FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w16 Desambra p. 29-31
  • Tena Hendry ny Olona Malemy Fanahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Hendry ny Olona Malemy Fanahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NO MAHATSARA NY HOE MALEMY FANAHY?
  • Endrey ny Hasambaran’ny Malemy Fanahy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mandray Soa Isika Rehefa Malemy Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Fahalemem-panahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ahoana no Hataoko fa Mora Misafoaka Aho?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
w16 Desambra p. 29-31
Mpitsabo mpanampy iray miresaka amin’ny vehivavy iray tezitra be

Tena Hendry ny Olona Malemy Fanahy

Mpitsabo mpanampy i Antonia. Nandeha nikarakara zokiolona iray izy, indray mandeha. Rehefa tonga tany izy, dia vehivavy iray zanak’ilay zokiolona no namoha azy. Tezitra be ilay vehivavy sady nasiaka be, satria tokony ho tonga aloha kokoa, hono, izy. Tsy tara i Antonia, raha ny marina, fa nisy resaka tsy nifankahazo fotsiny. Tony anefa izy sady niala tsiny.

MBOLA nivazavaza tamin’i Antonia ilay vehivavy rehefa niverina tany izy tatỳ aoriana. Hoy i Antonia: “Mafy be tamiko ilay izy. Izaho no notabatabainy, nefa izaho tsy naninona an’azy akory.” Niala tsiny indray anefa izy sady nilaza tamin’ilay vehivavy fa azony tsara hoe mijaly izy.

Raha ianao no Antonia, dia inona no ho nataonao? Niezaka ny halemy fanahy ve ianao? Sa nety ho sarotra be taminao ny nifehy ny hatezeranao? Marina aloha fa sarotra ny hoe ho tony foana rehefa misy zavatra mampahatezitra hoatr’izany. Tena tsy mora ny hoe halemy fanahy rehefa misy zavatra mampiady saina antsika na misy mila ady amintsika.

Milaza anefa ny Baiboly hoe tokony halemy fanahy ny Kristianina. Voalaza ao fa miezaka ny halemy fanahy ny olona hendry. Hoy ny Jakoba 3:13: “Iza aminareo no hendry sy mahira-tsaina? Aoka izy haneho izany amin’ny alalan’ny fitondran-tena tsara, ka ho hita eo amin’izay ataony fa maneho fahalemem-panahy avy amin’ny fahendrena izy.” Nahoana no hoe manana ny fahendrena avy any ambony ny olona malemy fanahy? Inona no hanampy antsika hanana an’io toetra io?

INONA NO MAHATSARA NY HOE MALEMY FANAHY?

Mampitony fahatezerana ny fahalemem-panahy. “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”​—Ohab. 15:1.

Vao mainka mitatra ny olana raha tezitra ianao rehefa misy zavatra mahasosotra. Toy ny hoe manampy kitay amin’ny afo mantsy izany. (Ohab. 26:21) Raha malemy fanahy kosa ianao, dia matetika no tsy mitatra be ilay olana. Mety ho tony mihitsy aza ny olona tezitra be.

Hitan’i Antonia hoe marina izany. Rehefa nahita azy nalemy fanahy ilay vehivavy, dia nitomany. Nanazava izy fa misy zavatra manahirana azy, ary misy olana koa eo amin’ny fianakaviany. Nitory taminy i Antonia ka nanaiky hianatra Baiboly izy. Tsy izany no ho nitranga raha tsy tony sy tsara fanahy foana i Antonia.

Ho sambatra isika raha malemy fanahy. “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”​—Mat. 5:5.

Olona maro no tezitezi-dava taloha nefa lasa malemy fanahy. Lasa nihatsara ny fiainany, ary fantany fa ho tsara be ny hoaviny. (Kol. 3:12) Tena sambatra tokoa àry ny olona malemy fanahy. Manaporofo an’izany ny tantaran’i Adolfo, mpiandraikitra ny faritra any Espaina. Nanao ahoana ny fiainany tamin’izy mbola tsy nahalala ny fahamarinana?

Hoy izy: “Tsy nisy dikany mihitsy ny fiainako taloha. Tezitra be foana aho, dia nanambony tena sy nahery setra be. Na ny namako sasany aza lasa natahotra an’ahy. Tonga saina anefa aho, indray mandeha. Niady tamin’olona mantsy aho, dia voatsatoka antsy inenina. Nandeha ra be saika maty aho tamin’izay.”

Miezaka ny halemy fanahy anefa i Adolfo izao, sady manampy ny olona hanao toy izany koa. Tena tian’ny olona izy satria lasa be fitiavana sy mahafinaritra. Faly izy fa nahavita niova. Misaotra an’i Jehovah koa izy manampy azy halemy fanahy.

Faly i Jehovah rehefa malemy fanahy isika. “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.”​—Ohab. 27:11.

Manao fanahy iniana manaratsy an’i Jehovah ny Devoly, ilay fahavalony lehibe indrindra. Tokony ho tezitra amin’izany i Jehovah, raha ny marina. Milaza anefa ny Baiboly fa “tsy mora tezitra” izy. (Eks. 34:6) Hendry isika raha manahaka azy ka tsy mora tezitra fa malemy fanahy. (Efes. 5:1) Ho faly be i Jehovah amin’izay.

Ratsy toetra ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Mety ho sendra olona ‘matin-kambo, manambony tena, mpanevateva, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena’, ary “masiaka be” isika. (2 Tim. 3:2, 3) Tokony hiezaka halemy fanahy foana anefa isika. Milaza mantsy ny Tenin’Andriamanitra fa ‘ny fahendrena avy any ambony dia tia fihavanana sy mahay mandanjalanja.’ (Jak. 3:17) Manana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra àry isika, raha tia fihavanana sy mahay mandanjalanja. Halemy fanahy isika amin’izay, na dia misy mampahatezitra antsika aza. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah koa isika.

Inona no Hanampy Anao Halemy Fanahy?

Raha iharan’ny tsy rariny ianao na misy olona masiaka be aminao, dia inona no hanampy anao hifehy tena ka hampifaly an’i Jehovah? Eritrereto ireto toro lalana tena tsara ireto:

  1. 1 AZA MANAHAKA NY TOE-TSAIN’ITY TONTOLO ITY.​—1 Kor. 2:12. Maro no mieritreritra fa ny olona kanosa no malemy fanahy. Mihevitra ry zareo hoe mila mahay manizingizina ny hevitrao ianao, raha te hiseho hoe tsy saro-tahotra. Toe-tsain’izao tontolo izao anefa izany, fa tsy ny fahendrena avy any ambony. Hoy mantsy ny Ohabolana 25:15: “Faharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpitari-tafika, ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.” Misy heriny lehibe àry ny fahalemem-panahy.

    Eritrereto izao:

    Ny olona kanosa ve amiko no malemy fanahy sa ny olona be herim-po?

    Mitandrina ve aho mba tsy hanao “ny asan’ny nofo”, anisan’izany ny hoe tezitra be sy mifamaly aman’olona?​—Gal. 5:19, 20.

  2. 2 MIERITRERETA TSARA ALOHA. “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika zava-dratsy.” (Ohab. 15:28) Mety hilaza zavatra hanenenantsika isika, raha mbola tezitra be dia efa miteny. Raha mieritreritra tsara anefa aloha isika, dia ho tony kokoa sy halemy fanahy. Mety hahatonga an’ilay olona hiova koa izany.

    Eritrereto izao:

    Inona no hanjo an’ahy raha mora tezitra aho?

    Sao dia mba azoko tsy raharahaina fotsiny ilay tsy rariny mba hitandroana fihavanana?​—Ohab. 19:11.

  3. 3 MIVAVAHA MATETITETIKA. Mangataha fanahy masina. (Lioka 11:13) Io mantsy no hery matanjaka indrindra eran’izao rehetra izao. Tadidio koa fa anisan’ny vokatry ny fanahy ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena. Hoy i Adolfo: “Mivavaka amin’i Jehovah foana aho. Izany no tena manampy an’ahy, indrindra fa rehefa misy zavatra mampahatezitra.” Hanome fanahy masina antsika koa i Jehovah, raha mitalaho aminy foana isika mba hahazo azy io.​—Rom. 12:12.

    Eritrereto izao:

    Mangataka matetika amin’i Jehovah ve aho mba handinika ny ato am-poko sy ny antony anaovako zavatra?

    Mangataka fanahy masina sy fahendrena aminy ve aho, mba hanampy ahy hampifaly azy?​—Sal. 139:23, 24; Jak. 1:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara