FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be p. 74-p. 77 feh. 2
  • Mandrosoa Hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandrosoa Hatrany
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahalalana sy fiovana
  • Ampiasao ny talentanao
  • Ny fianarana azo avy amin’ny zavatra niainana
  • Manohiza miezaka hahatratra izay eo aloha
  • Aoka Hiharihary ny Fandrosoanao
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ry Tanora, Asehoy fa Mandroso Ianareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ataovy Miharihary ny Fandrosoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Asehoy fa Mandroso Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be p. 74-p. 77 feh. 2

Mandrosoa Hatrany

REHEFA nianatra hampihatra voalohany ireo toro lalan’ny Baiboly ianao, dia nanomboka niova tsikelikely ireo fomba fisaina sy fiteny ary fitondran-tena raiki-tampisaka tao aminao. Be dia be tamin’izany fiovana izany no efa nataonao, na dia talohan’ny nisoratanao anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana aza. Tsy maintsy ho efa tonga hatramin’ny fanolorana ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao izao. Midika ve izany fa afaka mijanona tsy mandroso intsony ianao? Tsia. Vao fiandohana fotsiny ny batisanao.

Efa anti-panahy kristianina i Timoty mpianatra, fony izy nasain’i Paoly ‘nisaintsaina’ ny torohevitra nomena azy sy ireo tombontsoam-panompoana nankinina taminy—na hoe ‘nifantoka tanteraka’ tamin’ireo zavatra ireo—mba ‘hiseho tamin’ny olona rehetra ny fandrosoany.’ (1 Tim. 4:12-15) Na vao nanomboka nanaraka ny lalan’ny fahamarinana ianao, na efa za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina, dia tokony haniry hanao fandrosoana.

Fahalalana sy fiovana

Mamaky isika ao amin’ny Efesiana 3:14-19 fa nivavaka ny apostoly Paoly mba hahaizan’ny mpiray finoana taminy ‘hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’ny’ fahamarinana. Noho izany, dia nanolotra lehilahy ho fanomezana i Jesosy, mba hampianatra sy hanitsy ary hampiorina ny fiangonana. Hanampy antsika “hitombo” ara-panahy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, miaraka amin’ny tari-dalan’ny mpampianatra za-draharaha.—Efes. 4:11-15.

Mitombo ara-panahy ianao, rehefa ‘nohavaozina tamin’ny fanahin’ny sainao.’ Ny hevitr’izany dia hoe manjary manana toe-tsaina matanjaka, mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra sy i Kristy. Mitaky fifampikasohana tsy tapaka amin’ny fomba fisainan’izy ireo izany, mba hahafahana ‘hitafy ny toetra vaovao.’ (Efes. 4:23, 24) Rehefa mianatra ireo Filazantsara ianao, moa ve ianao mahita ireo fitantarana momba ny fiainan’i Kristy ireo ho toy ny modely tokony harahinao? Moa ve ianao miezaka hahita ireo lafin-toetra samihafa nasehon’i Jesosy, ary avy eo dia tena manao ezaka mba hanahafana azy ireo?—1 Pet. 2:21.

Lafiny iray azo amantarana ny halehiben’ny fandrosoana vitanao ny zavatra ataonao anton-dresaka. Tsy mampiasa lainga, teny ratsy, teny vetaveta, na teny tsy mampahery, ireo efa nitafy ny toetra vaovao. Ny tenin’izy ireo kosa dia “tsara ho fampandrosoana, . . . mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efes. 4:25, 26, 29, 31; 5:3, 4; Joda 16) Hita avy amin’ny resaka sy ny teny ataony amin’olona sy any am-pivoriana fa manova ny fiainany ny fahamarinana.

Manome porofo iray hafa ny amin’ny fandrosoanao ianao, raha tsy “ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra” intsony. (Efes. 4:14) Manao ahoana, ohatra, ny fihetsikao, rehefa manototra anao amin’ny hevi-baovao, fomba fihevitra vaovao, na fialam-boly vaovao, ity tontolo ity? Moa ve ianao alaim-panahy hanao ireo zavatra ireo amin’ny fotoana tokony hatokanao ho amin’ny adidinao ara-panahy? Tena hisakana ny fandrosoanao ara-panahy izany. Ho fahendrena kokoa ny maka fotoana mba hikatsahana zavatra ara-panahy!—Efes. 5:15, 16.

Lafiny iray amantarana ny fandrosoanao ara-panahy koa ny fomba itondranao ny hafa. Nianatra ny ‘hiantra sy hamela ny helok’ireo’ rahalahinao sy anabavinao ve ianao?—Efes. 4:32.

Tokony hiharihary any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ao an-trano ny fandrosoanao eo amin’ny fanaovan-javatra araka ny fomban’i Jehovah. Tokony ho hita koa izany, rehefa any am-pianarana sy eo anatrehan’ny besinimaro ary any am-piasana ianao. (Efes. 5:21–6:9) Raha maneho toetra araka an’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa ianao amin’ireo toe-javatra rehetra ireo, dia tena hiharihary ny fandrosoanao.

Ampiasao ny talentanao

Nanankinan’i Jehovah fahaizana sy talenta ny tsirairay amintsika. Manantena ny hampiasantsika azy ireo mba hanasoavana ny hafa izy. Ampiasainy toy izany isika, mba hanehoana ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera momba izany: “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana . . . izay an’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:10) Ahoana àry no itandremanao io zavatra nankinina taminao io?

Nanohy ny teniny i Petera hoe: “Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Io andinin-teny io dia manantitrantitra ny andraikitra hiteny mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanomezam-boninahitra azy. Tokony hanome voninahitra an’i Jehovah koa ny fomba itenenana. Ny fampiofanana azonao ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana dia hanampy anao hampiasa toy izany ny talentanao, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny fomba anampianao ny hafa. Raha izany àry no tanjonao, dia ahoana no tokony hamaritanao ny fandrosoanao ao amin’ilay sekoly?

Aza ny isan’ireo lafin-javatra efa notandremanao eo amin’ny taratasin-torohevitrao, na ny karazana anjara nomena anao, no jerena, fa ny fanampiana azonao mba hanatsarana ny fanati-piderana ataonao. Mampiofana antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana ilay sekoly. Koa manontania tena àry hoe: ‘Tena manomana izay holazaiko eny amin’ny fanompoana ve aho? Nianatra ny haneho fiheverana an’ireo itoriako ve aho? Moa ve aho mametraka fototra hiverenana hitsidika ny olona, amin’ny fametrahana fanontaniana iray aminy, mba horesahina amin’ny manaraka? Raha mampianatra ny Baiboly ny olona iray aho, moa ve aho miezaka mba ho mpampianatra mahay kokoa, izay mahay manohina ny fon’ny olona?’

Aza ny tombontsoam-panompoana omena anao fotsiny no anombanana ny fandrosoana vitanao. Tsy ny anjara azonao no ahitana ny fandrosoanao, fa izay ataonao amin’io anjara io. Raha nomena anjara iray misy fampianarana ianao, dia manontania tena hoe: ‘Tena nampihatra ny fahaiza-mampianatra ve aho? Nanampy ny mpihaino hitondra fiovana eo amin’ny fiainany ve ny fomba nanaovako iny anjarako iny?’

Milaza fahasahiana hanombo-javatra ilay fampirisihana anao hampiasa ny talentanao. Sahy manatona ny hafa mba hiara-miasa aminy eo amin’ny fanompoana ve ianao? Mitady fahafahana hanampy mpikambana vaovao, tanora na osa anisan’ny fiangonanao ve ianao? Manolo-tena hanadio ny Efitrano Fanjakana na hanampy amin’ny fomba maro hafa any amin’ny fivoriambe ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy tsindraindray ve ianao? Afaka manao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra, na manampy any amin’ny faritany mila fanampiana ve ianao? Raha rahalahy ianao, miezaka ve ianao mba hahafeno ireo fepetra ara-baiboly takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana sy ny anti-panahy? Anisan’ny famantarana ny fandrosoanao ny fahavononanao hanolotra fanampiana sy hanaiky andraikitra.—Sal. 110:3.

Ny fianarana azo avy amin’ny zavatra niainana

Raha mahatsiaro ianao fa voafetra ny mety ho vitanao, noho ianao mbola tsy za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina, dia mahereza. Mahahendry ny tsy za-draharaha ny Tenin’Andriamanitra. (Sal. 19:7; 119:130; Ohab. 1:1-4) Mandray soa avy amin’ny fahendrena tonga lafatr’i Jehovah isika, rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Sarobidy lavitra noho izay fianarana azontsika avy amin’ny zavatra niainantsika fotsiny izany. Na izany aza, rehefa mandroso eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah isika, dia tena manjary za-draharaha eo amin’ny fomba fiaina kristianina. Ahoana no ahafahantsika mampiasa izany tsara?

Rehefa avy niatrika toe-javatra maro isan-karazany teo amin’ny fiainana ny olona iray, dia mety halaim-panahy hieritreritra hoe: ‘Efa niainako io toe-javatra io taloha. Fantatro izay tokony hatao.’ Fahendrena ve izany? Hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 3:7: “Aza manao anao ho hendry.” Ireo zavatra efa niainantsika dia tena hampivelatra ny fomba fijerintsika ireo lafin-javatra tokony hoheverina, rehefa misetra zava-tsarotra isika. Raha mandroso ara-panahy anefa isika, izany zavatra niainantsika izany dia vao mainka tokony hampiaiky antsika, ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika, fa mila ny fitahian’i Jehovah isika. Ny fandrosoantsika àry dia miharihary, tsy noho isika feno fatokisan-tena rehefa misetra zava-tsarotra, fa noho isika mitodika avy hatrany any amin’i Jehovah, mba hahazoana tari-dalana. Miseho ny fandrosoantsika rehefa matoky isika fa tsy hisy na inona na inona hitranga raha tsy avelany. Miseho koa izany rehefa mihazona fifandraisana amin’ilay Raintsika any an-danitra, izay itokisantsika sady tiantsika, isika.

Manohiza miezaka hahatratra izay eo aloha

Na dia efa Kristianina voahosotra sy matotra ara-panahy aza ny apostoly Paoly, dia nanaiky fa nila nanohy ‘niezaka hahatratra izay eo aloha’ ny tenany. (Fil. 3:13-16) Manana izany fomba fijery izany koa ve ianao?

Efa tonga hatraiza ny fandrosoana vitanao? Mba hahafantaranao izany, dia diniho ny fitafianao ny toetra vaovao, sy ny fanekenao ny fitondran’i Jehovah, ary ny fampiasanao ireo talentanao mba hiderana an’i Jehovah. Rehefa mandray soa avy amin’ny fampianarana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ianao, dia tokony hiharihary tsikelikely eo amin’ny fomba fiteninao sy fampianatrao ireo toetra tsara asongadin’ny Tenin’Andriamanitra. Tadidio tsara ao an-tsaina ny fitomboanao tamin’ireo lafiny ireo. Eny, mifalia noho ireo, ary dia hiharihary ny fandrosoanao.

INONA AVY IREO TANJONAO ARA-PANAHY?

Tanjona azo tratrarina inona avy no tokony ho vitanao amin’ny taona ho avy?

  1. ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

  2. ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

Tanjona lavitra ezaka inona avy no sarobidy aminao, ka mahatapa-kevitra anao hiezaka mafy hahatratra azy?

  1. ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

  2. ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

  3. ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara