FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Noravan’ny Romanina i Jerosalema”
  • Noravan’ny Romanina i Jerosalema

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Noravan’ny Romanina i Jerosalema
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Masada — Nahoana no nitranga izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Porofo Mivaingana fa Tanteraka ny Faminaniana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Noravan’ny Romanina i Jerosalema”

FANAZAVANA MAHALIANA

Noravan’ny Romanina i Jerosalema

TALOHA kelin’ny hahafatesan’i Jesosy tamin’ny taona 33, dia nilaza izy fa “mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy” i Jerosalema. Nanahaka ny razambeny fahiny ny mponina tao, ary nanda ny Zanak’Andriamanitra.​—Mt 23:37.

Nilaza mialoha izay hitranga i Jesosy hoe: “Ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao.” (Lk 19:41-44) Hoy koa izy: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema ... izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra.” ​—Lk 21:20, 21.

Tonga nanafika an’i Jerosalema ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus tamin’ny taona 66, rehefa nikomy ny Jiosy. Nilaza anefa i Josèphe fa nasain’i Gallus “niala tampoka ny miaramilany, ... ary tsy nampoizina mihitsy ny fialany tao amin’ilay tanàna.” Lasa afaka nandositra ny Kristianina noho izany, ka niala tao Jerosalema tokoa izy ireo. Vetivety dia niverina ny tafika romanina notarihin’i Titus. Nanangana “fefy hazo maranitra manodidina” nahatratra 7,2 km izy ireo. Taorian’ny fahirano dimy volana teo ho eo, dia noravana tanteraka ilay tanàna sy ny tempoliny. Telo taona tatỳ aoriana (taona 73), dia lasan’ny tafika romanina koa i Masada, ilay tanàna voaro mafy farany nofehezin’ny Jiosy, izay niorina teny an-tampon-tendrombohitra.

[Sary, pejy 751]

Ny sisa tavela amin’i Masada, ilay tanàna voaro mafy teny an-tampon-tendrombohitra

Rava tokoa i Jerosalema. Asehon’izany fa tena ilaina ny manaraka izay lazain’ny faminanian’ny Baiboly.

[Sary, pejy 751]

Vola romanina, nahatsiarovana ny faharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 70

[Sary, pejy 752]

Nandresy an’i Jerosalema sy nandrava azy ny Romanina tamin’ny taona 70

[Sary, pejy 752]

Andohalambon’i Titus ahitana sarina miaramila romanina nitondra ny fanaky ny tempoly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara