Tafavoaka Soa Aman-tsara Aho Noho ny Fanampian’Andriamanitra
Notantarain’i Vazir Asanov
Niarina haingana teo am-pandriana aho, nofatorako teo amin’ny andilako ny Baiboly, ary niakanjo aho. Avy eo dia nahorongoroko ny akanjoko vitsivitsy, napetrako teo ambony fandriana, ary norakofako bodofotsy mba ho toy ny olona matory. Nitsambikina teo am-baravarankely aho avy eo, ary nihazakazaka nankany amin’ny Efitrano Fanjakana sady nangataka ny fanampian’Andriamanitra. Tamin’ny 1991 izany no nitranga, tamin’izaho 14 taona.
TERAKA tany amin’ny faritra atsimon’i Kazakhstan, anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha, aho. Teratany kurde izahay. Nalentiky ny fianakaviako tao an-tsaiko fa afaka ny ho tonga mpitondra sy mpanafaka ny mpiray tanindrazana amiko aho. Lasa nankahala ny fahavalon’ny Kurdes àry aho, ka vonona ny hamono azy ireo mba hanafahana anay tamin’ny fampahoriana.
Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izaho sy ny zandriko lahy ary Neny, taloha kelin’ny 1990. Tsy navelan’i Dada hifanerasera tamin’ny olona nanaraka ny Fivavahana Kristianina anefa izahay. Tsy fanaon’ny Kurdes ny tsy mankatò loham-pianakaviana, nefa notohiziko foana ny fianarako. Tiako i Dada, nefa tiako koa ny fahamarinana nianarako tao amin’ny Baiboly.
Fanoherana
Nahita gazety Tilikambo Fiambenana tao anaty kitapoko ny mpampianatra anay, indray andro, ary noresahiny tamin’i Dada sy Neny izany. Tezitra be i Dada. Nokapohiny mafy aho ka nandeha ra be ny oroko. Nivazavaza izy hoe: “Mbola mivavaka any ihany moa ialahy io?”
Nilaza i Dada avy eo fa tsy horaisiny ho zanany intsony aho. Nalahelo be aho nandre izany! Nihatakatahan’ny mpiara-mianatra tamiko koa aho, ary nisy aza naneso ahy teny imasom-bahoaka. Nataon’ny mpampianatra ratsy ny naotiko. Nanaratsy ny fivavahako izy ireo matetika, mba hitaomana ahy tsy hino an’Andriamanitra toa azy ireo.
Na dia teo aza izany, dia namonjy fivoriana kristianina sy nitory foana aho. Fantatr’i Dada tatỳ aoriana fa mbola namaky Baiboly sy niaraka tamin’ny Vavolombelona ihany aho. Nitady tetika hivoahana ny trano aho, indray alahady, mba hahafahako hivory. Tonga dia nasain’i Dada nandeha natory aho. Hoy izy: “Tsy maintsy matory ialahy isaky ny alahady hoatran’izao.” Hofaiziny mafy, hono, aho raha tsy mankatò, ary fantatro fa tsy nivazivazy izy.
Nitomany aho sady nitalaho tamin’i Jehovah mba hanalefahany ny fon’i Dada. Tsy niova anefa izy. Tsaroako ny fampahoriana ny Israelita tany Ejipta. Tsapako hoe hoatran’i Farao i Dada, dia ilay mpanjaka tsy namela ny Israelita hivavaka tamin’i Jehovah.—Eksodosy 5:1, 2.
Nandray fanapahan-kevitra
Tapa-kevitra ny handeha hivory aho, indray alahady. Nitebiteby aho teo ambony fandriana ary nivavaka mangina. Mody natory be aho rehefa niditra tao amin’ny efitranoko i Dada sy Neny. Faly erỳ i Dada niteny hoe: “Zaza mankatò ray aman-dreny ange ity zanako ity e!” Norohany aho ary nivoaka moramora izy ireo. Notohiziko indray ny vavaka nataoko.
Niarina haingana aho, nony lasa kelikely izy ireo. Nalaiko tao ambany fandriana ny kiraroko ary nitsambikina teo am-baravarankely aho, araka ilay notantaraiko terỳ aloha. Vetivety dia tapitra ilay fivoriana naharitra adiny roa. Nanahy aho rehefa nody. Soa ihany anefa fa tsy niteny tamin’i Dada i Neny, na dia fantany aza hoe tsy izaho ilay tao am-pandriana fa ny akanjoko. Nilaza anefa izy fa halazany amin’i Dada aho amin’ny manaraka raha mbola manao.
Nilaza tamin’i Dada sy Neny aho tamin’ny 1992, fa hanatrika fotoan-dehibe ny namako iray ary nasainy hiaraka aminy aho. Tsy inona io fotoan-dehibe tiako hatrehina io fa ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natao tao Taraz, 100 kilaometatra eo ho eo avy tao Karatau, tanàna nisy anay. Hatao batisa amin’io fivoriambe io aho, ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah. Nangataka voana tanamasoandro eran’ny siô tamin’i Neny àry aho. Nendasiko ilay izy ary namidiko teny an-tsena. Izany no nahazoako saran-dalana namonjena fivoriambe.
Nanontany ahy i Dada rehefa niverina aho, raha nahafinaritra ny fiarahako tamin’ilay namako. Namaly aho hoe: ‘Tena nahafinaritra be ka.’ Tsapako hoe nanampy ahy i Jehovah, satria tsy nanontany na inona na inona ankoatra izay izy. Tena tiako ny voalazan’ny Ohabolana 3:5, 6 hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”
Nihanalemy finoana aho
Mbola nanohitra foana i Dada taorian’ny batisako. Mbola hitany niaraka tamin’ny Vavolombelona aho, ka nahazo kapoka mandrivorivo, na teny imason’olona izany na tsia. Nambanina foana aho saika ho isan’andro, ary noterena hiala tamin’ny finoako. Matetika aho no nitomany. Vao nahazo fahaleovan-tena i Kazakhstan tamin’izay, ka nampirisihin’ny fianakaviako hanao politika aho mba hahafahako hanasoa ny fiaraha-monina. Nihevitra izy ireo fa tsy nahay nanararaotra ny tombontsoa tokony ho azoko aho.
Lasa nalaza tamin’ny fanatanjahan-tena ny zokiko lahy, ka nampirisika ahy hanahaka azy i Dada. Nirotsaka teo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena koa aho, tamin’ny faramparan’ny 1994. Tsy ela dia lasa nalaza tamin’ny fahaizana manao baolina kitra sy atletisma aho, ary nahazo loka be dia be. Nanomboka nianatra lalàna koa aho, mba hahafahako hiaro ny zon’ny Kurdes. Lasa nanao politika mihitsy aza aho, ary nieritreritra ny hanangana antokon’ny tanora kurdes. Nidera ahy erỳ i Dada tamin’izany.
“Nandresy ianao ry Dada”
Lasa nalemy finoana aho, ary tsy namaky Baiboly sy tsy nanatrika fivoriana intsony. Nanamboatra ny saiko aho hoe hiverina hanompo an’i Jehovah aho rehefa ampy taona. Nanontany ahy i Dada, indray mandeha, raha mbola miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Namaly aho hoe: “Tsy miaraka amin-dry zareo intsony aho ka. Nandresy ianao ry Dada. Faly amin’izay ve ianao izao?” Faly be izy nandre izany, ka hoy izy: “Izao ialahy vao tena zanako!”
Tsy nanatrika fivoriana aho nandritra ny roa taona. Mba te handeha ihany aho indraindray kanefa menatra. Nihevitra mantsy aho fa tsy hahatakatra ny manjo ahy mihitsy ny olona tany am-pivoriana.
Niaiky anefa aho fa tsy misy tsara noho ny manompo an’i Jehovah, sady izaho koa moa tia azy rahateo. Noteren’i Dada hianatra tany amin’ny oniversite aho tatỳ aoriana. Nanaiky aho tamin’ny farany, ary nampanantena mihitsy aza fa hamita ny fianarako sady hiezaka hahazo naoty ambony. Nino anefa aho tamin’izay fa hahita Vavolombelon’i Jehovah rehefa handranto fianarana eto Almaty, tanàn-dehibe atỳ amin’ny faritra atsimon’i Kazakhstan.
Fiovana nahafaly
Nahita Vavolombelona roa nitory teny amin’ny araben’i Almaty aho, taoriana kelin’ny nianarako teny amin’ny oniversite. Nanatona ahy izy ireo, ary nanontany hoe: “Araka ny hevitrao, iza no mpitondra an’izao tontolo izao?”
“I Satana Devoly”, hoy aho, “ilay fahavalon’i Jehovah sy ny olombelona rehetra.” (2 Korintianina 4:3, 4) Nolazaiko tamin’izy ireo fa Vavolombelona vita batisa aho saingy tsy mitory intsony.
Niverina nianatra Baiboly àry aho tamin’ny faramparan’ny 1996, ary naniry mafy hanompo an’i Jehovah indray rehefa nianatra kelikely. Nanomboka nandray anjara tamin’ny lafim-panompoana rehetra nataon’ny Vavolombelona teto Almaty aho, ary nirotsaka ho mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, tamin’ny Septambra 1997.
Tonga nitsidika ahy i Dada, herintaona taorian’izay. Nihazakazaka nanatona azy aho, ary nifamihina izahay mianaka. Nifona tamiko izy noho izay rehetra nataony tamiko. Nilaza izy fa tsy takany mihitsy ny fomba fihevitro hatramin’izay, ary tsy azony ny zavatra inoako. Nilaza aho avy eo hoe: “Tena tiako ianao ry Dada.”
Faly erỳ aho fa nandray boky ara-baiboly izy. Nangataka Baiboly koa izy satria te hamaky azy io hatramin’ny farany, hono. Tonga nitsidika ahy indray izy herintaona tatỳ aoriana, ary niaraka taminy i Neny. Niaraka tamiko nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo. Nandray tsara azy mivady ireo rahalahy sy anabavy avy amin’ny firenena samihafa, ary samy nampahafantatra ny tenany. Tena nanohina ny fon’i Dada izany, ka lasa tia namaky ny boky sy gazetin’ny Vavolombelona izy.
Nahazo fitahiana tondraka
Nanambady tovovavy rosianina mahafatifaty atao hoe Yelena aho tamin’ny Septambra 2001. Vita batisa tamin’ny 1997 izy ary nirotsaka ho mpisava lalana tamin’ny Mey 2003. Faly be izahay nandre fa nanomboka nianatra Baiboly i Dada sy Neny ary efa manao fandrosoana. Tsy nino anefa aho raha tsy ny sofiko mihitsy no nandre an’i Dada niteny. Nilaza tamiko tamin’ny telefaonina izy fa i Jehovah irery ihany no tena Andriamanitra.
Faly erỳ aho fa afaka mampianatra Baiboly olona avy amin’ny firenena samihafa, eto Almaty. Misy avy any Chine, Iran, Pakistan, Syria, ary Torkia. Vao haingana izay, dia niangavy ahy ny pretra iranianina iray mba hampianatra Baiboly azy amin’ny fiteniny, dia ny fiteny persianina. Talanjona koa ny lehilahy iray, jeneraly tao amin’ny tafika tany Afghanistan taloha, rehefa nianatra momba an’i Jehovah. Faly koa aho nampianatra olona iray avy any Syria, tamin’ny fiteny kurde. Misy kosa nianatra tamin’ny fiteny kazakh sy rosianina, izay fiteny haiko hatramin’ny fahakeliko.
Misy fiangonana 35 izao eto Almaty, ary ao amin’ny fiangonana iray mampiasa fiteny kazakh izahay no mivory. Nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy lavitra an’i Almaty izahay mivady, tamin’ny herintaona, ary mpiasa tsy maharitra izahay tamin’izany. Vao vita vao haingana io biraon’ny sampana io tamin’izay.
Nampianarina hankahala ny fahavaloko aho taloha, fa nampianarin’i Jehovah ho tia ny olona rehetra kosa aho tatỳ aoriana. Miaiky aho fa tokony hiezaka hampifaly an’i Jehovah foana isika, na dia manakana antsika aza ny havana sy ny namana tsara sitrapo. (Galatianina 6:9) Faly erỳ aho izao satria ‘be atao amin’ny asan’ny Tompo’ izahay mivady!—1 Korintianina 15:58.
[Teny notsongaina, pejy 13]
Nilaza i Neny fa halazany amin’i Dada aho amin’ny manaraka raha mbola manao
[Sary, pejy 15]
Efitrano Fanjakana nivoriako tao Karatau, tamin’izaho mbola tovolahikely
[Sary, pejy 15]
I Dada sy Neny, izay efa mankasitraka ny asantsika
[Sary, pejy 15]
Izahay sy Yelena tamin’ny mariazinay
[Sary, pejy 15]
Izahay mivady, eo anoloan’ny tranon’ny sampana vaovao, akaikin’i Almaty