FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/13 p. 4-5
  • Miezaha mba Tsy Hanao Teny Maharary

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha mba Tsy Hanao Teny Maharary
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • Torohevitra Faha-4: Aoka Ianareo Hifanaja
    Mifohaza!—2009
  • Aoka Isika Hanao Teny Mampahery
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Teny Mandratra Ovana ho Teny Manasitrana
    Mifohaza!—1996
  • Fanalana Sarona ny Fototry ny Fitenenan-dratsy
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 4/13 p. 4-5

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Miezaha mba Tsy Hanao Teny Maharary

OLANA

Isaky ny mifamaly ianareo mivady, dia raikitra ny tsikera maro isan-karazany. Nanjary zatra manao teny maharary koa ianareo roa rehefa mifampiresaka.

Azo ovana izany raha sanatria ka mitranga ao an-tokantranonao. Fantaro aloha ny mahatonga an’ilay olana sy ny soa ho azonao raha miova ianao.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Fitaizana. Zatra nanao teny maharary ny ray aman-drenin’ny mpivady maro. Lasa manahaka ny fomba firesaky ny ray aman-dreniny ny iray aminy na izy mivady, atỳ aoriana.

Fialam-boly. Atao fampihomehezana amin’ny hatsikana sy ny filma ny teny maharary, ka lasa heverin’ny olona ho tsy mampaninona na mahafinaritra mihitsy aza.

Kolontsaina. Ny olona manjakazaka no atao hoe “tena lehilahy” any amin’ny kolontsaina sasany. Lazaina koa hoe tokony hasiaka sy ho tia ady ny vehivavy, amin’izay mba tsy eritreretin’ny olona hoe kely aina. Ratsy ny vokatr’izany toe-tsaina izany rehefa misy tsy fifanarahana. Lasa toy ny mpifahavalo mantsy izy mivady fa tsy toy ny mpiara-miasa, ary mifanao teny maharary fa tsy teny manasitrana.

Mety hampisaraka ny mpivady ny teny maharary, na inona na inona antony, ary mety hankarary koa. Misy aza milaza fa mampijaly kokoa noho ny herisetra ara-batana ny teny. Hoy, ohatra, ny vehivavy iray novonoin’ny vadiny sady nanaovany teny maharary: “Mafy kokoa tamiko ny esoeso noho ny vono. Naleoko aza novonoiny toy izay nanaovany an’ireny teny maharary ireny.”

Inona no azonao atao raha nanimba ny fifandraisanareo mivady ny teny maharary?

INONA NO AZONAO ATAO?

Mahaiza miombom-pihetseham-po aminy. Mahaiza mipetraka eo amin’ny toeran’ny vadinao. Ezaho fantarina raha nampalahelo azy ny teninao na tsia. Eritrereto hoe oviana ny vadinao no nalahelo noho izay nolazainao taminy. Tsy ny zavatra nolazainao no tokony hifantohanao, fa ny vokatr’ilay izy teo aminy. Inona izao no teny mamy azonao nolazaina tamin’iny fotoana iny? Hoy ny Baiboly: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”—Ohabolana 15:1.

Diniho ny modely omen’ny mpivady hafa. Raha tsy mahay mifampiresaka tsara ianareo, satria tsy ohatra tsara ny ray aman-dreninareo, dia mitadiava mpivady hafa azonareo atao modely. Henoy izy ireo rehefa mifampiresaka.—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 3:17.

Velomy indray ny fifankatiavanareo fahiny. Tsy teny lasalasa fotsiny ny teny maharary, fa avy ao am-po mihitsy. Miezaha àry mba hanana fomba fijery tsara momba ny vadinao sy ho tsara fanahy aminy. Saintsaino ireo fotoana mamy niarahanareo. Jereo ny sarinareo fahiny. Eritrereto izay nampihomehy anareo. Inona no toetra nitiavanao azy sy nitiavany anao?—Toro lalan’ny Baiboly: Lioka 6:45.

Izay tsapanao lazaina fa aza manakiana. Aleo, ohatra, miteny hoe “malahelo aho rehefa mandray fanapahan-kevitra ianao nefa tsy manontany ahy”, toy izay milaza hoe “io indray ny anao! Tsy mba miera amiko mihitsy isaky ny hanapa-kevitra!”—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 4:6.

Fantaro hoe hatraiza ny fetra. Mety ho tsara raha ahemotra amin’ny fotoana hafa ilay resaka, raha mihamafana ny fo ka lasa tsy voafehy ny teny lazaina. Tsy diso mihitsy ianao raha miala kely aloha. Tohizo indray ilay resaka rehefa samy tony ianareo.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 17:14.

Tsy teny lasalasa fotsiny ny teny maharary, fa avy ao am-po mihitsy

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’​—Efesianina 5:28.

  • ‘Aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’​—Efesianina 5:33.

  • ‘Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.’​—Efesianina 4:31.

INONA NO ATAO HOE “FANEVATEVANA”?

Hoy ny Baiboly: ‘Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.’ (Efesianina 4:31) Nahoana no navahan’i Paoly tamin’ny “filelalelana” ny “fanevatevana”? Mampiaka-peo no hevitr’ilay teny grika nadika hoe “filelalelana.” Izay raketin’ilay teny kosa no misongadina amin’ilay hoe “fanevatevana.” Midika izany fa tsy voatery hitabataba foana ny olona manevateva. Lazaina hoe manevateva àry ny olona iray raha manao teny maharary, manivaiva, maniratsira, na dia tsy miteny mafy aza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara