FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 8 hevitra 1-3
  • Fomba Iatrehana Fahoriana Mafy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Iatrehana Fahoriana Mafy
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 MIANTEHERA AMIN’I JEHOVAH
  • 2 KARAKARAO NY TENANAO SY NY MPIANAKAVINAO
  • 3 MANGATAHA FANAMPIANA
  • Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?
    Foto-kevitra Hafa
  • Fanontanian’​ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Mitsinjo ny Vahoakany i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ny Fomba Ahitana Fanantenana ao Anatin’ny Famoizam-po
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 8 hevitra 1-3
Mpivady iray malahelo be fa maty ny zanany iray

FIZARANA 8

Fomba Iatrehana Fahoriana Mafy

‘Miravoravo fatratra ianareo, na dia tsy maintsy ampalahelovina vetivety amin’ny fitsapana maro samihafa aza.’—1 Petera 1:6

Marina fa miezaka mafy ianao mba hahasambatra ny tokantranonao. Mety hisy zava-mitranga tsy ampoizina anefa, ka hampanjombona ny fiainana. (Mpitoriteny 9:11) Tia antsika Andriamanitra ka manampy antsika rehefa misy olana. Raha manaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina ato amin’ity fizarana ity ianareo, dia ho afaka hiatrika olana, eny fa na dia ny olana mafy indrindra aza.

1 MIANTEHERA AMIN’I JEHOVAH

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” (1 Petera 5:7) Tadidio foana fa tsy Andriamanitra no mahatonga ny fijalianao. (Jakoba 1:13) Hanome anao ny fanampiana tsara indrindra izy, raha manatona azy ianao. (Isaia 41:10) ‘Aoka ianao hamboraka aminy ny ao am-ponao.’—Salamo 62:8.

Hampahery anao koa ny mamaky sy mianatra Baiboly isan’andro. Ho tsapanao fa “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra” i Jehovah. (2 Korintianina 1:3, 4; Romanina 15:4) Mampanantena izy fa hanome anao “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—Filipianina 4:6, 7, 13.

Lehilahy iray eo am-pandriana any amin’ny hopitaly, miara-mivavaka amin’ny fianakaviany

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mivavaha mba hampian’i Jehovah ho tony foana sy hisaina tsara

  • Jereo daholo izay azo atao, ary izay tsara indrindra no ataovy

2 KARAKARAO NY TENANAO SY NY MPIANAKAVINAO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Ny fon’ny mahira-tsaina miezaka hahazo fahalalana, ary ny sofin’ny hendry te hihaino fahalalana.” (Ohabolana 18:15) Fantaro tsara izay tena ilain’ny mpianakavinao tsirairay. Miresaha amin’izy ireo ary mihainoa azy.—Ohabolana 20:5.

Ary ahoana raha misy mpianakavy maty? Aza misalasala maneho ny alahelonao. Tadidio fa na i Jesosy aza nitomany. (Jaona 11:35; Mpitoriteny 3:4) Tena ilaina koa ny maka aina tsara sy miezaka ho ampy torimaso. (Mpitoriteny 4:6) Ho mora kokoa amin’izay ny miatrika an’ilay toe-javatra mampalahelo.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Miezaha ho zatra miresaka amin’ny mpianakavinao, dieny mbola tsy miatrika fahoriana mafy ianareo. Amin’izay izy ireo tsy hisalasala hiresaka aminao rehefa misy olana

  • Miresaha amin’ny olona efa niatrika olana mitovy amin’ny anao

3 MANGATAHA FANAMPIANA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Te hanampy anao ny namanao, nefa mety tsy ho fantany izay tokony hatao. Aza misalasala milaza amin’izy ireo izay tena ilainao. (Ohabolana 12:25) Mangataha koa fanampiana ara-baiboly avy amin’ny olona mahay tsara ny Soratra Masina. Hanampy anao ny tari-dalana omen’izy ireo avy ao amin’ny Baiboly.—Jakoba 5:14.

Hahazo fanampiana ianao raha miaraka matetika amin’ny olona tena mino an’Andriamanitra sy mino ny fampanantenany. Tena hampahery anao koa ny manampy ny olona mila fampaherezana. Resaho amin’izy ireo ny finoanao an’i Jehovah sy ny fampanantenany. Manaova zavatra foana ka ampio ireo mila ampiana. Aza mihatakataka amin’ireo olona tia anao sy miahy anao.—Ohabolana 18:1; 1 Korintianina 15:58.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Miresaha amin’ny namana akaiky iray ary avelao izy hanampy anao

  • Lazao mazava tsara izay ilainao

TADIDIO IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA

Mieritrereta foana an’Andriamanitra, na dia vesaran’ny fahoriana aza ianao. Hoy i Joba tamin’izy niatrika fitsapana: “Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!” (Joba 1:21, 22) Tahafo i Joba ka hevero ho zava-dehibe kokoa noho ny fanahianao ny anaran’i Jehovah sy ny sitrapony. Aza manary toky raha tsy araka ny anirianao azy ny zava-mitranga. Matokia tanteraka an’Andriamanitra. Hoy mantsy izy: ‘Fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo. Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.’—Jeremia 29:11.

ERITRERETO IZAO:

  • Matoky tanteraka an’i Jehovah ve aho, na dia amin’ny zavatra madinika aza?

  • Inona avy ny soa ataon’i Jehovah ho ahy, ka tokony hisaorako azy isan’andro?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara