TOKO 10
Fomba Anitarana ny Fanompoana
HOY i Jesosy tamin’ny mpianany, rehefa naniraka azy ireo hitory momba ilay Fanjakana: “Tena be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.” Hoy koa izy: “Iangavio ... ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) Be dia be mantsy ny asa tokony hatao. Natoron’i Jesosy azy ireo koa hoe ahoana no tokony hanaovana an’ilay asa fitoriana. Hoy izy: “Tsy ho voatetinareo daholo ny tanànan’ny Israely, mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.” (Mat. 10:23) Midika izany fa mila atao haingana ilay asa, satria mila mitory amin’ny olona betsaka araka izay azo atao izy ireo, alohan’ny hahatongavan’ny farany.
2 Mbola be koa ny asa tokony hatao ankehitriny. Tsy maintsy itoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana ny olona, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Efa tena kely anefa sisa ny fotoana ananantsika. (Mar. 13:10) Mitovitovy amin’ny zava-nisy tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany ny zava-misy amin’izao androntsika izao, saingy manan-tombo kokoa ny antsika. Izao tontolo izao mantsy no faritany itoriana, ary vitsy isika raha ampitahaina amin’ny olona an’arivony tapitrisa eran-tany. Afaka matoky anefa isika fa hanampy antsika i Jehovah. Ho vita maneran-tany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary ho tonga amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah ny farany. Mamita tsara ny fanompoantsika àry ve isika ka manao loha laharana foana ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no tanjona iezahantsika tratrarina mba hahavitantsika an’izany?
3 Inona tokoa moa no takin’i Jehovah amin’ireo efa nanokan-tena ho azy? Hoy i Jesosy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Mar. 12:30) Tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo àry isika. Midika izany fa hanao araka izay fara herintsika isika eo amin’ny fanompoana, mba hampisehoana fa tena mahafoy tena ho azy sady efa nanokan-tena ho azy tamin’ny fo manontolo. (2 Tim. 2:15) Maro ny karazana fanompoana azontsika atao, arakaraka ny zava-misy iainantsika sy ny fahaizantsika. Handinika ny sasany amin’izy ireny isika izao. Fidio izay tanjona azonao tratrarina mba hanatanterahanao ny fanompoanao.
MPITORY EO ANIVON’NY FIANGONANA
4 Manana tombontsoa hitory ny vaovao tsara izay rehetra manaiky ny fahamarinana. Io ilay asa lehibe indrindra nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Matetika ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy no tonga dia miresaka amin’ny hafa, raha vao mahafantatra ny vaovao tsara. Izany no nataon’i Andrea, Filipo, Kornelio, ary ny hafa. (Jaona 1:40, 41, 43-45; Asa. 10:1, 2, 24; 16:14, 15, 25-34) Midika ve izany fa afaka mitory, na dia ireo mbola tsy vita batisa aza? Eny. Afaka mitory isan-trano ny olona iray, raha vao mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa eo anivon’ny fiangonana. Azony atao koa ny mandray anjara amin’ny karazana fanompoana hafa, arakaraka ny fahaizany sy ny zava-misy eo amin’ny fiainany.
5 Azo antoka fa tena te hanampy ny olona hahalala ny vaovao tsara ny mpitory iray rehefa vita batisa. Manana tombontsoa hitory ny vaovao tsara daholo, na ny lehilahy na ny vehivavy. Mandray soa isika satria afaka mampandroso ny asan’ilay Fanjakana, na dia kely fotsiny aza ny anjarantsika amin’ilay izy. Vao mainka isika ho sambatra raha afaka mampitombo ny fanompoantsika.
MANITATRA FARITANY
6 Efa iasana matetika angamba ny faritanin’ny fiangonana misy anao, ary mety ho efa nitoriana daholo ny olona. Mety hieritreritra àry ianao hoe afaka mifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. (Asa. 16:9) Mety ho afaka hanampy fiangonana hafa ianao, raha anti-panahy na mpikarakara fiangonana. Mety hanome soso-kevitra anao ny mpiandraikitra ny faritra hoe ahoana no azonao anampiana fiangonana hafa eo amin’ilay faritra. Afaka manome fanazavana mety hanampy anao ny biraon’ny sampana, raha te hanompo any amin’ny faritra hafa ao amin’ny tany misy anao ianao.
7 Ahoana indray raha te hanompo any an-tany hafa ianao? Mila mandinika tsara aloha ianao. Resaho amin’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana misy anao ny fanirianao. Azo antoka mantsy fa raha mifindra monina ianao, dia hisy vokany aminao sy amin’izay hiaraka aminao izany. (Lioka 14:28) Raha tsy te hijanona ela any anefa ianao, dia aleo ao amin’ilay tany misy anao ihany ianao no manitatra ny fanompoanao.
8 Mbola azo lazaina hoe vaovao ao amin’ny fahamarinana ihany ireo rahalahy manana andraikitra, any amin’ny tany sasany. Manetry tena izy ireo, ka ho faly raha misy anti-panahy za-draharaha kokoa mifindra ao amin’ny fiangonany, ary ireny no avelany hitarika ny asa. Raha anti-panahy ianao ka hifindra any amin’ny tany toy izany, dia tadidio fa hiara-miasa amin’ireo rahalahy eo an-toerana no ahatongavanao any, fa tsy hibodo andraikitra ka hoe ianao daholo no hanao ny zava-drehetra. Ampirisiho kosa izy ireo mba hiezaka hahazo andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana, ary hanatanteraka izay andraikitra omena azy. (1 Tim. 3:1) Miezaha hanam-paharetana raha tsy toy ny tany amin’ny nisy anao taloha ny fomba fiasa sasany ao amin’ilay fiangonana vaovao. Ampiasao hanampiana an’ireo rahalahy ny traikefa anananao. Ka na tsy maintsy mody aza ianao any aoriana, dia mba efa mahay miandraikitra kokoa an’ilay fiangonana ireo rahalahy eo an-toerana.
9 Afaka manome anao ny anaran’ny fiangonana azonao ampiana ny biraon’ny sampana any amin’ilay tany tianao hanompoana. Tokony handefa taratasy fanolorana momba anao anefa aloha ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana misy anao. Ilaina foana ny taratasy fanolorana, na anti-panahy ianao, na mpikarakara fiangonana, na mpisava lalana, na mpitory. Halefan’ny komitin’ny fanompoana mivantana any amin’io biraon’ny sampana io ilay taratasy fanolorana sy ny fangatahanao.
MITORY AMIN’NY FITENY HAFA
10 Te hianatra teny vahiny na tenin’ny tanana angamba ianao, satria te hanompo bebe kokoa. Miresaha amin’ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra ny faritra, raha izany no tanjonao. Mety hampirisika anao izy ireo sady hanome soso-kevitra. Nandamina kilasy fianarana teny vahiny na tenin’ny tanana ny mpiandraikitra ny faritra sasany, satria nahazo tari-dalana avy amin’ny biraon’ny sampana. Natao hampiofanana mpitory na mpisava lalana mahay izy ireny, mba hahafahany hitory amin’ny fiteny hafa.
FANOMPOAN’NY MPISAVA LALANA
11 Tokony ho fantatry ny mpitory rehetra ny fepetra takina amin’ny mpisava lalana mpanampy sy maharitra ary manokana, sy ny fanompoana manontolo andro hafa. Tsy maintsy Kristianina vita batisa fakan-tahaka ny mpisava lalana, ary afaka manatratra ora voafaritra tsara mba hitoriana ny vaovao tsara. Ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana no manaiky ny fangatahana ho mpisava lalana mpanampy sy maharitra, fa ny biraon’ny sampana kosa no manendry ny mpisava lalana manokana.
12 Voatendry mandritra ny iray volana, fara fahakeliny, ny mpisava lalana mpanampy. Misy indray manohy mandritra ny volana vitsivitsy, na manao izany mandritra ny fotoana tsy voafetra. Maro ny mpitory manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny fotoana manokana, ohatra hoe amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, na amin’ny volana itsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Misy manao izany mandritra ireo volana fialan-tsasatra. Mety haniry hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy ny mpitory vita batisa mbola mianatra, rehefa vakansy. Afaka mifidy ny hameno an’ilay ora kely kokoa ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary amin’ny volana itsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Ho faly ny anti-panahy handinika ny fangatahanao ho mpisava lalana mpanampy, raha mahafeno ireto fepetra ireto ianao: Tsara fitondran-tena, manana fomba fiaina tsara, afaka manatratra ny ora takina, ary afaka manao ilay asa mandritra ny iray volana na mihoatra.
13 Ny olona afaka manatratra ny ora takina ao anatin’ny taona no azo tendrena ho mpisava lalana maharitra. Tokony hiara-miasa akaiky amin’ny fiangonana misy azy ny mpisava lalana maharitra. Tena mahasoa ny fiangonana ny mpisava lalana be zotom-po, satria mandrisika ny rehetra hazoto hanompo sy hanao ny asan’ny mpisava lalana mihitsy aza. Tsy maintsy mpitory fakan-tahaka anefa ianao sady vita batisa enim-bolana, fara fahakeliny, vao afaka manao fangatahana ho mpisava lalana maharitra.
14 Izay mpisava lalana maharitra mahita vokatra no voatendry ho mpisava lalana manokana, amin’ny ankapobeny. Tokony ho afaka hanompo any amin’izay toerana anendren’ny biraon’ny sampana azy izy ireo. Matetika izy ireo no tendrena any amin’ny faritra mitokana misy olona liana sy ahafahana mamorona fiangonana vaovao. Misy indray tendrena hanampy fiangonana mila fanampiana mba hamita ny faritaniny. Ny mpisava lalana manokana sasany, izay efa anti-panahy, kosa tendrena hanampy fiangonana madinika, na dia tsy mila mpitory maro kokoa aza ilay faritany. Mahazo vola fanampiana kely ny mpisava lalana manokana, mba hikarakarany ny zavatra ilainy. Tendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra ny sasany amin’izy ireny amin’ny voalohany.
MISIONERA ENY AMIN’NY SAHA
15 Ny Komitin’ny Fanompoana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana no manendry ny misionera eny amin’ny saha. Ny Komitin’ny Sampana ao amin’ilay tany anendrena azy avy eo no manendry azy ireo hanompo any amin’ny faritra be mponina. Miezaka mafy ny misionera mba hampandroso ny asa fitoriana sady hanampy amin’ny asa eo anivon’ny fiangonana. Nahazo fampiofanana tamin’ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana ny misionera, amin’ny ankapobeny. Iantohana ny trano ipetrahany ary omena vola fanampiana kely izy ireo mba hikarakarany ny zavatra ilainy.
MPIANDRAIKITRA NY FARITRA
16 Ny Filan-kevi-pitantanana no manendry ny mpiandraikitra ny faritra. Tendrena ho mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana aloha izy, mba hiofana amin’ilay asa sy hahazo traikefa. Tia fanompoana ny mpiandraikitra ny faritra sady tia an’ireo mpiara-manompo. Mpitory be zotom-po izy ireo, mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary mpandahateny sy mpampianatra mahay. Tokony hiharihary hoe manana ny vokatry ny fanahy izy ireo, mahay mandanjalanja, ary mandefitra. Manana fitondran-tena fakan-tahaka ny vadiny, raha manambady izy. Mahay mifandray amin’ny hafa ilay anabavy sady mpitory mahita vokatra. Mahatakatra tsara ny andraikitry ny vehivavy kristianina manambady izy, ka manaiky ny vadiny fa tsy misalovana azy, na hoe izy foana no miresaka. Feno be ny fandaharam-potoanan’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny, ka tokony ho salama tsara ianao raha mieritreritra ny hanao an’io asa io. Tsy manao fangatahana hanao ny asan’ny faritra ny mpisava lalana. Afaka miresaka amin’ny mpiandraikitra ny faritra anefa izy, raha maniry hanao an’io asa io, ary ilay mpiandraikitra no hanome torohevitra azy.
