Tsy Voasaraky ny Sisin-tany Izy Ireo
Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hanavakavaka. Mankatò ny toro lalana avy amin’ity tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany ity izy ireo: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Matio 23:8) Mampiseho an’izany, ohatra, ny zava-misy any amin’ny toeram-pivavahan’izy ireo any Portogaly sy Espaina.
TAMIN’NY fotoanan’ny ady no naorina ny tanànan’i Valença do Minho, any amin’ny faritra avaratr’i Portogaly. Tazana avy eny an-tampon’ny mandan’izy io ny Reniranon’i Minho, izay manasaraka an’i Espaina sy Portogaly. Eny ampitan’ilay renirano kosa no misy an’i Tui, tanànan’i Espaina. Misy katedraly eny ary toy ny lapa misy manda no fijery azy. Tamin’ny taonjato faha-17 no naorina ny mandan’i Tui sy Valença, rehefa niady i Espaina sy Portogaly.
Tsy nasiana mpiambina mpanao fisavana intsony teo amin’ny sisin-tany manasaraka an’ireo tany roa anisan’ny Vondrona Eoropeanina ireo, nanomboka tamin’ny 1995. Tsy izany ihany anefa no ilaina mba hampiray saina ny olona. Tokony hovana koa ny toe-tsaina sy ny toe-po. Manaporofo izany ny zava-misy any Valença. Misy tranokely tsara tarehy izay any. Toeram-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ka ny Vavolombelona espaniola sy portogey no mampiasa azy. Hita amin’izany fa afaka mifandray tsara ny olona na dia tsy mitovy fiaviana aza.
Nila efitrano vaovao hivoriana ny Vavolombelona tany Tui tamin’ny 2001. Tsy maintsy niala tao amin’ilay trano nohofainy mantsy ry zareo. Tsy ampy hanorenana trano vaovao anefa ny vola teo am-pelatanany. Tsy ampy hanofana trano hafa akory aza ilay izy, satria vitsy ry zareo. Nanontany an’ireo Vavolombelona portogey àry ireo Vavolombelona espaniola, raha afaka mikambana efitrano fivoriana izy ireo. Kilaometatra vitsivitsy monja avy eo afovoan-tanànan’i Tui mantsy izy io.
Hoy i Eduardo Vila, anisan’ny fiangonana espaniola any Tui: “Tamin’ny Desambra 2001 izahay anti-panahy no niara-nandinika an’ilay izy. Rehefa vita ilay fivoriana, dia tsapako fa tena nanohina ny fon’ireo rahalahy portogey i Jehovah. Nanao sorona lehibe ry zareo nanorenana an’io efitrano tsara tarehy io, kanefa tsy nampaninona an-dry zareo ny nikambana taminay. Tena nanatanjaka ny finoanay izany.”
Teo koa i Américo Almeida, Vavolombelona portogey, rehefa nandray an’ilay fanapahan-kevitra. Hoy izy: “Navelanay hampiasa ny efitrano fivorianay ireo rahalahy espaniola, ary noraisinay tsara ry zareo. Natoky izahay anti-panahy fa hotahin’i Jehovah ilay fandaharana, ka nanaiky daholo izahay.” Mifandray tsara ireo Vavolombelona espaniola sy portogey ireo. Hoy i Paolo avy any Valença: “Tsy tsikaritray akory hoe avy amin’ny firenena samy hafa izahay satria tena mpirahalahy.”
Famantaranandro roa mitovy, mihantona amin’ny rindrina eny aoriana, no voamarika voalohany rehefa miditra ao amin’ilay efitrano fivoriana. Samy hafa anefa ny ora tondroin’izy ireo, satria tara adiny iray ny ora any Portogaly raha oharina amin’ny any Espaina. Izay ihany no tsy itovizan’izy ireo ao. Tena miray saina anefa izy ireo. Nila namboarina, ohatra, ilay efitrano, indray mandeha. Ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana any Espaina no niandraikitra an’ireo mpiasa be zotom-po, avy amin’ireo fiangonana roa. Hoy i Paolo: “Nisy rahalahy sy anabavy matihanina avy any Espaina tonga nanampy anay. Ny sasany avy tany amin’ny 160 kilaometatra mahery. Vao mainka izany nampifankatia kokoa anay.”
Ity koa misy ohatra hafa mampiseho fa afaka miray saina ny olona na dia samy hafa firenena aza.
Miray saina na dia samy hafa fiaviana aza
Tanàna espaniola manasaraka an’i Espaina sy Frantsa i Puigcerdá. Eo afovoan’ny lohasaha lonaka iray voahodidin’ny Tendrombohitra Pyrénées no misy azy io. Cerdagne no iantsoana an’io lohasaha iray manontolo io, ary an’i Espaina izy io taloha. Nisy fifanekem-pihavanana natao anefa tamin’ny 1659, ka nanaiky hanome ny antsasak’ilay lohasaha ho an’i Frantsa i Espaina.
I Puigcerdá no tanàna lehibe indrindra ao amin’ilay lohasaha, ary any ny Frantsay no miantsena. Navelan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Puigcerdá hampiasa ny efitrano fivorian’izy ireo koa ny Vavolombelona frantsay, nanomboka tamin’ny 1997. Tsy maintsy niala tao amin’ny trano nohofainy koa mantsy izy ireo tamin’izay. Adiny iray miala avy any amin’izy ireo anefa ny efitrano akaiky indrindra, raha mandeha fiara. Feno lanezy koa matetika ny lalana any an-tendrombohitra rehefa ririnina ny andro, nefa tsy maintsy any no lalana.
Rehefa nohazavain’ireo Vavolombelona frantsay fa mila efitrano fivoriana maika izy ireo, dia tonga dia nilaza ireo Vavolombelona espaniola hoe azo ampiasaina ny an-dry zareo. Hoy i Prem, Vavolombelona any Espaina: “Tena nazoto erỳ ireo rahalahy espaniola rehetra hikambana efitrano amin-dry zareo. Mazava ho azy moa fa noho ny fampianarana avy ao amin’ny Soratra Masina azonay nandritra ny taona maro no nahatonga an’izany. Tapa-bolana taorian’izay ihany dia efa nikambana efitrano izahay, ka efa 13 taona izao no niarahanay tao.”
Hoy i Eric, anti-panahy ao amin’ilay fiangonana frantsay: “Mety tsara aminay mihitsy ny hoe any Puigcerdá izahay no mivory. Mbola tadidiko foana ny nandraisan’ny fiangonana espaniola anay. Nasian-dry zareo fehezam-boninkazo ngezabe tao amin’ilay efitrano sady nasiany soratra hoe: ‘Tonga soa ianareo ry rahalahy sy anabavy malala.’ ”
Hoy koa i Eric: “Noheverin’ny olona fa rava ilay fiangonana tany Frantsa rehefa nikatona foana ilay efitrano fivorianay. Fantatr’izy ireo ihany anefa fa tsy rava ilay izy, satria nitory teny amin’ilay faritra foana izahay sady nizara fanasana ho azy ireo mba hanatrika fivoriana tany Espaina. Faly erỳ ireo olona liana tonga nivory tany. Nampifankatia kokoa anay koa ny nitambatra efitrano tamin’ireo rahalahinay espaniola. Fantatray taloha hoe misy fiangonana espaniola eo ampita eo saingy tsy dia nifandray tamin’izy ireo izahay. Mifankahita foana anefa izahay izao, ka tsy dia mahatsiaro intsony izahay hoe mitoka-monina atỳ amin’ity lohasaha lavitra be ity.”
Nifampihafahafa ve izy ireo satria samy hafa fiaviana? Nitsotra toy izao ny anabavy frantsay iray, izay 80 taona mahery: “Niferinaina kely ihany aho raha vao nahafantatra hoe any Espaina, any ampitan’ny sisin-taninay, izahay no hivory. Tsara fanahy sady nandray tsara anay anefa ireo ranadahy tany Puigcerdá ka tsy niteraka olana mihitsy ilay fiovana. Vao mainka aza izahay afaka nanaporofo fa tena miray saina ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.”
Ny tena mampiray saina
Nilaza ireo nanorina ny Vondrona Eoropeanina fa ireo firenena mpikambana ao amin’izy io, dia “nanapa-kevitra fa hataon’izy ireo izay hampifandray kokoa ny mponina any Eoropa.” Mba hanafainganana an’izany no antony nanafoanana ny fiambenana sisin-tany, teo anelanelan’ny taona 1980 sy 2000. Ny toe-tsaina mihitsy koa anefa no mila ovana.
Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hanavakavaka sy tsy hifampiahiahy mihitsy. Fantatr’izy ireo mantsy fa sarobidy ireo rahalahy sy anabavy avy amin’ny fiaviana samy hafa. Mino koa izy ireo fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 10:34) Rehefa manao fivoriambe iraisam-pirenena izy ireo na rehefa any amin’ny efitrano fivoriany, dia mahatsapa tokoa fa “tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Salamo 133:1) Porofon’izany izay mitranga any Valença sy Puigcerdá. Tena mifandray tsara amin’ireo rahalahiny eo amin’ny firenena eo akaikiny ireo Vavolombelona any.
[Teny notsongaina, pejy 13]
“Tsy tsikaritray akory hoe avy amin’ny firenena samy hafa izahay satria tena mpirahalahy”
[Teny notsongaina, pejy 14]
‘Vao mainka ilay fandaharana nampifankatia kokoa anay’
[Teny notsongaina, pejy 15]
“Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” SALAMO 133:1
[Sary, pejy 12, 13]
Tui sy ny Reniranon’i Minho rehefa tazanina avy eny amin’ny mandan’i Valença do Minho
[Sary, pejy 14]
Nanavao an’ilay efitrano fivoriana
[Sary, pejy 15]
Ny Tendrombohitra Pyrénées sy ny lohasaha Cerdagne
[Sary, pejy 15]
Anti-panahy roa espaniola sy frantsay. Samy mampiasa ny efitrano fivoriana ao Puigcerdá