Misy Mpitondra Fivavahana Karamaina ve ao Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Tsy nanavaka ny olona hoe mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Manahaka azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy manao an’izany koa. Afaka mitory sy mampianatra daholo izay Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Zarazaraina ho fiangonana izahay, ka 100 eo ho eo no ao amin’ny fiangonana tsirairay. Izay lehilahy matotra ara-panahy ao no mikarakara an’ilay fiangonana. Antsoina hoe “anti-panahy” ireny lehilahy ireny. (Titosy 1:5) Tsy karamaina anefa izy ireo.