- 
	                        
            
            Deoteronomia 26:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
26 “Rehefa tafiditra ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao, ka maka an’izany ho anao sady mipetraka ao, 2 dia akao ny voaloham-bokatra rehetra hangoninao ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Ataovy ao anaty harona izany, dia ento mankany amin’ilay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany.+
 
 -