FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/8 p. 6
  • Afaka Mampahery Anao Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mampahery Anao Izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka Mampionona Antsika Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Aiza no Ahitana ny Tena Fampiononana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Miezaha ‘Hampionona An’ireo Ory’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Nahoana no Tena Sarobidy Ilay Fanomezana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/8 p. 6

MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Afaka Mampahery Anao Izy

“Andriamanitra, izay mampionona an’ireo naetry, dia nampionona anay.” —2 KORINTIANINA 7:6.

[Sary, pejy 6]

‘Tia ahy ilay Zanak’Andriamanitra, ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ —GALATIANINA 2:20

NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Mihevitra ny olona sasany hoe tia tena be izy raha mangataka ny fanampian’Andriamanitra, na dia tena mila fampaherezana aza. Hoy ny vehivavy atao hoe Raquel: “Tsy sahy mangataka fanampiana amin’Andriamanitra aho rehefa manana olana. Hoatran’ny tsisy dikany mantsy ny ahy raha ampitahaina amin’ny an’ny olona tsy hita isa eran-tany.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Efa nanao zavatra niavaka Andriamanitra mba hanampiana sy hampaherezana antsika. Nandova ota ny olon-drehetra, ka tsy mahavita mankatò tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra. ‘Tia antsika’ anefa izy ‘ka nirahiny ny Zanany [Jesosy Kristy] ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.’ (1 Jaona 4:10) Lasa afaka manana feon’ny fieritreretana madio àry isika sady afaka mahazo famelan-keloka sy fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.a Natao ho an’ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny ve anefa io sorona io, sa natao ho anao manokana?

Eritrereto ny apostoly Paoly. Tena nanohina ny fony ny soron’i Kristy ka hoy izy: “Efa tia ahy” ilay Zanak’Andriamanitra “ka nanolotra ny tenany ho ahy.” (Galatianina 2:20) Mbola tsy Kristianina i Paoly tamin’i Jesosy maty, nefa noheveriny hoe nataon’Andriamanitra ho azy manokana ilay sorona.

Nataon’Andriamanitra ho anao manokana koa ny soron’i Jesosy. Hita avy amin’izany fa tena sarobidy amin’Andriamanitra ianao. Hanome anao “fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara” io sorona io sady ‘hampahery anao amin’izay asa sy teny tsara rehetra ataonao.’—2 Tesalonianina 2:16, 17.

Marina aloha hoe efa ho 2 000 taona izay i Jesosy no namoy ny ainy. Mbola te hifandray aminao foana anefa Andriamanitra. Inona no manaporofo an’izany?

a Misy fanazavana fanampiny momba ny soron’i Jesosy ao amin’ny toko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara