- 
	                        
            
            Eksodosy 17:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
5 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana eo anoloan’ny vahoaka, ary ento miaraka aminao ny anti-panahy vitsivitsy eo amin’ny Israely. Ary ento eny an-tananao ilay tehina nikapohanao ny Reniranon’i Neily,+ dia mandehana. 6 Fa hitsangana eo anatrehanao, eo ambony vatolampy ao Horeba, aho. Kapohy ilay vatolampy, dia hisy rano hivoaka avy ao ka hisotro amin’izany ny vahoaka.”+ Dia nataon’i Mosesy teo imason’ny anti-panahin’ny Israely izany.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Salamo 78:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
15 Nampitresaka vatolampy tany an-tany efitra izy,
Ka namela azy ireo hanaram-po hisotro rano, toy ny hoe nisotro avy tamin’ny rano lalina.+
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Salamo 114:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
8 Izay manova ny vatolampy ho farihy anirian’ny bararata,
Ary ny vatoafo ho loharano.+
 
 -