Fanomanana Anjara ao Amin’ny Sekoly
MANOME fahafahana hanao fandrosoana ny anjara tsirairay ao amin’ny sekoly. Ataovy tsara izy ireny, dia hiharihary miandalana ny fandrosoanao, ka ho hitan’ny tenanao sy ny hafa. (1 Tim. 4:15) Hanampy anao hanatsara kokoa ireo fahaizana efa anananao ny sekoly.
Matahotahotra ve ianao rehefa hiteny eo anoloan’ny fiangonana? Ara-dalàna izany, na dia efa mpianatra ao amin’ilay sekoly hatramin’ny elaela aza ianao. Misy zavatra sasany hanampy anao hampihena ny tahotrao anefa. Any an-trano, dia mizàra mamaky teny amin’ny feo avo matetika. Any am-pivoriana, dia manomeza valin-teny matetika, ary mandraisa anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana raha mpitory ianao. Hahatonga anao ho zatra miteny eo anoloan’olon-kafa izany. Ambonin’izany, dia omano aloha be ireo anjaranao, ary averimbereno amin’ny feo avo. Tadidio fa ho eo anoloan’ny mpihaino tsara fanahy no hitenenanao. Mivavaha amin’i Jehovah isaky ny handeha hanao anjara na lahateny eo anoloan’ny mpihaino ianao. Faly izy hanome ny fanahy masina an’ireo mpanompony mangataka izany aminy.—Lioka 11:13; Fil. 4:6, 7.
Aza manantena zavatra tafahoatra. Mila fotoana ny fahatongavana ho mpandahateny za-draharaha sy ho mpampianatra mahita vokatra. (Mika 6:8) Aza manantena ny hanao anjara tonga lafatra avy hatrany raha mpianatra vaovao ao amin’ilay sekoly ianao. Zavatra hotandremana iray isaky ny anjara kosa no ifantohy. Ianaro ilay fanazavana momba azy io ato amin’ity boky ity. Ataovy ilay fanazaran-tena omena ao, raha mety. Amin’izay ianao dia ho zatra amin’ireo hevitra mifandray amin’ilay lafin-javatra asaina tandremanao, alohan’ny hanaovanao ny anjaranao ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Hanao fandrosoana ianao amin’izay.
Ny fomba anomanana anjara famakian-teny
Tsy fahaizana milaza ireo teny ao amin’ilay zavatra asaina vakina fotsiny no tafiditra ao amin’ny fanomanana ny famakian-teny ampahibemaso. Takaro tsara ny hevitr’ilay zavatra vakinao. Ataovy zava-kendrena izany, raha vao mahazo anjara ianao ka mamaky azy io. Ataovy azo tsara ny hevitry ny fehezanteny tsirairay sy ny hevitra ao amin’ny fehintsoratra tsirairay, mba hahafahanao hilaza izany araka ny marina sy amin’ny fihetseham-po mety. Anontanio an’ireo mahay tsara ilay fiteny ny fomba fanonona mety an’ireo teny tsy mahazatra. Fantaro tsara ilay zavatra hovakinao. Mety hila hanampy ny zanany kely amin’izany, ireo ray aman-dreny.
Voatendry hamaky tapany iray ao amin’ny Baiboly ve ianao, na angamba ireo fehintsoratry ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana? Raha misy amin’ny fiteninao ny kasety nandraisana feo an’ilay zavatra hovakinao, dia henoy ka mariho ireto manaraka ireto: ny fanononana, ny fomba fizarana fehezanteny, ny fanamafisana ary ny fiovam-peo. Avy eo, dia miezaha hampiasa azy ireo ao amin’ny vakiteninao.
Ianaro tsara aloha ny lesona momba ilay lafin-javatra asaina tandremanao rehefa hanomana ny anjaranao ianao. Raha mety, dia jereo indray izy io, rehefa avy namerimberina namaky tamin’ny feo avo ilay zavatra asaina vakinao ianao. Ampiharo tsara araka izay azonao atao, io torohevitra voasoratra io.
Tena hanampy anao eo amin’ny fanompoanao io fampiofanana io. Mety hanana fahafahana maro hamaky teny amin’ny hafa ianao eny amin’ny fanompoana. Koa satria manana ny hery hanova fiainan’olona ny Tenin’Andriamanitra, dia zava-dehibe ny hamakianao azy io tsara. (Heb. 4:12) Aza manantena ny hahafehy tsara ny lafiny rehetra amin’ny famakian-teny mandaitra, rehefa avy nanao anjara iray na roa. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ny anti-panahy kristianina iray efa za-draharaha hatramin’ny taona maro: “Mandra-pihaviko, tandremo ny famakian-teny.”—1 Tim. 4:13.
Fanomanana anjara misy fifampiresahan’ny olona roa
Rehefa fifampiresahan’ny olona roa no anjara asaina ataonao, ahoana no tokony hanaovanao ny fanomananao?
Zava-dehibe telo no ilainao hodinihina: 1) ilay foto-kevitra asaina velabelarinao, sy 2) ny faritra hanaovanao azy sy ilay olona hiresahanao, ary 3) ilay lafin-javatra asaina tandremanao.
Mila mitady fanazavana momba ilay foto-kevitra asaina velabelarinao ianao. Eritrereto tsara anefa aloha ny faritra hanaovanao azy sy ilay olona hiresahanao vao tena miditra lalina amin’izany ianao. Hiankina amin’ireo zavatra roa ireo ilay karazana fanazavana horesahinao sy ny fomba hampisehoanao azy. Inona no faritra hofidinao? Filazana ny vaovao tsara amin’ny olona iray efa fantatrao ve? Sa firesahana voalohany amin’ny olona iray vao hitanao? Be taona kokoa sa tanora kokoa noho ianao ilay olona? Hanao ahoana ny mety ho fihetsiny eo anoloan’ilay foto-kevitra tianao horesahina? Betsaka ve ny zavatra mety ho efa fantany momba ilay izy? Inona no zava-kendrena tianao hotratrarina amin’ny firesahana aminy? Tena zava-dehibe ireo, satria hitari-dalana anao, eo amin’ny fanomananao.
Aiza no hahitanao fanazavana momba ilay foto-kevitra asaina velabelarinao? Misy firesahana momba ny “Fomba Fanaovana Fikarohana” eo amin’ny pejy faha-33 ka hatramin’ny faha-38 amin’ity boky ity. Vakio izy io, ary ampiasao ireo fitaovana fanaovana fikarohana anananao. Amin’ny ankabeazan’ny fotoana, vetivety foana ianao dia hahita fanazavana betsaka kokoa noho izay azonao ampiasaina. Mamakia fanazavana ampy tsara mba hahafantarana izay rehetra azonao ampiasaina. Eo am-panaovana izany anefa, dia tadidio ilay faritra hampiasanao azy sy ilay olona hiresahanao. Mariho ireo hevitra azo ampiasaina.
Makà fotoana hamakiana ny fanazavana momba ilay lafin-javatra asaina tandremanao, vao mandamina ny famelabelaranao sy mifidy izay hevitra hampiasainao. Ny mba hampiharanao azy io no iray amin’ireo antony lehibe indrindra nanomezana anao ilay anjara.
Raha vitanao ao anatin’ny fotoana nomena anao ny anjaranao, dia ho faly ianao afaka manao ny teny famarananao alohan’ny famantarana ny fahataperan’ny fotoana. Tsy teren’ny fotoana foana kosa ianao eny amin’ny fanompoana. Koa rehefa manao fanomanana àry ianao, dia asio fiheverana ny fotoana homena anao, nefa ny hampianatra amin’ny fomba mandaitra no tena ifantohy.
Teny kely momba ny faritra. Jereo ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy faha-82, ary fidio izay ho azo ampiharina eo amin’ny fanompoanao ka hamela anao hampiasa toy ny amin’ny tena izy ilay fanazavana asaina velabelarinao. Na dia efa nanao sekoly hatramin’ny elaela aza ianao, dia hevero ho toy ny fahafahana hanao tsaratsara kokoa hatrany sy hamboly fahaizana hafa ho an’ny fanompoanao izany.
Raha ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana no manome ilay faritra, dia ekeo ilay izy. Fitoriana ny ankamaroan’ireo faritra. Raha mbola tsy nitory tao anatin’ireo toe-javatra tanisaina ireo ianao, dia makà hevitra amin’ny mpitory hafa efa nanao izany. Andramo resahina ao anatin’ny faritra mitovy amin’ilay hampiasainao amin’ny anjaranao ilay foto-kevitrao raha mety. Hanampy anao izany hanatsara ny fanompoanao, izay anisan’ny zava-kendren’ny fiofananao.
Fanomanana lahateny amin’ny sekoly
Raha rahalahy ianao, dia mety hotendrena hanao lahateny fohy eo anoloan’ny fiangonana. Ny torohevitra nomena an’ireo mpianatra manao anjara misy fifampiresahana ihany no ampiharo rehefa manomana lahateny toy izany. Ny mpihaino sy ny endrika anolorana ilay fanazavana no tsy itovian’ireo anjara roa ireo.
Ataovy ho an’ny mpihaino rehetra ny fanazavanao. Efa mahafantatra ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny mpanatrika. Mety hahafantatra tsara ilay foto-kevitra asaina resahinao izy ireo. Hevero izay efa fantany momba ny foto-kevitrao. Miezaha hampita zavatra hanampy azy. Manontania tena hoe: ‘Ahoana no ahafahako mampiasa ny foto-kevitro mba hahatonga ahy sy ny mpihaino ahy hankasitraka bebe kokoa an’i Jehovah? Inona ato amin’ity fanazavana ity no hanampy anay hahita ny sitrapon’Andriamanitra? Ahoana no hanampian’ity fanazavana ity anay handray fanapahan-kevitra tsara, eo amin’ity tontolo fehezin’ny filan’ny nofo ity?’ (Efes. 2:3) Mila manao fikarohana ianao mba hahazoana valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo. Aza mamaky andininy fotsiny, rehefa mampiasa Baiboly. Manjohia hevitra momba ireo andinin-teny ampiasainao, ary asehoy ny fomba azo anatsoahana hevitra avy aminy. (Asa. 17:2, 3) Aza mitady hanazava zavatra be loatra. Asehoy amin’ny fomba ahazoana mitadidy azy mora foana ny fanazavanao.
Tokony ho anisan’ny zavatra omaninao koa ny fomba fanononanao ilay anjaranao. Aza hamaivanina izany. Averimbereno amin’ny feo avo ny anjaranao. Ianaro ary ampiharo ny torohevitra momba ireo lafin-javatra samihafa asaina tandremanao, dia hanao fandrosoana ianao. Miomàna tsara, na mpandahateny vaovao ianao na efa za-draharaha. Haneho fatokisan-tena sy fihetseham-po mifanentana amin’ny fanazavana atolotrao ianao amin’izay. Isaky ny manao anjara ao amin’ny sekoly ianao, dia tadidio ny zava-kendrenao: ny hampiasa ny fitenenana, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao, mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah.—Sal. 150:6.