-
Levitikosy 13:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “Na raha misy olona main’ny afo ka misy fery eo amin’ilay hoditra may, ary lasa tasy fotsy somary mena na lasa tasy fotsy ilay izy, 25 dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha lasa fotsy ny volo eo amin’ilay tasy sady hoatran’ny hoe mandoaka no fahitany an’ilay izy, dia habokana nipoitra teo amin’ilay fery izany. Hambarany hoe maloto ilay olona. Habokana izany.
-