ZEFATA
(Zefàta).
1. [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “miambina hatrany”]. Tanànan’ny mpanjaka kananita tany amin’ny faritra atsimo tamin’ny faritanin’i Joda, toa tany atsimon’i Arada, ary azon’ny tafiky ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona nitambatra. (Mpts 1:16, 17; ampit. Js 15:30; 19:4.) Lasa “Horma”, izay midika hoe “Natokana Haringana”, ny anaran’ilay tanàna tatỳ aoriana. Anisan’ny nolazain’i Jehovah fa ‘voarara’ sy voatokana haringana tanteraka io tanàna io, toa an’ireo tanàna kananita hafa ihany. (De 7:1-4) Ny fokon’i Joda sy Simeona no nanatanteraka izany tamin’i Zefata. Mety ho ny tanàna lehibe indrindra tao amin’io faritra nisy ny Kananita io i Zefata.—Jereo HORMA.
2. Lohasaha tany akaikin’i Maresa. Tany ny tafik’i Asa mpanjakan’ny Joda no nampian’i Jehovah handresy ny tafik’i Zera Etiopianina (967 T.K.). (2Ta 14:9-12) Toa iray tamin’ireo lohasaha tany avaratr’i Maresa i Zefata. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Bagster) milaza hoe “tany amin’ilay lohasaha tany avaratr’i Maresa”, fa ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta kosa manao hoe “Zefata.”