FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w17 Mey p. 30
  • Mahafaly ny Manana Fiainana Tsotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahafaly ny Manana Fiainana Tsotra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NIATRIKA OLANA DIA AVY EO NAHENO VAOVAO TSARA
  • INONA NO TENA MAHAFALY AZY IREO?
  • “Mihirà ho An’i Jehovah”!
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Miriama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mampanantena Valisoa Mahatalanjona ho An’i Daniela i Jehovah
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Ny Bokin’i Daniela sy Ianao
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
w17 Mey p. 30
Daniel sy Miriam, mitory amin’ny lehilahy iray any Panama

Mahafaly ny Manana Fiainana Tsotra

TAMIN’NY Septambra 2000 i Daniel sy Miriam no nivady. Nipetraka tany Barcelone, any Espaina, ry zareo ary niadana be. Hoy i Daniel: “Tsara karama izahay mivady dia afaka nisakafo tany amin’ny hotely mihaja, nandehandeha tany an-tany hafa, ary nividy akanjo tsara be. Nanompo foana koa izahay.” Niova anefa izany.

Nisy lahateny tena nanohina ny fon’i Daniel tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2006. Nanontany ilay mpandahateny tamin’izay hoe: ‘Efa “hoentina haringana” ny ankamaroan’ny olona, ka manao izay rehetra azontsika atao ve isika mba hanampiana azy ireo hiaina mandrakizay?’ (Ohab. 24:11) Nohamafisiny fa tena ilaina ny mampahafantatra an’ilay hafatra mamonjy aina ao amin’ny Baiboly. (Asa. 20:26, 27) Hoy i Daniel: “Hoatran’ny hoe izaho mihitsy no niresahan’i Jehovah tamin’izay.” Noresahina tamin’ilay lahateny koa fa ho faly kokoa isika raha manompo bebe kokoa. Fantatr’i Daniel hoe marina izany, satria efa nanomboka nanao mpisava lalana i Miriam dia hitany hoe falifaly.

Tapa-kevitra ny hanova tanteraka ny fiainany àry izy. Nahenany ny ora niasany, ary nanomboka nanao mpisava lalana izy. Noeritreretiny koa hoe raha manompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa izao izy mivady, dia be dia be ny zavatra hahafinaritra azy ireo any.

NIATRIKA OLANA DIA AVY EO NAHENO VAOVAO TSARA

Niala tamin’ny asany i Daniel sy Miriam tamin’ny Mey 2007, dia nifindra tany Panama. Efa nandalo tany ry zareo taloha. Nosy maromaro anisan’ny Vondronosy Bocas del Toro, any amin’ny Ranomasina Karaiba, no faritanin’izy ireo. Avy amin’ny foko ngabe ny ankamaroan’ny mponina any. Nieritreritra i Daniel sy Miriam hoe ho ampy hiveloman’izy ireo mandritra ny valo volana eo ho eo ny vola nangoniny.

Nandeha lakana sy bisikileta ry zareo rehefa nivezivezy tany amin’ireo nosy. Mbola tadidin’izy ireo tsara tamin’izy ireo sambany nanao dia lavitra tamin’ny bisikileta. Lalana 30 kilaometatra teo ho eo ilay izy sady be havoana mideza. Nahamay be koa ny andro. Saika torana i Daniel tamin’izay fa reraka loatra. Nandray tsara azy mivady anefa ny fianakaviana ngabe mipetraka ao amin’ireo tanàna nolalovan’izy ireo, indrindra fa rehefa lasa nahay teny vitsivitsy tamin’ny fiteniny izy ireo. Lasa nanana fampianarana Baiboly 23 izy ireo kelikely taorian’izay.

Nalahelo anefa izy roa rehefa lany ny volany. Hoy i Daniel: “Nanganohano izahay rehefa nieritreritra hoe tsy maintsy hody any Espaina. Nalahelo koa izahay satria hisaraka amin’ireo olona nampianarinay Baiboly.” Nisy vaovao tsara be anefa, iray volana taorian’izay. Hoy i Miriam: “Voatendry ho mpisava lalana manokana izahay. Faly be izahay fa afaka nanohy ny fanompoanay tatỳ!”

INONA NO TENA MAHAFALY AZY IREO?

Voatendry ho mpisava lalana maharitra i Daniel sy Miriam tamin’ny 2015, noho ilay fanovana nataon’ny fandaminana. Ahoana no nataon’izy ireo? Natoky ny voalazan’ny Salamo 37:5 izy ireo, hoe: “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary miantehera aminy, dia hanao zavatra izy.” Nahita asa ahafahana manao mpisava lalana izy mivady. Ao amin’ny fiangonana iray any Veraguas, any Panama, izy ireo izao.

Hoy i Daniel: “Nisalasala izahay talohan’ny nialanay tany Espaina, raha ho vitanay ny hanana fiainana tsotra. Vitanay anefa ilay izy izao, ary manana izay tena ilaina foana izahay.” Inona anefa no tena mahafaly azy ireo? Hoy izy mivady: “Tsy misy mahafinaritra hoatran’ny hoe manampy ny olona manetry tena hahafantatra an’i Jehovah!”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara