FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/9 p. 6
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasainay?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Aiza ny Vola Ampiasainay?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah An’izay Fanomezana Voarainy?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Ahoana no Anohanana Ara-bola ny Asa Rehetra?
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/9 p. 6
Olona mandrotsaka vola ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana an-tsitrapo

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA MOA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH?

Avy aiza ny vola ampiasainay?

Manao pirinty sy mizara Baiboly sy boky ary gazety an-jatony tapitrisa izahay isan-taona. Manorina biraon’ny sampana sy trano fanontam-pirinty koa izahay maneran-tany, ary mampandeha ny asa ao amin’izy ireny. Fiangonana an’aliny no mivory any amin’ny toeram-pivavahana antsoina hoe Efitrano Fanjakana. Tsotsotra izy ireny, nefa tsara tarehy. Avy aiza àry ny vola lany amin’izany rehetra izany?

Fanomezana an-tsitrapo daholo no mampandeha ny asanay. (2 Korintianina 9:7) Hoy ny laharana faharoa tamin’ity gazety ity, tamin’ny 1879: “I JEHOVAH no mpanohana ‘Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona’ [anaran’ity gazety ity taloha], ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy.” Mbola tsy niova izany hatramin’izao.

Tonga dia azo alefa any amin’ny biraon’ny sampana ireny fanomezana ireny, na atao ao anaty boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy manao rakitra anefa izahay, na maka ampahafolon-karena. Tsy mitaky vola koa izahay rehefa manao zavatra, ary tsy mivarotra ny bokinay. Tsy mikarama izahay rehefa mitory, na mampianatra, na manorina toeram-pivavahana. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:8) Tsy mikarama ny mpitory miasa ao amin’ny biraon’ny sampana sy any amin’ny foibe, anisan’izany ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Fanomezana an-tsitrapo no hamitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zavatra rehetra ataony mifandray amin’ny fivavahany. Ny tsirairay no mamaritra hoe ohatrinona no omeny, ary isaky ny inona izy ireo no hanome.”​—Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 2011

Hanampiana tra-boina koa ireny fanomezana ireny. Nanampy olona sahirana ny Kristianina voalohany. (Romanina 15:26) Manao hoatr’izany koa izahay, ka manamboatra ny tranon’ireo tra-boina sy ny toeram-pivavahany. Manome sakafo sy fitafiana ary fanafody azy ireo koa izahay.

Ankizilahikely mitsikitsiky

Jereo ilay video hoe Rivo-doza Tany Philippines: Nanampy Azy Ireo ny Finoana, ao amin’ny jw.org/mg. (Jereo ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY > NY ATAONAY)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara