3E “Gehena”—Midika Fandringanana Tanteraka
Heb.: הנם גי (geh hinnôm, “lohasahan’i Hinoma”); gr.: γέεννα (geenna); lat.: ge·henʹna
“Lohasahan’i Hinoma” no dikan’ny hoe “Gehena”, satria io no teny grika mifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe geh hinnôm. Hita ao amin’ny Js 18:16 ilay teny hoe “lohasahan’i Hinoma”, ary “Geenna” no nandikana izany tao amin’ny LXX. Hita in-12 ny hoe “Gehena” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ka ao amin’ny Mt 5:22 ny voalohany. Nadika hoe “Gehena” foana izy io ato amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: Mt 5:22, 29, 30; Mt 10:28; 18:9; Mt 23:15, 33; Mr 9:43, 45, 47; Lk 12:5; Jk 3:6.
Tany atsimoandrefan’i Jerosalema fahiny no nisy ny lohasahan’i Hinoma. (Js 15:8; 18:16; Je 19:2, 6) Nampiasaina hivavahana tamin’i Moleka, andriamanitry ny mpanompo sampy, izy io tamin’ny andron’ireo mpanjaka farany tao Joda, ary nisy olombelona nodorana ho sorona ho an’io sampy io. (2Ta 28:3; 33:6; Je 7:31, 32; 32:35) Nasain’i Josia mpanjaka tsy nivadika nolotoina ilay toerana, indrindra ilay faritra nantsoina hoe Tofeta, mba tsy hivavahan’ny olona teo intsony.—2Mp 23:10.
Nanazava ny Sl 27:13 i David Kimḥi (1160?-1235?), Jiosy mpivaofy teny, ka nilaza toy izao momba ny tantaran’i “Gehinnôm”: “Teo akaikin’i Jerosalema izy io, ary toerana naharikoriko, fanariana zavatra maloto sy faty. Nisy afo nirehitra foana tao mba handoroana ny zavatra maloto sy ny taolam-paty. Nampiasaina hilazana an’ohatra ny fanamelohana ny ratsy fanahy àry ny hoe Gehinnôm.”
Nanjary toerana fanariam-pako sy fandoroana ny loton’i Jerosalema ny lohasahan’i Hinoma. Natsipy tao ny fatim-biby mba ho levon’ny afo. Nirehitra foana ilay afo, satria nasiana solifara. Natsipy tao koa ny fatin’ny mpanao heloka bevava, izay noheverina fa tsy mendrika ny halevina amin’ny fomba mihaja any am-pasana. Raha latsaka tao anaty afo ireny faty ireny dia levona. Raha latsaka teny amin’ny sisin’ilay tevana lalina kosa izy ireny, dia nihalò ny nofo ka nanjary feno kankana na olitra, izay tsy maty raha tsy efa nahalany ny nofo ka taolana sisa no tavela.
Tsy nisy biby na olona velona natsipy tao amin’ny Gehena mba hodorana na hampijalina. Tsy marina mihitsy àry ny hoe toerana tsy hita maso ampijalijaliana mandrakizay ny fanahin’ny olona amin’ny afo ara-bakiteny ny Gehena, na koa toerana misy kankana tsy mety maty izay mihinana mandrakizay ny fanahin’ny olona. Natsipy tao amin’ny Gehena ny fatin’ny mpanao heloka bevava tsy azo nalevina tamin’ny fomba mihaja tany am-pasana. Ny fasana dia manondro ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Noho izany, ny Gehena dia nampiasain’i Jesosy sy ny mpianany hilazana fandringanana mandrakizay, fanafoanana tsy ho eo amin’izao rehetra izao, na “fahafatesana faharoa”, izany hoe sazy mandrakizay.
Noheverina ho ny sazy ratsy indrindra ho an’ny olona iray àry ny hoe atsipy ao amin’ny Gehena ny fatiny. Avy tamin’ilay Gehena ara-bakiteny sy ny dikan’io teny io, ilay teny an’ohatra hoe “farihy mirehitra afo sy solifara.”—Ap 19:20; 20:10, 14, 15; 21:8.