FANAZAVANA MAHALIANA
Ny Tranolay Masina
NASAIN’I Jehovah naorina tany an-tany efitr’i Sinay ilay tranolay masina, tamin’ny 1512 T.K. Teo afovoan’ny tobin’ny Israely io foiben’ny fivavahana marina io. Fanoharana ny amin’ny “tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa”, dia ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra, izy io, hoy ny apostoly Paoly.—He 9:9, 11.
KISARY: Ny Tranolay Masina
Mpisoronabe mamafy ran’ny biby natao sorona, eo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena. Nanolotra ny vidim-panavotana koa i Jesosy rehefa niseho teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra (He 9:13, 14, 24)
Mifanitsy amin’ireo sorona biby tsy maintsy natao fahiny ny ain’i Jesosy Kristy natao sorona mba hanavotana ny olombelona (Mt 20:28; He 10:5-10)