tsy mampianatra mantsy ny Genesisy hoe vao haingana no nisy izao rehetra izao, anisan’izany ny tany sy ny zavamananaina eo aminy. Tsy mampianatra koa izy io hoe noforonina tao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Mifanaraka amin’ny zavatra maro hitan’ny mpahay siansa vao haingana kosa, ny zavatra lazainy momba ny famoronana ny tany sy ny zavamananaina eo aminy ary ny lanitra.

      Noho ny zavatra inoan’izy ireo, dia maro ny mpahay siansa tsy mino fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra, araka ny lazain’ny Baiboly. Tsara homarihina anefa fa nilaza i Mosesy ao amin’ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly, hoe nanam-piandohana ny lanitra sy ny tany. Nisy tsikelikely koa ny zavamananaina, ary naharitra ela izany. Marina ireo rehefa jerena ny siansa. Ahoana anefa no nahafantaran’i Mosesy an’izany, 3 500 taona lasa teo ho eo izay? Tsy maintsy ho Ilay nanana hery sy fahendrena namoronana ny lanitra sy ny tany, no nanome an’i Mosesy an’izany fanazavana marina izany. Vao mainka izany manamarina fa “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” tokoa ny Baiboly, araka ny voalazan’izy io.—2 Timoty 3:16.

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Ny teny hebreo hoe ʼohr no nadika hoe hazavana, ao amin’ireo andininy miresaka izay nitranga tamin’ny “andro” voalohany. Hazavana fotsiny no dikan’izy io. Ma·ʼohr ʹ kosa no ampiasaina ao amin’ny andininy miresaka izay nitranga tamin’ny “andro” fahefatra. Ireo zavatra manome hazavana kosa no dikany.

      b Na fiovana miandalana eo amin’ny zavamananaina.

      EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

      ◼ Firy taona lasa izay no namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany?—Genesisy 1:1.

      ◼ Moa ve ny tany sy izay rehetra eo aminy, natao tao anatin’ny enina andro nisy 24 ora avy?—Genesisy 2:4.

      ◼ Nahoana no marina ny zavatra nosoratan’i Mosesy momba ny niandohan’ny tany, rehefa jerena ny siansa?—2 Timoty 3:16.

      [Teny notsongaina, pejy 19]

      Tsy mampianatra ny Genesisy hoe vao haingana no nisy izao rehetra izao, ary noforonina tao anatin’ny fotoana fohy

      [Teny notsongaina, pejy 20]

      “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.”—Genesisy 1:1

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

      Izao rehetra izao: IAC/RGO/David Malin Images

      [Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

      NASA photo

  • Ahoana no Hanaporofoako fa Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?
    Mifohaza!—2006 | Septambra
    • Manontany ny Tanora Hoe...

      Ahoana no Hanaporofoako fa Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?

      “Niresaka momba ny evolisiona izahay tany am-pianarana, ary nifanohitra tamin’izay rehetra nampianarina ahy ilay izy. Hoatran’ny tena marina ny fomba nanazavany azy, ka nampahatahotra ahy.”—Ryan, 18 taona.

      “Nino mafy ny evolisiona ny mpampianatra anay, tamin’izaho 12 taona teo ho eo. Nisy an’ilay marika famantarana an’i Darwin mihitsy aza teo amin’ny fiarany! Lasa tsy sahy nanazava aho hoe nisy namorona izao rehetra izao.”—Tyler, 19 taona.

      ‘Toran-kovitra aho rehefa nilaza ny mpampianatra anay fa momba ny evolisiona ny lesonay manaraka. Fantatro fa tsy maintsy hohazavaiko amin’ny iray kilasy ny hevitro, momba io resaka mampiady hevitra io.’—Raquel, 14 taona.

      METY hatahotahotra toa an’i Ryan sy Tyler ary Raquel ianao, rehefa misy resaka evolisiona any am-pianarana. Mino ianao fa “namorona ny zava-drehetra” Andriamanitra. (Apokalypsy 4:11) Porofoin’ny zava-misy manodidina anao fa nisy namorona izao rehetra izao, ary tena mahay izy. Misy boky anefa milaza fa avy amin’ny evolisiona ny olona, izany hoe nisy zavatra tsy mananaina niova miandalana ho zavamananaina samihafa, ka lasa olona nony farany. Milaza an’izany koa angamba ny mpampianatra anao. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Izaho indray ve no andeha hiady hevitra amin’ny “manam-pahaizana”? Ary hanao ahoana ny fihetsiky ny mpiray kilasy amiko, raha hiresaka momba an’Andriamanitra aho?’

      Aza matahotra! Tsy ianao irery no mino fa nisy namorona izao rehetra izao. Mpahay siansa sy mpampianatra maro aza no tsy manaiky ny evolisiona. Ny efatra ampahadimin’ny mpianatra any Etazonia no mino fa nisy namorona izao rehetra izao, na dia mampianatra ny evolisiona aza ny boky fianaran’izy ireo!

      Na izany aza, dia mety hieritreritra ianao hoe: ‘Inona no holazaiko mba hanaporofoako fa nisy namorona izao rehetra izao?’ Matokia fa afaka mijoro amin’ny hevitrao ianao, na dia saro-kenatra aza. Mila manomana kely fotsiny ianao.

      Fakafakao tsara ny zavatra inoanao!

      Raha Kristianina ny ray aman-dreninao, dia angamba mino ianao fa nisy namorona izao rehetra izao, satria fotsiny hoe izay no nampianarina anao. Efa mihalehibe anefa ianao izao, ary te hampiasa ny ‘sainao’ eo amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra, mba ho mafy orina ny zavatra inoanao. (Romanina 12:1) Nampirisika ny Kristianina voalohany koa i Paoly hoe: “Fantaro tsara ny zava-drehetra.” (1 Tesalonianina 5:21) Ahoana no hampiharanao izany torohevitra izany?

      Eritrereto aloha ireto tenin’i Paoly momba an’Andriamanitra ireto: “Ny toetrany tsy hita maso, ... dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Romanina 1:20) Saintsaino izany, ka diniho ny vatan’olombelona, ny tany, ireo zavatra any ambony tsy taka-maso sy any anaty ranomasina. Diniho koa ny mombamomba ny biby sy ny bibikely ary ny zavamaniry, izay tena mahavariana. Na koa izay zavatra mahaliana anao e! Ampiasao ny ‘sainao’ avy eo, ka eritrereto ity fanontaniana ity: ‘Inona no mampiaiky ahy fa nisy namorona izao rehetra izao?’

      Nandinika ny vatan’olombelona i Sam, 14 taona, mba hamaliana izany. Hoy izy: “Be kojakojany sy tsy takatry ny saina izy io, ary miara-miasa tsara ireo faritra rehetra ao aminy. Tsy azo inoana hoe avy amin’ny evolisiona ny vatan’olombelona!” Mitovy hevitra aminy i Holly, 16 taona, ary nilaza hoe: “Betsaka ny zavatra nianarako momba ny fiasan’ny vatana, hatramin’ny nahafantarako fa voan’ny diabeta aho. Mampitolagaga, ohatra, ny asan’ny sarakaty, ilay taova kely eo ambanin’ny vavony. Miasa be izy io mba hahatonga ny ra sy ny taova hafa hiasa tsara.”

      Antony hafa kosa no mampiaiky ny tanora sasany fa nisy namorona izao rehetra izao. Hoy i Jared, 19 taona: “Izao no porofo lehibe indrindra amiko: Mahatsapa isika fa mila mivavaka, tia zavatra kanto, ary maniry hianatra. Tsy ilaina mba hahavelomana ireo zavatra ireo, na dia ny mifanohitra amin’izany aza no lazain’ny evolisiona. Tsy maintsy ho izao àry no mahatonga antsika hanana ireo toetra ireo: Nisy namorona isika, ary niriny ny hankafizantsika ny fiainana.” Nanatsoaka hevitra toy izany koa i Tyler, ilay voatonona terỳ am-piandohana. Hoy izy: “Ny fandinihako ny zavamaniry no mampiaiky ahy fa nisy namorona izao rehetra izao. Miankina amin’ny asan’izy ireny mantsy no hahaveloman’ny zavamananaina hafa, sady mampitolagaga ny tsipiriany maro amin’ny firafitr’izy ireny.”

      Mora kokoa ny manazava fa nisy namorona izao rehetra izao, raha efa nodinihinao tsara izany, ary tena miaiky ianao fa marina ilay izy. Makà fotoana àry mba handinihana ireo zava-mahatalanjona noforonin’Andriamanitra, toy ny nataon’i Sam, Holly, Jared, ary Tyler. Eritrereto izay hevitra ampitain’izy ireny aminao. Azo inoana fa raha manao izany ianao dia hiaiky toy ny apostoly Paoly, fa “hita [avy hatrany] amin’ny zavatra nataony” ny fisian’Andriamanitra sy ny toetrany.a

      Fantaro hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly

      Ankoatra ny fandinihana ny zavaboary, dia ilainao koa ny mahafantatra hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly, mba hanaporofoanao fa nisy namorona izao rehetra izao. Tsy ilaina ny miady hevitra momba ny zavatra tsy resahin’ny Baiboly mivantana. Ireto, ohatra, ny sasany amin’izany.

      ◼ Voalaza ao amin’ilay boky ianaranay, fa efa nisy hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona ny tany sy ireo planeta mihodidina aminy. Tsy miresaka momba ny fotoana efa nisian’ireo zavatra ireo ny Baiboly. Ny zavatra lazain’izy io dia mifanaraka amin’ilay fiheverana fa izao rehetra izao, dia mety ho efa nisy hatramin’ny an’arivony tapitrisa taona, talohan’ny “andro” famoronana voalohany.—Genesisy 1:1, 2.

      ◼ Milaza ny mpampianatra anay, fa tsy vita tao anatin’ny enina andro monja ny famoronana ny tany. Tsy milaza ny Baiboly hoe 24 ora ara-bakiteny, ny andro tsirairay amin’ireo enina “andro” famoronana. Jereo ny pejy faha-18-20 amin’ity gazety ity, mba hahazoanao fanazavana misimisy kokoa.

      ◼ Tany am-pianarana izahay dia nandinika ohatra maromaro, izay mampiseho fa miova ny biby sy ny olona, rehefa mandeha ny fotoana. Milaza ny Baiboly fa noforonin’Andriamanitra ho “samy araka ny karazany avy” ny zavamananaina. (Genesisy 1:20, 21) Tsy eken’izy io kosa ny hoe avy amin-javatra tsy mananaina ny zavamananaina rehetra. Tsy ekeny koa hoe sela tokana no noforonin’Andriamanitra, ka io no niova tsikelikely ho lasa zavamananaina isan-karazany. Mety ho samihafa anefa ny zavamananaina ao amin’ny “karazany” iray ihany. Eken’ny Baiboly àry fa mety hisy fiovaovana ao anatin’ny ‘karazana’ tsirairay.

      Aza misalasala ny amin’izay inoanao!

      Tsy misy antony tokony hahasanganehana na hahamenatra anao, raha mino ianao fa nisy namorona izao rehetra izao. Rehefa dinihina ny porofo, dia tena azon’ny saina ekena ary mifanaraka amin’ny siansa mihitsy aza, ny finoana hoe nisy namorona isika ary tena mahay izy. Ny finoana ny evolisiona àry no tena azo lazaina fa finoanoam-poana, fa tsy ny finoana ny mpamorona. Toy ny asaina mino ianao hoe misy ny fahagagana iray, nefa ilazana fa tsy nisy nanao ilay izy. Rehefa avy mandinika ny lahatsoratra hafa ato amin’ity gazety ity ianao, dia azo antoka fa hiaiky hoe nisy namorona izao rehetra izao, ary manaporofo izany ny zava-misy. Ampiasao ny sainao mba hamakafakana tsara izany. Hatoky tena kokoa ianao amin’izay any am-pianarana, rehefa manaporofo ny zavatra inoanao.

      Izany no tsapan’i Raquel, ilay voaresaka etsy aloha. Hoy izy: “Takatro rehefa afaka andro vitsivitsy, fa tsy tokony hohazoniko ho ahy samirery ny zavatra inoako. Nomeko an’ilay boky hoe Ny Fiainana—Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana?, ny mpampianatra anay. Efa nomarihiko ny hevitra sasany tiako hisarihana ny sainy. Nilaza tamiko izy tatỳ aoriana fa nanova ny fiheverany ny evolisiona ilay boky, ary hampiasa ny fanazavana hitany tao izy rehefa hampianatra momba izany any aoriana!”

      Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

      [Fanamarihana ambany pejy]

      a Tanora maro no nandray soa rehefa nandinika ny fanazavana tao amin’ilay boky hoe Ny Fiainana—Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? sy ilay hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

      ERITRERETO IZAO:

      ◼ Ahoana no hanaporofoanao amin’ny fomba tsotra fa nisy namorona izao rehetra izao?

      ◼ Ahoana no azonao ampisehoana fa mankasitraka an’ilay namorona ny zava-drehetra ianao?—Asan’ny Apostoly 17:26, 27.

      [Efajoro, pejy 27]

      “BE DIA BE NY POROFO”

      “Inona no holazainao amin’ny tanora iray notezaina mba hino ny Mpamorona, nefa ampianarina ny evolisiona any am-pianarana?” Izany no fanontaniana napetraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, manam-pahaizana momba ny zavamiaina bitika. Hoy ny navaliny: “Tokony hohararaotinao izany mba hitadiavanao porofo fa tena misy Andriamanitra. Ho resy lahatra ianao amin’izay fa misy tokoa Andriamanitra, satria ianao mihitsy no nahita porofo, fa tsy satria fotsiny hoe izay no nampianarin’ny ray aman-dreninao anao. Asaina ‘manaporofo’ ny evolisiona ny mpampianatra indraindray, nefa tsy mahay. Takany àry fa mino ny evolisiona izy, satria fotsiny hoe izay no nampianarina azy. Mety hino koa ianao fa nisy namorona izao rehetra izao, satria fotsiny hoe izay no nampianarina anao. Ilainao àry ny mitady porofo fa tena misy Andriamanitra. Be dia be ny porofo, ary tsy sarotra ny mahita azy ireo.”

      [Efajoro/​Sary, pejy 28]

      INONA NO MAMPIAIKY ANAO?

      Tanisao eto ambany ny zavatra mampiaiky anao fa nisy namorona izao rehetra izao:

      1. ․․․․․․․․

      2. ․․․․․․․․

      3. ․․․․․․․․

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara