LOHARANO
Matetika izy io no rano miboiboika avy ao anaty tany (Ek 15:27), fa tsy toy ny lavadrano sy ny lavaka fanangonan-drano izay nohadin’olombelona. (Ge 26:15) Ampiasaina mba hilazana izay niavian’ny zavatra iray koa ny hoe loharano. Teny hebreo roa no nadika hoe “loharano”: ʽAyin (a.b.t.: maso) sy maʽyan izay teny iray tarika aminy. Pege no teny grika mifanitsy amin’ireo teny hebreo ireo. Diovina sy atao lalina kokoa ny loharano indraindray, ka lasa mety daholo izay iantsoana azy na “loharano” na “lavadrano.”—Ge 16:7, 14; 24:11, 13; Jn 4:6, 12; jereo LAVADRANO; LAVAKA FANANGONAN-DRANO.
Nohazavain’i Mosesy tamin’ny Israelita fa tany “misy loharano sy rano lalina avy any amin’ny lemaka sy ny faritra be tendrombohitra” ny Tany Nampanantenaina. (De 8:7) Be loharano any Palestina, satria misy enina na fito isaky ny 100 km2 eo ho eo. Matetika no vato tantera-drano no ao anatin’ireo tendrombohitr’i Joda sy Efraima. Mitsika lalina be àry ny ranonorana amin’ny ririnina, ary tonga hatrany amin’ny sosona tsy tantera-drano ka mikoriana manaraka izany. Amin’ny farany, dia miboiboika etỳ ivelany ilay rano, ka lasa loharano maro eny amin’ny sisiny andrefana amin’ny Lohasahan’i Jordana sy eny amin’ny morony andrefana amin’ny Ranomasina Maty, ary misy aza mahita lalana any ambanin’ny tany ka mivarina ao amin’ny Ranomasina Maty. Mahamay be ny ranon’ireo loharano izay mivarina mivantana ao amin’ny Ranomasina Maty sy ny ranon’ny Reniranon’i Jordana izay mikoriana mankeny amin’ny faritra iva kokoa. Miboiboika eo andrefan’ireo tendrombohitra ireo koa ilay rano, ka lasa loharano maromaro eny amin’ny ilany atsinanana amin’ny lemaka lavalava amoron-tsiraka. Ny sasany kosa mahita lalana any ambanin’ny tany ka mivarina ao amin’ny Ranomasina Mediterane. Mifantsitsitra eny an-tampon’ireo havoana any Palestina na eny akaiky eny, ny loharano sasany, anisan’izany ireo manodidina an’i Jerosalema sy Hebrona. Mahatonga loharano maro koa ny lanezin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy ny Tendrombohitra Hermona, rehefa mitsonika. Ireny no loharano nipoiran’ny Reniranon’i Litani sy Jordana ary ireo reniranon’i Damaskosy.
Tena nilaina ny loharano matoa be dia be ny anaran-tanàna manomboka amin’ny “En”, izay midika hoe “loharano.” (Js 15:62; 17:11; 1Mp 1:9; jereo AINA, II.) Matetika no naorina teny akaikin’ny loharano ny tanàna sy ny vohitra. Ny ankamaroan’ireo lazaina hoe renirano any Palestina mantsy no renirano eny amin’ny lohasaha falehan-driaka, ka maina izy ireny amin’ny vanin-taona mafana. Naorina teny amin’ny toerana avo ny tanàna tamin’ny ankapobeny, mba ho voaro. Matetika àry ireo loharano no teny ivelan’ny tanàna, teny amin’ny lohasaha teny ambany teny, ka tena nila narovana mafy. Mba hamatsiana rano an’ilay tanàna, dia nasiana lakandrano avy teny amin’ny loharano. Nanao lakandrano toy izany i Hezekia Mpanjaka mba hitarihana ny ranon’i Gihona hankao amin’ny Tanànan’i Davida. (2Mp 20:20; 2Ta 32:30) Efa nisy koa nanao lalana na tionelina miafina handehanana mankany amin’ny loharano. Amin’izay dia azo antoka fa ho ampy tsara ny rano ilain’ny mponina na dia misy manao fahirano aza ilay tanàna. Notampenan’i Hezekia ny loharano tany ivelan’i Jerosalema, rehefa nanafika an’i Joda ny Asyrianina, mba tsy hahazo rano ireo mpanafika.—2Ta 32:2-4; jereo HEZEKIA No. 1 (Asa fanorenana); TOERANA VOARO MAFY.
Heviny an’ohatra. I Jehovah no nanao ny “loharano avy amin’ny rano lalina.” (Oh 8:28; Ge 7:11) Lazaina koa hoe Loharanon’aina izy, ary Loharanon’ny rano velona sady Loharanon’i Israely. (Sl 36:9; Je 2:13; Sl 68:26) Manome rano i Jesosy Kristy Zanany, ary raha misy misotro amin’izany rano izany dia ho lasa “loharano ao anatiny” izany, ka “hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.” (Jn 4:14) Naminany i Joela fa hisy loharano mamelombelona hifantsitsitra avy ao an-tranon’i Jehovah, rehefa avy nopotipotehina toy ny voaloboka ao amin’ny famiazam-boaloboka ireo firenena, eo amin’ny Lemaka Ivan’i Josafata.—Jl 3:12, 13, 18.
Hoy i Jakoba: “Ny loharano ve miboiboika rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?” (Jk 3:11) Nasongadiny tamin’izany fa tena tokony hahay hifehy ny lelany ny Kristianina, satria izy ireo no manolotra ny ranon’aina.
Nositranin’i Jesosy ilay vehivavy nandeha ra nandritra ny 12 taona, ka nataony “ritra ny loharanon’aretiny.” (Mr 5:25-29, Prot.) Ampiasaina koa ny hoe ‘loharano’ mba hilazana loharanom-pahafinaretana avy amin’ny fanaovana firaisana.—Oh 5:18.