FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 1/2 p. 24-25
  • Vonona Hampifaly An’i Jehovah i Rebeka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona Hampifaly An’i Jehovah i Rebeka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Te Hampifaly An’i Jehovah i Rebeka
    Ampianaro ny Zanakao
  • “Vonona Handeha Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Vehivavy Natahotra An’Andriamanitra Sady Nazoto Niasa i Rebeka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Fitadiavana Vady ho An’i Isaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 1/2 p. 24-25

Ampianaro ny Zanakao

Vonona Hampifaly An’i Jehovah i Rebeka

MALAZA ny anarana hoe Rebeka any amin’ny tany maro. Mahafantatra olona atao hoe Rebeka ve ianao?...a Tena niavaka i Rebeka, izay voaresaka ao amin’ilay boky malaza indrindra dia ny Baiboly. Inona no fantatrao momba azy?... Tokony hianatra momba an’i Rebeka isika satria manampy antsika hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ny tantarany.

I Rebeka no vehivavy faharoa resahin’ny Baiboly hoe mpanompon’i Jehovah. Fantatrao ve hoe iza no voalohany?... I Saraha vadin’i Abrahama. Efa antitra i Saraha vao niteraka an’i Isaka zanany lahitokana. Andao hojerentsika hoe ahoana no nampisehoan’i Rebeka fa vonona hampifaly an’i Jehovah izy, ary ahoana no nifankahitan’izy sy Isaka.

Enimpolo taona mahery talohan’izay, dia nasain’Andriamanitra niala tao Harana i Abrahama sy Saraha mba ho any Kanana. Efa antitra be izy mivady rehefa nampanantenain’Andriamanitra fa hanan-janaka atao hoe Isaka. Tena tian’izy ireo i Isaka. Maty i Saraha tamin’izy 127 taona. Efa lehilahy lehibe i Isaka tamin’izay ary nalahelo an-dreniny. Tsy tian’i Abrahama hanambady vehivavy avy tao Kanana i Isaka, satria tsy mpanompon’i Jehovah izy ireny. Naniraka an’i Eliezera mpanompony àry i Abrahama mba hifidy vady ho an’i Isaka, any amin’ny havany any Harana, izay 800 kilaometatra mahery avy tao Kanana!—Genesisy 12:4, 5; 15:2; 17:17, 19; 23:1.

Tonga tany Harana ihany i Eliezera sy ny mpanompon’i Abrahama hafa ary ireo rameva folo nitondra sakafo sy fanomezana ho an’ilay zazavavy. Nijanona teo amin’ny lavadrano izy ireo, satria fantatr’i Eliezera fa mantsaka rano ho an’ny bibiny sy ny fianakaviany ny olona, amin’ny tolakandro. Nivavaka i Eliezera mba hamaly toy izao ilay olona tokony hofidiny ho vadin’i Isaka, rehefa hangatahany rano: “Misotroa, ary hanome rano ho an’ny ramevanao koa aho.”

Rebeka manome rano ny rameva

Izany indrindra no nitranga! Tonga mba hantsaka i Rebeka, tovovavy “tena tsara tarehy.” Nangataka rano i Eliezera, ary hoy i Rebeka: “Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho.” Nibanjina azy i Eliezera sady “gaga”, rehefa “niverimberina nihazakazaka nankeo amin’ny lavadrano izy.” Eritrereto ange e! Nila nantsaka rano hatramin’ny arivo litatra i Rebeka mba hosotroin’ireo rameva folo.

Nomen’i Eliezera fanomezana tsara tarehy i Rebeka. Fantatr’i Eliezera avy eo fa zanak’i Betoela, havan’i Abrahama, i Rebeka. Nasain’i Rebeka “natory” tany an-tranon-dry zareo i Eliezera sy ny namany. Nihazakazaka nialoha azy ireo izy mba hilaza tamin’ny fianakaviany hoe naniraka olona avy any Kanana i Abrahama mba hitsidika azy ireo.

Nampandrosoin’i Labana anadahin’i Rebeka i Eliezera, rehefa hitany ny fanomezana lafo vidy azon’i Rebeka. Hoy anefa i Eliezera: “Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako ny anton-diako.” Nohazavainy àry ny antony nanirahan’i Abrahama azy. Faly i Betoela sy ny vadiny ary i Labana, ka neken’izy ireo ho vadin’i Isaka i Rebeka.

Natory ry Eliezera sy ny namany rehefa avy nisakafo. Hoy i Eliezera, ny ampitso maraina: “Alefaso ho any amin’ny tompoko aho.” Mbola nasain’ny renin’i Rebeka sy ny anadahiny hijanona anefa izy ireo, “folo andro, fara fahakeliny.” Nanontaniana i Rebeka raha te handeha avy hatrany. Hoy izy: “Vonona handeha aho.” Tonga dia niara-niainga tamin’i Eliezera izy. Lasa vadin’i Isaka izy rehefa tonga tany Kanana.—Genesisy 24:1-58, 67.

Rebeka sy ny mpanompony, mitaingina rameva

Fantratr’i Rebeka fa mety tsy hifankahita amin’ny fianakaviany sy ny namany intsony izy, rehefa handao azy ireo mba ho any an-tany lavitra. Araka ny hevitrao, mora taminy ve ny nanao an’izany?... Tsia. Notahin’i Jehovah anefa i Rebeka satria vonona hampifaly azy. Lasa anisan’ny razamben’i Jesosy Kristy, ilay Mpamonjy antsika, izy. Hotahin’i Jehovah koa isika raha manahaka an’i Rebeka, ka vonona hanao izay mampifaly azy.—Romanina 9:7-10.

a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toy ity.

FANONTANIANA:

  • Iza moa i Rebeka, ary taiza i Eliezera no nihaona taminy?

  • Nahoana no tsy tian’i Abrahama hanambady vehivavy avy tao Kanana i Isaka?

  • Ahoana no nampisehoan’i Rebeka fa ho vady tsara izy?

  • Inona no azontsika atao mba hanahafana an’i Rebeka?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara