FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 8 p. 60-67
  • “Nilamina ny Fiangonana”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Nilamina ny Fiangonana”
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fa maninona ianao no manenjika ahy?” (Asa. 9:1-5)
  • “Saoly, ry rahalahiko, naniraka ahy i Jesosy Tompo” (Asa. 9:6-17)
  • “Nitory momba an’i Jesosy” izy (Asa. 9:18-30)
  • “Be dia be no nino” (Asa. 9:31-43)
  • Nifidy An’i Saoly i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Teny An-dalana ho any Damaskosy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Nihaona Tamin’ireo Namany Taloha sy Fahavalony Taloha i Saoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 8 p. 60-67

TOKO 8

“Nilamina ny Fiangonana”

Lasa mpitory be zotom-po i Saoly na dia nanenjika mafy ny Kristianina aza

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 9:1-43

1, 2. Inona no nokasain’i Saoly hatao tany Damaskosy?

EFA akaiky an’i Damaskosy ireo lehilahy nikasa hanao ratsy tao, ary hita hoe vinitra. Tian’izy ireo havoaka avy ao an-tranony ireo mpianatr’i Jesosy, ka hofatorany sy hataony afa-baraka ary hoentiny any Jerosalema, mba hofaizin’ny Fitsarana Avo.

2 Azo lazaina hoe efa nandatsa-dra i Saoly, mpitarika an’ireo lehilahy ireo.a Vao tsy ela izay, dia faly erỳ izy nijery ny nitoraham-bato an’i Stefana. Olona nafana fo toa an’i Saoly no namono an’io mpianatr’i Jesosy tia fivavahana io. (Asa. 7:57–8:1) Mbola tsy ampy an’i Saoly ny nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tao Jerosalema, ka nataony izay hitaran’ny afom-panenjehana. Tiany hofoanana tanteraka ilay sekta mampidi-doza atao hoe “Ny Lalana.”​—Asa. 9:1, 2; jereo ilay efajoro hoe “Nahazo Alalana ho any Damaskosy i Saoly”, pejy 61.

3, 4. a) Inona no nanjo an’i Saoly? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Tampoka teo, dia nisy hazavana nanjelanjelatra nanodidina an’i Saoly. Nahita ilay hazavana ireo mpiara-dia taminy, ka taitra mafy sy tsy nahateny. Jambena tanteraka i Saoly, ary lavo tamin’ny tany. Efa tsy nahita intsony ny masony tamin’izy nandre feo avy tany an-danitra, nanao hoe: “Saoly, Saoly, fa maninona ianao no manenjika ahy?” Nivarahontsana izy ary nanontany hoe: “Iza moa ianao, tompoko?” Tena nitsatoka tao am-pony ny valiny azony, nanao hoe: “Izaho no Jesosy, ilay enjehinao.”​—Asa. 9:3-5; 22:9.

4 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy voalohany tamin’i Saoly? Inona no soa raisintsika rehefa dinihintsika ireo zava-nitranga tamin’ny fotoana niovan’i Saoly? Inona no lesona azontsika tsoahana avy amin’izay nataon’ny fiangonana, rehefa nitsahatra ny fanenjehana taorian’ny niovan’i Saoly?

NAHAZO ALALANA HO ANY DAMASKOSY I SAOLY

Iza no nanome fahefana an’i Saoly hisambotra Kristianina tany an-tany hafa? Nanana fahefana hilaza izay mety sy tsy mety ho an’ny Jiosy eran-tany ny Fitsarana Avo Jiosy sy ny mpisoronabe, ary toa nanana fahefana handefa mpanao heloka bevava hotsaraina any amin’ny toerana niaviany ny mpisoronabe. Vonona hanampy àry ny anti-panahin’ireo synagoga tany Damaskosy, raha vao misy taratasy azony avy amin’ny mpisoronabe.​—Asa. 9:1, 2.

Afaka nitsara ny raharahan’izy samy izy koa ny Jiosy, satria nanome azy alalana hanao izany ny Romanina. Mazava àry hoe nahoana no afaka nikapoka an’i Paoly ny Jiosy, ka indimy nikapoka azy “in-40 latsaka iray avy.” (2 Kor. 11:24) Resahin’ny boky voalohan’ny Makabeo, ohatra, ny taratasy nosoratan’ny manam-pahefana romanina iray ho an’i Ptolémée Faha-8, mpanjakan’i Ejipta, tamin’ny taona 138 T.K. Nisy fangatahana toy izao tao: “Raha misy olon-dratsy mandositra mankatỳ aminareo, avy any amin’ny taniny [any Jodia], dia atolory an’i Simona mpisoronabe izy hofaiziny araka ny lalàn’izy ireo.” (1 Makabeo 15:21) Nohamafisin’i Jules César tamin’ny taona 47 T.K. ny fahefan’ny mpisoronabe, izay efa nomena azy teo aloha, sy ny zony handamina ny olana mifandray amin’ny fomban’ny Jiosy.

“Fa maninona ianao no manenjika ahy?” (Asa. 9:1-5)

5, 6. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Saoly?

5 Rehefa nampiato ny dian’i Saoly ho any Damaskosy i Jesosy, dia tsy niteny hoe: “Fa maninona no manenjika ny mpianatro ianao?” Hoy kosa izy: “Fa maninona ianao no manenjika ahy?” (Asa. 9:4) Toy ny hoe i Jesosy mihitsy no iharan’ny fitsapana mahazo ny mpanara-dia azy.​—Mat. 25:34-40, 45.

6 Mijaly ve ianao noho ny finoanao an’i Kristy? Matokia fa tsapan’i Jehovah sy Jesosy ny manjo anao. (Mat. 10:22, 28-31) Tsy voatery hanaisotra ny fitsapana i Jehovah ankehitriny. Tsarovy fa hitan’i Jesosy ny nataon’i Saoly tamin’ny namonoana an’i Stefana. Hitany koa ny nataon’i Saoly tao Jerosalema. Notaritaritiny hivoaka ny trano mantsy ireo mpianatra tsy nivadika tao. (Asa. 8:3) Tsy nisakana an’izany anefa i Jesosy. Na izany aza, dia nampiasa an’i Kristy i Jehovah ka nanome hery an’i Stefana sy ny mpianatra hafa mba tsy hivadihan’izy ireo.

7. Inona no tsy maintsy ataonao mba ho vitanao ny miaritra fanenjehana?

7 Afaka miaritra fanenjehana koa ianao. Amin’ny fomba ahoana? 1) Aza mivadika mihitsy, na inon-kidona na inon-kihatra. 2) Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. (Fil. 4:6, 7) 3) Avelao i Jehovah no hamaly. (Rom. 12:17-21) 4) Matokia fa homen’i Jehovah hery hiaretana ianao, mandra-pahatongan’ny fotoana hanesorany an’ilay fitsapana.​—Fil. 4:12, 13.

“Saoly, ry rahalahiko, naniraka ahy i Jesosy Tompo” (Asa. 9:6-17)

8, 9. Nety ho nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Ananiasy tamin’ilay iraka nampanaovina azy?

8 Novalian’i Jesosy aloha ilay fanontanian’i Saoly hoe: “Iza moa ianao, tompoko?”, ary hoy izy avy eo: “Mitsangàna, ary mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.” (Asa. 9:6) Nentina ho any amin’ilay trano hipetrahany tany Damaskosy i Saoly, izay efa tsy nahita intsony. Nivavaka sy tsy nihinan-kanina izy nandritra ny telo andro. Tamin’izay fotoana izay i Jesosy no niresaka an’i Saoly tamin’ny mpianatra iray tao Damaskosy. Ananiasy no anarany, ary “tsara laza teo amin’ny Jiosy rehetra” tao izy.​—Asa. 22:12.

9 Nifamahofaho be ihany ny fihetseham-pon’i Ananiasy. Niresaka taminy nivantana i Jesosy Kristy Lohan’ny fiangonana, izay efa tafatsangana tamin’ny maty, ary nifidy azy hamita iraka manokana. Voninahitra izany, nefa asa sarotra koa! Hoy i Ananiasy rehefa nilazana fa mila miresaka amin’i Saoly: “Tompo ô, be dia be ny olona henoko niresaka momba an’izany lehilahy izany, sy ny zava-dratsy rehetra nataony tamin’ny olonao masina tany Jerosalema. Ary eto izy izao, satria nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona mba hisambotra an’izay rehetra miantso ny anaranao.”​—Asa. 9:13, 14.

10. Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy, rehefa dinihina ny nataony tamin’i Ananiasy?

10 Tsy nibedy an’i Ananiasy noho ilay fanahiany i Jesosy, fa nanome azy toromarika mazava kosa. Nanaja azy i Jesosy ka nolazainy taminy ny antony nanirahany azy hanao an’io asa manokana io. Hoy izy momba an’i Saoly: “Fanaka nofidiko izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely. Fa hasehoko azy tsara hoe be dia be ny zavatra tsy maintsy hiaretany noho ny anarako.” (Asa. 9:15, 16) Nankatò avy hatrany i Ananiasy. Nitady an’i Saoly izy, ary hoy izy rehefa nihaona taminy: “Saoly, ry rahalahiko, naniraka ahy i Jesosy Tompo, ilay niseho taminao teny amin’ilay lalana nandehananao nankatỳ, mba hahita indray ny masonao ary ho feno fanahy masina ianao.”​—Asa. 9:17.

11, 12. Inona no ianarantsika rehefa dinihina ny tantara manodidina ny niovan’i Saoly?

11 Zavatra maromaro no mazava amintsika, rehefa dinihina ny tantara manodidina ny niovan’i Saoly. Hita fa tena mitarika ny asa fitoriana i Jesosy, araka ny efa nampanantenainy. (Mat. 28:20) Marina fa tsy miresaka mivantana amin’olona izy ankehitriny. Tena mitarika ny asa fitoriana anefa izy, ka mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana, izay notendreny hiandraikitra an’ireo mpanompo ao an-tranony. (Mat. 24:45-47) Mandamina ny asa fitoriana ny Filan-kevi-pitantanana. Mandefa mpitory sy mpisava lalana izy io, mba hitady an’izay te hianatra bebe kokoa momba an’i Kristy. Hitantsika tao amin’ny toko teo aloha, fa maro amin’ny olona toy izany no nivavaka mba hampian’Andriamanitra, ary nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga nitsidika azy avy eo.​—Asa. 9:11.

12 Nankatò i Ananiasy ary nanao izay nampanaovina azy, ka nahazo fitahiana. Ary ianao? Mankatò ny didin’i Jesosy ve ianao ka mitory amin’ny fomba feno, na dia matahotra aza? Mampitebiteby ny sasany ny mitory isan-trano sy miresaka amin’olona tsy fantany. Sarotra amin’ny hafa koa ny mitory any amin’ny toeram-piasana, na eny an-dalana, na an-telefaonina, na an-taratasy. Niezaka nandresy ny tahotra i Ananiasy, ka afaka nanampy an’i Saoly handray ny fanahy masina.b Nahomby i Ananiasy satria natoky an’i Jesosy, ary nihevitra an’i Saoly ho rahalahy. Inona àry no hanampy anao handresy ny tahotra? Toa an’i Ananiasy, dia matokia fa mitarika ny asa fitoriana i Jesosy. Aoka koa ianao hangoraka ny olona, ary hihevitra fa mety ho tonga rahalahy na dia olona tena mampatahotra aza.​—Mat. 9:36.

“Nitory momba an’i Jesosy” izy (Asa. 9:18-30)

13, 14. Ahoana no azonao anahafana an’i Saoly, raha mianatra Baiboly ianao nefa mbola tsy vita batisa?

13 Nampiharin’i Saoly avy hatrany ny zavatra nianarany. Sitrana izy ary nanaiky hatao batisa avy eo, ka niaraka akaiky tamin’ireo mpianatra tao Damaskosy. “Tonga dia nitory momba an’i Jesosy tany amin’ny synagoga izy, ka nilaza fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy.”​—Asa. 9:20.

14 Raha mianatra Baiboly ianao nefa mbola tsy vita batisa, ho vonona hampihatra ny zavatra ianaranao ve ianao, toa an’i Saoly? Ekena fa nahita maso an’ilay fahagagana nataon’i Kristy taminy i Saoly, ary nandrisika azy hanao zavatra izany. Nisy olon-kafa koa anefa nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy. Fariseo maro, ohatra, no nahita azy nanasitrana lehilahy maty tanana. Jiosy maro be koa no nahalala fa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy. Tsy rototra anefa ny maro tamin’izy ireo ary nanohitra mihitsy aza. (Mar. 3:1-6; Jaona 12:9, 10) Tsy toy izany kosa i Saoly fa niova. Nahoana izy no niova, nefa ny hafa tsy toy izany? Satria Andriamanitra no natahorany kokoa noho ny olona, ary tena nankasitrahany ny famindram-pon’i Kristy taminy. (Fil. 3:8) Raha manahaka azy ianao, dia tsy hamela na inona na inona hanakana anao tsy ho tonga mpitory sy ho vita batisa.

15, 16. Inona no nataon’i Saoly tany amin’ny synagoga, ary ahoana no nandraisan’ny Jiosy tao Damaskosy ny fitoriany?

15 Gaga sy taitra ary tezitra ny vahoaka rehefa nanomboka nitory momba an’i Jesosy tany amin’ny synagoga i Saoly. Hoy izy ireo: “Ka tsy io ve ilay nampitondra faisana an’ireo niantso an’izany anarana izany tany Jerosalema e?” (Asa. 9:21) Nohazavain’i Saoly ny antony nampiova ny fiheverany an’i Jesosy, ka “nanome porofo marim-pototra izy hoe i Jesosy no Kristy.” (Asa. 9:22) Tsy ny rehetra anefa no hiaiky, na eo aza ny porofo marim-pototra. Tsy izany no hahatonga ny olona hampandefitra ny hambom-pony na hiala amin’ny finoana nahazatra azy. Tsy kivy anefa i Saoly.

16 Mbola niady hevitra tamin’i Saoly ny Jiosy tao Damaskosy, telo taona tatỳ aoriana. Nitady hamono azy izy ireo tamin’ny farany. (Asa. 9:23; 2 Kor. 11:32, 33; Gal. 1:13-18) Rehefa fantatra ny tetik’izy ireo, dia naleon’i Saoly niala mangingina tao an-tanàna. Tsy nampaninona azy ny natao tao anaty sobika ka nampidinina avy teo amin’ny varavarankelin’ny manda. Milaza i Lioka fa mpianatr’i Saoly no nanampy azy handositra, tamin’iny alina iny. (Asa. 9:25) Toa midika izany fa nisy tonga mpanara-dia an’i Kristy ny olona sasany nandre ny fitorian’i Saoly tao Damaskosy.

17. a) Ahoana avy no andraisan’ny olona ny fahamarinana torintsika? b) Inona foana no tokony hataontsika, ary nahoana?

17 Nanomboka noresahinao tamin’ny havana aman-tsakaiza sy ny olon-kafa angamba ireo zava-tsoa nianaranao. Mety ho nanantena ianao fa hanaiky ny fahamarinana izy ireo, noho ireo porofo mazava tsara ao amin’ny Baiboly. Nanaiky angamba ny sasany, fa ny maro kosa tsy nanaiky. Mety ho nataon’ny ankohonanao fahavalo mihitsy aza ianao. (Mat. 10:32-38) Mety hiova anefa na dia ny mpanohitra aza, raha hatsarainao foana ny fahaizanao mandresy lahatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ary manana fitondran-tena tsara foana ianao.​—Asa. 17:2; 1 Pet. 2:12; 3:1, 2, 7.

18, 19. a) Inona no vokany rehefa narovan’i Barnabasy i Saoly? b) Inona no hataontsika raha tiantsika ny ho toa an’i Barnabasy sy Saoly?

18 Tsy nahagaga raha tsy nino ny mpianatra hoe efa mpianatra koa i Saoly, tamin’izy tonga tao Jerosalema. Narovan’i Barnabasy anefa izy, ka noraisin’ny apostoly sy niaraka tamin’izy ireo elaela. (Asa. 9:26-28) Tsy tia sehoseho i Saoly, nefa koa tsy nahamenatra azy ny vaovao tsara. (Rom. 1:16) Sahy nitory tao Jerosalema izy, na dia tao aza izy no tena nanenjika mafy ny mpianatr’i Jesosy Kristy. Tezitra be ny Jiosy tao Jerosalema rehefa fantany fa namadika azy ilay nandrandrain’izy ireo, ka notadiaviny hovonoina i Saoly. “Rehefa fantatr’ireo rahalahy izany, dia nentiny nidina tany Kaisaria [i Saoly], ka nalefany tany Tarsosy.” (Asa. 9:30) Neken’i Saoly ny toromarika nomen’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fiangonana. Samy nandray soa àry i Saoly sy ny fiangonana.

19 Mariho fa i Barnabasy no tonga dia nanao zavatra hanampiana an’i Saoly. Azo inoana fa izany no nahatonga an’ireo mpanompon’i Jehovah be zotom-po ireo ho mpinamana be. Toa an’i Barnabasy ve ianao ka vonona hanampy an’ireo vaovao, sy hiara-miasa aminy eny amin’ny fanompoana ary hanampy azy handroso ara-panahy? Ho be ny valisoanao raha manao izany ianao. Raha mpitory vaovao kosa ianao, ho toa an’i Saoly ve ianao ka hanaiky hampiana? Hitombo ny fahaizanao mitory sy mampianatra, raha miara-miasa amin’ny mpitory za-draharaha ianao. Vao mainka hahita fifaliana ianao, ary ho mpinamana tsy mifankafoy ianareo.

“Be dia be no nino” (Asa. 9:31-43)

20, 21. Nanararaotra nanao inona ny mpanompon’Andriamanitra taloha sy ankehitriny, rehefa “nilamina” ny tany misy azy?

20 Taorian’ny niovan’i Saoly sy ny nandehanany, dia “nilamina ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria satria tsy nisy nanohitra.” (Asa. 9:31) Ahoana no nataon’ny mpianatra rehefa tao anatin’ny “mora” toy izany? (2 Tim. 4:2) “Nihanatanjaka” izy ireo, hoy ny fitantarana. Nanome ohatra sy nanatanjaka ny finoan’ny mpianatra ny apostoly sy ny rahalahy nanana andraikitra, ary ny fiangonana kosa “natahotra an’i Jehovah sy nampaherezin’ny fanahy masina.” Nohararaotin’i Petera, ohatra, izany fotoana izany mba hampaherezana an’ireo mpianatra tao amin’ny tanànan’i Lyda, any amin’ny Lemak’i Sarôna. Olona maro teny amin’ny manodidina no “niova ka lasa nanaiky ny Tompo”, noho ny ezaka nataony. (Asa. 9:32-35) Tsy nikatsaka zavatra hafa ny mpianatra, fa niezaka nifampiahy sy nitory ny vaovao tsara kosa. Vokatr’izany, dia “tsy nitsaha-nitombo” ny fiangonana.

21 “Nilamina” koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-20. Nirodana tampoka ny fitondrana nampijaly ny vahoakan’Andriamanitra efa am-polony taona maro, ka nihanalefaka na foana mihitsy ny fandrarana. Nanararaotra nitory ampahibemaso àry ny Vavolombelona an’aliny, ary tsy mampino ny vokatra azo.

22. Ahoana no azonao anararaotana ny fahalalahana anananao?

22 Hararaotinao tsara ve ny fahalalahana anananao? Tian’i Satana hikatsaka vola aman-karena ianao, fa tsy hanompo an’i Jehovah, raha misy fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny taninao. (Mat. 13:22) Aza variana amin-javatra hafa, fa hararaoty kosa ny fotoana isian’ny filaminana. Hararaoty hitoriana amin’ny fomba feno sy hanatanjahana ny fiangonana izany. Tsarovy fa mety hiova tampoka ny fiainanao.

23, 24. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Tabita? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

23 Diniho ny nanjo ny mpianatra iray atao hoe Tabita, na Dorkasy. Nipetraka tao Jopa, tanàna tsy lavitra an’i Lyda, izy. Nampiasa tsara ny fotoanany sy ny fananany io anabavy tsy nivadika io, ka “nanao asa soa be dia be ... sady nanome zavatra maro hiantrana ny mahantra.” Tampoka teo anefa, dia narary izy ary maty.c Nalahelo be ny mpianatra tao Jopa, indrindra fa ireo mpitondratena nanaovany soa. Tonga tao amin’ilay trano nisy ny faty i Petera, ary nanao fahagagana mbola tsy nataon’ny apostolin’i Jesosy mihitsy. Nivavaka izy, ary natsangany tamin’ny maty i Tabita! Eritrereto ny fifalian’ny mpitondratena sy ny mpianatra hafa, rehefa nantsoin’i Petera izy ireo ka natolony azy ireo i Tabita efa velona. Nampahery azy ireo hiatrika ny fitsapana ho avy izany! Tsy nahagaga raha “nanjary fantatry ny olona eran’i Jopa” iny fahagagana iny, “ka be dia be no nino ny Tompo.”​—Asa. 9:36-42.

Anabavy iray manome voninkazo anabavy efa be taona sady tsy salama.

Ahoana no azonao anahafana an’i Tabita?

24 Hevitra lehibe roa no ianarantsika avy amin’iny fitantarana mampahery momba an’i Tabita iny: 1) Mihelina ihany ny fiainana. Zava-dehibe àry ny hiezahantsika hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra, dieny mbola afaka manao izany! (Mpito. 7:1) 2) Azo antoka ny fitsanganana amin’ny maty. Hitan’i Jehovah ny asa soa maro nataon’i Tabita, ka namaly soa azy izy. Hotsaroany koa ny asa mafy ataontsika ka hatsangany amin’ny maty isika, raha maty alohan’ny Aramagedona. (Heb. 6:10) Aoka àry isika tsy hitsahatra hitory momba an’i Kristy, na ‘milamina’ isika, na ao anatin’ny “sarotra.”​—2 Tim. 4:2.

SAOLY FARISEO

Avy any Tarsosy ilay “tovolahy atao hoe Saoly”, izay resahin’ny Asan’ny Apostoly, tamin’i Stefana notoraham-bato. Tarsosy no renivohitr’ilay faritany romanina atao hoe Kilikia, any atsimon’i Tiorkia ankehitriny. (Asa. 7:58) Maro be ny Jiosy nipetraka tany Tarsosy. Hoy i Saoly tao amin’ny taratasiny: “Noforana tamin’ny andro fahavalo mantsy aho, avy tamin’ny firenen’Israely, avy tamin’ny fokon’i Benjamina, Hebreo nateraky ny Hebreo, ary Fariseo raha ny lalàna no resahina.” Nanana ny naha izy azy tokoa ny olona toy izany teo amin’ny Jiosy.​—Fil. 3:5.

Saoly Fariseo.

Lehibe ny tanàna niavian’i Saoly, ary niroborobo tao ny varotra sy ny kolontsaina grika. Tarsosy no tanàna nahabe azy, ka nahay teny grika izy. Azo inoana fa nianatra tany amin’ny sekoly jiosy izy tamin’ny mbola kely. Nianatra nanao tranolay izy, satria izany no nampiavaka ny faritra niaviany. Azo inoana fa nampianarin-drainy an’io asa io izy, tamin’izy mbola tovolahy.​—Asa. 18:2, 3.

Lazain’ny Asan’ny Apostoly koa fa vao teraka i Saoly dia efa nizaka ny zom-pirenena romanina. (Asa. 22:25-28) Midika izany fa nisy nizaka ny zom-pirenena romanina ny razambeny. Tsy fantatra hoe ahoana no nahazoan’ny fianakaviany an’izany. Na ahoana na ahoana, dia olona ambony tao amin’ny faritany nisy azy ny fianakaviany, noho izy ireo nizaka an’io zom-pirenena io. Hain’i Saoly tsara àry ny kolontsaina jiosy sy grika ary romanina, noho ny fiaviany sy ny fianarana vitany.

Toa nifindra tany Jerosalema, tany amin’ny 840 kilaometatra, i Saoly tamin’izy 13 taona latsaka, mba hanohy ny fianarany. Nianatra teo an-tongotr’i Gamaliela izy tany. Mpampianatra an’ireo fampianaran’ny Fariseo i Gamaliela, ary tena nalaza.​—Asa. 22:3.

Mitovy amin’ny eny amin’ny oniversite ankehitriny io fianarana nataon’i Saoly io. Andininy ao amin’ny Soratra Masina sy lalàna am-bava jiosy no ezahin’ny mpianatra tadidina sy ianarana. Afaka nanantena hahazo asa ambony ireo tena nahay tamin’ny mpianatr’i Gamaliela, ary toa anisan’izany i Saoly. Hoy izy tatỳ aoriana: “Tena mpanaraka ny Fivavahan’ny Jiosy hiringiriny aho, mihoatra noho ny ankamaroan’ny olona nitovy taona tamiko teo amin’ny fireneko. Nafana fo be nanaraka ny fampianarana nolovako avy tamin’ny razambeko mantsy aho.” (Gal. 1:14) Fatra-panaja ny fampianaran’ny Jiosy i Saoly, ka lasa nalaza ratsy tamin’ny fanenjehana an’ilay fiangonana kristianina vao niforona.

‘NANAO ASA SOA BE DIA BE I TABITA’

Tabita manome zavatra ho an’olona iray mangataka fanampiana.

I Tabita dia anisan’ny fiangonana kristianina tao Jopa, izay seranan-tsambo. Tia an’i Dorkasy ny mpiray finoana taminy, satria “nanao asa soa be dia be izy sady nanome zavatra maro hiantrana ny mahantra.” (Asa. 9:36) Niara-nonina ny Jiosy sy ny hafa firenena, tany amin’ny faritra sasany. Maro tamin’ireny Jiosy ireny no nanana anarana roa: Hebreo na aramianina ny iray, ary grika na latinina ny iray. Toy izany koa i Tabita: “Dorkasy” no anarany grika, fa “Tabita” kosa izany amin’ny teny aramianina. Samy midika hoe “gazela” ireo anarany ireo.

Toa narary i Tabita ary maty tampoka. Nampandroina izy, toy ny fanao rehefa mikarakara faty halevina. Nampandrina tao amin’ny efitrano ambony rihana iray, izay angamba tranony ihany, izy. Mahamay be ny andro any amin’ny faritr’i Palestina, ka tsy maintsy alevina amin’ny andro ahafatesany ny maty, na ny ampitson’iny. Ren’ny Kristianina tao Jopa fa tao Lyda ny apostoly Petera. Tsy lavitra i Lyda, satria 18 kilaometatra avy eo Jopa, ary adiny efatra teo ho eo raha natao dia an-tongotra. Ampy tsara àry ny fotoana hankanesan’i Petera any Jopa, alohan’ny handevenana an’i Tabita. Koa naniraka lehilahy roa ny fiangonana mba hiangavy an’i Petera ho tonga tsy misy hataka andro. (Asa. 9:37, 38) Hoy ny manam-pahaizana iray: “Efa fanao teo anivon’ny Fivavahana Jiosy tany am-boalohany ny nandefa iraka tsiroaroa, mba ho afaka hanamafy ny tenin’ny iray ny iray.”

Inona no nitranga rehefa tonga i Petera? Hoy ny fitantarana: “Nentin’izy ireo tao amin’ilay efitra ambony rihana [i Petera]. Ary tonga teo aminy daholo ny vehivavy maty vady. Nitomany izy ireo sady nampiseho azy ny fitafiana sy ny akanjo lava be dia be nozairin’i Dorkasy tamin’izy mbola velona.” (Asa. 9:39) Nanjaitra akanjo ho an’ireo Kristianina teo anivon’ny fiangonany izy. Anisan’ny nitiavan’izy ireo azy izany. Nanjaitra akanjo atao manolo-koditra, sy akanjo lava fanao ivelany, izy. Tsy voalaza raha niantoka ny zavatra rehetra izy, na nanjaitra fotsiny. Na ahoana na ahoana, dia tian’ny olona izy satria tsara fanahy sady ‘niantra ny mahantra.’

Nampihetsi-po an’i Petera ny zavatra hitany tao amin’ilay efitrano ambony rihana. Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Richard Lenski fa “samy hafa be tamin’izay nisy tao an-tranon’i Jairo ny fanehoana alahelo tao. Be tabataba mantsy tao an-tranon’i Jairo, ary nisy mpitsoka sodina sy vehivavy nokaramaina hitomany. Tsy namboamboarina toy izany ny fanehoana alahelo tao amin’ilay efitrano ambony rihana”, fa tena vokatry ny fo. (Mat. 9:23) Maro no milaza fa tsy nanambady i Tabita, satria tsy voaresaka mihitsy ny vadiny.

Nomen’i Jesosy fahefana ‘hanangana ny maty’ ny apostoly, rehefa nirahiny. (Mat. 10:8) Efa nahita an’i Jesosy nanangana ny maty i Petera, anisan’izany ny nananganana ny zanakavavin’i Jairo. Tsy misy fitantarana milaza hoe efa nanangana ny maty ny apostoly, talohan’io. (Mar. 5:21-24, 35-43) Nasain’i Petera nivoaka an’ilay efitra ny olona. Nivavaka mafy izy avy eo, ka nihiratra i Tabita ary niarina. Akory ny hafalian’ny Kristianina tao Jopa, rehefa velona i Tabita ka natolotr’i Petera an’ireo olona masina sy ireo mpitondratena!​—Asa. 9:40-42.

a Jereo ilay efajoro hoe “Saoly Fariseo”, pejy 62.

b Ny apostoly ihany, amin’ny ankapobeny, no afaka mampita amin’olon-kafa an’ireo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy masina. Maningana kosa ity indray mandeha ity, satria toa nanome fahefana an’i Ananiasy i Jesosy mba hampita izany tamin’i Saoly. Taorian’ny niovany, dia nitokana ela be tany an-toeran-kafa i Saoly ka tsy nihaona tamin’ny apostoly 12. Azo inoana anefa fa nanao zavatra izy nandritra an’io fotoana io. Toa nataon’i Jesosy àry izay hananany ny hery nilainy, mba haharetany amin’ny asa fitoriana nanirahana azy.

c Jereo ilay efajoro hoe “Be Tokoa ny Asa Soa Vitan’i Tabita”, pejy 67.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara