FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely”
  • Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Tena Vokatra any Amin’ilay Tany Soa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Fianarana Azo Ampiharina avy Amin’ny Tany Nampanantenaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ilay “Tany Tondra-dronono sy Tantely”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ampongabendanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely”

FANAZAVANA MAHALIANA

Ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely

TENA soa tokoa ilay tany nomen’Andriamanitra ny Israely. Io ilay Tany Nampanantenaina. Naniraka mpitsikilo i Mosesy mba hijery taratra azy io sy hialoha an’ilay firenena. Nasainy naka santionany tamin’ny vokatry ny tany koa izy ireo, ka nitondra aviavy, sy ampongabendanitra, ary sampahom-boaloboka lehibe izay nentin’ny roa lahy tamin’ny bao filanjana! Natahotra izy ireo satria tsy ampy finoana, nefa niaiky ihany fa “tena tondra-dronono sy tantely tokoa” ilay tany.​—No 13:23, 27.

Nanome toky an’ilay vahoaka ny mpitondra tenin’i Jehovah, taloha kelin’ny hidiran’izy ireo tao amin’ilay tany. Hoy izy: “Efa hampiditra anao ao amin’ny tany soa i Jehovah Andriamanitrao. Tany be lohasaha falehan-driaka misy rano izy io, sady misy loharano sy rano lalina avy any amin’ny lemaka sy ny faritra be tendrombohitra; tany misy varimbazaha sy vary orza sy voaloboka sy aviavy sy ampongabendanitra sy oliva fanaovana menaka, ary tany misy tantely. ... Tsy ho ory na inona na inona [ianao]. Feno vy ny vato ao amin’izany tany izany, ary ao amin’ny tendrombohiny no hitrandrahanao varahina.” (De 8:7-9) Mbola mamokatra be foana ilay tany hatramin’izao.

Mahaliana antsika ny hakanton’ilay Tany Nampanantenaina fahiny. Nahoana? Satria ny fitahiana be dia be nomen’i Jehovah ny Israely fahiny no indramin’ny faminaniana momba ny Mesia mba hampisehoana izay hataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehefa hitondra i Jesosy Kristy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana.”​—Is 9:6; Sl 67:4-7; 72:16.

[Sary, pejy 740]

Tany tondra-dronono izy io ...

[Sary, pejy 740]

... sady be tantelidia

[Sary, pejy 741]

Tany azon-drano tsara izy io

[Sary, pejy 741]

Tany nahavokatra varimbazaha ...

[Sary, pejy 741]

... sy nijinjana vary orza izy io

[Sary, pejy 742]

Vokatra be ny voaloboka. Ireny no nanaovana divay nampifaly ny fon’izy ireo

[Sary, pejy 742]

Niavaka ny aviavy noho ireo voany mamy be. Lasa sarin-teny ilazana fiadanana sy filaminana koa ny aviavy

[Sary, pejy 742]

Ahazoana ranom-boankazo mamelombelona ny ampongabendanitra

[Sary, pejy 742]

Hazo oliva iray dia efa ampy ahazoana menaka ho an’ny fianakaviana iray manontolo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara