FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 15/3 p. 6-7
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Kapa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Dia fitoriana hafa indray nanerana an’i Galilia
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Tehina, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nitory Tany Galilia sy Nampiofana ny Apostoly Izy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 15/3 p. 6-7

Fanontanian’ny Mpamaky

Rehefa naniraka ny apostoly 12 handeha hitory i Jesosy Kristy, nasainy nitondra tehina sy kapa ve izy ireo?

Misy milaza fa mifanohitra ny zavatra lazain’ireo Filazantsara telo, mitantara momba ny nanirahan’i Jesosy ny apostoly. Andeha hampitahaintsika ireo fitantarana ireo, mba hahitantsika raha mifanohitra tokoa izy ireo. Hampitahaintsika aloha izay nosoratan’i Marka sy Lioka. Izao no voalazan’i Marka: ‘[Nodidian’i Jesosy] ireo mba tsy hitondra na inona na inona any amin’izay halehany, afa-tsy tehina ihany, ka tsy hitondra mofo, na kitapom-batsy, na vola varahina ao anaty fehikibo fasiany vola, fa hanao kapa kosa, ary tsy hanao akanjo roa.’ (Mar. 6:7-9) I Lioka kosa nilaza hoe: “Aza mitondra na inona na inona any amin’izay alehanareo, na tehina na kitapom-batsy na mofo na vola, ary aza mitondra akanjo anankiroa.” (Lioka 9:1-3) Hoatran’ny hoe mifanohitra izany, satria i Marka nilaza hoe nasaina nitondra tehina sy nanao kapa ireo apostoly. I Lioka kosa nilaza hoe tsy tokony hitondra na inona na inona izy ireo, eny fa na dia tehina aza. Tsy niresaka kapa izy.

Mba hahafantarantsika ny tian’i Jesosy holazaina tamin’io fotoana io, dia mariho ny teny mitovy ao amin’ireo fitantarana telo. Samy milaza ny fitantaran’i Marka sy Lioka ary ny Matio 10:5-10, hoe tsy tokony hanao na hitondra “akanjo roa” ireo apostoly. Azo inoana fa efa samy nanao akanjo iray avy ireo apostoly. Midika izany fa tsy tokony hitondra akanjo iray fanampiny izy ireo. Azo inoana koa anefa hoe efa samy nanao kapa izy ireo. Rehefa nilaza àry ny Filazantsaran’i Marka hoe mila ‘manao kapa’ izy ireo, dia ilay kapa efa teny aminy no tiany horesahina hoe hanaovana. Ahoana kosa ny amin’ny tehina? Hoy Ny Rakipahalalana Jiosy (anglisy): “Toa efa fanaon’ny Hebreo fahiny koa ny nitondra tehina.” (Gen. 32:10) Izany no nahatonga an’i Marka hilaza hoe tsy tokony “hitondra na inona na inona” ireo apostoly, afa-tsy ilay tehina teny amin’izy ireo, tamin’i Jesosy nanome an’ilay baiko. Rehefa nanoratra an’io fitantarana io àry ireo mpanoratra Filazantsara, dia nasongadin’izy ireo tsara ny toromarik’i Jesosy hoe tsy tokony hitady zavatra fanampiny ho an’ny dian’izy ireo ny apostoly.

Mbola manampy antsika koa ny fitantarana nosoratan’i Matio, izay anisan’ny nandre an’i Jesosy nanome an’ilay baiko. Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 10:9, 10: “Aza mitady volamena na volafotsy na varahina hatao ao anaty fehikibo fasianareo vola, ary aza mitady kitapom-batsy hoentina any amin’izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Fa ny mpiasa mendrika hahazo ny sakafony.” Tsy tokony hitady kapa na tehina ireo apostoly, nefa ahoana ny amin’ny kapa sy tehina efa teny amin’izy ireo? Tsy nilaza i Jesosy hoe tokony hanary an’ireo izy. Nilaza fotsiny izy hoe tsy tokony hitady fanampiny izy ireo. Fa nahoana? Satria “ny mpiasa mendrika hahazo ny sakafony.” Io no hevi-dehibe ao amin’ilay baikon’i Jesosy. Mifanaraka amin’ny torohevitra nomeny tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra izany, dia ilay hoe tsy tokony hanahy momba izay hohanina sy hosotroina ary hotafina ny mpianany.—Mat. 6:25-32.

Hevitra iray ihany àry no asongadin’ireo Filazantsara, na dia toa mifanohitra aza ny fahitana ny zavatra lazainy. Asongadin’izy ireo hoe tokony hianina amin’izay efa nananany ireo apostoly, fa tsy ho variana hitady zavatra fanampiny. Nahoana? Satria homen’i Jehovah azy izay ilainy.

Iza ireo “vehivavy maro” noresahin’i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 2:8?

Tsy azontsika antoka hoe iza izy ireo. Angamba izy ireo vehivavy niavaka, nihaona tamin’i Solomona tao amin’ny lapany.

Nitanisa ny zava-bitany i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny toko faha-2, ka anisan’izany ireo trano be naoriny. Hoy koa izy: “Nahangona volafotsy sy volamena aho, ary koa zavatra hafa izay tsy ananan’olon-tsotra, fa ny mpanjaka sy ny faritany ihany no manana azy. Nahazo mpihira lahy sy vavy be dia be aho, ary vehivavy maro, izay tena fahafinaretana ho an’ny zanak’olombelona.”—Mpito. 2:8.

Maro ny mpivaofy teny ara-baiboly mihevitra fa ireo “vehivavy maro” ireo, dia ireo vady sy vadikely maro be tsy Israelita, nalain’i Solomona rehefa antitra izy. Ireo vehivavy ireo no nitarika azy hanaraka fivavahan-diso. (1 Mpanj. 11:1-4) Misy tsy mampety an’izany fanazavana izany anefa. Efa nifankahalala tamin’ireo “vehivavy maro” ireo i Solomona, rehefa nanoratra momba azy ireo. Mbola nankasitrahan’i Jehovah izy tamin’io fotoana nanoratany io, matoa nomen’i Jehovah fanahy masina mba hanoratra boky ao amin’ny Baiboly. Azo antoka àry fa tsy tamin’izy efa antitra no nanoratra ny Mpitoriteny 2:8, izany hoe tsy tamin’izy nanana vady sy vadikely tsy Israelita an-jatony ka nanaraka fivavahan-diso.

Nilaza i Solomona, ao amin’ny Mpitoriteny, hoe “niezaka nitady teny mahafinaritra” izy, “sady nanoratra tenim-pahamarinana tsy misy diso.” (Mpito. 12:10) Azo antoka fa fantany ny teny hoe “vady” sy “vadin’ny mpanjaka” ary “vadikely”, matoa nampiasa an’ireo teny ireo izy tao amin’ny zavatra nosoratany. (Ohab. 5:18; 12:4; 18:22; Mpito. 9:9; Tonon. 6:8, 9) Tsy nampiasa an’ireo teny mahazatra ireo anefa izy ao amin’ny Mpitoriteny 2:8.

Inona àry no dikan’ilay hoe “vehivavy maro”, ao amin’io andininy io? Teny hebreo hafakely no nampiasaina teo, tamin’ny Baiboly tany am-boalohany. Eo ihany no ahitana azy io ao amin’ny Baiboly. Miaiky ny manam-pahaizana fa tsy azo antoka ny dikan’izy io. Maro ny mpandika Baiboly mihevitra hoe ilay teny ampiasaina ao amin’ny Mpitoriteny 2:8 dia midika hoe vehivavy maro na vehivavy maro tena miavaka. Mety àry ny nandikana azy io hoe “vehivavy maro” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Tena nalaza i Solomona, hany ka nahare ny momba azy ny mpanjakavavy tany Sheba, izay firenena nanan-karem-be. Nitsidika an’i Solomona io mpanjaka io, ary tena gaga noho ny zavatra hitany. (1 Mpanj. 10:1, 2) Mety hidika hoe vehivavy maro niavaka àry ilay hoe “vehivavy maro.” Angamba i Solomona teo te hiresaka momba ireo vehivavy niavaka nihaona taminy tao an-dapa, nandritra ireo taona maro nahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara