FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/02 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Tontosainao Tsara ve ny Fanompoanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mila ny Kongregasiona Isika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 11/02 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Nahoana no tsara kokoa raha ny fiangonana mitory eny amin’ny faritany onenantsika no iarahantsika?

Amin’ny alalan’ny fiangonana no hahazoantsika fampaherezana ‘hampandrosoana ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Heb. 10:24, 25) Amin’ny alalan’ny fiangonana no hianarantsika ny fahamarinana, sy hanofanana antsika amin’ilay asa fanaovana mpianatra nanendrena antsika. (Matio 28:19, 20) Ampaherezina amin’ny alalan’izy io koa isika, mba tsy hivadika mandritra ny fisedrana. Ankoatra izany, dia eo ny mpiandraikitra be fitiavana izay manampy antsika hiatrika ireo fahoriana mihamitombo. Mazava àry fa tena ilaina ny fiangonana mba hahavelona antsika hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsara kokoa ve anefa raha ny fiangonana mitory eny amin’ny faritany onenantsika no iarahantsika?

Tsy mitovy ny toe-javatra misy ny tsirairay. Mety hiankina amin’ny asa sy ny vady tsy mpino ary ny fitaterana àry no hifidianantsika izay fiangonana hiarahantsika. Tsara kokoa ho an’ny olona iray anefa raha miaraka amin’ny fiangonana mitory eny amin’ny faritany onenany izy. Afaka mifandray haingana kokoa amin’ny mpitory rehetra mantsy ny anti-panahy raha misy ilana izany maika. Miresaka ny sasany amin’ireo soa hafa azo avy amin’izany Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2002, pejy 4.

Amin’ny ankapobeny, dia tsara kokoa ny mivory eny akaikin’ny trano fonenana. Afaka ny ho tonga aloha isika mba hifampiresaka amin’ny olona, sy hikarakara izay raharaha tena ilaina, ary hiara-manao ny hira sy vavaka fanokafana. Rehefa akaiky ny tranon’ireo olona liana, dia matetika no mora kokoa ny mifandray aminy, sy mampianatra Baiboly azy, ary manasa azy hanatrika fivoriana.

Matoky izahay fa handinika izany amim-bavaka ny raim-pianakaviana ary hijery tsara ny lafin-javatra rehetra tafiditra, mba hahitany izay tena hahasoa ny fianakaviany.—1 Tim. 5:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara