Mahasoa ny Fiaraha-monina Misy Anao ny Vaovao Tsara
FANDRE eto amin’ity tontolo ity ny hoe: “Tsy azo ampiharina ny fitsipika kristianina, satria tsy handaitra tsotra izao eo anivon’ny fiaraha-monina ankehitriny.” Nilaza anefa ny olona ambony toa an’i Mohandas Gandhi, filoha hindoa, sy Léon Tolstoï fa tena mahasoa ny fampiharana an’ireo toro lalana noresahin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Nahoana ireo lehilahy ireo no niaiky volana tamin’ireo fampianarana momba ny fitondran-tena voarakitra ao amin’ny Baiboly?
Resahin’io toriteny io fa tokony hitady an’Andriamanitra isika, halemy fanahy, ho tia fihavanana, hamindra fo ary ho tia fahamarinana. Tsy ny famonoana olona ihany no melohiny, fa ny fahatezerana amin’ny hafa koa, ary tsy ny fanitsakitsaham-bady ihany, fa ny eritreri-dratsy koa. Melohiny ny fisaraha-panambadiana tsy misy fahatsapana andraikitra, ka mandrava tokantrano ary mampijaly ny ankizy. Hoy ilay toriteny amintsika: ‘Tiavo na dia ireo tsy tia anareo aza, manomeza an’ireo mahantra, aza mitsara ny hafa amim-pahasiahana intsony, ataovy amin’ny olona izay tianao hatao aminao.’ Hitera-boka-tsoa be ireo torohevitra rehetra ireo raha ampiharina. Arakaraka ny habetsahan’ny olona mampihatra izany eo amin’ny manodidina anao, no hahatsara kokoa ny fiaraha-monina misy anao!
Mitaona ny olona ho amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra azy ireo hanaja ny fanambadiana ny Baiboly. Mitaiza ny zanany araka ny fitsipika marina izy ireo. Antitranterina fa zava-dehibe ny fianakaviana. Soa ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena mihitsy aza, ny fisian’ny fianakaviana miray saina. Hita nandritra ny tantara manontolo fa nisy firenena natanjaka rava, satria nihanivaha ny fatoram-pianakaviana ary nitombo ny fitondran-tena maloto. Arakaraka ny maha betsaka ny olona sy fianakaviana voataonan’ny Vavolombelon’i Jehovah hiaina araka ny fitsipika kristianina, no ihenan’ny ditra sy ny fitondran-tena maloto ary ny heloka bevava eo amin’ny manodidina anao.
Iray amin’ireo olana lehibe mianjady amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena ny fanavakavaham-bolon-koditra. Mifanohitra amin’izany kosa ny tenin’ny apostoly Petera, manao hoe: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Nanoratra koa ny apostoly Paoly hoe: “Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Galatianina 3:28) Manaiky izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny volon-koditra rehetra no miara-monina sy miara-miasa any amin’ny foibeny sy any amin’ny biraon’ny sampany ary eo anivon’ny fiangonany.
Matetika no mifandona ny foko sasany atỳ Afrika raha vao tafaraka. Olona avy amin’ny foko maro samy hafa anefa no miara-misakafo sy miara-matory ary miara-mivavaka, mandritra ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah atao atỳ Afrika. Miray hina tanteraka izy ireo, ary mafana ny fiarahany. Talanjona ireo manam-pahefana mahita izany. Noresahin’ny gazety Amsterdam News any New York, tamin’ny 2 Aogositra 1958, ny ohatra iray ny amin’ny firaisan-tsaina ateraky ny Kristianisma marina. Niresaka momba izany izy io rehefa nahita an’ilay fivoriambe niraisam-pirenena noresahina tany aloha. Vavolombelona 250 000 mahery no nanatrika an’io fivoriambe io tao New York.
“Hatraiza hatraiza dia nahitana mainty sy fotsy ary tatsinanana, avy tamin’ny saranga rehetra sy ny faritra rehetra eto ambonin’ny tany, nifandray tsara tamim-pifaliana ... Niara-nipetraka sy niara-nivavaka tamim-pilaminana ireo Vavolombelona mpivavaka avy tany amin’ny tany 120, ka nampiseho tamin’ny Amerikanina fa tena mora ilay izy. ... Afaka miara-miasa sy miara-monina ny olona, araka ny ohatra niavaka nasehon’iny fivoriambe iny.”
Maro angamba no hilaza fa tsy azo ampiharina eto amin’ity tontolo maoderina ity ny fitsipika kristianina. Nisy zavatra hafa nandaitra na handaitra ve anefa? Tena misy vokany tsara ny fitsipika kristianina raha ampiharina dieny izao eo amin’ny fiaraha-monina misy anao. Io fitsipika io koa no ho fototra hampiray ny ‘firenena sy ny foko ary vahoaka’ rehetra maneran-tany, rehefa mitondra ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra.—Apokalypsy 7:9, 10.
[Teny notsongaina, pejy 23]
Miara-miasa ny olona rehetra samy hafa firazanana sy volon-koditra
[Teny notsongaina, pejy 24]
Mahasoa ny Kristianisma. Nisy zavatra hafa nandaitra ve?