FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/10 p. 6-7
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana Fametraky ny Olona
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Antokom-pinoana Madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fantatra Amin’ny Fitondran-tenantsika
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 8/10 p. 6-7

Fanontaniana Fametraky ny Olona

Nahoana no misy manaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy mahalala ny tena marina fotsiny ny ankamaroan’ny olona. Ny hafa kosa mety ho tsy tia ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitiavana ny mpiara-belona anefa, raha ny marina, no mahatonga azy ireo hitory, satria fantany fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”—Romanina 10:13.

Inona ny Vavolombelon’i Jehovah? Sekta ve?

Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy Protestanta anefa izy ireo na Katolika. Hitan’izy ireo mantsy fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny sasany amin’ny fampianaran’ireo fivavahana ireo. Tsy milaza, ohatra, ny Baiboly hoe mampijaly olona mandrakizay ao amin’ny afobe ilay Andriamanitra fitiavana. Tsy voalaza ao koa hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona.—Salamo 146:3, 4; Romanina 6:23.a

Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manahaka an’i Kristy izy ireo eo amin’ny fiainany isan’andro. Tsy nitsabaka tamin’ny politika, ohatra, i Kristy sy ny Kristianina voalohany, ary nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Lioka 4:43; Jaona 15:19; 17:14) Tsy manao politika koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaka amin’ny olona tsirairay izy ireo rehefa mitory, ary mampisaintsaina sy manome porofo marim-pototra tahaka ny Kristianina voalohany.—Asan’ny Apostoly 19:8

Antokom-pivavahana niala tamin’ny fivavahana lehibe iray no atao hoe sekta. Tsy antokom-pivavahana niala tamin’ny fivavahana lehibe anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka noho izany dia tsy sekta izy.

Inona no ataon’izy ireo rehefa mivory?

Fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

Mianatra Baiboly no tena ataon’izy ireo any. Azon’ny olona rehetra atrehina ireny fivoriana ireny, ary matetika no afaka mandray anjara ny mpanatrika. Anisan’ny fivoriana fanaon’izy ireo isan-kerinandro, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana. Manampy azy ireo izy io mba hahay hampianatra sy hamaky teny ary hanao fikarohana. Eo koa ny lahateny ara-baiboly antsasak’adiny, izay iresahana foto-kevitra mety hahaliana ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah. Misy fianarana Baiboly amin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana aorian’izay. Atomboka sy faranana amin’ny hira sy ny vavaka ny fivoriana. Tsy misy fangataham-bola na fanantazan-drakitra any.—2 Korintianina 8:12.

Ahoana no ahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah vola?

Olona manao fanomezana

Fanomezana ara-bola atao an-tsitrapo no mampandeha ny asan’izy ireo. Tsy andoavam-bola ny fotoam-pivavahana ataon’izy ireo amin’ny batisa, na fampakaram-bady, na fandevenana, na amin’ny toe-javatra hafa. Tsy asaina mandoa ampahafolon-karena koa izy ireo. Izay te hanome vola kosa dia afaka mandrotsaka izany ao amin’ny boaty iray tsy dia miharihary, ao amin’ny efitrano fivorian’izy ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manamboatra ny boky sy gazety ara-baiboly ampiasainy, ka mampihena ny fandaniana izany. Mpiasa an-tsitrapo ny ankamaroan’ireo manorina ny efitrano fivoriany sy manorina ny biraon’ny sampany.

Manaiky hotsaboina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mpivady miresaka amin’ny dokotera

Eny. Miezaka hahazo ny fitsaboana tsara indrindra izy ireo, na ho an’ny tenany izany na ho an’ny mpianakaviny. Maro amin’izy ireo no dokotera, mpandidy, na mpitsabo mpanampy. Tsy manaiky hampidiran-dra anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, satria milaza ny Baiboly hoe: ‘Fadio ny ra.’ (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Mihabetsaka koa ny mpitsabo mihevitra fa ny fitsaboana tsy ampiasana ra no tsara indrindra. Ahafahana misoroka aretina maro azo avy amin’ny ra mantsy izany.

a Misy fanazavana ara-baiboly momba an’ireo foto-kevitra ireo sy ny maro hafa ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

TANÀNA ANJAKAN’NY FIFANAJANA

Somary miavaka kely ny tanànan’i Bejucal de Ocampo, any atsimon’i Meksika. Hoy ny gazety Excélsior: “Vavolombelon’i Jehovah ny ankamaroan’ny mponina ao. Malala-tsaina ny fanjakana, ka avelany hanaraka izay fivavahana tiany ny olona. ... Najanon’ny olona hatreo ny fibobohan-toaka sy ny fifohana sigara. Mihira sy mamaky Baiboly kosa izy ireo izao. Manaja ny manam-pahefana koa izy ireo.”

Nilaza io gazety io fa “mbola tsy nisy ady ara-pivavahana mihitsy” tao amin’ilay tanàna, na dia misy fivavahana isan-karazany aza ao. “Tsy mifankahala ny olona ao, ary na dia tsy mitovy aza ny fivavahan’izy ireo, dia tsy misakana azy tsy hifampiarahaba izany ... Samy manaraka ny fivavahany ny fianakaviana tsirairay, ary tsy misakana azy ireo tsy hiara-hiaina amim-pilaminana izany. Toa tsy vaovao amin’ny olona intsony ny hoe be dia be Vavolombelon’i Jehovah ao Bejucal.” Nilaza koa ny mpampianatra iray tsy Vavolombelon’i Jehovah fa ‘manao akanjo maotina sy mahazo naoty tsara ary hendry ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara