FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/09 p. 25
  • Sioka no “Ifampiresahany”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sioka no “Ifampiresahany”
  • Mifohaza!—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Hisy Intsony ny Faharatsiana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Miahy ny Kamboty sy ny Maty Vady Amin’ny Fahoriany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fiarovana ny Bibidia eny Amin’ny Arabe
    Mifohaza!—1997
  • Fampitana hafatra eo amin’ny fanompoana kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—2009
g 2/09 p. 25

Sioka no “Ifampiresahany”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

◼ Tsy manana telefaonina ny Mazateky, any amin’ireo tendrombohitr’i Oaxaca, any Meksika. Afaka mifampiresaka anefa izy ireo, na dia mifanelanelana roa kilaometatra mahery aza, toy ny rehefa miasa any amin’ny havoana fambolena kafe. Ahoana no ataony? Efa ela ireo Mazateky no namorona fiteny amin’ny alalan’ny sioka. Hoy i Pedro, tovolahy mazateky: “Miaka-midina be ny toe-peo amin’ny teny mazateky. Maka tahaka ny toe-peo sy ny gadon’ilay fiteny àry izahay rehefa misioka. Ny molotra fotsiny no ampiasainay amin’izany, fa tsy mila rantsan-tanana.”a

Milaza i Fidencio, naman’i Pedro, fa tsara ny miresaka amin’ny alalan’ny sioka. Hoy izy: “Mampiasa azy io izahay, rehefa mifanalavitra be ka fohy ny resaka. Mety ho naniraka an-janany hividy mofo ny lehilahy iray, nefa hadinony ny nampividy voatabiha. Misioka àry izy, raha efa lasa lavitra ilay zanany ka tsy mandre ny teniny.”

Misioka koa indraindray ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mifampiresaka. Hoy i Pedro: “Rehefa te hiantso rahalahy mba hiaraka amiko hitsidika faritany mitokana aho, dia misioka fotsiny, fa tsy mila mankany an-tranony.”

Hoy i Pedro: “Samy manana ny fomba fisiokanay izahay, mba hahafantarana hoe iza ilay misioka. Ny lehilahy mazateky matetika no mifampiresaka amin’ny alalan’ny sioka. Mety ho azon’ny vehivavy ilay izy, ary mety hampiasa izany izy rehefa miresaka amin’ny vady aman-janany. Tsy tokony hisioka anefa izy rehefa miresaka amin’ny lehilahy hafa. Heverina ho tsy fahalalam-pomba izany.”

Tsy ny Mazateky ihany no miresaka amin’ny alalan’ny sioka. Manao izany koa ny olona any Chine sy any amin’ny Nosy Canaries ary Papouasie-Nouvelle-Guinée. Ireo mipetraka any an-tendrombohitra sy any anaty ala no tena manao izany. Misy 70 mahery ny fiteny amin’ny alalan’ny sioka. Ny 12 amin’ireo, fara fahakeliny, no efa nodinihin’ny manam-pahaizana.

Tena mahatalanjona ny fahaizan’ny olona mamoron-javatra! Mitady fomba ifampiresahana foana koa izy ireo, ary hitohy foana izany raha tsy hoe tsy te hamoron-javatra intsony angaha izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hoy ny boky iray: “Afaka mifampiresaka momba ny zavatra maro ny Mazateky, rehefa ovaovany ny feon’ilay sioka sy ny hafainganany ary ny hamafiny.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara