1B Ny Nanovan’ireo Mpanora-dalàna ny Anaran’Andriamanitra
Ireo fanovana 134
Novan’ny Soferima jiosy (mpanora-dalàna) ho ʼAdônai ny YHWH tao amin’ny toerana 134, tao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany. Hoy Ny Masoraha (anglisy) nataon’i C. Ginsburg (Gins.Mas), Boky Faha-4, p. 28, feh. 115: “Ao amin’ny soratra ananantsika ankehitriny, dia Adônai no misoratra ao amin’ny ankamaroan’ireo toerana efatra amby telopolo amby zato ireo, araka ny hita ato amin’ity Masoraha ity. Hitanay fa ny Litera Efatra no misoratra ao amin’ireo toerana ireo, ao amin’ny ST sasany, izay anisan’ny tsara indrindra, sy ao amin’ireo fanontana voalohandohany [amin’ny Soratra Hebreo]. Inona àry no nahatonga ilay tsy fitoviana? Tsy saro-tadiavina ny valin’izany. Efa hatramin’ny fahagolan-tany ireo lalàna jiosy no nandidy fa Adônai no tokony holazaina rehefa mahita ilay anarana tsy azo tononina, ka toy ny hoe אדני [ʼAdônai] no voasoratra teo fa tsy hoe יהוה [YHWH]. Noho izany, isaky ny nahita ireo Litera Efatra tsy azony notononina ireo mpanao dika mitovy, dia tonga dia nosoloany tamin’ilay teny voalaza fa tokony hanononana azy izany.”
Indro ny lisitr’ireo toerana 134 ireo, araka ny Gins.Mas, Boky I, p. 25, 26, feh. 115:
Ge 18:3, 27, 30, 31, 32; Ge 19:18; Ge 20:4; Ek 4:10, 13; Ek 5:22; Ek 15:17; Ek 34:9, 9; No 14:17; Js 7:8; Mpts 6:15; Mpts 13:8; 1Mp 3:10, 15; 1Mp 22:6; 2Mp 7:6; 2Mp 19:23; Ezr 10:3; Ne 1:11; Ne 4:14; Jb 28:28; Sl 2:4; Sl 16:2; Sl 22:30; Sl 30:8; Sl 35:17, 22, 23; Sl 37:13; Sl 38:9, 15, 22; Sl 39:7; Sl 40:17; Sl 44:23; Sl 51:15; Sl 54:4; Sl 55:9; Sl 57:9; Sl 59:11; Sl 62:12; Sl 66:18; Sl 68:11, 17, 19, 22, 26, 32; Sl 73:20; Sl 77:2, 7; Sl 78:65; Sl 79:12; Sl 86:3, 4, 5, 8, 9, 12, 15; Sl 89:49, 50; Sl 90:1, 17; Sl 110:5; Sl 130:2, 3, 6; Is 3:17, 18; Is 4:4; Is 6:1, 8, 11; Is 7:14, 20; Is 8:7; Is 9:8, 17; Is 10:12; Is 11:11; Is 21:6, 8, 16; Is 28:2; Is 29:13; Is 30:20; Is 37:24; Is 38:14, 16; Is 49:14; Ft 1:14, 15, 15; Ft 2:1, 2, 5, 7, 18, 19, 20; Ft 3:31, 36, 37, 58; Ezk 18:25, 29; Ezk 21:9; Ezk 33:17, 20; Da 1:2; Da 9:3, 4, 7, 9, 15, 16, 17, 19, 19, 19; Am 5:16; Am 7:7, 8; Am 9:1; Mi 1:2; Za 9:4; Ml 1:12, 14.
Naverinay ho toy ny tany am-boalohany ny 133 ka nadikanay hoe “Jehovah.” Ny hany naningana dia ny Sl 68:26 satria efa nisy ny Litera Efatra izy io, tao amin’ny BHK sy ny BHS.
Fanovana valo hafa
Nosoloan’ny Soferima jiosy hoe ʼElôhim ny Litera Efatra tao amin’ny toerana sasany, araka ny Fanazavana Ankapobeny An’ireo Fanamarihana avy amin’ny Masoraha Momba ny Baiboly Hebreo (anglisy) nataon’i Ginsburg, p. 368, 369. Naverinay ho toy ny tany am-boalohany ny tao amin’ny toerana valo (Sl 14:1, 2, 5; Sl 53:1, 2, 4, 5, 6), ka nadikanay hoe “Jehovah.”
Araka izany, dia naverinay tao amin’ireo toerana 141 voalaza etsy ambony ny Litera Efatra, ka nadikanay hoe “Jehovah.”