Antsasa-taonjato teo Ambany Fitondrana Jadona Tsy Refesi-mandidy
Notantarain’i Lembit Toom
Nosazina hiasa an-terivozona nandritra ny folo taona tany Siberia aho, tamin’ny 1951. Nentina tany amin’ny toby iray tany amin’ny an’arivony kilaometatra maro, tany ambony lavitry ny Faribolan-tendrontany Arktika, izahay. Nahatrotraka ny asa, namely mafy ny toetr’andro, ary nahatsiravina ny toe-piainana. Mamelà ahy hanazava ny fomba nahatongavako tany, sy ny antony nahatonga ny fijalianay ho tsy very maina.
ANISAN’NY noheverina ho olo-manga ny raiko teto Estonia, ilay tany baltika nahaterahako tamin’ny 10 Martsa 1924. Tany amin’ny faramparan’ny fiainany anefa, dia izy no nikarakara ny toeram-pambolen’ny fianakavianay tao Järvamaa, tao Estonia afovoany. Fianakaviana loteranina maro anaka ny fianakavianay, nisy zaza sivy, ka izaho no zandriny indrindra. Maty i Dada, fony aho 13 taona.
Nahazo diplaoma avy tamin’ny sekoly fanabeazana fototra aho ny taona nanaraka. Tamin’ny Septambra 1939, fony nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, dia voantso ho miaramila i Erich, zokiko lahy, ary tsy afa-nanohy ny fianarako aho. Avy eo, tamin’ny 1940, dia nanjary anisan’ny Firaisana Sovietika i Estonia. Ary herintaona tatỳ aoriana, dia nibodo an’i Estonia ny Alemà. Naiditr’izy ireo am-ponja i Erich, nefa nafahana ka niverina teto Estonia tamin’ny Aogositra 1941. Afaka nianatra tao amin’ny sekoly momba ny fambolena aho, tamin’ny 1942.
Nandritra ny fotoana tsy nianarako fa nodiako, tamin’ny Krismasy 1943, dia nilaza tamiko i Leida, anabaviko, fa niresaka taminy momba ny Baiboly ny dokoteram-pianakavianay. Nanome azy bokikely vitsivitsy navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society ilay dokotera. Novakiko izy ireo, ary avy hatrany aho dia nitady ny Dr. Artur Indus, ka nampianatra Baiboly ahy izy.
Voatery nandray fanapahan-kevitra
Teo anelanelan’izany, dia nihamafy ny ady teo amin’i Alemaina sy ny Firaisana Sovietika. Efa niroso hatrany akaikin’ny sisin-tanin’i Estonia ny Rosianina, tamin’ny Febroary 1944. Noterena hiditra tao amin’ny tafika alemà i Erich, ary nahazo ny taratasy fiantsoana ahy koa aho. Ninoako fa mandrara ny hamonoantsika ny mpiara-belona amintsika ny lalàn’Andriamanitra, ary nilaza ny Dr. Indus fa hanampy ahy hahita toeram-piafenana izy, mandra-pahavitan’ny ady.
Indray andro, dia nisy polisy iray sy ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana teo an-toerana tonga tao amin’ilay toeram-pambolenay. Nomena baiko hisambotra ahy izy ireo, satria nahiahina ho nanandrana niala tsy hanao raharaha miaramila aho. Fantatro tamin’izay fa tsy maintsy nandositra niala ny tranoko aho, raha tsy izany, dia ho any amin’ny toby fitanana an’ny Alemà.
Nialokaloka tao amin’ny toeram-pambolen’ny Vavolombelon’i Jehovah iray aho. Mba hanatanjahana ny finoako, dia nanao famakian-teny betsaka araka izay azoko natao aho, raha mbola tao am-piafenana: namaky ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower, aho. Nijaikojaiko niverina tany an-trano aho indray alina, mba haka sakafo. Feno miaramila alemà ilay trano, satria nody i Erich, rahalahiko, niaraka tamin’ny namany sasany mba hiala sasatra nandritra ny andro vitsivitsy. Afaka niresaka tamim-piafenana taminy tao amin’ny fivelezam-bary aho, tamin’io alina io. Izay no fotoana farany nahitako azy.
Saika tratra
Tamin’io alina io, rehefa niverina tao amin’ilay toeram-pambolena niafenako aho, dia nanaovana bemidina izy io. Nandre tatitra ilay polisy teo an-toerana mbamin’ny lehilahy mpitandro filaminana hoe nisy olona niafina tao amin’ilay toeram-pambolena, ka tonga izy ireo. Nijaikojaiko nisisika tao ambany gorodona aho, ary tsitapitapitr’izay dia reko ny feon’ny baoty misy fantsika teo ambony lohako. Nandrahona an’ilay mpamboly tamin’ny basy ilay polisy, sady nikiakiaka hoe: “Misy lehilahy miafina ato amin’ity trano ity! Ahoana no ahafahanay mijery ny ao ambany gorodona?” Hitako ny taratry ny hazavana avy tamin’ny jiron’izy ireo, rehefa nikaroka izy. Nitambotsotra kely aho, nitsilany teo, ary niandry. Rehefa lasa izy ireo, dia nijanona kelikely tao aho aloha, mba hahazoana antoka fa efa dify ny loza.
Tsy naraina akory ny andro, dia nandao ilay trano aho, velom-pankasitrahana an’i Jehovah, satria tsy tratra. Nisy rahalahy kristianina nanampy ahy hahita toeram-piafenana hafa, ary nijanona tao aho, mandra-pifaran’ny fibodoan’ny Alemà an’i Estonia. Tatỳ aoriana, dia reko fa nisy namono ilay polisy sy ilay lehiben’ny mpitandro filaminana teo an-toerana, mazava fa ireo mpomba ny Rosianina no nanao izany. Tamin’ny 19 Jona 1944, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra tamin’ny batisa anaty rano aho, ary tonga Vavolombelon’i Jehovah koa i Leida, anabaviko.
Nanomboka tamin’ny Jona 1944 ny fibodoan’ny Sovietika fanindroany an’i Estonia, ary volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia afaka nody aho mba hanampy tamin’ny asa tao amin’ilay toeram-pambolena. Tsy ela taorian’izay anefa, tamin’ny Novambra, dia nomena baiko aho hiseho tany amin’ny tafika rosianina. Feno herim-po aho teo am-panaovana fanambarana tamim-pahasahiana tamin’ny komity mpandray miaramila zazavao. Nampahafantatra ahy izy ireo fa tsy miraharaha izay zavatra inoako ny rafitra sovietika, ary tsy maintsy manompo ao amin’ny tafika ny rehetra. Nandritra ny fotoana sisa tamin’ilay ady anefa, dia afaka nijanona tamin’izao aho, ary nanokan-tena teo amin’ny fanampiana mba hahazoan’ny Vavolombelona hafa, zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.
Ny asa fanompoana taorian’ilay ady
Rehefa nifarana ilay ady tamin’ny May 1945, ka nomena famotsoran-keloka ireo tsy nandray anjara tamin’ny ady noho ny feon’ny fieritreretany, dia niverina nianatra aho. Teo am-panombohan’ny taona 1946, dia nanatsoaka hevitra aho fa tsy nisy zavatra azoko nantenaina tao amin’ny fikarakarana toeram-pambolena teto Estonia, satria noraisin’ny rafitra sovietika ny sehatra tsy miankina. Niala tamin’ny fianarana àry aho, ary nanomboka nandray anjara tamin’ny fomba feno kokoa tamin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana.
Tsy azo natao an-karihary intsony ny fanompoanay, teo ambany fitondrana sovietika. Efa tapaka nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ny fifandraisanay tamin’ny Fikambanana Watch Tower, raha ny marina. Noho izany, tamin’ny alalan’ny milina tranainy fanaovana kopia dia nanampy tamin’ny fanaovana kopian’ny zavatra vita an-tsoratra izay narovanay tsara aho. Nanao araka izay fara herinay koa izahay mba hisy foana ny fivorian’ny kôngregasiôna.
Nanomboka nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny KGB (ny Komitin’ny Fiarovana ny Fanjakana Sovietika), tamin’ny Aogositra 1948. Nosamborina ny dimy tamin’ireo izay nitarika ny asa ka naiditra am-ponja, ary tsy ela dia niharihary fa naniry hisambotra ny rehetra ny KGB. Nanangana komity iray nisy olona efatra izahay handamina ny asa fitoriana, sy hampirisika ireo rahalahinay kristianina, ary hanampy an’ireo tany am-ponja. Koa satria mbola nanana fahalalahana handehandeha ihany aho, dia izaho no nampiasaina mba hifandray tamin’ireo Vavolombelona hafa.
Nandefa fanoherana an-tsoratra, nitondra ny datin’ny 22 Septambra 1948, tany amin’ireo manam-pahefana sovietika teto Estonia, izahay. Nilazalaza ny fandaminanay, mbamin’ny zava-kendren’ny asanay izy io, ary nitaky ny hanafahana ireo mpiray finoana taminay tany am-ponja. Inona no vokany? Fisamborana bebe kokoa. Tamin’ny 16 Desambra 1948, dia nandefa fanambarana hafa ho fanoherana indray izahay, ho any amin’ny Filan-kevitry ny Fitsarana Tampony Estonianina RSS, nangataka ny hanesorana ny fiampangana an’ireo rahalahinay sy ny hanafahana azy ireo. Mbola ao amin’ny arisivan’ny tanànan’i Tallinn ny kopian’izany fanambarana izany sy ny fangatahana hafa.
Nety hampidi-doza ny nandeha lavitra, satria tsy afaka nahazo antontan-taratasy nety izahay. Na izany aza, dia nitsidika ireo kôngregasiôna tany Aravete, Otepää, Tallinn, Tartu, ary Võru izahay, nitondra môtô natanjaka, efatra silendira, izay nisy fitondrana olon-kafa teo anilany. Novidinay tamin’ny polisy rosianina iray izy io, ary nantsoinay tamim-pitiavana hoe Kalesy.
Ny fanoheranay an’i Staline
Tamin’ny 1 Jona 1949, dia nandefa fangatahana hafa iray tany amin’ny birao ambony indrindra teto amin’ny Repoblika Sosialista Estonianina, ary koa tany amin’i Nikolay Shvernik, mpitarika ny Présidium tao amin’ny Sovieta Fara Tampony, izahay. Misy ny tombo-kasen’i Nikolay Shvernik io antontan-taratasy io. Izany dia manambara fa voarainy izy io, ary nandefa kopian’izy io tany amin’i Joseph Staline, lehiben’ny governemantan’ny Firaisana Sovietika, izy. Naka kopia iray tamin’izy io tao amin’ny arisivan’i Tallinn izahay. Izao no vakina eo amin’ny tapany farany amin’ilay fangatahana:
“Angatahinay ny hanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah avy any am-ponja sy ny hitsaharan’ny fanenjehana azy ireo. Tokony havela hitory, tsy misy fanakantsakanana, ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’i Jehovah, amin’ny mponina rehetra eto amin’ny Firaisana Sovietika ny fandaminan’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fikambanana Watchtower Bible and Tract Society; raha tsy izany, dia tena handringana ny Firaisana Sovietika sy ny Antoko Kôminista tokoa i Jehovah.
“Izany dia angatahinay amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, Mpanjaka ao amin’ny Fanjakany, ary koa amin’ny anaran’ireo mpiray finoana aminay migadra rehetra.
“Manao sonia: Vavolombelon’i Jehovah eto Estonia (1 Jona 1949).”
Nihamafy ny fanenjehana
Teo am-panombohan’ny taona 1950, dia naharay nomerao telo tamin’ny Tilikambo Fiambenana nentin’olona avy tany Alemaina izahay. Mba hahafahan’ny rahalahinay kristianina rehetra nandray soa avy tamin’io sakafo ara-panahy io, dia tapa-kevitra izahay fa hanao fivoriambe iray ny 24 Jolay 1950, tao amin’ny trano fanatobiana ahitra an’ny mpianatra ny Baiboly iray teo akaikin’ny vohitr’i Otepää. Nisy fomba nahafantaran’ny KGB ny fikasanay anefa, ary niomana hanao fisamborana tambabe izy ireo.
Nisy miaramila roa kamiao naka toerana tao amin’ny garan-damasinina tao Palupera, gara tokony hialan’ireo rahalahy. Fanampin’izany, dia nisy miaramila namitsaka teo amin’ny lalana avy tany Otepää nankany Palupera, tsy lavitra ny toeran’ny fivoriambe, nitondra radio azo nandefasana hafatra. Rehefa tsy nipoitra ny rahalahy sasany voasoratra teo amin’ny fandaharana, sady nantenainay ho tonga aloha kokoa, dia mahimahina izahay hoe nisy nahafantatra ny fikasanay.
Nentiko niaraka tamiko i Ella Kikas, Vavolombelona iray hafa, ary nandeha môtô nankany amin’ny gara roa alohan’ny hahatongavana ao Palupera, izahay. Vao nijanona indrindra ny lamasinina tamin’izay, ka niakatra izahay sy i Ella, ny iray tany aloha, ny iray tany aoriana, ary nihazakazaka tao amin’ireo kalesin-dalamby, sady nikiakiaka tamin’ny rehetra mba hidina. Rehefa tafidina ireo Vavolombelona, dia nanao fandaharana izahay mba hanaovana ilay fivoriambenay tao amin’ny trano hafa fanatobiana entana ny ampitson’iny. Araka izany, dia tsy nahomby ny fikasan’ny KGB hanao fisamborana tambabe an’ireo Vavolombelona.
Nanomboka anefa ny fisamborana tamin’ny ambaratonga lehibe, roa volana taorian’ilay fivoriambe. Nentina mba halaina am-bavany aho tamin’ny 22 Septambra 1950, ary toy izany koa ireo telo hafa tao amin’ilay komity nanara-maso ny asa fitoriana teto Estonia. Nohazonina nandritra ny valo volana tao amin’ny fonjan’ny KGB, tao Tallinn, teo amin’ny Lalana Pagari, izahay. Taorian’izany, dia nafindra tany amin’ny fonja tsotra, izay nantsoina hoe Battery, teo amin’ny Lalana Kalda, izahay. Nohazonina tao nandritra ny telo volana izahay. Raha nampitahaina tamin’ny fonjan’ny KGB, izay nihazonana anay tao anaty lakaly, ity iray teny amoron’ny Ranomasina Baltika ity, dia toy ny fanaovana vakansy.
Mafy ny fiainana tany Siberia
Tsy ela taorian’izany, dia nosazina folo taona tao amin’ny toby iray tany Noril’sk, lavitra be, any Siberia, aho, niaraka tamin’i Harri Ennika, i Aleksander Härm, i Albert Kose, ary i Leonhard Kriibi. Tsy milentika ny masoandro any, mandritra ny roa volana, amin’ny fahavaratra, ary amin’ny ririnina, dia tsy mipoitra eny am-paravodilanitra ny masoandro, mandritra ny roa volana.
Tamin’ny Aogositra 1951, dia nanomboka ny dingana voalohany tamin’ny dianay tamin’ny lamasinina avy tao Tallinn nankany Noril’sk izahay. Nanao 6 000 kilaometatra teo ho eo izahay, nandalo an’i Pskov, i Saint-Pétersbourg (Leningrad, teo aloha), i Perm’, i Yekaterinburg (Sverdlovsk, teo aloha), i Novosibirsk, ary i Krasnoyarsk, eo amin’ny Ony Yenisey. Tamin’ny farany, teo amin’ny voalohandohan’ny Oktobra, dia nitaingina baka iray tao Krasnoyarsk izahay ary nentina nianavaratra tany amin’ny 1 600 kilaometatra. Tonga tao amin’ny tanànan’i Dudinka, any ambony lavitry ny Faribolan-tendrontany Arktika izahay, tapa-bolana tatỳ aoriana. Nandray lamasinina indray izahay tao Dudinka mba hanao ny dingana nanaraka, izay nisy 120 kilaometatra, nankany Noril’sk. Avy tao amin’ny garan’i Noril’sk, dia nandeha an-tongotra nanao ny 15 kilaometatra farany izahay, nankany amin’ilay toby fiasana an-terivozona, tany ivelan’ny tanàna, tao anaty oram-panala natevina.
Koa satria nisy nangalatra teny ambony baka ny fitafiako ririnina, dia tsy nanana afa-tsy pardesia manify fanao amin’ny fahavaratra, sy satroka iray ary kapa maivana aho. Nihena ny herinay noho ireo herinandro maro nanaovana dia avy tany Tallinn, ary tsy nomena ny anjara sakafo kelinay isan’andro izahay. Koa safotra ny voafonja sasany. Nanampy azy ireny izahay mandra-pisin’ny olona naka soavaly. Avy eo, dia nataonay teo ambony karazan-kalesy mikorisa eo amin’ny oram-panala, notarihin-tsoavaly, izy ireo.
Rehefa tonga tao amin’ilay toby izahay, dia nosoratana anarana, nentina tao amin’ny sauna, ary nomena ny anjara sakafonay ho an’iny andro iny. Nafana erỳ tao amin’ireo trano fitobiana, ka tsy ela dia resin-tory lalina aho. Taitra anefa aho, tamin’ny misasakalina, noho ny fanaintainana mafy tao anaty sofiko. Nomena fikarakarana ara-pitsaboana sy fahazoan-dalana tsy hiasa aho, ny ampitso maraina. Tezitra anefa ireo manam-pahefana tao amin’ilay fonja noho izaho tsy afaka niasa, ka nikapoka ahy. Nahiboka nitokana aho nandritra ny iray volana, satria “nanakorontana ny filaminana tao an-toby”, hono. Soa ihany aho fa nomena fanafody avy tany amin’ny toeram-pitsaboana, ary nody indray ny fahasalamako, noho ny fotoana nitokanako irery.
Ny ririnina voalohany tao amin’ilay toby no mafy indrindra. Tao amin’ny fitrandrahana nikela izahay no niasa, tamin’ny ankapobeny. Nahatrotraka ny asa, ary sakafo kely sady ratsy no nomena anay. Rehefa nahitana soritr’aretina scorbut ny maro, dia notsindronina vitamina C izahay mba ho maivana kokoa ilay aretina. Soa ihany anefa fa nihaona tamin’ny Vavolombelona hafa maro avy tany Moldavia, Polonina, ary Ukraine izahay tao amin’ilay toby.
Niova ny fiainana tao am-ponja
Nanomboka nahazo karama kely ny voafonja tamin’ny lohataonan’ny 1952, ka afaka nividy hanina izahay mba hampitomboana ny sakafo nohaninay. Afa-tsy izany koa, dia nanomboka naharay sakafo tao anaty boaty nisy sosony sandoka, izay nanafenana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, ny Vavolombelona sasany. Indray mandeha, dia naharay boatin-tavin-kena ny Vavolombelona iray avy tany Moldavia. Rehefa lany ilay tavin-kena dia nisy fonom-bavonin-kisoa nipoitra. Nisy nomerao telo tamin’ny Tilikambo Fiambenana tao anatiny!
Niova be ny fiainana tao am-ponja, rehefa maty i Staline tamin’ny 5 Martsa 1953. Tamin’ny voalohany, dia nipoaka ny fitokonana sy ny fikomiana rehefa nisy voafonja nangataka fahafahana. Nisy andian-tafika nirahina mba hampitsahatra ireny. Tany Noril’sk, dia voafonja 120 no novonoina nandritra ny fikomiana iray; nefa tsy voarohirohy tamin’izany ny Vavolombelona, ary tsy nisy tamin’izy ireo novonoina na noratraina. Niato nandritra ny tapa-bolana ny asa tao amin’ilay fitrandrahana nikela, tamin’ny fahavaratry ny taona 1953. Mora kokoa ny fiainana tao am-ponja, taorian’izany. Nafahana ny voafonja sasany, ary nohafohezina ny sazin’ny hafa.
Vavolombelona nahatoky
Taorian’io fotoana nisafotofoto izaitsizy tao an-toby io, dia nafindra ho ao amin’ny toby iray tany atsimo, tany akaikin’ny tanànan’i Tayshet, tao amin’ny provansin’i Irkoutsk, aho. Nihaona tamin’i Artur Indus, izay nampianatra Baiboly ahy tamin’ny voalohany aho tao. Nanda tsy hiasa tamin’ny naha dokotera tao an-toby izy, fa nifidy kosa ny hanao asa nilana herin-tsandry. Hoy izy nanazava: “Ny feon’ny fieritreretako dia tsy namela ahy hanome andro tsy iasana ho an’ny voafonja salama, izay nanana toeram-piandraiketana, nefa ny voafonja tena narary indray noterena hiasa.”
Efa kaozatra sy narary ny Rahalahy Indus tamin’izay, satria tsy nanao asa nilana herin-tsandry firy izy taloha. Na izany aza, dia nilaza tamiko izy hoe tsapany ho nanatsara ny fahasalamana ara-panahin’ny fony ny fijaliany. Tafaraka nandritra ny roatokom-bolana teo ho eo izahay. Avy eo, dia nentina tany amin’ny hopitalin’ny toby izy, ary maty tany tamin’ny Janoary 1954. Ao amin’ny toerana iray, any an’alan’ny faribolan-tendrontany arktika midadasika no misy ny fasany, tsy nasiana ny anarany akory. Kristianina maty nahatoky izy, ary miandry ny fitsanganana amin’ny maty.
Fanafahana sy dia lavitra nitondra nody
Tamin’ny 1956, dia nisy Vaomieran’ny Présidium tao amin’ny Sovieta Fara Tampony nirahina tao amin’ny toby nisy anay mba hamerina hijery ny antontan-taratasin’ireo voafonja. Rehefa niseho teo anatrehan’ilay vaomiera aho, dia nanontany ahy toy izao ilay jeneraly tompon’andraikitra: “Inona izao no hataonao rehefa afaka eto ianao?”
“Ho hita eo ihany, rehefa tonga izany fotoana izany”, hoy aho namaly.
Niangaviana aho hivoaka ilay efitra, ary rehefa nasaina niditra indray aho, dia nilaza ilay jeneraly hoe: “Ianao no fahavalo ratsy indrindran’ny Firaisana Sovietika, fahavalo ara-pirehan-kevitra ianao.” Na izany aza, dia nanampy teny toy izao izy: “Havelanay handeha ianao, nefa hanara-maso anao izahay.” Nafahana àry aho tamin’ny 26 Jolay 1956.
Nandritra ny roa andro, dia niaraka tamina Vavolombelona ukrainiens tany Suyetikha aho, mba hitsidika vohitra iray tany akaikin’i Tayshet, izay nanaovana sesitany azy ireo tamin’ny 1951. Nijanona nandritra ny efatra andro tao amin’ny distrikan’i Tomsk, akaikin’ny toerana nanaovana sesitany an’i Neny, aho avy eo. Avy teo amin’ny gara, dia nandeha an-tongotra 20 kilaometatra aho, mba ho any amin’ny vohitr’i Grigoryevka. Toe-piainana ratsy kokoa noho ny hitan’ny maro taminay tany amin’ireo toby no hitako tao! Nafahana avy tany am-ponjan’ny toby iray tany Kazakhstan i Leida, anabaviko, ary tonga teo amin’ilay faritra, volana vitsivitsy taloha kokoa, mba hiaraka tamin’i Neny. Kanefa, mbola tsy afaka niverina tatỳ Estonia izy, satria nohazonina ny pasipaorony.
Teo ambany fanerena teto Estonia
Tamin’ny farany, dia tonga teto Estonia niaviako indray aho, ary namantana avy hatrany tany amin’ilay toeram-pambolen’ny ray aman-dreniko. Hitako, araka ny honohono tany Siberia, fa noravan’ny fanjakana avokoa ny tranonay rehetra! Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia voan’ny lefakozatra aho. Tany amin’ny hopitaly nandritra ny fotoana lava aho, ary nanohy ny fitsaboana taorian’izany. Mbola mikotringa foana aho hatramin’izao, rehefa mandeha.
Tsy ela dia nahita asa tao amin’ny kompania iray, ny Lehtse Peat Company, izay niasako nandritra ny fahavaratry ny taona 1943 aho. Tamin’ny alalan’izy ireo no nanomezana ahy efitra nipetrahana, ary rehefa nody avy tany an-tsesitany i Neny sy i Leida, tamin’ny Desambra 1956, dia tonga mba hiara-mipetraka tamiko tao Lehtse izy ireo.
Tamin’ny Novambra 1957, dia nivady izahay sy i Ella Kikas, izay vao niverina koa avy tany amin’ny tobin’ny voafonja tany Siberia. Nifindra teto Tartu izay nahazoanay efitra kely tao amin’ny tranon’olona manokana iray izahay, roa volana taorian’izay. Afaka nahita asa aho tamin’ny farany: mpamily fiara tao amin’ny Kaoperativan’ny Mpanjifa, tao amin’ny Distrikan’i Tartu.
Fony tany Siberia aho, dia nandika lahatsoratra fianarana niisa folo tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, avy tamin’ny teny rosianina ho amin’ny teny estonianina, ary nentiko nody izy ireny. Naharay ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray izahay tatỳ aoriana, ary nadikanay ho amin’ny teny estonianina koa izy io. Nanao kopia an’ilay boky tamin’ny alalan’ny milina fanoratana izahay avy eo. Teo anelanelan’izany, dia nikiry tamin’ny fanaraha-maso anay ihany ny KGB. Koa satria efa fantatray tsara ny fomba fanaony, dia mailo hatrany izahay ary nitandrina, toy ny biby hazaina.
Lasibatry ny KGB
Tany am-piandohan’ireo taona 1960, dia nanao fampielezan-kevitra fanendrikendrehana an’ireo Vavolombelona ny KGB. Izahay mivady no tena lasibatra. Nanomboka namoaka lahatsoratra feno endrikendrika ny gazety, ary nandevilevy anay mafy ny radio sy ny televiziona. Indroa ny KGB no nanao fivoriana ampahibemaso tao amin’ny toeram-piasako. Afa-tsy izany koa, dia nisy tantara an-tsehatra feno fanesoesoana ahy nataon’ireo mpilalao matihanina tao amin’ny Estonia Theater, tao Tallinnn. Ilay toe-javatra dia nampahatsiahy ahy ny tenin’i Davida manao hoe: “Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ny mpisotro toaka an-kira aho.” — Salamo 69:12.
Nitohy hatramin’ny taona 1965 ireny ezaka hanalam-baraka anay ireny. Tamin’io taona io mantsy no nanaovany fivoriana farany tao amin’ny Worker’s Public Health Building, teto Tartu. Samy tao na izaho na i Ella, mbamin’ny olon’ny KGB ary vahoaka nahafeno trano. Imbetsaka no nitehaka ny mpanatrika rehefa nadinadinina i Ella. Nazava fa nomba anay ny mpanatrika. Diso fanantenana ireo olon’ny KGB, ary sosotra noho ny fiafaran’ny fisehoan-javatra.
Nahazo fahafaham-po ny hetaheta ara-panahy
Na dia niezaka nisakana ny fiparitahan’ny zavatra vita an-tsoratray aza ny Kôminista, dia afaka nanome sakafo ampy ho an’ireo rahalahinay kristianina izahay, tokotokony ho taorian’ny taona 1965. Kanefa, nitaky fotoana sy hery betsaka ny asa niafina nataonay teo amin’ny fandikan-teny sy ny fanaovana pirinty avy eo. Indray mandeha, dia nilaza toy izao tamiko ny olona iray anisan’ny KGB, rehefa nanisy firesahana momba ny asa niafina sy ny fomba fitaterana zavatra vita an-tsoratra nataoko: “Mitovy amin’ny valizy iray misy fanambaniny sandoka ianao, ry Toom.”
Mazava ho azy fa tsy maintsy natao tamim-piafenana sy nataon’antokon’olom-bitsy ny fivorianay, ary natao tsy ara-potoana ny fitorianay. Tsy maintsy niomana ireo rahalahy hoe nety hisy hisava ny tranony, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona. Koa tsy maintsy nafenina tsara àry ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower. Kanefa, na dia tao anatin’izany tarehin-javatra izany aza, dia mbola nahitana ihany olona maro tia ny fahamarinana ara-baiboly sy niandany tamin’ilay Fanjakana.
Rehefa nanomboka nanao fanavaozana i Mikhaïl Gorbatchev, Praiminisitra sovietika tamin’ireo taona 1980, dia takatray fa hisy fahalalahana hanompo bebe kokoa an’Andriamanitra. Tamin’ny farany, tamin’ny 1991, dia rava ny Firaisana Sovietika, ary nahazo fanekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’izao fotoana izao, dia misy kôngregasiôna efatra eto Tartu, ary tsy andrinay ny hahavitan’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana anay manokana. Misy Vavolombelona maherin’ny 3 800 ankehitriny mandray anjara amin’ny fanompoana eto Estonia, raha oharina amin’ny Vavolombelona 40 na 50, fony aho nanomboka nitory, efa antsasa-taonjato mahery lasa izay.
Fiainana kristianina mahafa-po
Tsy nisalasala mihitsy aho, fony niandany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, raha fanapahan-kevitra tsara no noraisiko. Feno fahafaham-po lalina ny foko rehefa mitodika ny lasa aho, ary faly mahita ny fandaminan’i Jehovah manohy mandroso amin-kery, ary faly koa noho ireo olona mbola mihamaro hatrany maniry hanompo an’i Jehovah.
Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny fitiavany sy ny fiarovany anay mivady nandritra ireny taona maro ireny. Nampahatanjaka anay ara-panahy ny fitadidiana fa efa tena antomotra ny fandehan-javatra marin’i Jehovah. Eny tokoa, eo am-pandinihanay ny fitomboana mahatalanjona eo amin’ny isan’ireo izay manompo an’i Jehovah, dia miaiky izahay fa tsy ho very maina ny fahorianay. — Hebreo 6:10; 2 Petera 3:11, 12.
[Sarintany, pejy 12, 13]
(Jereo ny gazety)
Sarintany mampiseho ny dia naharitra roa volana avy tany Tallinn, nankany amin’ilay toby malaza ratsin’i Noril’sk
Tallinn
Pskov
Saint-Pétersbourg
Perm’
Yekaterinburg
Novosibirsk
Krasnoyarsk
Dudinka
Noril’sk
FARIBOLAN-TENDRONTANY ARKTIKA
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 14]
Artur Indus, maritiora kristianina tomady sy be herim-po
[Sary, pejy 14]
Ireo voafonja tany Siberia, tamin’ny 1956. Fahefatra avy amin’ny ankavia aho, eo amin’ny laharana andamosina
[Sary, pejy 15]
Miaraka amin’ny vadiko, eo anoloan’ny foiben’ny KGB teo aloha, izay nakana am-bavany anay matetika