FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 15/3 p. 3-5
  • Aza Mamita-tena Amin’ny Hevi-diso

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mamita-tena Amin’ny Hevi-diso
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Namita-tena ny Jiosy
  • Nanova ny fomba fisainany ny Jiosy
  • Aoka isika handinika izay ataontsika
  • Efa voalazan’ny Baiboly hoe mila miandry isika
  • Esory ao an-tsainao ny fiheveran-diso
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-37 — Hagay
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Hagay, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Izaho no Momba Anareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Aza Manary Toky Rehefa ao Anatin’ny Sarotra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 15/3 p. 3-5

Aza Mamita-tena Amin’ny Hevi-diso

“AHOANA izany nataonao izany?”, hoy Andriamanitra tamin’i Eva, rehefa avy nihinana an’ilay voankazo voarara. Namaly izy hoe: “Ny menarana no namitaka ahy, ka nihinana aho.” (Gen. 3:13) I Satana io lazainy hoe menarana io. Antsoin’ny Baiboly hoe “menarana tany am-boalohany” izy io, “izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina.”—Apok. 12:9.

Asehon’io fitantarana io, fa fetsy i Satana ary mamorona lainga mba hamitahana an’izay tsy mailo. Voafitany i Eva! Na dia mamitaka aza anefa i Satana, dia tsy izy ihany no afaka mamitaka antsika. Milaza mantsy ny Baiboly fa mety “hamita-tena amin’ny fiheveran-diso” koa isika.—Jak. 1:22.

Mety hieritreritra isika hoe tsy hitranga amintsika mihitsy izany. Misy antony anefa matoa Andriamanitra nilaza izany, mba hampitandremana antsika. Ahoana àry no mety hahatonga antsika hamita-tena, ary inona no hevi-diso mety hahavoafitaka antsika? Hanampy antsika ny fandinihana zava-nitranga iray voaresaka ao amin’ny Baiboly.

Namita-tena ny Jiosy

Nilaza i Kyrosy Lehibe, mpanjakan’i Persa, tamin’ny taona 537 T.K. tany ho any, hoe tokony hiverina any Jerosalema ireo Jiosy babo any Babylona, ary hanorina indray ny tempoly. (Ezra 1:1, 2) Nanamboatra sy namita ny fototry ny tempoly àry ny Jiosy ny taona nanaraka, araka ny fikasan’i Jehovah. Faly izy ireo tamin’izay, ka nidera an’i Jehovah noho izy nitahy ny dingana voalohany tamin’ilay tetikasa lehibe. (Ezra 3:8, 10, 11) Nisy nanohitra anefa tsy ela taorian’izay, ka kivy ny vahoaka. (Ezra 4:4) Nandrara ny fanorenana tao Jerosalema koa ny fanjakana persianina, 15 taona teo ho eo taorian’ny nahatongavan’ny Jiosy. Tonga tany ireo lehibem-paritra mba hampanan-kery an’ilay fandrarana, ka ‘nanao an-keriny mba hampitsaharana ny asa.’—Ezra 4:21-24.

Nanjary namita-tena tamin’ny hevi-diso ny Jiosy vokatr’izany. Lasa nieritreritra izy ireo hoe “mbola tsy fotoana hanorenana ny tranon’i Jehovah” tamin’izay. (Hag. 1:2) Nihevitra izy ireo fa mbola tsy tian’Andriamanitra haorina ny tempoly, ka tsy niezaka nanao an’io adidy masina nankinina taminy io intsony izy ireo. Izay hanatsarana ny tranony indray no nataony sy nahavariana azy. Tsy nihambahamba àry i Hagay mpaminany nanontany azy ireo hoe: “Izao ve no fotoana tokony hipetrahanareo ao amin’ny tranonareo nopetahana takela-kazo tsara tarehy, nefa rava ity [tempolin’i Jehovah] ity?”—Hag. 1:4.

Inona no ianarantsika amin’izany? Raha diso hevitra momba ny fotoana hahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah isika, dia mety ho variana amin’ny fiainantsika manokana, ka hanao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. Eritrereto, ohatra, hoe miandry vahiny ao an-trano ianao. Misomebiseby ianao manao ny raharaha rehetra, mba ho vonona handray azy ireo. Nisy nampilaza anefa hoe ho tara ny vahininao. Hajanonao indray ve ny fanomanana rehetra? Mazava ho azy fa tsia!

Nanampy an’ireo Jiosy i Hagay sy Zakaria, mba hahatakatra fa mbola tian’i Jehovah hanorina haingana an’ilay tempoly izy ireo. Nanentana azy ireo i Hagay, nanao hoe: ‘Mahereza daholo ianareo mponin’ity tany ity, ka miasà.’ (Hag. 2:4) Nila nanohy ny asa izy ireo, ary hatoky fa hanohana azy ireo ny fanahin’Andriamanitra. (Zak. 4:6, 7) Afaka manampy antsika ve io fitantarana io, mba hahatonga antsika tsy hanana fomba fihevitra diso momba ny andron’i Jehovah?—1 Kor. 10:11.

Nanova ny fomba fisainany ny Jiosy

Nilaza ny apostoly Petera fa efa nanendry fotoana i Jehovah mba hanorenana “lanitra vaovao sy tany vaovao.” (2 Pet. 3:13) Nilaza koa anefa izy fa nisy mpaneso nilaza hoe tsy hanao na inona na inona Andriamanitra manoloana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny olombelona. “Tsy niova” mantsy, hono, “ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.” (2 Pet. 3:4) Te hanohitra an’izany fomba fihevitra diso izany anefa i Petera, ka hoy izy tamin’ny Kristianina namany: ‘Fampahatsiahivana no entiko hanairana ny fahaizanareo misaina tsara.’ Nampahatsiahy azy ireo i Petera fa diso hevitra ireo mpaneso ireo, satria efa nanao zavatra Andriamanitra taloha. Efa nahatonga safodrano nanerana ny tany izy.—2 Pet. 3:1, 5-7.

Nampisaintsainin’i Hagay koa ireo Jiosy kivy, tamin’ny taona 520 T.K. Hoy izy: “Mba diniho ihany ny ataonareo.” (Hag. 1:5) Nampahatsiahiviny azy ireo ny fikasan’Andriamanitra sy ny fampanantenany mahakasika ny vahoakany. (Hag. 1:8; 2:4, 5) Nampahery an’ireo Jiosy izany, ka nanorina ny tempoly indray izy ireo tsy ela taorian’izay, na dia mbola nanan-kery aza ilay fandrarana. Mbola nanao izay hitsaharan’ilay tetikasa ny fahavalo, nefa tsy nahomby. Nofoanana ilay fandrarana tatỳ aoriana, ary vita tao anatin’ny dimy taona ny tempoly.—Ezra 6:14, 15; Hag. 1:14, 15.

Aoka isika handinika izay ataontsika

Mety ho kivy toa an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Hagay koa ve isika? Mety ho sarotra ny hoe hazoto hitory foana, rehefa kivy. Maro anefa ny zavatra mahakivy. Mety hijaly noho ny tsy rariny, ohatra, isika, ary hitovy fihetseham-po amin’i Habakoka. Hoy izy: ‘Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy aminao noho ny herisetra, nefa tsy vonjenao?’ (Hab. 1:2) Mety hieritreritra tokoa ny olona sasany hoe ela be Andriamanitra vao manao zavatra. Raha mihevitra toy izany anefa ny Kristianina, dia mety hanjary hanadino hoe efa akaiky ny farany, ka ho variana hanao izay hampiadana ny tenany. Mety hitranga aminao ve izany? Mamita-tena anefa isika, raha mihevitra toy izany. Tena ilaintsika àry ny ‘mandinika ny ataontsika’ sy miezaka mba ‘hahay hisaina tsara.’ Afaka manontany tena toy izao, ohatra, isika: ‘Tokony ho gaga ve aho raha naharitra ela kokoa noho ny nieritreretako azy ity tontolo ity?’

Efa voalazan’ny Baiboly hoe mila miandry isika

Diniho ny tenin’i Jesosy momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Imbetsaka izy no mampirisika antsika hiambina, ao amin’ilay faminaniany momba ny andro farany, ao amin’ny Filazantsaran’i Marka. (Mar. 13:33-37) Misy fampirisihana hiambina koa, ao amin’ilay faminaniana momba ny andro lehiben’i Jehovah, dia ny Hara-magedona. (Apok. 16:14-16) Nahoana no averimberina foana ny hoe mila miambina? Satria mety ho lasa varimbariana ny olona, raha mihevitra fa efa ela be izy no niandry ny hahatongavan’ny farany. Mety tsy ho tsapany intsony hoe efa akaiky ny farany.

Nanao fanoharana toy izao koa i Jesosy: Nisy namaky ny tranon’ny olona iray. Afaka nisoroka izany anefa ilay tompon-trano, raha niambina nandritra ny alina manontolo. Nanome an’izao torohevitra izao izy, teo am-pamaranana: ‘Aoka ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.’—Mat. 24:43, 44.

Asehon’io fanoharana io fa tokony hiandry isika, ary ho vonona hiandry ela mihitsy aza. Tsy tokony hanahy be loatra isika, raha toa ka naharitra kokoa noho ny nieritreretantsika azy ity tontolo ratsy ity. Tsy tokony hamita-tena koa isika, ka hieritreritra hoe: ‘Mbola tsy ho tonga amin’izao fotoana izao ny fotoana voatondron’i Jehovah.’ Hihalefy ny faniriantsika hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, raha izany no eritreretintsika.—Rom. 12:11.

Esory ao an-tsainao ny fiheveran-diso

Hoy ny Galatianina 6:7: ‘Aza manaiky ho voafitaka ianareo, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.’ Mirongatra ho azy ny ahidratsy, raha tsy ambolena na inona na inona ny tany. Toy izany koa ny fiheveran-diso. Mety hirongatra ao an-tsaintsika izy ireny, ka ho latsa-paka ao, raha tsy mampiasa ny fahaizantsika misaina isika. Mety hieritreritra, ohatra, isika hoe: ‘Tsy maintsy ho avy ny andron’i Jehovah, fa tsy amin’izao fotoana izao.’ Mety hanjary tsy dia hiraharaha ny fanompoana an’i Jehovah isika, raha lasa mieritreritra toy izany. Mety hihena ny zotom-pontsika, ka ho tampoka amintsika ny andron’i Jehovah.—2 Pet. 3:10.

Tsy ho latsa-paka ao an-tsaintsika kosa anefa ny hevi-diso, raha miezaka foana isika hamantatra “ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Rom. 12:2) Ny famakiana tsy tapaka ny Teniny no fomba tsara indrindra anaovana izany. Rehefa mandinika ny Soratra Masina isika, dia ho resy lahatra kokoa hoe manao zavatra amin’ny fotoana voatondrony foana i Jehovah.—Hab. 2:3.

Ilaintsika koa ny mianatra samirery, mivavaka, mivory tsy tapaka, mitory, ary maneho fitiavana sy hatsaram-panahy. Hanampy antsika ‘hanao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah’ izany, ary ho voamarik’i Jehovah hoe tsy mivadika isika. (2 Pet. 3:11, 12) Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.”—Gal. 6:9.

Tsy mety mihitsy àry raha amin’izao fotoana izao isika no hamita-tena amin’ny hevi-diso, ka hieritreritra hoe nahemotra ny andron’i Jehovah. Izao kosa no fotoana tokony hanatanjahantsika ny fontsika, satria mihakaiky io andro lehibe io.

[Sary, pejy 4]

Nampirisika ny Jiosy hanorina ny tempoly i Hagay sy Zakaria

[Sary, pejy 5]

Inona no ho nataon’ny tompon-trano raha fantany fa ho avy ny mpangalatra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara