FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/14 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Etazonia
  • Italia
  • Malezia
  • Afrika
  • Aostralia
  • Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
    Mifohaza!—2004
  • Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!
    Mifohaza!—2004
  • Areti-mifindra—Mampidi-doza Nefa Azo Sorohina
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana no Ratsy ny Miloka?
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 2/14 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Etazonia

Hoy ny gazety New York Times: “Ao anatin’ny taona, ny mpiasa iray mifoka sigara dia mamono antoka 5 816 dolara [11 tapitrisa ariary mahery] an’izay orinasa iasany, raha oharina amin’ireo tsy mifoka.” Ireto no mahatonga izany, araka ny hitan’ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Ohio: Lafo kokoa ny saram-pitsaboana azy ireo, ajanony ny asany rehefa hifoka izy ireo, ary imbetsaka ry zareo no tsy tonga miasa. Tsy mahavita asa koa izy ireo rehefa miezaka miala sigara.

Italia

[Sary, pejy 3]

“Tsy tena mampihatra an’izay lazainy ny mpivavaka sy ny mpitoriteny. Hafa no teneniny nefa hafa no ataony. Lasa tsy dia atokisan’ny olona intsony ny Eglizy, noho izany.”—Papa François.

Malezia

[Sary, pejy 3]

Nahatratra vangin’elefanta arivo mahery tao anaty sambo mpitondra hazo ny manam-pahefana. Naondrana an-tsokosoko ireo ivoara 24 taonina ireo, ary voalaza fa ireo no betsaka indrindra tamin’izay efa tratra. Avy any Togo ilay sambo ary saika ho any Chine.

Afrika

[Sary, pejy 3]

Nanao tatitra ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, tamin’ny 2012, fa areti-mifindra no nahafaty ny 63 isan-jaton’ny olona maty tato anatin’ny taona vitsivitsy. Anisan’izany ny SIDA, aretim-pivalanana, tazo, tioberkilaozy, ary aretina mpahazo ny ankizy.

Aostralia

Efa azo atao amin’ny telefaonina sy fitaovana elektronika izao, ny lalao toy ny any amin’ny trano filokana. Tena tian’ny ankizy ilay izy, satria mora andresena sady hoatran’ny tena izy. Mampitandrina ny manam-pahefana fa “mety ho lasa mpiloka be” ireny ankizy ireny rehefa lehibe, satria heveriny hoe tsy ratsy ny miloka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara