FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 6 p. 12-14
  • Nahoana no Be dia Be ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Be dia Be ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY BAIBOLY VOALOHANY
  • FANDIKAN-TENY GRIKAN’NY FITOPOLO
  • NY VULGATE LATININA
  • NIHAMARO NY DIKAN-TENIN’NY BAIBOLY
  • Dikan-teny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny anaran’Andriamanitra sy ny “Testamenta Vaovao”
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Nahasoa Taloha sy Ankehitriny ny Fandikan-tenin’ny “Fitopolo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ny Fomba Nahatongavan’ny Baiboly Hatratỳ Amintsika — Fizarana Voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 6 p. 12-14
Baiboly isan-karazany, misy vita pirinty ary misy amin’ny endrika elektronika

Nahoana no Be dia Be ny Baiboly?

Nahoana no be dia be izao ny dikan-tenin’ny Baiboly? Manampy antsika hahazo izay lazain’ny Baiboly ve ireny dikan-teny vaovao ireny? Raha fantatrao ny antony nampisy azy ireny dia ho hainao ny hifidy izay Baiboly hovakinao.

Andeha aloha hojerentsika hoe iza no nanoratra ny Baiboly voalohany ary oviana.

NY BAIBOLY VOALOHANY

Mizara roa ny Baiboly. Misy boky 39 ny tapany voalohany, ary ny “fanambarana masin’Andriamanitra” no ao. (Romanina 3:2) Lehilahy vitsivitsy nanam-pinoana no nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireo boky ireo, nandritra ny 1 100 taona teo ho eo. Nanomboka tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy (T.K.) izy ireo no nosoratana, ary vita taoriana kelin’ny 443 T.K. Ny teny hebreo no tena nampiasain’ireo lehilahy ireo, ka izay no antony iantsoana an’io fizarana io hoe Soratra Hebreo na Testamenta Taloha.

Misy boky 27 ny tapany faharoa, ary “tenin’Andriamanitra” koa izy io. (1 Tesalonianina 2:13) Ny mpianatr’i Jesosy Kristy no nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireo boky ireo nandritra ny 60 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny taona 41 tany ho any ka hatramin’ny 98. Ny teny grika no tena nampiasain’izy ireo, ka izay no antony iantsoana an’ilay fizarana hoe Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao.

Misy boky 66 àry ny Baiboly manontolo, na ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nahoana anefa no lasa nisy dikan-teny hafa? Ireto misy antony telo lehibe:

  • Mba ho afaka hamaky ny Baiboly amin’ny fitenin-drazany ny olona.

  • Mba hanitsiana ny diso nataon’ireo mpanao dika mitovy, ka hitovy amin’ilay tany am-boalohany ny Baiboly ankehitriny.

  • Mba hanovana an’ireo teny tranainy ho teny fampiasa andavanandro.

Diniho ange ireto dikan-teny roa voalohany ireto e!

FANDIKAN-TENY GRIKAN’NY FITOPOLO

Nanomboka nandika ny Soratra Hebreo tamin’ny teny grika ny manam-pahaizana jiosy, 300 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Nantsoina hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo io fandikan-teny io. Fa nahoana izy io no natao? Mba hanampiana an’ireo Jiosy niteny grika hahalala ny “Soratra Masina.”—2 Timoty 3:15.

Olon-kafa an-tapitrisany miteny grika koa no lasa nahalala an’izay ampianarin’ny Baiboly, noho ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tamin’ny fomba ahoana? Hoy ny Profesora W. Howard: “Izy io no Baiboly nampiasain’ny Eglizy Kristianina, nanomboka tamin’ny taona 50 tany ho any. Nitety synagoga ny misionera tamin’izany mba ‘hanaporofoana tamin’ny alalan’ny Soratra Masina hoe i Jesosy no Mesia.’” (Asan’ny Apostoly 17:3, 4; 20:20) Izany no anisan’ny nahatonga ny Jiosy maro “tsy ho liana intsony tamin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo”, hoy i F. Bruce, manam-pahaizana momba ny Baiboly.

Nangonin’ny mpianatr’i Jesosy tsikelikely ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary nampiarahiny tamin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Dia izay no lasa Baiboly manontolo ampiasaintsika amin’izao.

NY VULGATE LATININA

Namoaka Baiboly tamin’ny teny latinina ilay manam-pahaizana atao hoe Jérôme, 300 taona teo ho eo, taorian’ny nahavitan’ny Baiboly. Io no lasa nantsoina hoe Vulgate Latinina. Nahoana i Jérôme no mbola namoaka dikan-teny vaovao, nefa efa betsaka tamin’izany ny Baiboly tamin’ny teny latinina? Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) fa tiany hahitsy “ireo hevitra nadika vilana, sy ireo teny diso tsipelina, ary ireo hevitra nampiana na nanalana.”

Nahitsin’i Jérôme ny ankamaroan’ireny fahadisoana ireny. Nanapa-kevitra anefa ny lohandohany tao amin’ny eglizy tatỳ aoriana, fa ny Vulgate latinina ihany no azo ampiasaina. Tsy nisy nahazo nampiasa dikan-teny hafa nandritra ny an-jatony taona! Nisy vokany ratsy anefa izany. Tsy nahay teny latinina mantsy ny ankamaroan’ny olona tatỳ aoriana, ka tsy nanampy azy ireo hahazo ny Baiboly akory ny Vulgate.

NIHAMARO NY DIKAN-TENIN’NY BAIBOLY

Maro no mbola namoaka dikan-teny hafa. Efa 1 600 taona lasa teo ho eo, ohatra, no vita ilay dikan-teny malaza atao hoe Peshitta syriàka. Eninjato taona lasa teo ho eo anefa vao nisy niezaka nandika ny Soratra Masina tamin’ny fitenin-drazan’ny olona indray.

Nanomboka namoaka Baiboly tamin’ny teny anglisy, ohatra, i John Wycliffe tamin’izany. Na ny olon-tsotra tany Angletera aza nahazo an’izay voalaza tao. Tsy ela taorian’izay no vita ny fanontam-pirintin’i Johannes Gutenberg. Mora tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly àry ny namoaka sy nanaparitaka an’ireo dikan-tenin’ny Baiboly vaovao tamin’ny fiteny maro eran’i Eoropa.

Nihamaro ny Baiboly tamin’ny teny anglisy. Nisy mpanao tsikera nilaza àry hoe sao dia tsy ilaina ny manao dikan-teny be dia be amin’ny fiteny iray. Hoy i John Lewis, pretra anglisy, 300 taona lasa teo ho eo izay: “Sarotra azo ny teny iray rehefa tranainy be. Mila havaozina àry ireny dikan-teny taloha ireny mba ho mora azo sy hifanaraka amin’ny fiteny andavanandro.”

Mora kokoa amin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly izao ny manavao an’ireny dikan-teny taloha ireny. Lasa azony kokoa mantsy ny fiteny nanoratana ny Baiboly. Betsaka koa ny Baiboly sora-tanana hita vao haingana. Manampy azy ireo hamantatra ny hevitry ny teny nanoratana ny Baiboly izy ireny.

Tena tsara àry ny manana dikan-tenin’ny Baiboly vaovao. Mazava ho azy, fa mila mailo isika rehefa mifidy an’izay hampiasaintsika.a Handray soa anefa isika raha tena tia an’Andriamanitra ireo olona nanao an’ilay dikan-teny vaovao nofidintsika.

Tianao ve ny hamaky Baiboly amin’ny fiteninao ao amin’ny Internet na amin’ny fitaovana elektronika? Midira àry ao amin’ny www.pr2711.com/mg, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BAIBOLY.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2008.

NY ANARANA MASIN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY BAIBOLY

Sombiny amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, izay nampiasaina tamin’ny andron’i Jesosy, ary ahitana ny anaran’Andriamanitra

Sombiny amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, izay nampiasaina tamin’ny andron’i Jesosy, ary ahitana ny anaran’Andriamanitra

Hita ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny anarana masin’Andriamanitra hoe Jehovah, na ao amin’ny Soratra Hebreo izany na ao amin’ny Soratra Grika. Tsy ahitana azy io kosa ny Baiboly maoderina sasany fa nosoloana hoe “Tompo.” Fa nahoana? Misy mpandika teny milaza fa tsy hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mihitsy ireo Litera Efatra (YHWH) fanoratana ny anaran’Andriamanitra. Marina anefa ve izany?

Hita teo anelanelan’ny 1940 sy 1950, ohatra, ny sombiny tamin’ilay Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Efa tena tranainy izy ireo satria nampiasaina tamin’ny andron’i Jesosy. Misy ny anarana masin’Andriamanitra amin’ny teny hebreo ao. Toa nosoloan’ny mpanao dika mitovy ilay anarana, tatỳ aoriana, ka nataony hoe Kyriôs, na “Tompo” amin’ny teny grika. Naverina amin’ny laoniny ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

NISY NANOVA VE NY BAIBOLY?

Horonam-bokin’i Isaia

Ilay Horonam-bokin’i Isaia, izay efa 2 000 taona. Mitovy tsy misy valaka amin’ny Baiboly ankehitriny ny voalaza ao

Mazava ho azy fa nanao fahadisoana ireo mpanao dika mitovy. Tsy nanova ny voalazan’ny Baiboly anefa izany. “Tsy nanova ny foto-pampianarana kristianina ireny fahadisoana ireny.”—Ny Baibolintsika sy ny Sora-tanana Fahiny (anglisy).

Zara raha nanao fahadisoana ny Jiosy mpanao dika mitovy. “Namerimberina nandika ny Soratra Hebreo ny mpanora-dalàna jiosy tamin’ny andron’ireo Kristianina voalohany. Voadikany tsara anefa ilay izy.”—Naverina Nodinihina ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (anglisy).

Nahitana horonam-boky iray an’i Isaia tao amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Efa 1 000 taona talohan’ireo asa soratra hita teo aloha izy io no vita. Manao ahoana izy io raha ampitahaina amin’ny Baiboly misy amin’izao? “Mahalana vao nisy teny nampiana na nesorina tao.” —Ny Tantaran’ny Baiboly (anglisy).

Mora izao ny mamantatra sy manitsy ny fahadisoana nataon’ny mpanao dika mitovy tsy dia nitandrina loatra. Ohatra hoe litera na teny na fehezan-teny novana. “Ny Testamenta Vaovao ihany no boky tranainy mora ahitana porofo hoe tena marina.”—Ireo Boky sy Horonam-boky Hoditra (anglisy).

“Tsy misy tokony hampanahy an’ireo mpino. Saika mitovy tanteraka amin’izay nosoratana tamin’ny taratasy papyrus tany Ejipta mantsy ny voalazan’ny Baiboly ananantsika, na dia nadika tanana sy natao pirinty imbetsaka tany Eoropa aza.” —Ny Tantaran’ny Baiboly (anglisy).

Nisy nanova àry ve ny Baiboly? Mazava fa tsia!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara