FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bi12 p. 1864-1866
  • 2A Fandikana Litera Hebreo sy Grika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2A Fandikana Litera Hebreo sy Grika
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
2A Fandikana Litera Hebreo sy Grika

2A Fandikana Litera Hebreo sy Grika

Ny fandikana litera dia fanoloana ny literan’ny fiteny iray ho amin’ny literan’ny fiteny iray hafa. Soratana amin’ny litera romanina fampiasa amin’ny teny malagasy ireo litera vahiny.

Fandikana ny litera HEBREO

Avy any ankavanana mankany ankavia ny fanoratana ny teny hebreo. Rehefa nandika ireo litera hebreo anefa izahay, dia nosoratanay avy any ankavia miankavanana, mba ho azon’ny Malagasy vakina. Hita eto ambany ny abidy hebreo, sy ny fitsipika ankapobeny nandikana azy ato amin’ity Baiboly ity.

Litera Renisoratra Mifanitsy Aminy

א Alefa ʼ

בּ Beta b

ב v

גּ Gimela g

ג g

דּ Daleta d

ד d

ה He h

ו Vao v

ז Zaina z

ח Heta h

ט Teta t

י Yôda y

כּ Kafa k

כ Litera farany: ך k

ל Lameda l

מ Litera farany: ם Mema m

נ Litera farany: ן Nona n

ס Sameka s

ע Aina ʽ

פּ Pe p

פ Litera farany: ף f

צ Litera farany: ץ Tsade ts

ק Kôfa k

ר Resa r

שׂ Sina s

שׁ Shina sh

תּ Tao t

ת t

Zanatsoratra feno

ָ (tononina maharitra) Kametsa a (oh.: alina)

ַ Pataha a (oh.: faly)

ֵ (tononina maharitra) Tsere e (oh.: very)

ֶ Segôla e (oh.: mena)

ִ Hireka i (oh.: ankizy)

ֹ (tononina maharitra) Hôlema ô (oh.: baolina,

tononina hoe bôlina)

ָ Kametsa Hatofa ô (oh.: sôva)

ֻ Kibotsa o (oh.: moka)

ִ Shoreka o (oh.: roa)

Zanatsoratra tsy feno

ְ Sheoa e tsy misy tsindrimpeo,

na e tsy tononina

ֲ Hatefa Pataha a (oh.: tady)

ֱ Hatefa Segôla e (oh.: mety)

ֳ Hatefa Kametsa ô (oh.: naoty,

tononina hoe nôty)

Zanapeo Sosona

י ָ = ay י ִ = i

י ַ = ay וֹ = ôh

י ֵ = e וּ = o

י ֶ = ey יו ָ = av

MOMBA NY ZANATSORATRA: Eo ambanin’ny renisoratra no misy ny zanatsoratra rehetra, afa-tsy ny Hôlema ( ֹ), izay soratana eo amboniny, sy ny Shoreka ( ִ), izay atao ao anatin’ny Vao (וּ = o). Samy azo anononana an’ilay zanatsoratra hebreo hoe ( ָ) avokoa, na ny Kametsa “a”, na ny Kametsa Hatofa “ô.” Raha ao anatin’ny vaninteny miafara amin’ny renisoratra sady tsy misy tsindrimpeo io zanatsoratra hebreo io, dia tononina hoe ô, toy ny ao amin’ny hoe sôva, nefa tsy atao maharitra. Tononina hoe “ô” koa izy io rehefa misy Sheoa tsy tononina ao aoriany (oh.: חָכְמָה, hôkmah). Toy izany koa rehefa misy Dagesa Mafy ny renisoratra ao aoriany, nefa tsy misy tsindrimpeo (Dagesa Mafy: teboka eo afovoan’ny renisoratra izay mahatonga azy haverina indroa; oh.: חָנֵּנִי, hônneni). Tononina hoe “ô” koa izy io rehefa arahina Makefa (tsipi-panohizana eo ambony), izay manafoana ny tsindrimpeo rehetra eo alohany (oh.: כָּל־אֲשֶׁר, kôl-asher). Mbola tononina hoe “ô” koa izy io nefa tsy tononina maharitra, raha Hatefa Kametsa no ao aoriany.

Tononina hoe a toy ny ao amin’ny hoe alina kosa ilay zanatsoratra hebreo hoe ( ָ), raha miafara amin’ny zanatsoratra ny vaninteny misy azy (oh.: יָקוּם, yakom), na koa miafara amin’ny renisoratra fa misy tsindrimpeo (oh.: למָּה ֽ ָ, lammah). Raha misy Metega (tsipika kely mijidina izay mariky ny tsindrimpeo malefaka) kosa miaraka amin’ny Kametsa, dia lasa miafara amin’ny zanatsoratra ilay vaninteny, ka manjary tononina ny Sheoa (oh.: אכְלָה ֽ ָ, akelah).

MOMBA NY ZANATSORATRA TSY FENO: Natao mitovitovy amin’ny fanononana tany am-boalohany fotsiny ny fandikana azy ireo. Zara raha tononina ireo zanatsoratra tsy feno ireo, amin’ny teny hebreo.

Tononina ny Sheoa ary adika hoe e, 1) rehefa eo ambanin’ny renisoratra eo am-piandohan’ny vaninteny (oh.: קְטֹל, ketôl); 2) rehefa eo ambanin’ny renisoratra aorian’ny vaninteny miafara amin’ny zanatsoratra, izay vaninteny misy Metega (oh.: קטְלָה ֽ ָ, katelah); 3) rehefa eo aorian’ny zanatsoratra tononina maharitra (oh.: שׁוֹמְרִים, shôhmerim); 4) rehefa misy Sheoa roa mifanarakaraka eo afovoan’ny teny iray, ka ilay faharoa no tononina fa tsy ilay voalohany (oh.: יִקְטְלוּ, yiktelo); na 5) rehefa eo ambanin’ny renisoratra miverin-droa (oh.: קִטְּלוּ, kittelo). Rehefa eo aorian’ny zanatsoratra tsy tononina maharitra anefa ny Sheoa, na rehefa eo ambanin’ny renisoratra mamarana vaninteny, dia tsy tononina izy io fa fanasarahana vaninteny fotsiny (oh.: יִקְטֹל, yiktôl).

Fandikana ny litera GRIKA

Litera Anarany Mifanitsy Aminy sy ny Fanononana Azy*

Α α Alfa a

Β β Beta b

Γ γ Gama g, (oh.: gana#)

Δ δ Delta d

Ε ε Epsilôna e, tsy tononina maharitra (oh.: nefa)

Ζ ζ Zeta z

Η η Eta e, tononina maharitra (oh.: ve)

Θ θ Teta t

Ι ι Iôta i (oh.: ankizy)

Κ κ Kapa k

Λ λ Lambda l

Μ μ My m

Ν ν Ny n

Ξ ξ Ksi ks

Ο ο Ômikrôna ô, tsy tononina maharitra (oh.: sôva)

Π π Pi p

Ρ ρ Rô r

Σ σ, ς* Sigma s

Τ τ Tao t

Υ υ Ypsilôna y na o*

Φ φ Fi f (oh.: faly)

Χ χ Ki k

Ψ ψ Psi ps (oh.: ejipsianina)

Ω ω Ômega ô, tononina maharitra

(oh.: baolina tononina hoe bôlina)

* Tsy mitovy fanonona amin’ny teny grika maoderina.

# Kentsona rehefa eo alohan’ny κ, ξ, χ, na γ hafa, ary tononina hoe n toy ny ao amin’ny hoe tonga.

* Rehefa faran-teny ihany ny Sigʹma vao ampiasaina io.

* Tononina hoe o ny Ypsilôna rehefa izy no zanapeo tononina faharoa amin’ny zanapeo roa mifanarakaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara