Fanontanian’ny Mpamaky
Azo antenaina mbola hitsangana ve ny zaza maty am-bohoka?
Sarotra ho an’ireo mbola tsy nanana zaza maty am-bohoka ny haka sary an-tsaina izay tsapan’ireo efa nandia izany. Malahelo mafy ny ray aman-dreny sasany noho ireny fahafatesana ireny. Indimy niharan’izany, ohatra, ny vehivavy iray. Tena faly izy tatỳ aoriana, rehefa niteraka zaza roa lahy salama tsara. Mbola tsaroany foana anefa ny nahafatesan’ny tsirairay tamin’ireo zanany dimy. Hoeritreretiny foana mandritra ny androm-piainany, hoe firy taona izay ny zanany raha velona teo. Afaka manantena ve ireny Kristianina ireny hoe hitsangana ilay zaza maty?
Raha tsorina, dia tsy fantatsika ny valiny. Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy raha mbola hitsangana ny zaza maty am-bohoka, na tsia. Na izany aza, dia misy toro lalana mifandray amin’izany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary mety hampionona ny ray aman-dreny izy ireny.
Andeha isika handinika fanontaniana roa mifandray amin’izany. Voalohany, araka ny fiheveran’i Jehovah, rahoviana no manomboka ny fiainan’ny olona? Raha vao miforona ao an-kibo izy, sa rehefa teraka? Faharoa, heverin’i Jehovah ho olona manana ny mampiavaka azy ve ny zaza ao am-bohoka, sa sela maromaro fotsiny? Ahazoana valiny mazava amin’izany ny toro lalan’ny Baiboly.
Hita ao amin’ny Lalàn’i Mosesy fa efa ela be alohan’ny hahaterahan’ny zaza iray no manomboka miaina izy. Nety ho voaheloka ho faty mantsy ny olona namono zaza ao am-bohoka, araka an’ity lalàna ity: “Tsy maintsy manome aina ho solon’ny aina ianao.”a (Eks. 21:22, 23) Miaina àry ny zaza ao am-bohoka sady efa olona. Kristianina an-tapitrisany no mahalala an’io fahamarinana tsy tontan’ny ela io, ka tsy manala zaza. Fantany fa fahotana lehibe amin’Andriamanitra izany.
Ekena àry fa efa miaina ny zaza ao am-bohoka. Zava-dehibe amin’i Jehovah anefa ve ny ainy? Hita amin’ilay lalàna tetsy aloha fa tokony ho novonoina ho faty ny olona nahafaty zaza ao am-bohoka. Midika izany fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny ain’izy ireny. Hita amin’ny andinin-teny maro koa fa efa manana ny mampiavaka azy izy ireny aminy. Nilaza toy izao momba an’i Jehovah, ohatra, i Davida Mpanjaka: “Notakonanao tao an-kibon’i Neny aho. ... Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny.”—Sal. 139:13-16; Joba 31:14, 15.
Hitan’i Jehovah tokoa fa manana ny toetra mampiavaka azy ny zaza ao am-bohoka, ary mety hanana hoavy tsara. Rehefa bevohoka zaza kambana, ohatra, i Rebeka vadin’i Isaka, dia nilaza faminaniana momba ireo zaza niady tao an-kibony i Jehovah. Nidika izany fa efa nanana ny toetra nampiavaka azy ireo zaza ireo, ary hitan’Andriamanitra sahady izany. Fantany fa hisy vokany amin’ny olona maro be izany, hatrany aoriana ela be.—Gen. 25:22, 23; Rom. 9:10-13.
Mariho koa ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa. Hoy ny Filazantsara: “Rehefa nandre ny fiarahaban’i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony. Ary feno fanahy masina i Elizabeta.” (Lioka 1:41) Nampiasa teny grika afaka manondro zaza ao am-bohoka, na zaza vao teraka, i Lioka dokotera, teo amin’io andininy io. Nampiasa an’io teny io koa izy rehefa niresaka an’i Jesosy zazakely tao amin’ny fihinanam-bilona.—Lioka 2:12, 16; 18:15.
Araka izany, avahan’ny Baiboly ve ny zaza mbola ao am-bohoka sy ny zaza vao teraka? Toa tsy izany no izy. Mifanaraka amin’izany ny zavatra hitan’ny mpahay siansa. Hitan’izy ireo, ohatra, fa afaka mahatsapa izay mitranga etỳ ivelany ny zaza ao am-bohoka, ary manao zavatra mifanaraka amin’izany. Tsy mahagaga àry raha lasa mifandray akaiky amin’ilay zaza mitombo ao an-kibony ny vehivavy bevohoka.
Tsy mitovy koa ny faharetan’ny fotoana itomboan’ny zaza tsirairay ao an-kibon-dreniny. Diniho ireto ohatra ireto: Teraka tsy tonga volana ny zanaky ny vehivavy iray, ary mbola velona andro vitsivitsy vao maty. Teraka ara-dalàna kosa ny zanaky ny vehivavy iray hafa, saingy maty taloha kelin’ny nahaterahany. Ho rariny ve raha tsy afaka manantena ny hitsanganan’ny zanany ilay vehivavy faharoa, fa ilay vehivavy voalohany kosa afaka, satria fotsiny hoe efa teraka mihitsy ny zanany vao maty?
Mazava tsara àry ny lazain’ny Baiboly: Efa miaina ny zaza raha vao miforona. Amin’i Jehovah koa dia efa olona manana ny mampiavaka azy izy, sady sarobidy. Ireo hevitra ireo no mahatonga ny sasany hieritreritra fa tsy mitombina ny filazana hoe tsy hatsangana ny zaza maty am-bohoka. Raha tsy izany, hoy izy ireo, dia mety tsy hitombina koa ny antony ara-baiboly mahatonga antsika tsy hanala zaza. Tsy inona izany antony izany fa ireo hevitra eo aloha ireo.
Raha ny fanazavana nomena tato amin’ity gazety ity tany aloha no jerena, dia hoatran’ny tsy azo inoana hoe hatsangana ny zaza maty am-bohoka. Noeritreretina mantsy tamin’izany fa ho hafahafa ihany raha hasian’Andriamanitra zaza vao miforona ao an-kibon’ny vehivavy iray, rehefa any amin’ny Paradisa. Kanefa, rehefa nikaroka sy nivavaka ary nisaintsaina bebe kokoa ny Filan-kevi-pitantanana, dia nanatsoaka hevitra fa na ahoana na ahoana, dia tsy hanahirana an’Andriamanitra ny hanangana an’ilay zaza. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (Mar. 10:27) Ny zavatra niainan’i Jesosy mihitsy no manaporofo fa marina ireo teny ireo. Nafindra avy tany an-danitra ho ao an-kibon’ny tovovavy virjiny ny ainy. Zavatra tsy hety mihitsy izany, raha araka ny fijerin’olombelona.
Raha jerena izany rehetra izany, milaza ve ny Baiboly fa hatsangana ny zaza maty talohan’ny nahaterahany? Hamafisinay fa tsy mamaly mivantana an’io fanontaniana io ny Baiboly, ka tsy azo atao ny manizingizina hoe hatsangana izy ireny. Maro ny fanontaniana mety hipoitra, nefa aleo tsy manombantombana. Izao ihany no fantatsika: Miankina amin’i Jehovah Andriamanitra izany. Be hatsaram-panahy feno fitiavana izy sady mamindra fo. (Sal. 86:15) Tena tiany tokoa ny hanafoana ny vokatry ny fahafatesana, amin’ny alalan’ny fananganana ny maty. (Joba 14:14, 15) Matoky isika fa manao ny rariny foana izy. Be fitiavana izy, ka hanasitrana ny ratram-po maro nahazo antsika teto amin’ity tontolo ratsy ity, rehefa hasainy “handrava ny asan’ny Devoly” ny Zanany.—1 Jaona 3:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy mihevitra fa ny fahafatesan’ilay reny ihany no mahavoaheloka ho faty. Hita eo amin’ny fomba andikan’izy ireo an’io andininy io izany. Asehon’ny teny hebreo tany am-boalohany anefa fa mihatra foana io lalàna io, na ilay reny no maty, na ilay zaza tao am-bohoka.
[Sary, pejy 13]
Hanasitrana ny ratram-po rehetra i Jehovah