FIJANGAJANGANA
Ny karazana firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady eo imason’Andriamanitra. Midika hoe mivaro-tena, manana fifandraisana mamoafady, ary mijangajanga ilay matoanteny hebreo hoe zanah sy ny teny iray tarika aminy. (Ge 38:24; Ek 34:16; Ho 1:2; Le 19:29) Pôrneia kosa no teny grika nadika hoe “fijangajangana.” Manazava ny dikan’ny pôrneia i B. Westcott ao amin’ilay boky hoe Ny Epistolan’i Masindahy Paoly ho An’ny Efeziana (1906, p. 76). Hoy izy: “Ilazana ny firaisana rehetra tsy azo atao izy io: 1) Fanitsakitsaham-bady: Hos. 2:2, 4 (LXX.); Mat. 5:32; 19:9; 2) fanambadiana voararan’ny lalàna, 1 Kor. 5:1; 3) fijangajangana, amin’ilay heviny mahazatra toy ny resahina eto [Efes. 5:3].” Toy izao no amaritan’i Bauer ny hoe pôrneia: “Fivarotan-tena, fitondran-tena tsy madio, fijangajangana, ny karazana firaisana rehetra tsy azo atao.” (Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy, nataon’i Bauer, nohavaozin’i F. Gingrich sy F. Danker, 1979, p. 693) Lazaina hoe pôrneia koa ny fitondran-tena maloto ampiasana ny filahiana na ny fivavian’ny olona iray, fara fahakeliny; tsy maintsy ho roa na mihoatra no manao izany (ka ny iray amin’ireo dia olona manaiky hanaovana izany na biby), ary mety ho lahy sy vavy izy ireo na samy lahy na samy vavy. (Jd 7) Mijangajanga koa izay manolana olona, ary fandikan-dalàna izany. Mazava ho azy anefa fa tsy nijangajanga ilay voaolana, raha toa izy ka efa niady mafy saingy tsy nahatohitra.
Hoy Andriamanitra rehefa nanao ny fanambadiana voalohany: “Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Ge 2:24) Vady iray àry no natao ho an’ny olona iray, ary tsy tokony hisy hanao firaisana amin’ny olona maro mihitsy. Ankoatra izany, dia tsy natao hisaraka sy hanambady indray ny mpivady.—Jereo FISARAHAM-PANAMBADIANA.
Halan’ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika fahiny ny fijangajangana, na fijangajangana eo amin’ny mpitovo izany, na eo amin’ny olona nanana fofombady, na eo amin’ny efa nanambady. Fahotana amin’Andriamanitra izany, tamin’ireny mpanompon’Andriamanitra ireny.—Ge 34:1, 2, 6, 7, 31; 38:24-26; 39:7-9.
Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Milaza ny Lalàna fa raha nijangajanga tamin-jazavavy mbola tsy nanana fofombady ny lehilahy iray, dia hanambady azy, ary hanome vodiondry ho an’ny rain-drazazavavy (sekely volafotsy 50 [110 dolara]). Tsy azony nisarahana razazavavy nandritra ny androm-piainany. Tsy maintsy nanome an’ilay vodiondry foana izy, na dia tsy nomen’ny rain-drazazavavy ho vadiny aza razazavavy. (Ek 22:16, 17; De 22:28, 29) Notoraham-bato ho faty kosa ilay lehilahy raha efa fofombadin’olona razazavavy. Tsy hosazina razazavavy raha niantsoantso rehefa nisy nitady hanolana, fa novonoina ho faty kosa izy raha tsy niantsoantso, satria midika izany fa nanaiky izy.—De 22:23-27.
Masina ny fanambadiana, ary manamafy izany ny lalàna: Voalaza mantsy fa tokony hovonoina ho faty ny zazavavy nilaza ho virjiny ka nanaiky hampakarin’olona, nefa hay izy efa nijangajanga fa nanafina izany. Raha tsy nijangajanga kosa razazavavy nefa nendrikendrehin’ny vadiny ho nanao izany, dia afa-baraka ny ankohonan’ny rain-drazazavavy ka ‘hofaizin’ny’ mpitsara ralehilahy (angamba hokapohina), ary hasaina mandoa sekely volafotsy 100 (220 dolara) amin’ny rain-drazazavavy. (De 22:13-21) Masina ny asan’ny mpisorona, ka afa-baraka izy raha nivaro-tena ny zanany vavy. Hovonoina ho faty razazavavy, ary avy eo hodorana toy ny zava-maharikoriko. (Le 21:9; jereo koa Le 19:29.) Nandika ny didy fahafito ny olon-droa samy efa manambady nefa nijangajanga (nanitsakitsa-bady), ka mendrika ny hosazina ho faty.—Ek 20:14; De 5:18; 22:22.
Raha efa fofombadin’olona ny mpanompovavy iray nefa nisy lehilahy nijangajanga taminy, dia hampiharina ny sazy saingy tsy tokony hovonoina ho faty izy ireo raha mbola tsy navotana na mbola tsy nomena fahafahana ilay mpanompovavy. (Le 19:20-22) Mbola tsy nomena fahafahana mantsy ravehivavy ka tsy afaka nanao izay tiany toy ny olona afaka. Mbola tsy naloa mihitsy na mbola nisy tsy voaloa ny vidim-panavotana, ka mbola mpanompovavin’ny tompony izy.
Rehefa tsy nahavita nanozona an’ireo Israelita tamin’ny sikidiny i Balama mpaminany tia vola, dia nahita fomba hafa izy mba hahatonga ny Israely tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony. Nataony izay hanairana ny fanirian-dratsy hanao firaisana tao amin’izy ireo. Nampirisika an’ireo vehivavy moabita izy mba hitaona ny Israelita hivavaka tamin’i Balan’i Peora (fivavahana tamin’ny sarina filahiana). Israelita 24 000 no maty noho izany.—No 25:1-9; 1Ko 10:8 (azo inoana fa ireo 1000 lahy lohandohany rehetra teo amin’ny vahoaka izay novonoina sy nahantona [No 25:4], niampy an’ireo ambiny izay naringana tamin’ny sabatra na loza).
Tsy tokony hijangajanga ny Kristianina. Naverin’i Jesosy Kristy indray ilay fitsipik’Andriamanitra tany am-boalohany hoe vady iray ho an’ny olona iray. (Mt 5:32; 19:9) Nasehony koa hoe tena ratsy ny fijangajangana, satria nampitoviny tamin’ny vonoan’olona, halatra, eritreri-dratsy, fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary fanevatevana zava-masina. Nohazavainy fa avy ao anatin’ny olona, avy ao am-pony, ireo zava-dratsy ireo, sady mandoto azy. (Mt 15:19, 20; Mr 7:21-23) Tatỳ aoriana (taona 49 tany ho any), dia nanoratra ho an’ny Kristianina ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina, izany hoe ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema. Nampitandrina ny Kristianina izy ireo mba hifady ny fijangajangana, ary nampitovin’izy ireo tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny fihinanan-dra izy io.—As 15:20, 29; 21:25.
Nanazava i Paoly fa anisan’ny asan’ny nofo, izay mifanohitra amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, ny fijangajangana. Nampitandrina koa izy fa tsy handova an’ilay Fanjakana ny olona zatra manao ny asan’ny nofo. (Ga 5:19-21) Notoroany hevitra ny Kristianina mba hamono ny fironan-dratsy ao anatin’izy ireo, anisan’izany ny “fijangajangana.” (Kl 3:5) Nampitandrina ny Kristianina mihitsy aza izy mba tsy hanao an’izany ho anton-dresaka, satria tokony ho masina izy ireo. Nampitandremana toy izany koa ny Israelita mba tsy hanonona ny anaran’ireo andriamanitra sampy sao hanjary hanome voninahitra azy. Mazava ho azy anefa fa tokony hampitandrina ny zanany izy ireo mba tsy hivavaka amin’ireny andriamanitra ireny.—Ef 5:3; Ek 23:13.
Fahotana mety hahavoaroaka Kristianina iray tsy ho anisan’ny fiangonana ny fijangajangana. (1Ko 5:9-13; He 12:15, 16) Nanazava i Paoly fa manota amin’ny vatany ihany ny olona mijangajanga, satria ratsy ny fomba ampiasany ny taovam-pananahany. Tena manimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra ilay olona, ary mandoto ny fiangonan’Andriamanitra, sady mety ho voan’ny aretina mahafaty azo avy amin’ny firaisana. (1Ko 6:18, 19) Manitsakitsaka ny zon’ireo rahalahiny kristianina izy (1Te 4:3-7), satria 1) nandoto ny fiangonana sady nanao hadalana nanala baraka azy io (He 12:15, 16), 2) nataony lasa maloto fitondran-tena ilay olona nijangajangany ka tsy madio intsony rehefa hanambady, raha mpitovo izy io, 3) nataony lasa ratsy laza ny fianakaviany, ary 4) nanao fahadisoana tamin’ny ray aman-dreny sy vady na fofombadin’ilay nijangajangany izy. Tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra izay hitaky ny hanasaziana azy noho ny fahotany. Ny olona mantsy mety hanala tsiny ny fijangajangana.—1Te 4:8.
Fijangajangana an’ohatra. Nifanao fifanekena tamin’i Jehovah Andriamanitra ny firenen’Israely, ka noraisin’i Jehovah ho toy ny “vady.” (Is 54:5, 6) Nivadika taminy anefa ilay firenena, ary tsy niraharaha azy sady nila vonjy tany amin’ny firenen-kafa toa an’i Ejipta sy Asyria, ka nanao fifanarahana tamin’ireny. Toy ny vehivavy nanitsakitsa-bady sy nivaro-tena ary nijangajanga tamin’ny olona maro àry ny Israely. (Ezk 16:15, 25-29) Antsoina hoe mpanitsakitsa-bady koa ny Kristianina raha efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra na nilaza ho toy izany, nefa mivadika aminy ka manaraka fivavahan-diso na lasa naman’izao tontolo izao.—Jk 4:4.
Manana heviny an’ohatra ny pôrneia ao amin’ny andininy sasany, ary nohazavain’i F. Zorell (Lexicon Graecum Novi Testamenti, Paris, 1961, tsang. 1106) toy izao ilay izy: “Fivadihana tanteraka na fialana kely amin’ilay tena finoana; fialana amin’i Jahve ilay hany tena Andriamanitra ka lasa manompo andriamani-kafa [4Mp 9:22; Je 3:2, 9; Ho 6:10 sns; noheverina ho toy ny hoe nakamban’ny fanambadiana mantsy Andriamanitra sy ny olony]: Ap 14:8; 17:2, 4; 18:3; 19:2.”—Izy no nanao ny fononteny mahitsy; mifanitsy amin’ny 2Mp ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta ilay 4Mp ao Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.
Lazain’ny Apokalypsy hoe mpivaro-tena i Babylona Lehibe, ary ampiasaina an’ohatra hilazana fivavahana izy io. Misy sekta maro ao amin’izy io, na lazaina fa kristianina izany na mpanompo sampy. Samy mihambo ho fivavahana marina izy ireo. Miaraka be amin’ireo mpitondra eo amin’ity tontolo ity anefa i Babylona Lehibe, mba hahazoany fahefana sy harena. “Nijangajanga taminy” koa “ireo mpanjakan’ny tany.” Maharikoriko an’Andriamanitra ny fijangajangana maloto fanaony, sady mampisy ra mandriaka sy fahoriana be dia be eto an-tany. (Ap 17:1-6; 18:3) Haringan’Andriamanitra toa an’ireo mpijangajanga izy, noho izany.—Ap 17:16; 18:8, 9.