-
Deoteronomia 14:12-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Tsy azonareo hanina kosa ireto: Ny voromahery, ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,+ 13 ny papango mena, ny papango mainty, ny karazana papango rehetra, 14 ny karazana goaika rehetra, 15 ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 16 ny vorondolo kely, ny vorondolo lava sofina, ny gisa mpanidina, 17 ny gisandrano, ny vaotoro, ny sakaizamboay, 18 ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy. 19 Ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka koa dia maloto aminareo, ka tsy tokony hohanina.
-