FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kenita”
  • Kenita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kenita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hebera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hobaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Midianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Inona no hataonao manokana?
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kenita”

KENITA

(Kenìta).

Mponina tany Kanana na teny amin’ny manodidina, tamin’ny andron’i Abrama (Abrahama). Tsy fantatra anefa hoe iza no razamben’izy ireo satria tsy resahin’ny Baiboly.​—Ge 15:18-21.

Misy manam-pahaizana mihevitra fa midika hoe “mpanefy” ny hoe “Kenita”, satria izany, hono, no dikan’ny teny aramianina mitovitovy amin’izy io. Tsy azo antoka anefa raha marina ny hevitr’izy ireo. Tsy lazain’ny Baiboly mantsy hoe mpanefy ny Kenita. Toa mpiandry ondry kosa ny sasany taminy. (Ampit. Ek 2:15, 16; 3:1; Mpts 1:16.) Mety hisy ifandraisany amin’ny teny hebreo midika hoe “akany” anefa ny hoe “Kenita.” Mety tsara hilazana ny fonenan’ny Kenita izany, satria ‘teny amin’ny harambato’ ny toeram-ponenany, na ny ‘akaniny’ (Prot.).​—No 24:21.

Nanambady vehivavy kenita nipetraka tany Midianina i Mosesy, tamin’izy nandositra avy tany Ejipta. Nantsoina hoe Midianita ireo Kenita rehefa nipetraka tany Midianina. Nipetraka tany Midianina koa ny rafozandahin’i Mosesy, i Jetro “ilay mpisorona tany Midianina”, sy Hobaba zaodahiny, ka izany angamba no niantsoana azy ireo hoe Midianita. (Ek 2:15, 16; 3:1; 18:1; No 10:29, 30; Mpts 1:16) Raha taranak’i Midianina kosa ireo havan’i Mosesy, dia mety ho nantsoina hoe Kenita satria Midianita avy tamin’ny fianakaviana kenita. Raha izany no izy, dia tsy iray firazanana tamin’ireo Kenita velona tamin’ny andron’i Abrahama talohan’i Midianina izy ireo.

Nasain’i Mosesy hiaraka tamin’ny Israelita i Hobaba, rehefa hiala tao amin’ny faritry ny Tendrombohitra Sinay izy ireo. Nahay tsara an’ilay tany mantsy i Hobaba, ka tian’i Mosesy hisava lalana na ho toy ny ‘maso’ ho an’ilay firenena. Tsy nety aloha i Hobaba, nefa avy eo toa niaraka tamin’izy ireo ihany. Voalaza mantsy fa nanorim-ponenana tany amin’ny Tany Efitr’i Joda tany atsimon’i Arada ny Kenita, tatỳ aoriana.​—No 10:29-32; Mpts 1:16.

Nisaraka tamin’ny Kenita i Hebera Kenita tatỳ aoriana, ary nanangana ny tranolainy tao Kedesy. (Mpts 4:11; jereo KEDESY No. 3.) “Nihazakazaka nandositra nankany amin’ny tranolain’i Jaela vadin’i Hebera Kenita” i Sisera rehefa resy ny miaramila kananita notarihiny, “satria tsara fihavanana tamin’i Jabina mpanjakan’i Hazora ny fianakavian’i Hebera Kenita.” Novonoin’i Jaela anefa i Sisera.​—Mpts 4:17-21; 5:24-27.

Niara-nonina tamin’ny Amalekita ny Kenita sasany, tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. Nasain’i Saoly niala àry izy ireo, rehefa hiady tamin’ny Amalekita izy. “Naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny zanak’Israely rehetra” mantsy ny Kenita, tamin’ny Israely “niakatra avy tany Ejipta.” (1Sa 15:5, 6; ampit. Ek 18:8, 9; No 10:29-33.) Nilaza tamin’i Akisy i Davida tatỳ aoriana, fa nanafika “tany atsimon’ny tanin’ny Kenita” izy. (1Sa 27:10) Tetika fotsiny anefa izany, satria nifandray tsara tamin’ny Israelita ny Kenita. Nisy nalefan’i Davida “tany amin’ireo tanànan’ny Kenita” (angamba teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda tany atsimo) àry ny zavatra azony babo tamin’ny Amalekita.​—1Sa 30:29.

Kenita “avy tamin’i Hamata razamben’ny taranak’i Rekaba” ireo fianakavian’ny mpitan-tsoratra tao Jabeza. (1Ta 2:55) Voatonona miaraka amin’ny taranak’i Joda izy ireo.​—1Ta 2:3.

Mpifindrafindra monina ny Kenita, na nipetraka an-tanàna indraindray. Angamba tsy nifangaro tanteraka tamin’ny firenen-kafa izy ireo, matoa niovaova arakaraka ny fotoana sy ny toerana ny foko sy firenena niarahany nonina.

Tsy resahin’ny Baiboly izay niafaran’ny Kenita, na Kaina. Nanontany toy izao fotsiny i Balama tao amin’ny oha-teny nataony momba azy ireo: “Rahoviana vao hitondra anao ho babo i Asyria?” (No 24:21, 22) Mety ho nisy Kenita àry tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra sy ny manodidina, ka nobaboin’ny Asyrianina niaraka tamin’ny Israelita izy ireny.​—2Mp 15:29; 17:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara