Topy Maso Eran-tany
◼ Nitombo avo efatra heny ny isan’ny loza voajanahary maneran-tany, tao anatin’ny 20 taona. Olona 250 tapitrisa mahery no iharan’izany isan-taona.—EL UNIVERSAL, MEKSIKA.
◼ “Nahangona fako be dia be ny rivotra alizay any amin’ny Ranomasina Pasifika.” Mitovy habe amin’i Aostralia ny toerana rakotra an’ireo fako ireo.—LA DÉPÊCHE DE TAHITI, TAHITI.
◼ Katsaka 200 kilao no ilaina mba hamokarana solika 50 litatra. “Ampy hohanin’ny olona iray mandritra ny taona anefa izany katsaka izany!”—GAZETA WYBORCZA, POLONINA.
Manao Pirinty Baiboly ny any Chine
Hoy i Ye Xiaowen, talen’ny Sampan-draharaham-panjakana Momba ny Raharaha Ara-pivavahana: “Lasa anisan’ny firenena manao pirinty Baiboly betsaka indrindra eran-tany i Chine.” Efa 50 tapitrisa izao ny Baiboly vita tany, ary ilay orinasa ao Nanjing, renivohi-paritanin’i Jiangsu, no nanao ny farany tamin’izany. Milaza ny gazety People’s Daily Online fa ‘Baiboly telo tapitrisa eo ho eo no vitan’io [orinasa] io, isan-taona, tato anatin’ny taona vitsivitsy.’ Voalaza fa mihamaro izao ny olona mitonona ho Kristianina any Chine.
Lasibatra Izao ny Sary Masina
Hoy ny gazety Russky Newsweek: “Fiangonana 1 000 mahery no nisy nandroba teto Rosia, tao anatin’ny dimy taona farany.” Sary masina 40 000 eo ho eo no nisy nangalatra, araka ny tatitra voarain’ny Minisiteran’ny Atitany. Nifanaraka àry ny Minisitera sy ny Eglizy Ortodoksa Rosianina, fa hasiana marika ny sary masina rehetra, ary fitaovana mandefa taratra manokana ihany no ahafahana mahita an’ilay izy. Ilay marika no amantarana ny tena tompony. Tian’ny Arsevekan’i Moscou ilay hevitra, satria mino izy fa “tsy manova ny zava-mahagaga vitan’ny sary masina ireny marika atao etỳ ‘an-tany’ ireny”, hoy ihany ny Russky Newsweek.
Mampahantra An’i Afrika ny Ady
Hoy ny gazety International Herald Tribune: “Firenena afrikanina 23 no nandray anjara tamin’ny ady, teo anelanelan’ny 1990 sy 2005. Nahatratra telo hetsy tapitrisa dolara eo ho eo ny vola lany tamin’izany.” Tokony ho nahavitan’i Afrika zavatra betsaka anefa izany. Nilaza i Ellen Johnson-Sirleaf, filoha liberianina, fa “azo nampiasaina tamin’ny fampianarana izy io, hanomezana rano fisotro madio, hisorohana sy hitsaboana ny tioberkilaozy sy ny tazomoka, na hitsaboana an’ireo mitondra ny tsimokaretina VIH sy mararin’ny SIDA. Afaka nanamboarana hopitaly sy sekoly ary lalana an’arivony koa izy io.” Nilaza ilay gazety fa raha tsy teo ny ady, dia “anisan’ny kontinanta manankarena i Afrika fa tsy ny kontinanta mahantra indrindra.”
Torimaso Kely Mahasoa
Izao no vokatry ny fandinihana natao tamin’ny lehilahy sy vehivavy grika 23 000 mahery: Tsy dia atahorana ho fatin’ny aretim-po ny olona, raha matory antoandro intelo isan-kerinandro, fara fahakeliny. Hoy i Dimitrios Trichopoulos, dokotera mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Harvard any Etazonia: “Mety hiteraka aretim-po ny adin-tsaina mafy sy miverimberina. Mety hampihena ny adin-tsaina anefa ny fatoriana kely amin’ny antoandro. Tsy atahorana ho fatin’ny aretim-po àry ny olona matory kely amin’ny antoandro.”