SEKOLY ARA-BAIBOLY
17 Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana: Maro kokoa izao ny mpitory ilaina mba hanatanjaka ny fiangonana sy hamita an’ireo faritany tsy voasa matetika. Afaka mangataka hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana àry ny mpivady na ny rahalahy sy anabavy mpitovo, mba hahazoany fampiofanana manokana. Rehefa tapitra ilay sekoly, dia tendrena ho mpisava lalana maharitra any amin’ny faritany ilana mpitory maro kokoa, ao amin’ny taniny ihany, ireo mpianatra. Mety hotendrena hanao karazana fanompoana hafa ao amin’ny taniny na any an-tany hafa anefa ireo mahafeno fepetra amin’izany. Mety hotendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra na maharitra koa ny sasany. Misy fivoriana ho an’ireo maniry hanatrika an’io sekoly io mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Afaka manatrika an’izany ny mpisava lalana, raha te hahafantatra ny fepetra takina amin’ilay sekoly.
18 Sekoly Ara-baibolin’i Gileada: Rahalahy sy anabavy mpitovo na mpivady mahay teny anglisy no fidina hanatrika an’io sekoly io. Mpanompo manontolo andro manokana izy ireo. Afaka mampandroso ny asa fitoriana izy ireo na manampy amin’ny asa ao amin’ny sampana. Voaporofo hoe tia manompo an’ireo rahalahiny izy, sady afaka manampy olona hianatra sy hampihatra foana ny tari-dalan’ny Soratra Masina sy ny fandaminana. Hita koa hoe tsara fanahy foana izy rehefa manao izany. Asain’ny Komitin’ny Sampana manao fangatahana izay hitan’izy ireo hoe mahafeno fepetra. Tendrena hanompo eny amin’ny saha, na hanompo ao amin’ny biraon’ny sampana ao amin’ny taniny na any an-tany hafa, ireo nahazo diplaoma.
FANOMPOANA AO AMIN’NY BETELA
19 Tombontsoa manokana ny manompo ao amin’ny Betela. Midika hoe “Tranon’Andriamanitra” ny Betela, ary tena mety izany mba hiantsoana an’ireny foiben’ny asan’Andriamanitra ireny. Ao amin’ny Betela no andikana sy amokarana ary izarana ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminana. Tena ilaina mba hanatanterahana an’izany ny asan’ireo rahalahy sy anabavy rehetra ao amin’ny Betela. Maro amin’ireo Betelita mpandika teny no miasa sy mipetraka any amin’ny faritra ampiasana ny fiteniny. Amin’izay izy ireo afaka mandre ny fiteny ampiasain’ny olona andavanandro. Ho hitany koa raha azon’ny olona ny teny ampiasainy ao amin’ireo boky sy gazety adikany. Manara-maso sy manome toromarika ho an’ny fiangonana eran-tany ny Filan-kevi-pitantanana, ary tena sarobidy aminy ny fanompoana ataon’ny Betelita.
20 Asa vatana ny ankamaroan’ny asa ao amin’ny Betela. Matetika àry no rahalahy tanora efa nanokan-tena sy vita batisa ary salama sy matanjaka tsara no antsoina hanompo any. Raha mila Betelita vaovao ny sampana miandraikitra ny tany misy anao ary te hanompo any ianao, dia azonao atao ny miresaka amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanao mba hahalalanao ny fepetra takina.
FANORENANA
21 Anisan’ny fanompoana masina ny fanorenana an’ireo trano ampiasain’ny fandaminana. Mitovy amin’ny fanorenana ny tempolin’i Solomona ihany izany. (1 Mpanj. 8:13-18) Maro ny rahalahy sy anabavy mazoto mampiasa ny fotoanany sy ny fahaizany ary ny fananany an-tsitrapo, mba handraisana anjara amin’io asa io.
22 Afaka manampy amin’io fanompoana masina io ve ianao? Raha efa vita batisa ianao ka maniry handray anjara amin’izany, dia ho faly handray anao ireo rahalahy miandraikitra ny fanorenana any amin’ny faritra misy anao. Vonona hampiofana anao koa izy ireo na dia tsy manana traikefa firy aza ianao. Resaho amin’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonanareo ny tanjonao. Lasa mpanao fanorenana any an-tany hafa mihitsy aza ny mpitory vita batisa sasany, rehefa nahafeno fepetra.
23 Misy karazany maro ny fanompoana mifandray amin’ny fanorenana. Mpitory vita batisa fakan-tahaka ve ianao, manana fahaizana kely amin’ny fanorenana, ary afaka mandray anjara amin’ny fanorenana eny akaikinareo? Azonao atao ny mirotsaka ho anisan’ny mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana eo an-toerana. Raha afaka mandeha lavitra kokoa mandritra ny fotoana voafetra indray ianao, dia mety hotendren’ny biraon’ny sampana ho mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana mandritra ny tapa-bolana ka hatramin’ny telo volana. Tendrena ho mpanao fanorenana kosa ireo afaka manao an’io asa io mandritra ny fotoana maharitra. Misy indray voatendry hanao fanorenana any ivelan’ny taniny, ka mpanao fanorenana manompo any an-tany hafa no iantsoana azy. Ny fitambaran’ny mpanao fanorenana sy mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana no atao hoe Ekipa Mpanao Fanorenana. Io antokon’olona io no mitarika ny tetikasa tsirairay, ary manampy azy ny mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana eo an-toerana sy ny mpiasa an-tsitrapo avy amin’ireo fiangonana tafiditra amin’ilay tetikasa. Mifindrafindra any amin’izay toerana anaovana fanorenana, ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampana misy azy, ny Ekipa Mpanao Fanorenana.
INONA NO TANJONAO EO AMIN’NY FANOMPOANA?
24 Azo antoka hoe te hanompo an’i Jehovah mandrakizay ianao, raha efa nanokan-tena ho azy. Inona anefa no tanjonao izao? Ho hainao tsara ny hampiasa ny herinao sy ny fanananao, rehefa manana tanjona eo amin’ny fanompoana ianao. (1 Kor. 9:26) Hanampy anao hihamatotra sy hifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa ireny tanjona ireny. Tena ilaina izany mba hahazoana tombontsoam-panompoana fanampiny.—Fil. 1:10; 1 Tim. 4:15, 16.
25 Nanome modely ho antsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny apostoly Paoly. (1 Kor. 11:1) Niezaka mafy izy nanompo an’i Jehovah, araka izay fara heriny. Fantany fa nanampy azy hanao karazana fanompoana maro i Jehovah. Hoy izy tamin’ireo rahalahy tany Korinto: “Misy varavarana lehibe nosokafana mba hahafahako manao fanompoana.” Maro koa ny karazana fanompoana azontsika andraisana anjara eo anivon’ny fiangonana, indrindra amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tsy maintsy miatrika fanoherana isan-karazany anefa isika raha te hampitombo ny fanompoantsika, toy izay nitranga tamin’i Paoly ihany. (1 Kor. 16:9) Niezaka nifehy tena tamin’ny zava-drehetra izy, mba hahavitana izany. Hoy izy: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Kor. 9:24-27) Vonona hanao toy izany koa ve isika?
Ho hainao tsara ny hampiasa ny herinao sy ny fanananao, rehefa manana tanjona eo amin’ny fanompoana ianao
26 Ampirisihina ny tsirairay mba hanana tanjona eo amin’ny fanompoana, arakaraka ny zava-misy eo amin’ny fiainany. Lasa mpanompo manontolo andro ny mpitory maro ankehitriny, satria efa nataony tanjona hatramin’ny mbola kely izany. Ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa no nampirisika azy ireo hanompo manontolo andro tamin’izany. Lasa manana asa tena tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo izao, ary tsy manenina mihitsy. (Ohab. 10:22) Anisan’ny tanjona hafa azo tratrarina koa ny hoe mandray anjara amin’ny fanompoana isan-kerinandro, manomboka sy mitarika fampianarana Baiboly, na manokana fotoana bebe kokoa mba hanomanana fivoriana. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe tsy mivadika amin’i Jehovah isika ary manatanteraka tsara ny fanompoantsika. Hanome voninahitra an’i Jehovah isika raha manao izany ary hahatratra an’ilay tanjona lehibe indrindra, dia ny hanompo azy mandrakizay.—Lioka 13:24; 1 Tim. 4:7b, 8.